The Silver Trumpets

1. And the LORD spake unto Moses, saying,
1. L`Éternel parla à Moïse, et dit:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe:
2. Make thee two trumpets of silver; of a whole piece shalt thou make them: that thou mayest use them for the calling of the assembly, and for the journeying of the camps.
2. "Fais-toi deux trompettes d`argent; tu les feras d`argent battu. Elles te serviront pour la convocation de l`assemblée et pour le départ des camps."
2. Manaova trompetra volafotsy roa, avy amin' ny vongana iray manontolo no hanaovanao azy, mba hampiasainao ho fiantsoana ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby.
3. And when they shall blow with them, all the assembly shall assemble themselves to thee at the door of the tabernacle of the congregation.
3. Quand on en sonnera, toute l`assemblée se réunira auprès de toi, à l`entrée de la tente d`assignation.
3. Ary raha tsofina ireo, dia hivory eo aminao eo anoloan' ny varavaran' ny tranolay fihaonana ny fiangonana.
4. And if they blow but with one trumpet, then the princes, which are heads of the thousands of Israel, shall gather themselves unto thee.
4. Si l`on ne sonne que d`une trompette, les princes, les chefs des milliers d`Israël, se réuniront auprès de toi.
4. Fa raha ny trompetra iray ihany no tsofina, dia ny lehibe, mpifehy arivo amin' ny Isiraely no hivory eo aminao.
5. When ye blow an alarm, then the camps that lie on the east parts shall go forward.
5. "Quand vous sonnerez avec éclat, ceux qui campent à l`orient partiront;"
5. Fa raha mitsoka ho fanairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6. When ye blow an alarm the second time, then the camps that lie on the south side shall take their journey: they shall blow an alarm for their journeys.
6. quand vous sonnerez avec éclat pour la seconde fois, ceux qui campent au midi partiront: on sonnera avec éclat pour leur départ.
6. "Raha mitsoka ho fanairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fanairana no hatao fiaingany."
7. But when the congregation is to be gathered together, ye shall blow, but ye shall not sound an alarm.
7. Vous sonnerez aussi pour convoquer l`assemblée, mais vous ne sonnerez pas avec éclat.
7. Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fanairana.
8. And the sons of Aaron, the priests, shall blow with the trumpets; and they shall be to you for an ordinance for ever throughout your generations.
8. Les fils d`Aaron, les sacrificateurs, sonneront des trompettes. Ce sera une loi perpétuelle pour vous et pour vos descendants.
8. "Ary ny mpisorona, zanakalahin' i Arona no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo amin' ny taranakareo mifandimby izany."
9. And if ye go to war in your land against the enemy that oppresseth you, then ye shall blow an alarm with the trumpets; and ye shall be remembered before the LORD your God, and ye shall be saved from your enemies.
9. Lorsque, dans votre pays, vous irez à la guerre contre l`ennemi qui vous combattra, vous sonnerez des trompettes avec éclat, et vous serez présents au souvenir de l`Éternel, votre Dieu, et vous serez délivrés de vos ennemis.
9. Ary raha handeha hiady eo amin' ny taninareo amin' ny fahavalonareo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fanairana, ka hotsarovana eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ary hovonjena amin' ny fahavalonareo.
10. Also in the day of your gladness, and in your solemn days, and in the beginnings of your months, ye shall blow with the trumpets over your burnt offerings, and over the sacrifices of your peace offerings; that they may be to you for a memorial before your God: I am the LORD your God.
10. Dans vos jours de joie, dans vos fêtes, et à vos nouvelles lunes, vous sonnerez des trompettes, en offrant vos holocaustes et vos sacrifices d`actions de grâces, et elles vous mettront en souvenir devant votre Dieu. Je suis l`Éternel, votre Dieu.
10. "Ary amin' ny andro fifalianareo koa sy amin' ny andro lehibe sy malaza eo aminareo, ary amin' ny voaloham-bolanareo, no hitsofanareo ny trompetra raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo ianareo; mba ho fahatsiarovana ho anareo eo anatrehan' Andriamanitrareo izany; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo."

The Israelites Leave Sinai

11. And it came to pass on the twentieth day of the second month, in the second year, that the cloud was taken up from off the tabernacle of the testimony.
11. Le vingtième jour du second mois de la seconde année, la nuée s`éleva de dessus le tabernacle du témoignage.
11. Ary izao no niseho, tamin' ny andro faharoapolo tamin' ny volana faharoa, tamin' ny taona faharoa, no niakaran' ny rahona niala teo ambonin' ny tabernakelin' ny Vavolombelona.
