1. Now when they had passed through Amphipolis and Apollonia, they came to Thessalonica, where was a synagogue of the Jews:
1. Paul et Silas passèrent par Amphipolis et Apollonie, et ils arrivèrent à Thessalonique, où les Juifs avaient une synagogue.
1. "Ary rehefa nandeha namaky an' i Amfipolia sy Apolonia izy ireo, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan' ny Jiosy teo;"
2. And Paul, as his manner was, went in unto them, and three sabbath days reasoned with them out of the scriptures,
2. Paul y entra, selon sa coutume. Pendant trois sabbats, il discuta avec eux, d`après les Écritures,
2. "Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary sabata telo no niadiany hevitra avy amin' ny Soratra Masina tamin' ny olona tao."
3. Opening and alleging, that Christ must needs have suffered, and risen again from the dead; and that this Jesus, whom I preach unto you, is Christ.
3. expliquant et établissant que le Christ devait souffrir et ressusciter des morts. Et Jésus que je vous annonce, disait-il, c`est lui qui est le Christ.
3. "Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin' ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy."
4. And some of them believed, and consorted with Paul and Silas; and of the devout Greeks a great multitude, and of the chief women not a few.
4. Quelques-uns d`entre eux furent persuadés, et se joignirent à Paul et à Silas, ainsi qu`une grande multitude de Grecs craignant Dieu, et beaucoup de femmes de qualité.
4. Ary ny sasany tamin' ireo dia nino ka nikambana tamin' i Paoly sy Silasy, ary marobe koa tamin' ny Grika izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin' ny vehivavy nanankaja.
5. But the Jews which believed not, moved with envy, took unto them certain lewd fellows of the baser sort, and gathered a company, and set all the city on an uproar, and assaulted the house of Jason, and sought to bring them out to the people.
5. Mais les Juifs, jaloux prirent avec eux quelques méchants hommes de la populace, provoquèrent des attroupements, et répandirent l`agitation dans la ville. Ils se portèrent à la maison de Jason, et ils cherchèrent Paul et Silas, pour les amener vers le peuple.
5. Fa nialona ny Jiosy izay tsy nino ka naka olona ratsy fanahy sady fatritra ka nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon' i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho eo amin' ny olona.
6. And when they found them not, they drew Jason and certain brethren unto the rulers of the city, crying, These that have turned the world upside down are come hither also;
6. Ne les ayant pas trouvés, ils traînèrent Jason et quelques frères devant les magistrats de la ville, en criant: Ces gens, qui ont bouleversé le monde, sont aussi venus ici, et Jason les a reçus.
6. "Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an' i Jasona sy ny rahalahy sasany ho eo amin' ny lehiben' ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tonga aty koa ireo lehilahy nampitsimbadika izao tontolo izao ireo;"
7. Whom Jason hath received: and these all do contrary to the decrees of Caesar, saying that there is another king, one Jesus.
7. Ils agissent tous contre les édits de César, disant qu`il y a un autre roi, Jésus.
7. Izay efa nampandrosoin' i Jasona, ary manohitra ny lalàn' i Kaisara izy rehetra ireo, satria milaza izy fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8. And they troubled the people and the rulers of the city, when they heard these things.
8. Par ces paroles ils émurent la foule et les magistrats,
8. Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben' ny tanàna, raha nahare izany zavatra izany.
9. And when they had taken security of Jason, and of the other, they let them go.
9. qui ne laissèrent aller Jason et les autres qu`après avoir obtenu d`eux une caution.
9. Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy ireo.
10. And the brethren immediately sent away Paul and Silas by night unto Berea: who coming thither went into the synagogue of the Jews.
10. Aussitôt les frères firent partir de nuit Paul et Silas pour Bérée. Lorsqu`ils furent arrivés, ils entrèrent dans la synagogue des Juifs.
10. "Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin' ny rahalahy niaraka tamin' izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy ireo, dia niditra tao amin' ny synagogan' ny Jiosy."
11. These were more noble than those in Thessalonica, in that they received the word with all readiness of mind, and searched the scriptures daily, whether those things were so.
11. "Ces Juifs avaient des sentiments plus nobles que ceux de Thessalonique; ils reçurent la parole avec beaucoup d`empressement, et ils examinaient chaque jour les Écritures, pour voir si ce qu`on leur disait était exact."
11. Ary ireo dia mendrika noho ry zareo tao Tesalonika, noho ny nandraisany ny teny tamin' ny zotom-po sy fahakingana rehetra sy nandinihany ny Soratra Masina isan' andro, na izany tokoa, na tsia.
