1. Now about that time Herod the king stretched forth his hands to vex certain of the church.
1. Vers le même temps, le roi Hérode se mit à maltraiter quelques membres de l`Église,
1. Ary tamin' izany fotoana izany, naninjitra ny tanany Heroda mpanjaka hampahory ny sasany tamin' ny fiangonana.
2. And he killed James the brother of John with the sword.
2. et il fit mourir par l`épée Jacques, frère de Jean.
2. Ary namono an' i Jakoba, rahalahin' i Jaona, tamin' ny sabatra izy.
3. And because he saw it pleased the Jews, he proceeded further to take Peter also. (Then were the days of unleavened bread.)
3. Voyant que cela était agréable aux Juifs, il fit encore arrêter Pierre. -C`était pendant les jours des pains sans levain. -
3. Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an' i Petera koa izy. (Efa mby tamin' ny andro fihinanana ny mofo tsy misy lalivay tamin' izany).
4. And when he had apprehended him, he put him in prison, and delivered him to four quaternions of soldiers to keep him; intending after Easter to bring him forth to the people.
4. Après l`avoir saisi et jeté en prison, il le mit sous la garde de quatre escouades de quatre soldats chacune, avec l`intention de le faire comparaître devant le peuple après la Pâque.
4. "Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin' ny miaramila enina ambin' ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin' ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska."
5. Peter therefore was kept in prison: but prayer was made without ceasing of the church unto God for him.
5. "Pierre donc était gardé dans la prison; et l`Église ne cessait d`adresser pour lui des prières à Dieu."
5. Noho izany, dia nambenana tao an-tranomaizina Petera, fa tsy nitsahatra ny vavaka tamin'Andriamanitra, izay nataon' ny fiangonana ho azy.
6. And when Herod would have brought him forth, the same night Peter was sleeping between two soldiers, bound with two chains: and the keepers before the door kept the prison.
6. "La nuit qui précéda le jour où Hérode allait le faire comparaître, Pierre, lié de deux chaînes, dormait entre deux soldats; et des sentinelles devant la porte gardaient la prison."
6. "Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan' ny miaramila roa lahy Petera tamin' iny alina iny, sady voafatotra tamin' ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana."
7. And, behold, the angel of the Lord came upon him, and a light shined in the prison: and he smote Peter on the side, and raised him up, saying, Arise up quickly. And his chains fell off from his hands.
7. Et voici, un ange du Seigneur survint, et une lumière brilla dans la prison. L`ange réveilla Pierre, en le frappant au côté, et en disant: Lève-toi promptement! Les chaînes tombèrent de ses mains.
7. "Ary, indro, tonga teo ny anjelin' ny Tompo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-tranomaizina; ary nandona ny tehezan' i Petera izy, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia nihintsana tamin' ny tanany ny gadra."
8. And the angel said unto him, Gird thyself, and bind on thy sandals. And so he did. And he saith unto him, Cast thy garment about thee, and follow me.
8. Et l`ange lui dit: Mets ta ceinture et tes sandales. Et il fit ainsi. L`ange lui dit encore: Enveloppe-toi de ton manteau, et suis-moi.
8. Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9. And he went out, and followed him; and wist not that it was true which was done by the angel; but thought he saw a vision.
9. Pierre sortit, et le suivit, ne sachant pas que ce qui se faisait par l`ange fût réel, et s`imaginant avoir une vision.
9. "Dia nivoaka izy ka nanaraka azy; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana izy."
10. When they were past the first and the second ward, they came unto the iron gate that leadeth unto the city; which opened to them of his own accord: and they went out, and passed on through one street; and forthwith the angel departed from him.
10. "Lorsqu`ils eurent passé la première garde, puis la seconde, ils arrivèrent à la porte de fer qui mène à la ville, et qui s`ouvrit d`elle-même devant eux; ils sortirent, et s`avancèrent dans une rue. Aussitôt l`ange quitta Pierre."
10. "Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin' ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna, ka nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin' ny lalana iray; ary niaraka tamin' izay dia nandao azy ilay anjely."
11. And when Peter was come to himself, he said, Now I know of a surety, that the LORD hath sent his angel, and hath delivered me out of the hand of Herod, and from all the expectation of the people of the Jews.
11. Revenu à lui-même, Pierre dit: Je vois maintenant d`une manière certaine que le Seigneur a envoyé son ange, et qu`il m`a délivré de la main d`Hérode et de tout ce que le peuple juif attendait.
11. Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa, fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny, ka nanafaka ahy tamin' ny tanan' i Heroda sy ny fanantenan' ny vahoaka Jiosy rehetra.
12. And when he had considered the thing, he came to the house of Mary the mother of John, whose surname was Mark; where many were gathered together praying.
12. Après avoir réfléchi, il se dirigea vers la maison de Marie, mère de Jean, surnommé Marc, où beaucoup de personnes étaient réunies et priaient.
