1. And certain men which came down from Judaea taught the brethren, and said, Except ye be circumcised after the manner of Moses, ye cannot be saved.
1. Quelques hommes, venus de la Judée, enseignaient les frères, en disant: Si vous n`êtes circoncis selon le rite de Moïse, vous ne pouvez être sauvés.
1. Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon' i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2. When therefore Paul and Barnabas had no small dissension and disputation with them, they determined that Paul and Barnabas, and certain other of them, should go up to Jerusalem unto the apostles and elders about this question.
2. "Paul et Barnabas eurent avec eux un débat et une vive discussion; et les frères décidèrent que Paul et Barnabas, et quelques-uns des leurs, monteraient à Jérusalem vers les apôtres et les anciens, pour traiter cette question."
2. Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be tamin' ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran' izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin' ny apostoly sy ny loholona hanadina ny amin' izany zavatra izany.
3. And being brought on their way by the church, they passed through Phenice and Samaria, declaring the conversion of the Gentiles: and they caused great joy unto all the brethren.
3. Après avoir été accompagnés par l`Église, ils poursuivirent leur route à travers la Phénicie et la Samarie, racontant la conversion des païens, et ils causèrent une grande joie à tous les frères.
3. "Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an' i Foinika sy Samaria izy ka nanambara ny fiovampon' ny Jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy ireo."
4. And when they were come to Jerusalem, they were received of the church, and of the apostles and elders, and they declared all things that God had done with them.
4. Arrivés à Jérusalem, ils furent reçus par l`Église, les apôtres et les anciens, et ils racontèrent tout ce que Dieu avait fait avec eux.
4. Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin' ny fiangonana sy ny apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon' Andriamanitra tamin' ny nombany azy.
5. But there rose up certain of the sect of the Pharisees which believed, saying, That it was needful to circumcise them, and to command them to keep the law of Moses.
5. Alors quelques-uns du parti des pharisiens, qui avaient cru, se levèrent, en disant qu`il fallait circoncire les païens et exiger l`observation de la loi de Moïse.
5. Fa ny mino sasany, izay isan' ny antokon' ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy foràna ireny ka asaina mitandrina ny lalàn' i Mosesy.
6. And the apostles and elders came together for to consider of this matter.
6. Les apôtres et les anciens se réunirent pour examiner cette affaire.
6. Ary dia nivory ny apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
7. And when there had been much disputing, Peter rose up, and said unto them, Men and brethren, ye know how that a good while ago God made choice among us, that the Gentiles by my mouth should hear the word of the gospel, and believe.
7. Une grande discussion s`étant engagée, Pierre se leva, et leur dit: Hommes frères, vous savez que dès longtemps Dieu a fait un choix parmi vous, afin que, par ma bouche, les païens entendissent la parole de l`Évangile et qu`ils crussent.
7. Ary rehefa nisy ady hevitra be, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy sy rahalahy, fantatrareo fa hatramin' ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo amintsika fa amin' ny vavako no handrenesan' ny Jentilisa ny tenin' ny filazantsara ka hinoany.
8. And God, which knoweth the hearts, bare them witness, giving them the Holy Ghost, even as he did unto us;
8. "Et Dieu, qui connaît les coeurs, leur a rendu témoignage, en leur donnant le Saint Esprit comme à nous;"
8. "Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin' ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;"
9. And put no difference between us and them, purifying their hearts by faith.
9. il n`a fait aucune différence entre nous et eux, ayant purifié leurs coeurs par la foi.
9. Fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin' ny finoana ny fony.
10. Now therefore why tempt ye God, to put a yoke upon the neck of the disciples, which neither our fathers nor we were able to bear?
10. Maintenant donc, pourquoi tentez-vous Dieu, en mettant sur le cou des disciples un joug que ni nos pères ni nous n`avons pu porter?
10. Koa nahoana ianareo no maka fanahy an' Andriamanitra amin' ny fametrahanareo zioga amin' ny vozon' ny mpianatra, izay tsy zakan' ny razantsika na isika entina?
11. But we believe that through the grace of the LORD Jesus Christ we shall be saved, even as they.
11. Mais c`est par la grâce du Seigneur Jésus que nous croyons être sauvés, de la même manière qu`eux.
11. Fa mino isika fa ny fahasoavan' i Jesosy Kristy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ireo ihany koa.
12. Then all the multitude kept silence, and gave audience to Barnabas and Paul, declaring what miracles and wonders God had wrought among the Gentiles by them.
12. Toute l`assemblée garda le silence, et l`on écouta Barnabas et Paul, qui racontèrent tous les miracles et les prodiges que Dieu avait faits par eux au milieu des païens.
12. Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an' i Barnabasy sy Paoly, izay nanambara ny asa mahatalanjona sy ny fahagagana nampanaovin' Andriamanitra azy tany amin' ny Jentilisa.
