1. Then came he to Derbe and Lystra: and, behold, a certain disciple was there, named Timotheus, the son of a certain woman, which was a Jewess, and believed; but his father was a Greek:
1. Il se rendit ensuite à Derbe et à Lystre. Et voici, il y avait là un disciple nommé Timothée, fils d`une femme juive fidèle et d`un père grec.
1. "Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy;ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty, zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa Grika rainy,"
2. Which was well reported of by the brethren that were at Lystra and Iconium.
2. Les frères de Lystre et d`Icone rendaient de lui un bon témoignage.
2. Ary tsara laza teo amin' ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
3. Him would Paul have to go forth with him; and took and circumcised him because of the Jews which were in those quarters: for they knew all that his father was a Greek.
3. "Paul voulut l`emmener avec lui; et, l`ayant pris, il le circoncit, à cause des Juifs qui étaient dans ces lieux-là, car tous savaient que son père était grec."
3. "Koa tian' i Paoly hoentina miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin' izany tany izany, satria fantatr' izy rehetra fa Grika rainy."
4. And as they went through the cities, they delivered them the decrees for to keep, that were ordained of the apostles and elders which were at Jerusalem.
4. En passant par les villes, ils recommandaient aux frères d`observer les décisions des apôtres et des anciens de Jérusalem.
4. Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy ireo, dia natolony hotandreman' ny olona ireo didy navoaky ny apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
5. And so were the churches established in the faith, and increased in number daily.
5. Les Églises se fortifiaient dans la foi, et augmentaient en nombre de jour en jour.
5. Ary noho izany dia niorina tamin' ny finoana ny fiangonana sady nihamaro isan' andro.
6. Now when they had gone throughout Phrygia and the region of Galatia, and were forbidden of the Holy Ghost to preach the word in Asia,
6. Ayant été empêchés par le Saint Esprit d`annoncer la parole dans l`Asie, ils traversèrent la Phrygie et le pays de Galatie.
6. Ary rehefa noraran' ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Azia izy ireo, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia,
7. After they were come to Mysia, they assayed to go into Bithynia: but the Spirit suffered them not.
7. "Arrivés près de la Mysie, ils se disposaient à entrer en Bithynie; mais l`Esprit de Jésus ne le leur permit pas."
7. Ka rehefa tonga tany an-tsisin' i Mysia, dia nitady hankany Bitynia, fa tsy navelan' ny Fanahy.
8. And they passing by Mysia came down to Troas.
8. Ils franchirent alors la Mysie, et descendirent à Troas.
8. Ary rehefa nandalo an' i Mysia izy ireo, dia nidina nankany Troasy.
9. And a vision appeared to Paul in the night; There stood a man of Macedonia, and prayed him, saying, Come over into Macedonia, and help us.
9. Pendant la nuit, Paul eut une vision: un Macédonien lui apparut, et lui fit cette prière: Passe en Macédoine, secours-nous!
9. "Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin' i Paoly; koa, indro, nisy lehilahy Masedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Masedonia ka vonjeo izahay."
10. And after he had seen the vision, immediately we endeavoured to go into Macedonia, assuredly gathering that the Lord had called us for to preach the gospel unto them.
10. Après cette vision de Paul, nous cherchâmes aussitôt à nous rendre en Macédoine, concluant que le Seigneur nous appelait à y annoncer la bonne nouvelle.
10. Ary nony nahita ny fahitana izy, dia niezaka handeha niaraka tamin' izay hankany Masedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin' izy ireo.
11. Therefore loosing from Troas, we came with a straight course to Samothracia, and the next day to Neapolis;
11. Étant partis de Troas, nous fîmes voile directement vers la Samothrace, et le lendemain nous débarquâmes à Néapolis.
11. "Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia."
12. And from thence to Philippi, which is the chief city of that part of Macedonia, and a colony: and we were in that city abiding certain days.
12. De là nous allâmes à Philippes, qui est la première ville d`un district de Macédoine, et une colonie. Nous passâmes quelques jours dans cette ville.
12. "Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin' izany zara-tanin' i Masedonia izany sady zana-tany; ary nitoetra tao amin' izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay."
13. And on the sabbath we went out of the city by a river side, where prayer was wont to be made; and we sat down, and spake unto the women which resorted thither.
13. Le jour du sabbat, nous nous rendîmes, hors de la porte, vers une rivière, où nous pensions que se trouvait un lieu de prière. Nous nous assîmes, et nous parlâmes aux femmes qui étaient réunies.
13. Ary tamin' ny sabata dia nivoaka teo ivelan' ny vavahady izahay nankeny amoron' ny ony, izay nataonay fa nisy fitoerana hivavahana, ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin' ny vehivavy vory teo.
14. And a certain woman named Lydia, a seller of purple, of the city of Thyatira, which worshipped God, heard us: whose heart the Lord opened, that she attended unto the things which were spoken of Paul.