12. "Ary rehefa nandinika tsara izany izy, dia nankany an-tranon' i Maria, renin'i Jaona, izay atao koa hoe Marka; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao."
13. And as Peter knocked at the door of the gate, a damsel came to hearken, named Rhoda.
13. Il frappa à la porte du vestibule, et une servante, nommée Rhode, s`approcha pour écouter.
13. Ary raha nandondòna ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
14. And when she knew Peter's voice, she opened not the gate for gladness, but ran in, and told how Peter stood before the gate.
14. "Elle reconnut la voix de Pierre; et, dans sa joie, au lieu d`ouvrir, elle courut annoncer que Pierre était devant la porte."
14. Ary rehefa nahalala ny feon' i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15. And they said unto her, Thou art mad. But she constantly affirmed that it was even so. Then said they, It is his angel.
15. Ils lui dirent: Tu es folle. Mais elle affirma que la chose était ainsi.
15. Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: anjeliny izany.
16. But Peter continued knocking: and when they had opened the door, and saw him, they were astonished.
16. Et ils dirent: C`est son ange. Cependant Pierre continuait à frapper. Ils ouvrirent, et furent étonnés de le voir.
16. Fa naharitra nandondòna ihany Petera, ary rehefa novohany ny varavarana, dia nahita azy ireo ka talanjona.
17. But he, beckoning unto them with the hand to hold their peace, declared unto them how the Lord had brought him out of the prison. And he said, Go shew these things unto James, and to the brethren. And he departed, and went into another place.
17. Pierre, leur ayant de la main fait signe de se taire, leur raconta comment le Seigneur l`avait tiré de la prison, et il dit: Annoncez-le à Jacques et aux frères. Puis il sortit, et s`en alla dans un autre lieu.
17. Fa nanofa tanana azy izy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan' ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina.Ary hoy izy: Ambarao amin' i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala teo izy, ka lasa nankany amin' ny toeran-kafa.
18. Now as soon as it was day, there was no small stir among the soldiers, what was become of Peter.
18. Quand il fit jour, les soldats furent dans une grande agitation, pour savoir ce que Pierre était devenu.
18. Ary raha vao nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19. And when Herod had sought for him, and found him not, he examined the keepers, and commanded that they should be put to death. And he went down from Judaea to Caesarea, and there abode.
19. Hérode, s`étant mis à sa recherche et ne l`ayant pas trouvé, interrogea les gardes, et donna l`ordre de les mener au supplice. Ensuite il descendit de la Judée à Césarée, pour y séjourner.
19. Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina.Ary nidina niala tany Jodia i Heroda hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
20. And Herod was highly displeased with them of Tyre and Sidon: but they came with one accord to him, and, having made Blastus the king's chamberlain their friend, desired peace; because their country was nourished by the king's country.
20. "Hérode avait des dispositions hostiles à l`égard des Tyriens et des Sidoniens. Mais ils vinrent le trouver d`un commun accord; et, après avoir gagné Blaste, son chambellan, ils sollicitèrent la paix, parce que leur pays tirait sa subsistance de celui du roi."
20. Ary tezitra mafy tamin' ny Tyriana sy ny Sidoniana i Heroda, fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an' i Blasto, tandapan' ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin' ny tanin' ny mpanjaka.
21. And upon a set day Herod, arrayed in royal apparel, sat upon his throne, and made an oration unto them.
21. A un jour fixé, Hérode, revêtu de ses habits royaux, et assis sur son trône, les harangua publiquement.
21. Ary tamin' ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana i Heroda ka nipetraka teo ambonin' ny sezafiandrianany, dia nikabary tamin' ny vahoaka.
22. And the people gave a shout, saying, It is the voice of a god, and not of a man.
22. Le peuple s`écria: Voix d`un dieu, et non d`un homme!
22. Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon' andriamanitra izany, fa tsy feon' olona!
23. And immediately the angel of the Lord smote him, because he gave not God the glory: and he was eaten of worms, and gave up the ghost.
23. Au même instant, un ange du Seigneur le frappa, parce qu`il n`avait pas donné gloire à Dieu. Et il expira, rongé des vers.
23. Ary niaraka tamin' izay, dia nisy anjelin' ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an' Andriamanitra izy, ka dia nohanin' ny kankana izy, ary nanolotra ny fanahiny.
24. But the word of God grew and multiplied.
24. Cependant la parole de Dieu se répandait de plus en plus, et le nombre des disciples augmentait.
24. Fa nandroso sy niely ny tenin' Andriamanitra.
25. And Barnabas and Saul returned from Jerusalem, when they had fulfilled their ministry, and took with them John, whose surname was Mark.
25. Barnabas et Saul, après s`être acquittés de leur message, s`en retournèrent de Jérusalem, emmenant avec eux Jean, surnommé Marc.
25. Ary niverina avy tany Jerosalema Barnabasy sy Saoly, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an' i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
<
>