12. And the children of Israel took their journeys out of the wilderness of Sinai; and the cloud rested in the wilderness of Paran.
12. Et les enfants d`Israël partirent du désert de Sinaï, selon l`ordre fixé pour leur marche. La nuée s`arrêta dans le désert de Paran.
12. Dia niainga ka niala tany an' efitr' i Sinay ny Zanak' Isiraely, ary ny rahona nijanona tany an' efitra Parana.
13. And they first took their journey according to the commandment of the LORD by the hand of Moses.
13. Ils firent ce premier départ sur l`ordre de l`Éternel par Moïse.
13. Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy.
14. In the first place went the standard of the camp of the children of Judah according to their armies: and over his host was Nahshon the son of Amminadab.
14. "La bannière du camp des fils de Juda partit la première, avec ses corps d`armée. Le corps d`armée de Juda était commandé par Nachschon, fils d`Amminadab;"
14. Ary ny fanevan' ny tobin' ny zanak' i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanakalahin' i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15. And over the host of the tribe of the children of Issachar was Nethaneel the son of Zuar.
15. "le corps d`armée de la tribu des fils d`Issacar, par Nethaneel, fils de Tsuar;"
15. Ary Netanela, zanakalahin' i Zoara no mpifehy ny fokon' ny zanak' Isakara.
16. And over the host of the tribe of the children of Zebulun was Eliab the son of Helon.
16. le corps d`armée de la tribu des fils de Zabulon, par Éliab, fils de Hélon.
16. Ary Eliaba, zanakalahin' i Helona no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Zebolona.
17. And the tabernacle was taken down; and the sons of Gershon and the sons of Merari set forward, bearing the tabernacle.
17. "Le tabernacle fut démonté; et les fils de Guerschon et les fils de Merari partirent, portant le tabernacle."
17. "Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny zanakalahin' i Gersona sy ny zanakalahin' i Merary nitondra ny tabernakely;"
18. And the standard of the camp of Reuben set forward according to their armies: and over his host was Elizur the son of Shedeur.
18. "La bannière du camp de Ruben partit, avec ses corps d`armée. Le corps d`armée de Ruben était commandé par Élitsur, fils de Schedéur;"
18. "Dia niainga ny fanevan' ny tobin' i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanakalahin' i Sedeora no mpifehy ny antokony."
19. And over the host of the tribe of the children of Simeon was Shelumiel the son of Zurishaddai.
19. "le corps d`armée de la tribu des fils de Siméon, par Schelumiel, fils de Tsurischaddaï;"
19. Ary Selomiela, zanakalahin' i Zorisaday, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Simeona.
20. And over the host of the tribe of the children of Gad was Eliasaph the son of Deuel.
20. le corps d`armée de la tribu des fils de Gad, par Éliasaph, fils de Déuel.
20. Ary Eliasafa, zanakalahin' i Doela, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Gada.
21. And the Kohathites set forward, bearing the sanctuary: and the other did set up the tabernacle against they came.
21. "Les Kehathites partirent, portant le sanctuaire; et l`on dressait le tabernacle en attendant leur arrivée."
21. "Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary ny hafa nanangana ny tabernakely mandra-piaviny."
22. And the standard of the camp of the children of Ephraim set forward according to their armies: and over his host was Elishama the son of Ammihud.
22. "La bannière du camp des fils d`Éphraïm partit, avec ses corps d`armée. Le corps d`armée d`Éphraïm était commandé par Élischama, fils d`Ammihud;"
22. "Dia niainga ny fanevan' ny tobin' ny zanak' i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanakalahin' i Amihoda no mpifehy ny antokony."
23. And over the host of the tribe of the children of Manasseh was Gamaliel the son of Pedahzur.
23. "le corps d`armée de la tribu des fils de Manassé, par Gamliel, fils de Pedahtsur;"
23. Ary Gamaliela, zanakalahin' i Pedazora, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Manase.
24. And over the host of the tribe of the children of Benjamin was Abidan the son of Gideoni.
24. le corps d`armée de la tribu des fils de Benjamin, par Abidan, fils de Guideoni.
24. Ary Abidana, zanakalahin' i Gideony, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Benjamina.
25. And the standard of the camp of the children of Dan set forward, which was the rereward of all the camps throughout their hosts: and over his host was Ahiezer the son of Ammishaddai.
