1. Now there were in the church that was at Antioch certain prophets and teachers; as Barnabas, and Simeon that was called Niger, and Lucius of Cyrene, and Manaen, which had been brought up with Herod the tetrarch, and Saul.
1. Il y avait dans l`Église d`Antioche des prophètes et des docteurs: Barnabas, Siméon appelé Niger, Lucius de Cyrène, Manahen, qui avait été élevé avec Hérode le tétrarque, et Saul.
1. Ary teo amin' ny fiangonana tany Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema izay niolonono tamin' i Heroda mpanapaka, ary Saoly.
2. As they ministered to the Lord, and fasted, the Holy Ghost said, Separate me Barnabas and Saul for the work whereunto I have called them.
2. Pendant qu`ils servaient le Seigneur dans leur ministère et qu`ils jeûnaient, le Saint Esprit dit: Mettez-moi à part Barnabas et Saul pour l`oeuvre à laquelle je les ai appelés.
2. Raha nanao ny asa fanompoana ho an' ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3. And when they had fasted and prayed, and laid their hands on them, they sent them away.
3. Alors, après avoir jeûné et prié, ils leur imposèrent les mains, et les laissèrent partir.
3. Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4. So they, being sent forth by the Holy Ghost, departed unto Seleucia; and from thence they sailed to Cyprus.
4. Barnabas et Saul, envoyés par le Saint Esprit, descendirent à Séleucie, et de là ils s`embarquèrent pour l`île de Chypre.
4. Ary rehefa nirahin' ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Sypra.
5. And when they were at Salamis, they preached the word of God in the synagogues of the Jews: and they had also John to their minister.
5. Arrivés à Salamine, ils annoncèrent la parole de Dieu dans les synagogues des Juifs. Ils avaient Jean pour aide.
5. "Ary nony tonga tany Salamisy izy ireo, dia nitory ny tenin' Andriamanitra teny amin' ny synagogan' ny Jiosy; ary nitondra an' i Jaona koa ho mpanampy azy izy."
6. And when they had gone through the isle unto Paphos, they found a certain sorcerer, a false prophet, a Jew, whose name was Barjesus:
6. Ayant ensuite traversé toute l`île jusqu`à Paphos, ils trouvèrent un certain magicien, faux prophète juif, nommé Bar Jésus,
6. Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy ireo, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7. Which was with the deputy of the country, Sergius Paulus, a prudent man; who called for Barnabas and Saul, and desired to hear the word of God.
7. qui était avec le proconsul Sergius Paulus, homme intelligent. Ce dernier fit appeler Barnabas et Saul, et manifesta le désir d`entendre la parole de Dieu.
7. "Izay nitoetra tao amin' i Sergio Paolo, governoran' ny tany sady lehilahy hendry; ary nampaka an' i Barnabasy sy Saoly izy hankao aminy ka naniry mba handre ny tenin' Andriamanitra."
8. But Elymas the sorcerer (for so is his name by interpretation) withstood them, seeking to turn away the deputy from the faith.
8. Mais Élymas, le magicien, -car c`est ce que signifie son nom, -leur faisait opposition, cherchant à détourner de la foi le proconsul.
8. Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9. Then Saul, (who also is called Paul,) filled with the Holy Ghost, set his eyes on him,
9. Alors Saul, appelé aussi Paul, rempli du Saint Esprit, fixa les regards sur lui, et dit:
9. Fa Saoly kosa, (izay atao koa hoe Paoly), feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy.
10. And said, O full of all subtilty and all mischief, thou child of the devil, thou enemy of all righteousness, wilt thou not cease to pervert the right ways of the Lord?
10. Homme plein de toute espèce de ruse et de fraude, fils du diable, ennemi de toute justice, ne cesseras-tu point de pervertir les voies droites du Seigneur?
10. Ka nanao hoe: Ry ilay feno fitaka rehetra sy fahafetsena rehetra, zanaky ny devoly ianao sady fahavalon' ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin' ny Tompo va ianao?
11. And now, behold, the hand of the Lord is upon thee, and thou shalt be blind, not seeing the sun for a season. And immediately there fell on him a mist and a darkness; and he went about seeking some to lead him by the hand.