14. L`une d`elles, nommée Lydie, marchande de pourpre, de la ville de Thyatire, était une femme craignant Dieu, et elle écoutait. Le Seigneur lui ouvrit le coeur, pour qu`elle fût attentive à ce que disait Paul.
14. Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy avy any an-tanànan' i Tyatira, izay nivavaka tamin' Andriamanitra, dia nihaino anay, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain' i Paoly.
15. And when she was baptized, and her household, she besought us, saying, If ye have judged me to be faithful to the Lord, come into my house, and abide there. And she constrained us.
15. Lorsqu`elle eut été baptisée, avec sa famille, elle nous fit cette demande: Si vous me jugez fidèle au Seigneur, entrez dans ma maison, et demeurez-y. Et elle nous pressa par ses instances.
15. Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin' ny ankohonany, dia nangataka anay izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky ao amin' ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.Dia nanery anay izy.
16. And it came to pass, as we went to prayer, a certain damsel possessed with a spirit of divination met us, which brought her masters much gain by soothsaying:
16. Comme nous allions au lieu de prière, une servante qui avait un esprit de Python, et qui, en devinant, procurait un grand profit à ses maîtres, vint au-devant de nous,
16. Ary izao no niseho, raha nandeha hivavaka izahay, nisy ankizivavy nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan' ny tompony harena be.
17. The same followed Paul and us, and cried, saying, These men are the servants of the most high God, which shew unto us the way of salvation.
17. et se mit à nous suivre, Paul et nous. Elle criait: Ces hommes sont les serviteurs du Dieu Très Haut, et ils vous annoncent la voie du salut.
17. Nanaraka an' i Paoly sy izahay izy ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon' Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro antsika ny làlam-pamonjena.
18. And this did she many days. But Paul, being grieved, turned and said to the spirit, I command thee in the name of Jesus Christ to come out of her. And he came out the same hour.
18. Elle fit cela pendant plusieurs jours. Paul fatigué se retourna, et dit à l`esprit: Je t`ordonne, au nom de Jésus Christ, de sortir d`elle. Et il sortit à l`heure même.
18. Ary andro maro no nanaovany izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin' ny fanahy hoe: Mandidy anao amin' ny anaran' i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin' izany ora izany indrindra izy.
19. And when her masters saw that the hope of their gains was gone, they caught Paul and Silas, and drew them into the marketplace unto the rulers,
19. Les maîtres de la servante, voyant disparaître l`espoir de leur gain, se saisirent de Paul et de Silas, et les traînèrent sur la place publique devant les magistrats.
19. "Ary nony hitan' ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an' i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ireo ho any an-tsena any amin' ny mpanapaka;"
20. And brought them to the magistrates, saying, These men, being Jews, do exceedingly trouble our city,
20. "Ils les présentèrent aux préteurs, en disant: Ces hommes troublent notre ville;"
20. Ary rehefa nentiny tany amin' ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra,
21. And teach customs, which are not lawful for us to receive, neither to observe, being Romans.
21. ce sont des Juifs, qui annoncent des coutumes qu`il ne nous est permis ni de recevoir ni de suivre, à nous qui sommes Romains.
21. Ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hotandremantsika amin' ny maha-Romana antsika.
22. And the multitude rose up together against them: and the magistrates rent off their clothes, and commanded to beat them.
22. La foule se souleva aussi contre eux, et les préteurs, ayant fait arracher leurs vêtements, ordonnèrent qu`on les battît de verges.
22. "Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely ireo; ary notriarin' ireo governora ny fitafian' ireo, ka nodidiany hokapohina izy ireo."
23. And when they had laid many stripes upon them, they cast them into prison, charging the jailor to keep them safely:
23. Après qu`on les eut chargés de coups, ils les jetèrent en prison, en recommandant au geôlier de les garder sûrement.
23. "Ary nony efa nandalasiny tamin' ny kapoka ireo dia nasainy natao tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina;"
24. Who, having received such a charge, thrust them into the inner prison, and made their feet fast in the stocks.
24. Le geôlier, ayant reçu cet ordre, les jeta dans la prison intérieure, et leur mit les ceps aux pieds.
24. Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin' ny tranomaizina anatiny indrindra izy ireo, ary ny tongony nobolokìny mafy tamin' ny boloky hazo.
25. And at midnight Paul and Silas prayed, and sang praises unto God: and the prisoners heard them.
25. Vers le milieu de la nuit, Paul et Silas priaient et chantaient les louanges de Dieu, et les prisonniers les entendaient.
25. "Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an' Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ireo ny mpifatotra."
26. And suddenly there was a great earthquake, so that the foundations of the prison were shaken: and immediately all the doors were opened, and every one's bands were loosed.
26. "Tout à coup il se fit un grand tremblement de terre, en sorte que les fondements de la prison furent ébranlés; au même instant, toutes les portes s`ouvrirent, et les liens de tous les prisonniers furent rompus."
26. "Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan' ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin' izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran' izy rehetra."
27. And the keeper of the prison awaking out of his sleep, and seeing the prison doors open, he drew out his sword, and would have killed himself, supposing that the prisoners had been fled.
