1. There was a certain man in Caesarea called Cornelius, a centurion of the band called the Italian band,
1. Il y avait à Césarée un homme nommé Corneille, centenier dans la cohorte dite italienne.
1. "Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin' ny antokon' ny miaramila atao hoe Italiana;"
2. A devout man, and one that feared God with all his house, which gave much alms to the people, and prayed to God alway.
2. "Cet homme était pieux et craignait Dieu, avec toute sa maison; il faisait beaucoup d`aumônes au peuple, et priait Dieu continuellement."
2. Mpivavaka tsara sady natahotra an' Andriamanitra izy mbamin' ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin' ny olona sady nivavaka tamin' Andriamanitra mandrakariva.
3. He saw in a vision evidently about the ninth hour of the day an angel of God coming in to him, and saying unto him, Cornelius.
3. Vers la neuvième heure du jour, il vit clairement dans une vision un ange de Dieu qui entra chez lui, et qui lui dit: Corneille!
3. Ary nahita miharihary tamin' ny fahitana izy, rehefa tokony ho tamin' ny ora fahasivy antoandro, fa indro, nisy anjelin' Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao hoe: Ry Kornelio.
4. And when he looked on him, he was afraid, and said, What is it, Lord? And he said unto him, Thy prayers and thine alms are come up for a memorial before God.
4. Les regards fixés sur lui, et saisi d`effroi, il répondit: Qu`est-ce, Seigneur? Et l`ange lui dit: Tes prières et tes aumônes sont montées devant Dieu, et il s`en est souvenu.
4. Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana Tompoko? Ary hoy izy taminy: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan' Andriamanitra.
5. And now send men to Joppa, and call for one Simon, whose surname is Peter:
5. "Envoie maintenant des hommes à Joppé, et fais venir Simon, surnommé Pierre;"
5. Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao ilay Simona izay atao koa hoe Petera:
6. He lodgeth with one Simon a tanner, whose house is by the sea side: he shall tell thee what thou oughtest to do.
6. il est logé chez un certain Simon, corroyeur, dont la maison est près de la mer.
6. "Mitoetra ao amin' i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony; izy no hilaza aminao izay tokony hataonao."
7. And when the angel which spake unto Cornelius was departed, he called two of his household servants, and a devout soldier of them that waited on him continually;
7. "Dès que l`ange qui lui avait parlé fut parti, Corneille appela deux de ses serviteurs, et un soldat pieux d`entre ceux qui étaient attachés à sa personne;"
7. Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin' i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin' ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan' izay nanaraka azy mandrakariva.
8. And when he had declared all these things unto them, he sent them to Joppa.
8. et, après leur avoir tout raconté, il les envoya à Joppé.
8. Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
9. On the morrow, as they went on their journey, and drew nigh unto the city, Peter went up upon the housetop to pray about the sixth hour:
9. Le lendemain, comme ils étaient en route, et qu`ils approchaient de la ville, Pierre monta sur le toit, vers la sixième heure, pour prier.
9. Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin' ny tanàna, dia niakatra teo ambonin' ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin' ny ora fahenina.
10. And he became very hungry, and would have eaten: but while they made ready, he fell into a trance,
10. Il eut faim, et il voulut manger. Pendant qu`on lui préparait à manger, il tomba en extase.
10. "Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy,"
11. And saw heaven opened, and a certain vessel descending unto him, as it had been a great sheet knit at the four corners, and let down to the earth:
11. Il vit le ciel ouvert, et un objet semblable à une grande nappe attachée par les quatre coins, qui descendait et s`abaissait vers la terre,
11. Ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin' ny zorony efatra ho amin' ny tany.
12. Wherein were all manner of fourfooted beasts of the earth, and wild beasts, and creeping things, and fowls of the air.
12. et où se trouvaient tous les quadrupèdes et les reptiles de la terre et les oiseaux du ciel.
12. Ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra ety an-tany, ny biby dia, ny biby mandady sy mikisaka, ary ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka.
13. And there came a voice to him, Rise, Peter; kill, and eat.
13. Et une voix lui dit: Lève-toi, Pierre, tue et mange.
13. "Ary nisy feo tonga taminy nanao hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano."