11. Maintenant voici, la main du Seigneur est sur toi, tu seras aveugle, et pour un temps tu ne verras pas le soleil. Aussitôt l`obscurité et les ténèbres tombèrent sur lui, et il cherchait, en tâtonnant, des personnes pour le guider.
11. Ary, indro, ankehitriny ny tanan' ny Tompo hamely anao, dia ho jamba ianao ka tsy hahita masoandro aloha.Dia nilatsaka tao aminy niaraka tamin' izay ny manjavona sy ny aizina ka niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12. Then the deputy, when he saw what was done, believed, being astonished at the doctrine of the Lord.
12. Alors le proconsul, voyant ce qui était arrivé, crut, étant frappé de la doctrine du Seigneur.
12. Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin' ny foto-pampianaran' ny Tompo.
13. Now when Paul and his company loosed from Paphos, they came to Perga in Pamphylia: and John departing from them returned to Jerusalem.
13. Paul et ses compagnons, s`étant embarqués à Paphos, se rendirent à Perge en Pamphylie. Jean se sépara d`eux, et retourna à Jérusalem.
13. "Ary Paoly sy ny namany nony niala tany Pafo, dia tonga tany Perga any Pamfilia; fa nandao azy Jaona ka niverina nankany Jerosalema."
14. But when they departed from Perga, they came to Antioch in Pisidia, and went into the synagogue on the sabbath day, and sat down.
14. De Perge ils poursuivirent leur route, et arrivèrent à Antioche de Pisidie. Étant entrés dans la synagogue le jour du sabbat, ils s`assirent.
14. Ary rehefa niala tany Perga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin' ny synagoga tamin' ny andro sabata ka nipetraka teo.
15. And after the reading of the law and the prophets the rulers of the synagogue sent unto them, saying, Ye men and brethren, if ye have any word of exhortation for the people, say on.
15. Après la lecture de la loi et des prophètes, les chefs de la synagogue leur envoyèrent dire: Hommes frères, si vous avez quelque exhortation à adresser au peuple, parlez.
15. Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry lehilahy sy rahalahy, raha manana teny fananarana ho an' ny olona ianao, dia ambarao.
16. Then Paul stood up, and beckoning with his hand said, Men of Israel, and ye that fear God, give audience.
16. Paul se leva, et, ayant fait signe de la main, il dit: Hommes Israélites, et vous qui craignez Dieu, écoutez!
16. Ary nitsangana Paoly, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an' Andriamanitra, mihainoa.
17. The God of this people of Israel chose our fathers, and exalted the people when they dwelt as strangers in the land of Egypt, and with an high arm brought he them out of it.
17. Le Dieu de ce peuple d`Israël a choisi nos pères. Il mit ce peuple en honneur pendant son séjour au pays d`Égypte, et il l`en fit sortir par son bras puissant.
17. Andriamanitr' izao olon' Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin' ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18. And about the time of forty years suffered he their manners in the wilderness.
18. "Il les nourrit près de quarante ans dans le désert;"
18. Ary nandefitra tamin' ny nataony tanyan' efitra tokony ho efapolo taona Izy.
19. And when he had destroyed seven nations in the land of Chanaan, he divided their land to them by lot.
19. et, ayant détruit sept nations au pays de Canaan, il leur en accorda le territoire comme propriété.
19. Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin' ny tany Kanana Izy, dia nozarainy tamin' ny antsapaka ho azy ireo ny taniny.
20. And after that he gave unto them judges about the space of four hundred and fifty years, until Samuel the prophet.
20. Après cela, durant quatre cent cinquante ans environ, il leur donna des juges, jusqu`au prophète Samuel.
20. Ary rehefa afaka izany, tokony teo anelanelan' ny dimampolo amby efajato taona, dia nomeny mpitsara izy hatramin' i Samoela mpaminany.
21. And afterward they desired a king: and God gave unto them Saul the son of Cis, a man of the tribe of Benjamin, by the space of forty years.