12. Therefore many of them believed; also of honourable women which were Greeks, and of men, not a few.
12. Plusieurs d`entre eux crurent, ainsi que beaucoup de femmes grecques de distinction, et beaucoup d`hommes.
12. Koa maro tamin' ireo no nino, ary tsy vitsy koa tamin' ny vehivavy Grika nanankaja sy ny lehilahy.
13. But when the Jews of Thessalonica had knowledge that the word of God was preached of Paul at Berea, they came thither also, and stirred up the people.
13. Mais, quand les Juifs de Thessalonique surent que Paul annonçait aussi à Bérée la parole de Dieu, ils vinrent y agiter la foule.
13. Fa raha ren' ny Jiosy tany Tesalonika fa nitory ny tenin' Andriamanitra tany Beria i Paoly, dia nankany koa izy ireo ka nampikorotana sy nampitabataba ny vahoaka.
14. And then immediately the brethren sent away Paul to go as it were to the sea: but Silas and Timotheus abode there still.
14. "Alors les frères firent aussitôt partir Paul du côté de la mer; Silas et Timothée restèrent à Bérée."
14. "Ary niaraka tamin' izay dia nasain' ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany."
15. And they that conducted Paul brought him unto Athens: and receiving a commandment unto Silas and Timotheus for to come to him with all speed, they departed.
15. Ceux qui accompagnaient Paul le conduisirent jusqu`à Athènes. Puis ils s`en retournèrent, chargés de transmettre à Silas et à Timothée l`ordre de le rejoindre au plus tôt.
15. "Ary izay nanatitra an' i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin' i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan' izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo."
16. Now while Paul waited for them at Athens, his spirit was stirred in him, when he saw the city wholly given to idolatry.
16. Comme Paul les attendait à Athènes, il sentait au dedans de lui son esprit s`irriter, à la vue de cette ville pleine d`idoles.
16. Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
17. Therefore disputed he in the synagogue with the Jews, and with the devout persons, and in the market daily with them that met with him.
17. Il s`entretenait donc dans la synagogue avec les Juifs et les hommes craignant Dieu, et sur la place publique chaque jour avec ceux qu`il rencontrait.
17. Koa niady hevitra tamin' ny Jiosy sy ny olona mpivavaka tao amin' ny synagoga sy tamin' izay tafavory tao an-tsena isan' andro izy.
18. Then certain philosophers of the Epicureans, and of the Stoicks, encountered him. And some said, What will this babbler say? other some, He seemeth to be a setter forth of strange gods: because he preached unto them Jesus, and the resurrection.
18. Quelques philosophes épicuriens et stoïciens se mirent à parler avec lui. Et les uns disaient: Que veut dire ce discoureur? D`autres, l`entendant annoncer Jésus et la résurrection, disaient: Il semble qu`il annonce des divinités étrangères.
18. Ary ny filôzôfa sasany tamin' ny Epikoreana sy ny Stôika nihaona taminy, ka hoy ny sasany: Inona no tian' io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy koa ny sasany: Toa manambara andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan' ny maty no notoriny taminy.
19. And they took him, and brought him unto Areopagus, saying, May we know what this new doctrine, whereof thou speakest, is?
19. Alors ils le prirent, et le menèrent à l`Aréopage, en disant: Pourrions-nous savoir quelle est cette nouvelle doctrine que tu enseignes?
19. Ary naka azy ireo, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany foto-pampianarana vaovao lazainao izany izahay?
20. For thou bringest certain strange things to our ears: we would know therefore what these things mean.
20. Car tu nous fais entendre des choses étranges. Nous voudrions donc savoir ce que cela peut être.
20. "Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa ianao; koa tianay ho fantatra ny hevitr' izany zavatra izany."
21. (For all the Athenians and strangers which were there spent their time in nothing else, but either to tell, or to hear some new thing.)
21. Or, tous les Athéniens et les étrangers demeurant à Athènes ne passaient leur temps qu`à dire ou à écouter des nouvelles.
21. (Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo dia tsy nandany ny androny tamin' ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao).
22. Then Paul stood in the midst of Mars' hill, and said, Ye men of Athens, I perceive that in all things ye are too superstitious.
22. Paul, debout au milieu de l`Aréopage, dit: Hommes Athéniens, je vous trouve à tous égards extrêmement religieux.
22. Ary nitsangana teo afovoan' ny havoan' i Marsa i Paoly ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin' ny zavatra rehetra dia tena minomino foana ianareo.
23. For as I passed by, and beheld your devotions, I found an altar with this inscription, TO THE UNKNOWN GOD. Whom therefore ye ignorantly worship, him declare I unto you.