14. But Peter said, Not so, Lord; for I have never eaten any thing that is common or unclean.
14. Mais Pierre dit: Non, Seigneur, car je n`ai jamais rien mangé de souillé ni d`impur.
14. Fa hoy Petera: Sanatria Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padìna na tsy madio aho.
15. And the voice spake unto him again the second time, What God hath cleansed, that call not thou common.
15. Et pour la seconde fois la voix se fit encore entendre à lui: Ce que Dieu a déclaré pur, ne le regarde pas comme souillé.
15. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin' Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16. This was done thrice: and the vessel was received up again into heaven.
16. "Cela arriva jusqu`à trois fois; et aussitôt après, l`objet fut retiré dans le ciel."
16. "Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra indray ilay lamba."
17. Now while Peter doubted in himself what this vision which he had seen should mean, behold, the men which were sent from Cornelius had made enquiry for Simon's house, and stood before the gate,
17. Tandis que Pierre ne savait en lui-même que penser du sens de la vision qu`il avait eue, voici, les hommes envoyés par Corneille, s`étant informés de la maison de Simon, se présentèrent à la porte,
17. Ary raha mbola niahanahana tao am-pony Petera ny amin' izay hevitry ny fahitana efa hitany, dia, indreo ny olona izay nirahin' i Kornelio nanontany ny tranon' i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
18. And called, and asked whether Simon, which was surnamed Peter, were lodged there.
18. et demandèrent à haute voix si c`était là que logeait Simon, surnommé Pierre.
18. Dia niantso ka nanontany raha mitoetra ao Simona izay atao koa hoe Petera.
19. While Peter thought on the vision, the Spirit said unto him, Behold, three men seek thee.
19. "Et comme Pierre était à réfléchir sur la vision, l`Esprit lui dit: Voici, trois hommes te demandent;"
19. "Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;"
20. Arise therefore, and get thee down, and go with them, doubting nothing: for I have sent them.
20. lève-toi, descends, et pars avec eux sans hésiter, car c`est moi qui les ai envoyés.
20. Fa mitsangàna ianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
21. Then Peter went down to the men which were sent unto him from Cornelius; and said, Behold, I am he whom ye seek: what is the cause wherefore ye are come?
21. "Pierre donc descendit, et il dit à ces hommes: Voici, je suis celui que vous cherchez; quel est le motif qui vous amène?"
21. "Ary nidina tany amin' ireo lehilahy izay nirahin' i Kornelio ho any aminy Petera ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no antony ahatongavanareo aty?"
22. And they said, Cornelius the centurion, a just man, and one that feareth God, and of good report among all the nation of the Jews, was warned from God by an holy angel to send for thee into his house, and to hear words of thee.
22. Ils répondirent: Corneille, centenier, homme juste et craignant Dieu, et de qui toute la nation des Juifs rend un bon témoignage, a été divinement averti par un saint ange de te faire venir dans sa maison et d`entendre tes paroles.
22. Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an' Andriamanitra ary tsara laza amin' ny firenen' ny Jiosy rehetra, dia nilazan' Andriamanitra mialoha tamin' ny alalan' ny anjely masina hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino ny teny avy aminao.
23. Then called he them in, and lodged them. And on the morrow Peter went away with them, and certain brethren from Joppa accompanied him.
23. Pierre donc les fit entrer, et les logea. Le lendemain, il se leva, et partit avec eux. Quelques-uns des frères de Joppé l`accompagnèrent.
23. Ary nampiantrano azy ireo handry tao izy. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24. And the morrow after they entered into Caesarea. And Cornelius waited for them, and had called together his kinsmen and near friends.
24. Ils arrivèrent à Césarée le jour suivant. Corneille les attendait, et avait invité ses parents et ses amis intimes.
24. Ary ny afak' ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary niandry azy ireo Kornelio sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
25. And as Peter was coming in, Cornelius met him, and fell down at his feet, and worshipped him.
25. Lorsque Pierre entra, Corneille, qui était allé au-devant de lui, tomba à ses pieds et se prosterna.
25. Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin' ny tongony sady nitsaoka azy.