21. "Ils demandèrent alors un roi. Et Dieu leur donna, pendant quarante ans, Saül, fils de Kis, de la tribu de Benjamin;"
21. "Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen' Andriamanitra azy efapolo taona i Saoly, zanak' i Kisy, lehilahy avy tamin' ny fokon' i Benjamina."
22. And when he had removed him, he raised up unto them David to be their king; to whom also he gave testimony, and said, I have found David the son of Jesse, a man after mine own heart, which shall fulfil all my will.
22. puis, l`ayant rejeté, il leur suscita pour roi David, auquel il a rendu ce témoignage: J`ai trouvé David, fils d`Isaï, homme selon mon coeur, qui accomplira toutes mes volontés.
22. Ary rehefa nanaisotra an' i Saoly Izy, dia nanandratra an' i Davida ho mpanjakany sady nanome vavolombelona ny aminy hoe: Izaho nahita an' i Davida, zanak' i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanatanteraka ny sitrapoko rehetra
23. Of this man's seed hath God according to his promise raised unto Israel a Saviour, Jesus:
23. C`est de la postérité de David que Dieu, selon sa promesse, a suscité à Israël un Sauveur, qui est Jésus.
23. "Avy tamin' ny taranak' izany lehilahy izany no nananganan' Andriamanitra an' i Jesosy araka ny tenifikasana ho Mpamonjy ny Isiraely;"
24. When John had first preached before his coming the baptism of repentance to all the people of Israel.
24. Avant sa venue, Jean avait prêché le baptême de repentance à tout le peuple d`Israël.
24. Rehefa notorin' i Jaona tamin' ny olona Isiraely rehetra alohan' ny fahatongavany ny batisan' ny fibebahana.
25. And as John fulfilled his course, he said, Whom think ye that I am? I am not he. But, behold, there cometh one after me, whose shoes of his feet I am not worthy to loose.
25. "Et lorsque Jean achevait sa course, il disait: Je ne suis pas celui que vous pensez; mais voici, après moi vient celui des pieds duquel je ne suis pas digne de délier les souliers."
25. "Ary rehefa nahatanteraka ny diany Jaona dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka tsy mendrika hamaha ny kapa eo an-tongony aho."
26. Men and brethren, children of the stock of Abraham, and whosoever among you feareth God, to you is the word of this salvation sent.
26. Hommes frères, fils de la race d`Abraham, et vous qui craignez Dieu, c`est à vous que cette parole de salut a été envoyée.
26. Ry lehilahy sy rahalahy, zanaky ny taranak' i Abrahama sy izay rehetra eo aminareo matahotra an' Andriamanitra, dia ho anareo no nampitondraina ny tenin' izao famonjena izao.
27. For they that dwell at Jerusalem, and their rulers, because they knew him not, nor yet the voices of the prophets which are read every sabbath day, they have fulfilled them in condemning him.
27. Car les habitants de Jérusalem et leurs chefs ont méconnu Jésus, et, en le condamnant, ils ont accompli les paroles des prophètes qui se lisent chaque sabbat.
27. Fa izay monina any Jerosalema sy ny mpanapaka eo aminy, satria tsy nahafantatra Azy na ny feon' ny mpaminany izay vakina isaky ny andro Sabata, dia nahatanteraka izany tamin' ny nanamelohany Azy.
28. And though they found no cause of death in him, yet desired they Pilate that he should be slain.
28. Quoiqu`ils ne trouvassent en lui rien qui fût digne de mort, ils ont demandé à Pilate de le faire mourir.
28. Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin' i Pilato ihany izy hamonoana Azy.
29. And when they had fulfilled all that was written of him, they took him down from the tree, and laid him in a sepulchre.
29. Et, après qu`ils eurent accompli tout ce qui est écrit de lui, ils le descendirent de la croix et le déposèrent dans un sépulcre.
29. Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin' i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin' ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30. But God raised him from the dead:
30. Mais Dieu l`a ressuscité des morts.
30. Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin' ny maty.
31. And he was seen many days of them which came up with him from Galilee to Jerusalem, who are his witnesses unto the people.