13. And after they had held their peace, James answered, saying, Men and brethren, hearken unto me:
13. Lorsqu`ils eurent cessé de parler, Jacques prit la parole, et dit: Hommes frères, écoutez-moi!
13. Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry lehilahy sy rahalahy, mihainoa ahy:
14. Simeon hath declared how God at the first did visit the Gentiles, to take out of them a people for his name.
14. Simon a raconté comment Dieu a d`abord jeté les regards sur les nations pour choisir du milieu d`elles un peuple qui portât son nom.
14. Simeona efa nanambara izay namangian' Andriamanitra ny Jentilisa tamin' ny voalohany hanalany olona ao aminy noho ny anarany.
15. And to this agree the words of the prophets; as it is written,
15. Et avec cela s`accordent les paroles des prophètes, selon qu`il est écrit:
15. Ary mifanaraka amin' izany ny tenin' ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16. After this I will return, and will build again the tabernacle of David, which is fallen down; and I will build again the ruins thereof, and I will set it up:
16. Après cela, je reviendrai, et je relèverai de sa chute la tente de David, J`en réparerai les ruines, et je la redresserai,
16. "Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho ka hanangana ny tranolain' i Davida izay efa nianjera; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hanamboatra azy indray;"
17. That the residue of men might seek after the Lord, and all the Gentiles, upon whom my name is called, saith the Lord, who doeth all these things.
17. Afin que le reste des hommes cherche le Seigneur, Ainsi que toutes les nations sur lesquelles mon nom est invoqué, Dit le Seigneur, qui fait ces choses,
17. Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy ny Tompo, Izay manao izany zavatra izany.
18. Known unto God are all his works from the beginning of the world.
18. Et à qui elles sont connues de toute éternité.
18. Fantatr' Andriamanitra ny asany rehetra hatramin' ny niandohan' izao tontolo izao.
19. Wherefore my sentence is, that we trouble not them, which from among the Gentiles are turned to God:
19. C`est pourquoi je suis d`avis qu`on ne crée pas des difficultés à ceux des païens qui se convertissent à Dieu,
19. "Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha manome fahasahiranana ny avy amin' ny Jentilisa izay miverina ho amin' Andriamanitra isika;"
20. But that we write unto them, that they abstain from pollutions of idols, and from fornication, and from things strangled, and from blood.
20. mais qu`on leur écrive de s`abstenir des souillures des idoles, de l`impudicité, des animaux étouffés et du sang.
20. Fa aoka hanoratra ho azy isika mba hifadiany ny fahalotoan' ny sampy sy ny fahavetavetana, ary ny zavatra kendaina sy ny ra.
21. For Moses of old time hath in every city them that preach him, being read in the synagogues every sabbath day.
21. Car, depuis bien des générations, Moïse a dans chaque ville des gens qui le prêchent, puisqu`on le lit tous les jours de sabbat dans les synagogues.
21. Fa hatramin' ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin' ny tanàna Mosesy, fa vakina amin' ny synagoga rehetra isaky ny andro sabata ny teniny.
22. Then pleased it the apostles and elders, with the whole church, to send chosen men of their own company to Antioch with Paul and Barnabas; namely, Judas surnamed Barsabas, and Silas, chief men among the brethren:
22. Alors il parut bon aux apôtres et aux anciens, et à toute l`Église, de choisir parmi eux et d`envoyer à Antioche, avec Paul et Barsabas, Jude appelé Barnabas et Silas, hommes considérés entre les frères.
22. "Ary sitraky ny apostoly sy ny loholona mbamin' ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin' ny namany hiaraka amin' i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, izay lehilahy mpitarika eo amin' ny rahalahy;"
23. And they wrote letters by them after this manner; The apostles and elders and brethren send greeting unto the brethren which are of the Gentiles in Antioch and Syria and Cilicia:
23. Ils les chargèrent d`une lettre ainsi conçue: Les apôtres, les anciens, et les frères, aux frères d`entre les païens, qui sont à Antioche, en Syrie, et en Cilicie, salut!
23. Ary nanoratra taratasy izy hoentin' ireo, dia izao: Ny apostoly sy ny loholona ary ny rahalahy, miarahaba ny rahalahy avy amin' ny Jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Silisia.
24. Forasmuch as we have heard, that certain which went out from us have troubled you with words, subverting your souls, saying, Ye must be circumcised, and keep the law: to whom we gave no such commandment:
24. Ayant appris que quelques hommes partis de chez nous, et auxquels nous n`avions donné aucun ordre, vous ont troublés par leurs discours et ont ébranlé vos âmes,
24. Satria efa renay fa ny sasany izay avy taty aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny fanahinareo nanao hoe: tsy maintsy forana ianareo sady mitandrina ny lalàna, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25. It seemed good unto us, being assembled with one accord, to send chosen men unto you with our beloved Barnabas and Paul,
25. nous avons jugé à propos, après nous être réunis tous ensemble, de choisir des délégués et de vous les envoyer avec nos bien-aimés Barnabas et Paul,
25. Dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankaty aminareo hiaraka amin' i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26. Men that have hazarded their lives for the name of our Lord Jesus Christ.
