Israel's Misery

1. Woe is me! for I am as when they have gathered the summer fruits, as the grapegleanings of the vintage: there is no cluster to eat: my soul desired the firstripe fruit.
1. Malheur à moi! car je suis comme à la récolte des fruits, Comme au grappillage après la vendange: Il n`y a point de grappes à manger, Point de ces primeurs que mon âme désire.
1. Lozako! Fa efa tonga toy ny amin' ny fiotazam-boankazo fahavaratra aho sy toy ny fitsimponam-boaloboka, tsy misy salohy hohanina, maniry ny voankazo masaka voalohany ny fanahiko.
2. The good man is perished out of the earth: and there is none upright among men: they all lie in wait for blood; they hunt every man his brother with a net.
2. "L`homme de bien a disparu du pays, Et il n`y a plus de juste parmi les hommes; Ils sont tous en embuscade pour verser le sang, Chacun tend un piège à son frère."
2. "Lany tsy misy amin' ny tany intsony ny tsara fanahy; tsy misy olo-marina ao amin' ny olombelona; samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, mihaza ny rahalahiny amin' ny harato izy rehetra."
3. That they may do evil with both hands earnestly, the prince asketh, and the judge asketh for a reward; and the great man, he uttereth his mischievous desire: so they wrap it up.
3. Leurs mains sont habiles à faire le mal: Le prince a des exigences, Le juge réclame un salaire, Le grand manifeste son avidité, Et ils font ainsi cause commune.
3. Vonona hanao ratsy ny tanany roa, mila ny mpanapaka, azon-kolikoly ny mpitsara, ary ny lehibe milaza ny faniriana ratsiny, koa izany no entiny mandrarirary azy.
4. The best of them is as a brier: the most upright is sharper than a thorn hedge: the day of thy watchmen and thy visitation cometh; now shall be their perplexity.
4. Le meilleur d`entre eux est comme une ronce, Le plus droit pire qu`un buisson d`épines. Le jour annoncé par tes prophètes, ton châtiment approche. C`est alors qu`ils seront dans la confusion.
4. "Ny tsara indrindra ao aminy dia toy ny roy, ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia maranitra noho ny fefy tsilo; avy ny andron' ny tilinao sy izay hamaliana anao; koa izay vao ho very hevitra izy."
5. Trust ye not in a friend, put ye not confidence in a guide: keep the doors of thy mouth from her that lieth in thy bosom.
5. "Ne crois pas à un ami, Ne te fie pas à un intime; Devant celle qui repose sur ton sein Garde les portes de ta bouche."
5. "Aza matoky namana ianareo, aza mametraka ny fitokisana amin' ny mpitarika; ambeno ny varavaran' ny vavanao amin' ny andefimandrinao."
6. For the son dishonoureth the father, the daughter riseth up against her mother, the daughter in law against her mother in law; a man's enemies are the men of his own house.
6. "Car le fils outrage le père, La fille se soulève contre sa mère, La belle-fille contre sa belle-mère; Chacun a pour ennemis les gens de sa maison. -"
6. "Fa ny zanaka lahy manamavo ny rainy, ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozany vavy; ary ny ankohonan' ny olona ihany no fahavalony."
7. Therefore I will look unto the LORD; I will wait for the God of my salvation: my God will hear me.
7. "Pour moi, je regarderai vers l`Éternel, Je mettrai mon espérance dans le Dieu de mon salut; Mon Dieu m`exaucera."
7. "Fa izaho kosa dia hanandrandra an' i Jehovah; hiandry an' Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy."