31. Il est apparu pendant plusieurs jours à ceux qui étaient montés avec lui de la Galilée à Jérusalem, et qui sont maintenant ses témoins auprès du peuple.
31. Ary hitan' izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema andro maro Izy, ka dia ireo no vavolombelony amin' ny olona.
32. And we declare unto you glad tidings, how that the promise which was made unto the fathers,
32. Et nous, nous vous annonçons cette bonne nouvelle que la promesse faite à nos pères,
32. Ary manambara ny vaovao mahafaly aminareo izahay, dia ilay tenifikasana nolazaina tamin' ny razana,
33. God hath fulfilled the same unto us their children, in that he hath raised up Jesus again; as it is also written in the second psalm, Thou art my Son, this day have I begotten thee.
33. Dieu l`a accomplie pour nous leurs enfants, en ressuscitant Jésus, selon ce qui est écrit dans le Psaume deuxième: Tu es mon Fils, Je t`ai engendré aujourd`hui.
33. Notanterahan' Andriamanitra tamintsika zanany koa izany, raha nanangana an' i Jesosy indray Izy, araka ny voasoratra ao amin' ny Salamo faharoa hoe: Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany.
34. And as concerning that he raised him up from the dead, now no more to return to corruption, he said on this wise, I will give you the sure mercies of David.
34. Qu`il l`ait ressuscité des morts, de telle sorte qu`il ne retournera pas à la corruption, c`est ce qu`il a déclaré, en disant: Je vous donnerai Les grâces saintes promises à David, ces grâces qui sont assurées.
34. Ary ny amin' ny nananganany Azy tamin' ny maty, ka tsy hiverina ho amin' ny lo intsony Izy, dia izao no fomba hilazany azy: Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an' i Davida
35. Wherefore he saith also in another psalm, Thou shalt not suffer thine Holy One to see corruption.
35. C`est pourquoi il dit encore ailleurs: Tu ne permettras pas que ton Saint voie la corruption.
35. Fa hoy Izy eo amin' ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Ianao
36. For David, after he had served his own generation by the will of God, fell on sleep, and was laid unto his fathers, and saw corruption:
36. Or, David, après avoir en son temps servi au dessein de Dieu, est mort, a été réuni à ses pères, et a vu la corruption.
36. "Fa Davida, rehefa nanompo ny mpiara-belona taminy araka ny sitrapon' Andriamanitra, dia nodimandry, ka nangonina ho any amin' ny razany izy, ary tratry ny lo;"
37. But he, whom God raised again, saw no corruption.
37. Mais celui que Dieu a ressuscité n`a pas vu la corruption.
37. Fa Izy, izay natsangan' Andriamanitra indray, no tsy mba tratry ny lo.
38. Be it known unto you therefore, men and brethren, that through this man is preached unto you the forgiveness of sins:
38. Sachez donc, hommes frères, que c`est par lui que le pardon des péchés vous est annoncé,
38. Ary aoka ho fantatrareo noho izany ry lehilahy sy rahalahy, fa avy amin' izany lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo,
39. And by him all that believe are justified from all things, from which ye could not be justified by the law of Moses.
39. et que quiconque croit est justifié par lui de toutes les choses dont vous ne pouviez être justifiés par la loi de Moïse.
39. Ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin' ny zavatra rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin' ny lalàn' i Mosesy.
40. Beware therefore, lest that come upon you, which is spoken of in the prophets;
40. Ainsi, prenez garde qu`il ne vous arrive ce qui est dit dans les prophètes:
40. Koa tandremo fandrao hihatra aminareo izay voalaza eo amin' ny mpaminany hoe:
41. Behold, ye despisers, and wonder, and perish: for I work a work in your days, a work which ye shall in no wise believe, though a man declare it unto you.
41. "Voyez, contempteurs, Soyez étonnés et disparaissez; Car je vais faire en vos jours une oeuvre, Une oeuvre que vous ne croiriez pas si on vous la racontait."
41. "Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levòna; fa manao asa amin' ny andronareo Aho, dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza"
42. And when the Jews were gone out of the synagogue, the Gentiles besought that these words might be preached to them the next sabbath.