26. ces hommes qui ont exposé leur vie pour le nom de notre Seigneur Jésus Christ.
26. Lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra noho ny anaran' i Jesosy Kristy Tompontsika.
27. We have sent therefore Judas and Silas, who shall also tell you the same things by mouth.
27. Nous avons donc envoyé Jude et Silas, qui vous annonceront de leur bouche les mêmes choses.
27. Noho izany dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy ireo,
28. For it seemed good to the Holy Ghost, and to us, to lay upon you no greater burden than these necessary things;
28. Car il a paru bon au Saint Esprit et à nous de ne vous imposer d`autre charge que ce qui est nécessaire,
28. Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy ilaina izao ihany:
29. That ye abstain from meats offered to idols, and from blood, and from things strangled, and from fornication: from which if ye keep yourselves, ye shall do well. Fare ye well.
29. savoir, de vous abstenir des viandes sacrifiées aux idoles, du sang, des animaux étouffés, et de l`impudicité, choses contre lesquelles vous vous trouverez bien de vous tenir en garde. Adieu.
29. Dia ny hifadianareo ny hena aterina amin' ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fahavetavetana, raha mahatandri-tena hifady izany ianareo dia ho soa.Veloma ianareo.
30. So when they were dismissed, they came to Antioch: and when they had gathered the multitude together, they delivered the epistle:
30. Eux donc, ayant pris congé de l`Église, allèrent à Antioche, où ils remirent la lettre à la multitude assemblée.
30. "Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary rehefa namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily."
31. Which when they had read, they rejoiced for the consolation.
31. Après l`avoir lue, les frères furent réjouis de l`encouragement qu`elle leur apportait.
31. Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny fampiononana.
32. And Judas and Silas, being prophets also themselves, exhorted the brethren with many words, and confirmed them.
32. Jude et Silas, qui étaient eux-mêmes prophètes, les exhortèrent et les fortifièrent par plusieurs discours.
32. Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia nampirisika ny rahalahy tamin' ny teny maro ka nampiorina azy ireo.
33. And after they had tarried there a space, they were let go in peace from the brethren unto the apostles.
33. Au bout de quelque temps, les frères les laissèrent en paix retourner vers ceux qui les avaient envoyés.
33. Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo,dia nampandehanin' ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'ny apostoly.
34. Notwithstanding it pleased Silas to abide there still.
34. Toutefois Silas trouva bon de rester.
34. Nefa sitrak' i Silasy ny mbola hitoetra tao.
35. Paul also and Barnabas continued in Antioch, teaching and preaching the word of the Lord, with many others also.
35. Paul et Barnabas demeurèrent à Antioche, enseignant et annonçant, avec plusieurs autres, la bonne nouvelle de la parole du Seigneur.
35. Ary Paoly sy Barnabasy koa nitoetra tany Antiokia, dia nampianatra sy nitory ny tenin' ny Tompo niaraka tamin' ny maro hafa koa.
36. And some days after Paul said unto Barnabas, Let us go again and visit our brethren in every city where we have preached the word of the LORD, and see how they do.
36. Quelques jours s`écoulèrent, après lesquels Paul dit à Barnabas: Retournons visiter les frères dans toutes les villes où nous avons annoncé la parole du Seigneur, pour voir en quel état ils sont.
36. Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin' i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin' ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin' ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
37. And Barnabas determined to take with them John, whose surname was Mark.
37. "Barnabas voulait emmener aussi Jean, surnommé Marc;"
37. Ary tapa-kevitra i Barnabasy ny hitondra an' i Jaona, izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
38. But Paul thought not good to take him with them, who departed from them from Pamphylia, and went not with them to the work.
38. mais Paul jugea plus convenable de ne pas prendre avec eux celui qui les avait quittés depuis la Pamphylie, et qui ne les avait point accompagnés dans leur oeuvre.
38. Nefa nataon' i Paoly fa tsy tsara ny hitondrana azy miaraka amin' izy ireo, satria nandao azy tany Pamfylia izy ka tsy niaraka taminy ho any amin' ny asa.
39. And the contention was so sharp between them, that they departed asunder one from the other: and so Barnabas took Mark, and sailed unto Cyprus;
39. Ce dissentiment fut assez vif pour être cause qu`ils se séparèrent l`un de l`autre. Et Barnabas, prenant Marc avec lui, s`embarqua pour l`île de Chypre.
39. "Ary nifanditra mafy loatra ireo ka nisara-dalana; ary Barnabasy nitondra an' i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Sypra."
40. And Paul chose Silas, and departed, being recommended by the brethren unto the grace of God.
40. Paul fit choix de Silas, et partit, recommandé par les frères à la grâce du Seigneur.
40. Fa Paoly kosa nifidy an' i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra izy.
41. And he went through Syria and Cilicia, confirming the churches.
41. Il parcourut la Syrie et la Cilicie, fortifiant les Églises.
41. Dia nandeha namaky an' i Syria sy Silisia izy nampiorina ny fiangonana tany.
<
>