26. But Peter took him up, saying, Stand up; I myself also am a man.
26. "Mais Pierre le releva, en disant: Lève-toi; moi aussi, je suis un homme."
26. Fa nampitsangana azy Petera ka nanao hoe: Mitsangàna, fa izaho koa dia olona ihany.
27. And as he talked with him, he went in, and found many that were come together.
27. Et conversant avec lui, il entra, et trouva beaucoup de personnes réunies.
27. Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28. And he said unto them, Ye know how that it is an unlawful thing for a man that is a Jew to keep company, or come unto one of another nation; but God hath shewed me that I should not call any man common or unclean.
28. "Vous savez, leur dit-il, qu`il est défendu à un Juif de se lier avec un étranger ou d`entrer chez lui; mais Dieu m`a appris à ne regarder aucun homme comme souillé et impur."
28. "Dia hoy izy taminy: Ianareo mahalala fa tsy fanao amin' ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin' ny olona hafa firenena; nefa nasehon' Andriamanitra ahy fa tsy misy olona azoko antsoina hoe fady na tsy madio."
29. Therefore came I unto you without gainsaying, as soon as I was sent for: I ask therefore for what intent ye have sent for me?
29. "C`est pourquoi je n`ai pas eu d`objection à venir, puisque vous m`avez appelé; je vous demande donc pour quel motif vous m`avez envoyé chercher."
29. "Ary amin' izany dia tsy nandà tsy hankaty aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?"
30. And Cornelius said, Four days ago I was fasting until this hour; and at the ninth hour I prayed in my house, and, behold, a man stood before me in bright clothing,
30. "Corneille dit: Il y a quatre jours, à cette heure-ci, je priais dans ma maison à la neuvième heure; et voici, un homme vêtu d`un habit éclatant se présenta devant moi, et dit:"
30. Dia hoy Kornelio: Efatr' andro izay, nifady hanina aho mandra-paha toy izao ny andro, raha nivavaka tato an-tranoko aho tamin' ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako,
31. And said, Cornelius, thy prayer is heard, and thine alms are had in remembrance in the sight of God.
31. Corneille, ta prière a été exaucée, et Dieu s`est souvenu de tes aumônes.
31. Ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan' Andriamanitra ny fiantranao.
32. Send therefore to Joppa, and call hither Simon, whose surname is Peter; he is lodged in the house of one Simon a tanner by the sea side: who, when he cometh, shall speak unto thee.
32. "Envoie donc à Joppé, et fais venir Simon, surnommé Pierre; il est logé dans la maison de Simon, corroyeur, près de la mer."
32. "Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao koa hoe Petera; mitoetra ao an-tranon' i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy, koa raha avy izy dia hilaza teny aminao."
33. Immediately therefore I sent to thee; and thou hast well done that thou art come. Now therefore are we all here present before God, to hear all things that are commanded thee of God.
33. Aussitôt j`ai envoyé vers toi, et tu as bien fait de venir. Maintenant donc nous sommes tous devant Dieu, pour entendre tout ce que le Seigneur t`a ordonné de nous dire.
33. "Koa niaraka tamin' izay, dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan' Andriamanitra, hihaino izay rehetra nandidian' Andriamanitra anao."
34. Then Peter opened his mouth, and said, Of a truth I perceive that God is no respecter of persons:
34. Alors Pierre, ouvrant la bouche, dit: En vérité, je reconnais que Dieu ne fait point acception de personnes,
34. Ary niloa-bava Petera ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan' olona Andriamanitra.
35. But in every nation he that feareth him, and worketh righteousness, is accepted with him.
35. mais qu`en toute nation celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.
35. Fa amin' ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36. The word which God sent unto the children of Israel, preaching peace by Jesus Christ: (he is Lord of all:)
36. Il a envoyé la parole aux fils d`Israël, en leur annonçant la paix par Jésus Christ, qui est le Seigneur de tous.
36. "Ny teny izay nampitondrain' Andriamanitra ho an' ny Zanak' Isiraely, dia mitory fiadanana amin' ny alalan' i Jesosy Kristy: (Izy no Tompon' izao rehetra izao);"
37. That word, I say, ye know, which was published throughout all Judaea, and began from Galilee, after the baptism which John preached;
37. "Vous savez ce qui est arrivé dans toute la Judée, après avoir commencé en Galilée, à la suite du baptême que Jean a prêché;"
37. Izany teny izany, hoy aho, dia fantatrareo, ilay naely eran' i Jodia ary natomboka tany Galilia, taorian' ny batisa izay notorin' i Jaona,
38. How God anointed Jesus of Nazareth with the Holy Ghost and with power: who went about doing good, and healing all that were oppressed of the devil; for God was with him.