42. "Lorsqu`ils sortirent, on les pria de parler le sabbat suivant sur les mêmes choses;"
42. Ary rehefa nivoaka ny synagoga ny Jiosy, dia nangatahan' ny Jentilisa mba hotorina aminy izany teny izany amin' ny sabata manaraka.
43. Now when the congregation was broken up, many of the Jews and religious proselytes followed Paul and Barnabas: who, speaking to them, persuaded them to continue in the grace of God.
43. et, à l`issue de l`assemblée, beaucoup de Juifs et de prosélytes pieux suivirent Paul et Barnabas, qui s`entretinrent avec eux, et les exhortèrent à rester attachés à la grâce de Dieu.
43. Koa rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin' ny Jiosy sy ny prozelyta mpivavaka no nanaraka an' i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka nitaona azy haharitra amin'ny fahasoavan' Andriamanitra.
44. And the next sabbath day came almost the whole city together to hear the word of God.
44. Le sabbat suivant, presque toute la ville se rassembla pour entendre la parole de Dieu.
44. Ary nony tamin' ny andro sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin' Andriamanitra.
45. But when the Jews saw the multitudes, they were filled with envy, and spake against those things which were spoken by Paul, contradicting and blaspheming.
45. Les Juifs, voyant la foule, furent remplis de jalousie, et ils s`opposaient à ce que disait Paul, en le contredisant et en l`injuriant.
45. Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain' i Paoly sady nanao blasfemia.
46. Then Paul and Barnabas waxed bold, and said, It was necessary that the word of God should first have been spoken to you: but seeing ye put it from you, and judge yourselves unworthy of everlasting life, lo, we turn to the Gentiles.
46. "Paul et Barnabas leur dirent avec assurance: C`est à vous premièrement que la parole de Dieu devait être annoncée; mais, puisque vous la repoussez, et que vous vous jugez vous-mêmes indignes de la vie éternelle, voici, nous nous tournons vers les païens."
46. "Ary Paoly sy Barnabasy dia nitombo fahasahiana ka nanao hoe: Ianareo no tsy maintsy nilazana ny tenin' Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà ianareo, ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin' ny Jentilisa izahay."
47. For so hath the Lord commanded us, saying, I have set thee to be a light of the Gentiles, that thou shouldest be for salvation unto the ends of the earth.
47. Car ainsi nous l`a ordonné le Seigneur: Je t`ai établi pour être la lumière des nations, Pour porter le salut jusqu`aux extrémités de la terre.
47. Fa izao no nandidian' ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan' ny Jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin' ny faran' ny tany Ianao
48. And when the Gentiles heard this, they were glad, and glorified the word of the Lord: and as many as were ordained to eternal life believed.
48. Les païens se réjouissaient en entendant cela, ils glorifiaient la parole du Seigneur, et tous ceux qui étaient destinés à la vie éternelle crurent.
48. "Ary rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly izy, ka nankalaza ny tenin' ny Tompo; ary izay voatendry ho amin' ny fiainana mandrakizay dia nino."
49. And the word of the Lord was published throughout all the region.
49. La parole du Seigneur se répandait dans tout le pays.
49. Ary ny tenin' ny Tompo dia naely eran' izany tany rehetra izany.
50. But the Jews stirred up the devout and honourable women, and the chief men of the city, and raised persecution against Paul and Barnabas, and expelled them out of their coasts.
50. "Mais les Juifs excitèrent les femmes dévotes de distinction et les principaux de la ville; ils provoquèrent une persécution contre Paul et Barnabas, et ils les chassèrent de leur territoire."
50. Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manankaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin' i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin' ny taniny.
51. But they shook off the dust of their feet against them, and came unto Iconium.
51. Paul et Barnabas secouèrent contre eux la poussière de leurs pieds, et allèrent à Icone,
51. Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin' ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52. And the disciples were filled with joy, and with the Holy Ghost.
52. tandis que les disciples étaient remplis de joie et du Saint Esprit.
52. Ary dia feno fifaliana sy Fanahy Masina ny mpianatra.