1. And you hath he quickened, who were dead in trespasses and sins;
1. Vous étiez morts par vos offenses et par vos péchés,
1. Ary efa novelominy ianareo izay matin’ny fahadisoana sy ny fahotana,
2. Wherein in time past ye walked according to the course of this world, according to the prince of the power of the air, the spirit that now worketh in the children of disobedience:
2. dans lesquels vous marchiez autrefois, selon le train de ce monde, selon le prince de la puissance de l`air, de l`esprit qui agit maintenant dans les fils de la rébellion.
2. "Izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsy fankatoavana;"
3. Among whom also we all had our conversation in times past in the lusts of our flesh, fulfilling the desires of the flesh and of the mind; and were by nature the children of wrath, even as others.
3. Nous tous aussi, nous étions de leur nombre, et nous vivions autrefois selon les convoitises de notre chair, accomplissant les volontés de la chair et de nos pensées, et nous étions par nature des enfants de colère, comme les autres...
3. "Teo amin’ireo no nitondrantsika tena koa fahiny tamin’ny filàn’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika."
4. But God, who is rich in mercy, for his great love wherewith he loved us,
4. Mais Dieu, qui est riche en miséricorde, à cause du grand amour dont il nous a aimés,
4. Fa Andriamanitra izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5. Even when we were dead in sins, hath quickened us together with Christ, (by grace ye are saved;)
5. "nous qui étions morts par nos offenses, nous a rendus à la vie avec Christ (c`est par grâce que vous êtes sauvés);"
5. "Na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (tamin' ny fahasoavana no namonjena anareo);"
6. And hath raised us up together, and made us sit together in heavenly places in Christ Jesus:
6. il nous a ressuscités ensemble, et nous a fait asseoir ensemble dans les lieux célestes, en Jésus Christ,
6. Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any amin’ny fitoerana any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy,
7. That in the ages to come he might shew the exceeding riches of his grace in his kindness toward us through Christ Jesus.
7. afin de montrer dans les siècles à venir l`infinie richesse de sa grâce par sa bonté envers nous en Jésus Christ.
7. Mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny haren’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
8. For by grace are ye saved through faith; and that not of yourselves: it is the gift of God:
8. Car c`est par la grâce que vous êtes sauvés, par le moyen de la foi. Et cela ne vient pas de vous, c`est le don de Dieu.
8. "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezan’Andriamanitra;"
9. Not of works, lest any man should boast.
9. Ce n`est point par les oeuvres, afin que personne ne se glorifie.
9. Tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy olona hirehareha.
10. For we are his workmanship, created in Christ Jesus unto good works, which God hath before ordained that we should walk in them.
10. Car nous sommes son ouvrage, ayant été créés en Jésus Christ pour de bonnes oeuvres, que Dieu a préparées d`avance, afin que nous les pratiquions.
10. Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay notendren’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
11. Wherefore remember, that ye being in time past Gentiles in the flesh, who are called Uncircumcision by that which is called the Circumcision in the flesh made by hands;
11. C`est pourquoi, vous autrefois païens dans la chair, appelés incirconcis par ceux qu`on appelle circoncis et qui le sont en la chair par la main de l`homme,
11. "Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay Jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe: “tsy voafora”;"
12. That at that time ye were without Christ, being aliens from the commonwealth of Israel, and strangers from the covenants of promise, having no hope, and without God in the world:
12. souvenez-vous que vous étiez en ce temps-là sans Christ, privés du droit de cité en Israël, étrangers aux alliances de la promesse, sans espérance et sans Dieu dans le monde.
12. "Fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely sy vahiny tamin’ireo faneken’ny tenifikasana, ary tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao;"
13. But now in Christ Jesus ye who sometimes were far off are made nigh by the blood of Christ.
13. Mais maintenant, en Jésus Christ, vous qui étiez jadis éloignés, vous avez été rapprochés par le sang de Christ.
13. Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakaikezin’ny ran’i Kristy.
14. For he is our peace, who hath made both one, and hath broken down the middle wall of partition between us;
14. Car il est notre paix, lui qui des deux n`en a fait qu`un, et qui a renversé le mur de séparation, l`inimitié,
14. "Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta, ka nandrodana ny rindrin’ny fisarahana nanelanelana antsika;"
15. Having abolished in his flesh the enmity, even the law of commandments contained in ordinances; for to make in himself of twain one new man, so making peace;
15. ayant anéanti par sa chair la loi des ordonnances dans ses prescriptions, afin de créer en lui-même avec les deux un seul homme nouveau, en établissant la paix,
15. Fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16. And that he might reconcile both unto God in one body by the cross, having slain the enmity thereby:
16. et de les réconcilier, l`un et l`autre en un seul corps, avec Dieu par la croix, en détruisant par elle l`inimitié.
16. Ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17. And came and preached peace to you which were afar off, and to them that were nigh.
17. "Il est venu annoncer la paix à vous qui étiez loin, et la paix à ceux qui étaient près;"
17. Ary tonga Izy nitory fiadanana taminareo izay lavitra sy tamin’izay akaiky koa.
18. For through him we both have access by one Spirit unto the Father.
18. car par lui nous avons les uns et les autres accès auprès du Père, dans un même Esprit.
18. Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray.
19. Now therefore ye are no more strangers and foreigners, but fellowcitizens with the saints, and of the household of God;
19. "Ainsi donc, vous n`êtes plus des étrangers, ni des gens du dehors; mais vous êtes concitoyens des saints, gens de la maison de Dieu."
19. Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,
20. And are built upon the foundation of the apostles and prophets, Jesus Christ himself being the chief corner stone;
20. Vous avez été édifiés sur le fondement des apôtres et des prophètes, Jésus Christ lui-même étant la pierre angulaire.
20. "Natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;"
21. In whom all the building fitly framed together groweth unto an holy temple in the Lord:
21. En lui tout l`édifice, bien coordonné, s`élève pour être un temple saint dans le Seigneur.
21. Ao Aminy ny trano tsara rafitra rehetra no mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo.
22. In whom ye also are builded together for an habitation of God through the Spirit.
22. En lui vous êtes aussi édifiés pour être une habitation de Dieu en Esprit.
22. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.
<
>