1. For this cause I Paul, the prisoner of Jesus Christ for you Gentiles,
1. A cause de cela, moi Paul, le prisonnier de Christ pour vous païens...
1. Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’i Jesosy Kristy, ho anareo Jentilisa,
2. If ye have heard of the dispensation of the grace of God which is given me to you-ward:
2. si du moins vous avez appris quelle est la dispensation de la grâce de Dieu, qui m`a été donnée pour vous.
2. Raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3. How that by revelation he made known unto me the mystery; (as I wrote afore in few words,
3. C`est par révélation que j`ai eu connaissance du mystère sur lequel je viens d`écrire en peu de mots.
3. "Fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-miafina, (araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo aloha;"
4. Whereby, when ye read, ye may understand my knowledge in the mystery of Christ)
4. En les lisant, vous pouvez vous représenter l`intelligence que j`ai du mystère de Christ.
4. Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-miafina ny amin’i Kristy)
5. Which in other ages was not made known unto the sons of men, as it is now revealed unto his holy apostles and prophets by the Spirit;
5. Il n`a pas été manifesté aux fils des hommes dans les autres générations, comme il a été révélé maintenant par l`Esprit aux saints apôtres et prophètes de Christ.
5. Izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ireo apostoliny masina sy ireo mpaminaniny,
6. That the Gentiles should be fellowheirs, and of the same body, and partakers of his promise in Christ by the gospel:
6. Ce mystère, c`est que les païens sont cohéritiers, forment un même corps, et participent à la même promesse en Jésus Christ par l`Évangile,
6. Dia ny ahatongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny tenifikasana ao amin’i Kristy noho ny filazantsara,
7. Whereof I was made a minister, according to the gift of the grace of God given unto me by the effectual working of his power.
7. dont j`ai été fait ministre selon le don de la grâce de Dieu, qui m`a été accordée par l`efficacité de sa puissance.
7. Izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ny heriny.
8. Unto me, who am less than the least of all saints, is this grace given, that I should preach among the Gentiles the unsearchable riches of Christ;
8. A moi, qui suis le moindre de tous les saints, cette grâce a été accordée d`annoncer aux païens les richesses incompréhensibles de Christ,
8. Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny Jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany,
9. And to make all men see what is the fellowship of the mystery, which from the beginning of the world hath been hid in God, who created all things by Jesus Christ:
9. et de mettre en lumière quelle est la dispensation du mystère caché de tout temps en Dieu qui a créé toutes choses,
9. "Ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia ilay voàfina hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy;"
10. To the intent that now unto the principalities and powers in heavenly places might be known by the church the manifold wisdom of God,
10. afin que les dominations et les autorités dans les lieux célestes connaissent aujourd`hui par l`Église la sagesse infiniment variée de Dieu,
10. Mba hampahafantarina ankehitriny an'ireo fanapahana sy fahefana eny an-danitra ny fahendrena maro samihafa an’Andriamanitra, amin’ny alalan' ny fiangonana,
11. According to the eternal purpose which he purposed in Christ Jesus our Lord:
11. selon le dessein éternel qu`il a mis à exécution par Jésus Christ notre Seigneur,
11. Araka ny fikasana mandrakizay izay nokasainy ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika,
12. In whom we have boldness and access with confidence by the faith of him.
12. en qui nous avons, par la foi en lui, la liberté de nous approcher de Dieu avec confiance.
12. Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13. Wherefore I desire that ye faint not at my tribulations for you, which is your glory.
13. Aussi je vous demande de ne pas perdre courage à cause de mes tribulations pour vous: elles sont votre gloire.
13. Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14. For this cause I bow my knees unto the Father of our Lord Jesus Christ,
14. A cause de cela, je fléchis les genoux devant le Père,
14. Ary noho izany no andohalehako amin’ny Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika,
15. Of whom the whole family in heaven and earth is named,
15. duquel tire son nom toute famille dans les cieux et sur la terre,
15. Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana,
16. That he would grant you, according to the riches of his glory, to be strengthened with might by his Spirit in the inner man;
16. afin qu`il vous donne, selon la richesse de sa gloire, d`être puissamment fortifiés par son Esprit dans l`homme intérieur,
16. "Mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny olonareo anaty;"
17. That Christ may dwell in your hearts by faith; that ye, being rooted and grounded in love,
17. "en sorte que Christ habite dans vos coeurs par la foi; afin qu`étant enracinés et fondés dans l`amour,"
17. Mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo,
18. May be able to comprehend with all saints what is the breadth, and length, and depth, and height;
18. vous puissiez comprendre avec tous les saints quelle est la largeur, la longueur, la profondeur et la hauteur,
18. Mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary ny halaliny sy haavony,
19. And to know the love of Christ, which passeth knowledge, that ye might be filled with all the fulness of God.
19. et connaître l`amour de Christ, qui surpasse toute connaissance, en sorte que vous soyez remplis jusqu`à toute la plénitude de Dieu.
19. Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
20. Now unto him that is able to do exceeding abundantly above all that we ask or think, according to the power that worketh in us,
20. Or, à celui qui peut faire, par la puissance qui agit en nous, infiniment au delà de tout ce que nous demandons ou pensons,
20. Ary ho an’Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
21. Unto him be glory in the church by Christ Jesus throughout all ages, world without end. Amen.
21. à lui soit la gloire dans l`Église et en Jésus Christ, dans toutes les générations, aux siècles des siècles! Amen!
21. Ho azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay tsy manam-pahataperana. Amena.