27. Le geôlier se réveilla, et, lorsqu`il vit les portes de la prison ouvertes, il tira son épée et allait se tuer, pensant que les prisonniers s`étaient enfuis.
27. Dia nahatsiaro tamin' ny torimasony ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran' ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saika hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny gadra.
28. But Paul cried with a loud voice, saying, Do thyself no harm: for we are all here.
28. Mais Paul cria d`une voix forte: Ne te fais point de mal, nous sommes tous ici.
28. Fa niantso tamin' ny feo mahery Paoly ka nanao hoe: Aza manimba tena, fa ato ihany izahay rehetra.
29. Then he called for a light, and sprang in, and came trembling, and fell down before Paul and Silas,
29. "Alors le geôlier, ayant demandé de la lumière, entra précipitamment, et se jeta tout tremblant aux pieds de Paul et de Silas;"
29. Ary niantso jiro izy, dia nikaretsaka niditra sady toran-kovitra ka niankohoka teo anatrehan' i Paoly sy Silasy.
30. And brought them out, and said, Sirs, what must I do to be saved?
30. il les fit sortir, et dit: Seigneurs, que faut-il que je fasse pour être sauvé?
30. Ary nentiny nivoaka izy roa lahy dia hoy izy: Tompoko, inona no tsy maintsy hataoko mba hovonjena aho?
31. And they said, Believe on the Lord Jesus Christ, and thou shalt be saved, and thy house.
31. Paul et Silas répondirent: Crois au Seigneur Jésus, et tu seras sauvé, toi et ta famille.
31. Dia hoy izy roa lahy: Minoa an' i Jesosy Kristy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
32. And they spake unto him the word of the Lord, and to all that were in his house.
32. Et ils lui annoncèrent la parole du Seigneur, ainsi qu`à tous ceux qui étaient dans sa maison.
32. Ary nitory ny tenin' ny Tompo taminy sy tamin' izay rehetra tao an-tranony izy roa lahy.
33. And he took them the same hour of the night, and washed their stripes; and was baptized, he and all his, straightway.
33. Il les prit avec lui, à cette heure même de la nuit, il lava leurs plaies, et aussitôt il fut baptisé, lui et tous les siens.
33. "Ary nandray azy roa lahy izy tamin' izany ora amin' ny alina izany, ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa niaraka tamin' izay izy mbamin' izay azy rehetra."
34. And when he had brought them into his house, he set meat before them, and rejoiced, believing in God with all his house.
34. Les ayant conduits dans son logement, il leur servit à manger, et il se réjouit avec toute sa famille de ce qu`il avait cru en Dieu.
34. Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-tranony izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy, noho ny finoany an' Andriamanitra miaraka amin' ny ankohonany rehetra.
35. And when it was day, the magistrates sent the serjeants, saying, Let those men go.
35. Quand il fit jour, les préteurs envoyèrent les licteurs pour dire au geôlier: Relâche ces hommes.
35. Ary rehefa maraina ny andro, dia naniraka ny mpitan-defona ireo governora ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
36. And the keeper of the prison told this saying to Paul, The magistrates have sent to let you go: now therefore depart, and go in peace.
36. "Et le geôlier annonça la chose à Paul: Les préteurs ont envoyé dire qu`on vous relâchât; maintenant donc sortez, et allez en paix."
36. Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin' i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
37. But Paul said unto them, They have beaten us openly uncondemned, being Romans, and have cast us into prison; and now do they thrust us out privily? nay verily; but let them come themselves and fetch us out.
37. Mais Paul dit aux licteurs: Après nous avoir battus de verges publiquement et sans jugement, nous qui sommes Romains, ils nous ont jetés en prison, et maintenant ils nous font sortir secrètement! Il n`en sera pas ainsi. Qu`ils viennent eux-mêmes nous mettre en liberté.
37. "Fa hoy Paoly tamin' izy ireo: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin' ny miharihary izahay, kanefa Romana, sady natao tato an-tranomaizina; ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany no hankaty hamoaka anay."
38. And the serjeants told these words unto the magistrates: and they feared, when they heard that they were Romans.
38. Les licteurs rapportèrent ces paroles aux préteurs, qui furent effrayés en apprenant qu`ils étaient Romains.
38. Ary ny mpitan-defona nilaza izany tamin' ireo governora, dia natahotra ireo, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
39. And they came and besought them, and brought them out, and desired them to depart out of the city.
39. Ils vinrent les apaiser, et ils les mirent en liberté, en les priant de quitter la ville.
39. Dia tonga izy ka niangavy azy mafy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
40. And they went out of the prison, and entered into the house of Lydia: and when they had seen the brethren, they comforted them, and departed.
40. Quand ils furent sortis de la prison, ils entrèrent chez Lydie, et, après avoir vu et exhorté les frères, ils partirent.
40. Dia niala tao an-tranomaizina izy ireo ka niditra tao an-tranon' i Lydia, ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nampionona azy ka lasa nandeha.