Repentance to Bring Blessing

1. O Israel, return unto the LORD thy God; for thou hast fallen by thine iniquity.
1. Israël, reviens à l`Éternel, ton Dieu, Car tu es tombé par ton iniquité.
1. Ry Isiraely ô, miverena amin' i Jehovah Andriamanitrao, fa lavo noho ny helokao ianao.
2. Take with you words, and turn to the LORD: say unto him, Take away all iniquity, and receive us graciously: so will we render the calves of our lips.
2. Apportez avec vous des paroles, Et revenez à l`Éternel. Dites-lui: Pardonne toutes les iniquités, Et reçois-nous favorablement! Nous t`offrirons, au lieu de taureaux, l`hommage de nos lèvres.
2. Mitondrà teny ianareo, ka miverena amin' i Jehovah ary manaova aminy hoe: Esory ny heloka rehetra, ary raiso tsara izahay, ka dia haloanay ny vantotr' ombilahin' ny molotray.
3. Asshur shall not save us; we will not ride upon horses: neither will we say any more to the work of our hands, Ye are our gods: for in thee the fatherless findeth mercy.
3. L`Assyrien ne nous sauvera pas, nous ne monterons pas sur des chevaux, Et nous ne dirons plus à l`ouvrage de nos mains: Notre Dieu! Car c`est auprès de toi que l`orphelin trouve compassion.
3. "Asyria tsy hamonjy anay; tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin' ny asan' ny tananay intsony hoe: ianareo no andriamanitray; fa ao aminao no ahitan' ny kamboty famindrampo."
4. I will heal their backsliding, I will love them freely: for mine anger is turned away from him.
4. "Je réparerai leur infidélité, J`aurai pour eux un amour sincère; Car ma colère s`est détournée d`eux."
4. "Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; fa efa niala taminy ny fahatezerako."
5. I will be as the dew unto Israel: he shall grow as the lily, and cast forth his roots as Lebanon.
5. Je serai comme la rosée pour Israël, Il fleurira comme le lis, Et il poussera des racines comme le Liban.
5. "Ho tahaka ny ando Aho amin' ny Isiraely; hamony tahaka ny lilia izy ary hamaka tahaka an' i Libanona."
6. His branches shall spread, and his beauty shall be as the olive tree, and his smell as Lebanon.
6. "Ses rameaux s`étendront; Il aura la magnificence de l`olivier, Et les parfums du Liban."
6. Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an' ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka an' i Libanona ny hanitra avy aminy.
7. They that dwell under his shadow shall return; they shall revive as the corn, and grow as the vine: the scent thereof shall be as the wine of Lebanon.
7. "Ils reviendront s`asseoir à son ombre, Ils redonneront la vie au froment, Et ils fleuriront comme la vigne; Ils auront la renommée du vin du Liban."
7. "Hiverina izay mitoetra ao ambany alokalony; hovelombelomina indray toy ny varimbazaha izy, haniry tahaka ny voaloboka; ho tahaka ny ranomboalobok' i Libanona ny hanitra avy aminy."
8. Ephraim shall say, What have I to do any more with idols? I have heard him, and observed him: I am like a green fir tree. From me is thy fruit found.
8. Éphraïm, qu`ai-je à faire encore avec les idoles? Je l`exaucerai, je le regarderai, Je serai pour lui comme un cyprès verdoyant. C`est de moi que tu recevras ton fruit.
8. "Hiteny Efraima hoe: Hataoko inona intsony moa izay sampy? Izaho efa nihaino azy ka nitsinjo azy; tahaka ny hazo kypreso maitso Aho. Avy amiko no hahazoana ny vokatrao."
9. Who is wise, and he shall understand these things? prudent, and he shall know them? for the ways of the LORD are right, and the just shall walk in them: but the transgressors shall fall therein.
9. "Que celui qui est sage prenne garde à ces choses! Que celui qui est intelligent les comprenne! Car les voies de l`Éternel sont droites; Les justes y marcheront, Mais les rebelles y tomberont."
9. "Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan' i Jehovah, ary ny marina no hizotra eny aminy; fa ny mpiodina kosa dia ho lavo eny aminy."
<
>