23. Car, en parcourant votre ville et en considérant les objets de votre dévotion, j`ai même découvert un autel avec cette inscription: A un dieu inconnu! Ce que vous révérez sans le connaître, c`est ce que je vous annonce.
23. Fa raha nandalo aho, ary nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN' IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo nefa tsy fantatrareo, dia Izy no ambarako aminareo,
24. God that made the world and all things therein, seeing that he is Lord of heaven and earth, dwelleth not in temples made with hands;
24. "Le Dieu qui a fait le monde et tout ce qui s`y trouve, étant le Seigneur du ciel et de la terre, n`habite point dans des temples faits de main d`homme;"
24. Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon' ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,
25. Neither is worshipped with men's hands, as though he needed any thing, seeing he giveth to all life, and breath, and all things;
25. il n`est point servi par des mains humaines, comme s`il avait besoin de quoi que ce soit, lui qui donne à tous la vie, la respiration, et toutes choses.
25. Sady tsy mba tompoin' ny tanan' olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina, ary ny zavatra rehetra.
26. And hath made of one blood all nations of men for to dwell on all the face of the earth, and hath determined the times before appointed, and the bounds of their habitation;
26. "Il a fait que tous les hommes, sortis d`un seul sang, habitassent sur toute la surface de la terre, ayant déterminé la durée des temps et les bornes de leur demeure;"
26. "Ary nataony ho rà iray ny firenena rehetra, dia namponeniny ambonin' ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan' andro sy ny faritry ny fonenany;"
27. That they should seek the Lord, if haply they might feel after him, and find him, though he be not far from every one of us:
27. il a voulu qu`ils cherchassent le Seigneur, et qu`ils s`efforçassent de le trouver en tâtonnant, bien qu`il ne soit pas loin de chacun de nous,
27. "Mba hitady an' Andriamanitra Izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;"
28. For in him we live, and move, and have our being; as certain also of your own poets have said, For we are also his offspring.
28. car en lui nous avons la vie, le mouvement, et l`être. C`est ce qu`ont dit aussi quelques-uns de vos poètes: De lui nous sommes la race...
28. "Fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon' ny mpanao tononkalo sasany teo aminareo hoe: 'Fa terany koa isika'."
29. Forasmuch then as we are the offspring of God, we ought not to think that the Godhead is like unto gold, or silver, or stone, graven by art and man's device.
29. Ainsi donc, étant la race de Dieu, nous ne devons pas croire que la divinité soit semblable à de l`or, à de l`argent, ou à de la pierre, sculptés par l`art et l`industrie de l`homme.
29. Ary satria terak' Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny maha-Andriamanitra an' Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain' olombelona.
30. And the times of this ignorance God winked at; but now commandeth all men every where to repent:
30. Dieu, sans tenir compte des temps d`ignorance, annonce maintenant à tous les hommes, en tous lieux, qu`ils aient à se repentir,
30. "Ary Andriamanitra ninia tsy nijery izany andron' ny tsy fahalalana izany; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra, na aiza na aiza hibebaka."
31. Because he hath appointed a day, in the which he will judge the world in righteousness by that man whom he hath ordained; whereof he hath given assurance unto all men, in that he hath raised him from the dead.
31. parce qu`il a fixé un jour où il jugera le monde selon la justice, par l`homme qu`il a désigné, ce dont il a donné à tous une preuve certaine en le ressuscitant des morts...
31. Satria efa nanendry andro iray Izy, izay hitsarana izao tontolo izao amin' ny fahamarinana amin' ny alalan' ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome antoka ny olona rehetra Izy tamin' ny nananganany Azy tamin' ny maty.
32. And when they heard of the resurrection of the dead, some mocked: and others said, We will hear thee again of this matter.
32. Lorsqu`ils entendirent parler de résurrection des morts, les uns se moquèrent, et les autres dirent: Nous t`entendrons là-dessus une autre fois.
32. "Ary raha nahare ny amin' ny fitsanganan' ny maty izy ireo, dia naneso ny sasany; ary ny sasany nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin' izany zavatra izany."
33. So Paul departed from among them.
33. Ainsi Paul se retira du milieu d`eux.
33. Noho izany dia niala teo aminy Paoly.
34. Howbeit certain men clave unto him, and believed: among the which was Dionysius the Areopagite, and a woman named Damaris, and others with them.
34. Quelques-uns néanmoins s`attachèrent à lui et crurent, Denys l`aréopagite, une femme nommée Damaris, et d`autres avec eux.
34. "Nefa ny olona sasany nifikitra taminy ka nino; anisan' izany Dionisio Areopagita sy ny vehivavy iray atao hoe Damary ary ny sasany koa."
<
>