38. vous savez comment Dieu a oint du Saint Esprit et de force Jésus de Nazareth, qui allait de lieu en lieu faisant du bien et guérissant tous ceux qui étaient sous l`empire du diable, car Dieu était avec lui.
38. Dia ny amin' i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohosoran' Andriamanitra tamin' ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra nampahorian' ny devoly, satria Andriamanitra nomba azy.
39. And we are witnesses of all things which he did both in the land of the Jews, and in Jerusalem; whom they slew and hanged on a tree:
39. Nous sommes témoins de tout ce qu`il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem. Ils l`ont tué, en le pendant au bois.
39. "Ary izahay no vavolombelon' ny zavatra rehetra izay nataony tany amin' ny tanin' ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin' ny hazo;"
40. Him God raised up the third day, and shewed him openly;
40. Dieu l`a ressuscité le troisième jour, et il a permis qu`il apparût,
40. Nefa natsangan' Andriamanitra tamin' ny maty kosa Izy tamin' ny andro fahatelo, ka nasehony miharihary,
41. Not to all the people, but unto witnesses chosen before of God, even to us, who did eat and drink with him after he rose from the dead.
41. non à tout le peuple, mais aux témoins choisis d`avance par Dieu, à nous qui avons mangé et bu avec lui, après qu`il fut ressuscité des morts.
41. Tsy tamin' ny olona rehetra, fa tamin' ny vavolombelona izay notendren' Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin' ny maty Izy.
42. And he commanded us to preach unto the people, and to testify that it is he which was ordained of God to be the Judge of quick and dead.
42. Et Jésus nous a ordonné de prêcher au peuple et d`attester que c`est lui qui a été établi par Dieu juge des vivants et des morts.
42. Ary nandidy anay Izy hitory amin' ny olona ka hijoro ho vavolombelona fa Izy no voatendrin' Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty.
43. To him give all the prophets witness, that through his name whosoever believeth in him shall receive remission of sins.
43. Tous les prophètes rendent de lui le témoignage que quiconque croit en lui reçoit par son nom le pardon des péchés.
43. Izy no nijoroan' ny mpaminany rehetra vavolombelona, fa amin' ny Anarany no hahazoan' izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
44. While Peter yet spake these words, the Holy Ghost fell on all them which heard the word.
44. Comme Pierre prononçait encore ces mots, le Saint Esprit descendit sur tous ceux qui écoutaient la parole.
44. Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin' izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
45. And they of the circumcision which believed were astonished, as many as came with Peter, because that on the Gentiles also was poured out the gift of the Holy Ghost.
45. Tous les fidèles circoncis qui étaient venus avec Pierre furent étonnés de ce que le don du Saint Esprit était aussi répandu sur les païens.
45. Ary talanjona ny mino isan' ny voafora izay niaraka tamin' i Petera, satria nilatsaka tamin' ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46. For they heard them speak with tongues, and magnify God. Then answered Peter,
46. Car ils les entendaient parler en langues et glorifier Dieu.
46. Fa nandre azy ireo niteny tamin' ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an' Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
47. Can any man forbid water, that these should not be baptized, which have received the Holy Ghost as well as we?
47. Alors Pierre dit: Peut-on refuser l`eau du baptême à ceux qui ont reçu le Saint Esprit aussi bien que nous?
47. Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
48. And he commanded them to be baptized in the name of the Lord. Then prayed they him to tarry certain days.
48. Et il ordonna qu`ils fussent baptisés au nom du Seigneur. Sur quoi ils le prièrent de rester quelques jours auprès d`eux.
48. Dia nasainy natao batisa amin' ny anaran' ny Tompo ireo. Ary nangatahin' ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
<
>