25. "La bannière du camp des fils de Dan partit, avec ses corps d`armée: elle formait l`arrière-garde de tous les camps. Le corps d`armée de Dan était commandé par Ahiézer, fils d`Ammischaddaï;"
25. "Dia niainga ny fanevan' ny tobin' ny zanak' i Dana, izay vodi-lalan' ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanakalahin' i Amisaday, no mpifehy ny antokony."
26. And over the host of the tribe of the children of Asher was Pagiel the son of Ocran.
26. "le corps d`armée de la tribu des fils d`Aser, par Paguiel, fils d`Ocran;"
26. Ary Pagiela, zanakalahin' i Okrana, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Asera.
27. And over the host of the tribe of the children of Naphtali was Ahira the son of Enan.
27. le corps d`armée de la tribu des fils de Nephthali, par Ahira, fils d`Énan.
27. Ary Ahira, zanakalahin' i Enana, no mpifehy ny antokon' ny zanak' i Naftaly.
28. Thus were the journeyings of the children of Israel according to their armies, when they set forward.
28. "Tel fut l`ordre d`après lequel les enfants d`Israël se mirent en marche selon leur corps d`armée; et c`est ainsi qu`ils partirent."
28. Izany no fandehan' ny Zanak' Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29. And Moses said unto Hobab, the son of Raguel the Midianite, Moses' father in law, We are journeying unto the place of which the LORD said, I will give it you: come thou with us, and we will do thee good: for the LORD hath spoken good concerning Israel.
29. Moïse dit à Hobab, fils de Réuel, le Madianite, beau-père de Moïse: Nous partons pour le lieu dont l`Éternel a dit: Je vous le donnerai. Viens avec nous, et nous te ferons du bien, car l`Éternel a promis de faire du bien à Israël.
29. "Dia hoy Mosesy tamin' i Hobaba, zanakalahin' i Regoela Midianita, rafozan' i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin' ny tany izay nolazain' i Jehovah hoe: Homeko anareo izany; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin' ny Isiraely."
30. And he said unto him, I will not go; but I will depart to mine own land, and to my kindred.
30. "Hobab lui répondit: Je n`irai point; mais j`irai dans mon pays et dans ma patrie."
30. "Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin' ny taniko sy ny havako."
31. And he said, Leave us not, I pray thee; forasmuch as thou knowest how we are to encamp in the wilderness, and thou mayest be to us instead of eyes.
31. "Et Moïse dit: Ne nous quitte pas, je te prie; puisque tu connais les lieux où nous campons dans le désert, tu nous serviras de guide."
31. "Dia hoy Mosesy taminy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay aty an' efitra, ka dia ho masonay ianao."
32. And it shall be, if thou go with us, yea, it shall be, that what goodness the LORD shall do unto us, the same will we do unto thee.
32. Et si tu viens avec nous, nous te ferons jouir du bien que l`Éternel nous fera.
32. Ary izao no hisy raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon' i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33. And they departed from the mount of the LORD three days' journey: and the ark of the covenant of the LORD went before them in the three days' journey, to search out a resting place for them.
33. "Ils partirent de la montagne de l`Éternel, et marchèrent trois jours; l`arche de l`alliance de l`Éternel partit devant eux, et fit une marche de trois jours, pour leur chercher un lieu de repos."
33. "Dia niainga niala tany an-tendrombohitr' i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran' ny faneken' i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady toerana fialan-tsasatra ho an' ny olona."
34. And the cloud of the LORD was upon them by day, when they went out of the camp.
34. La nuée de l`Éternel était au-dessus d`eux pendant le jour, lorsqu`ils partaient du camp.
34. Ary ny rahon' i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin' ny niaingany niala tamin' ny nitobiany.
35. And it came to pass, when the ark set forward, that Moses said, Rise up, LORD, and let thine enemies be scattered; and let them that hate thee flee before thee.
35. Quand l`arche partait, Moïse disait: Lève-toi, Éternel! et que tes ennemis soient dispersés! que ceux qui te haïssent fuient devant ta face!
35. "Ary izao no niseho, raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao."
36. And when it rested, he said, Return, O LORD, unto the many thousands of Israel.
36. Et quand on la posait, il disait: Reviens, Éternel, aux myriades des milliers d`Israël!
36. Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin' ny Isiraely tsy omby alinalina.
<
>