Israel Will Rise

8. Rejoice not against me, O mine enemy: when I fall, I shall arise; when I sit in darkness, the LORD shall be a light unto me.
8. "Ne te réjouis pas à mon sujet, mon ennemie! Car si je suis tombée, je me relèverai; Si je suis assise dans les ténèbres, L`Éternel sera ma lumière."
8. "Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; raha mitoetra ao amin' ny maizina aho, dia Jehovah no fahazavana ho ahy."
9. I will bear the indignation of the LORD, because I have sinned against him, until he plead my cause, and execute judgment for me: he will bring me forth to the light, and I shall behold his righteousness.
9. "Je supporterai la colère de l`Éternel, Puisque j`ai péché contre lui, Jusqu`à ce qu`il défende ma cause et me fasse droit; Il me conduira à la lumière, Et je contemplerai sa justice."
9. "Ny fahatezeran' i Jehovah dia hiaretako ihany, fa efa nanota taminy aho, ambara-pandahany ny teniko sy hanomezany rariny ho ahy; hamoaka ahy ho amin' ny mazava Izy, ka ho faly aho mahita ny fahamarinany."
10. Then she that is mine enemy shall see it, and shame shall cover her which said unto me, Where is the LORD thy God? mine eyes shall behold her: now shall she be trodden down as the mire of the streets.
10. "Mon ennemie le verra et sera couverte de honte, Elle qui me disait: Où est l`Éternel, ton Dieu? Mes yeux se réjouiront à sa vue; Alors elle sera foulée aux pieds comme la boue des rues. -"
10. "Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, dia ilay nanao tamiko hoe: aiza izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy."
11. In the day that thy walls are to be built, in that day shall the decree be far removed.
11. Le jour où l`on rebâtira tes murs, Ce jour-là tes limites seront reculées.
11. Amin' ny andro hananganana ny mandanao, amin' izany andro izany dia hampanalavirina ny didy.
12. In that day also he shall come even to thee from Assyria, and from the fortified cities, and from the fortress even to the river, and from sea to sea, and from mountain to mountain.
12. En ce jour, on viendra vers toi De l`Assyrie et des villes d`Égypte, De l`Égypte jusqu`au fleuve, D`une mer à l`autre, et d`une montagne à l`autre.
12. Amin' izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona avy any Asyria, sy avy amin' ny tanàna mirova, ary avy amin' ny manda ka hatramin' ny Ony, ary avy amin' ny ranomasina ka hatramin' ny ranomasina, ary hatramin' ny tendrombohitra ka hatramin' ny tendrombohitra.
13. Notwithstanding the land shall be desolate because of them that dwell therein, for the fruit of their doings.
13. Le pays sera dévasté à cause de ses habitants, A cause du fruit de leurs oeuvres.
13. Nefa ho lao ny tany noho ny amin' ny mponina eo aminy, dia noho ny vokatry ny asany.

Prayer and Praise

14. Feed thy people with thy rod, the flock of thine heritage, which dwell solitarily in the wood, in the midst of Carmel: let them feed in Bashan and Gilead, as in the days of old.
14. Pais ton peuple avec ta houlette, le troupeau de ton héritage, Qui habite solitaire dans la forêt au milieu du Carmel! Qu`ils paissent sur le Basan et en Galaad, Comme au jour d`autrefois. -
14. "Ny tehinao no ento miandry ny olonao, dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an' ala, eo afovoan' i Karmela; aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny toy ny tamin' ny andro taloha ela."
15. According to the days of thy coming out of the land of Egypt will I shew unto him marvellous things.
15. Comme au jour où tu sortis du pays d`Égypte, Je te ferai voir des prodiges. -
15. Araka ny andro nivoahanao avy tany amin' ny tany Egypta no hanehoako azy zava-mahagaga.
16. The nations shall see and be confounded at all their might: they shall lay their hand upon their mouth, their ears shall be deaf.
16. "Les nations le verront, et seront confuses, Avec toute leur puissance; Elles mettront la main sur la bouche, Leurs oreilles seront assourdies."
16. "Hahita izany ny firenena ka ho menatra amin' ny heriny rehetra; hitampim-bava izy, ho tonga marenina ny sofiny."
17. They shall lick the dust like a serpent, they shall move out of their holes like worms of the earth: they shall be afraid of the LORD our God, and shall fear because of thee.
17. "Elles lécheront la poussière, comme le serpent, Comme les reptiles de la terre; Elles seront saisies de frayeur hors de leurs forteresses; Elles trembleront devant l`Éternel, notre Dieu, Elles te craindront."
17. "Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; hivoaka avy ao an-davany toy ny kankantany izy; hatahotra an' i Jehovah Andriamanitsika izy, ary hatahotra noho ny aminao."
18. Who is a God like unto thee, that pardoneth iniquity, and passeth by the transgression of the remnant of his heritage? he retaineth not his anger for ever, because he delighteth in mercy.
18. Quel Dieu est semblable à toi, Qui pardonnes l`iniquité, qui oublies les péchés Du reste de ton héritage? Il ne garde pas sa colère à toujours, Car il prend plaisir à la miséricorde.
18. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan' ny sisa amin' ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa mifaly amin' ny famindrampo.
19. He will turn again, he will have compassion upon us; he will subdue our iniquities; and thou wilt cast all their sins into the depths of the sea.
19. "Il aura encore compassion de nous, Il mettra sous ses pieds nos iniquités; Tu jetteras au fond de la mer tous leurs péchés."
19. Hiverina indray Izy hangora-po amintsika Izy, hanitsakitsaka ny helotsika, ary harianao ho any amin' ny halalin' ny ranomasina ny fahotany rehetra.
20. Thou wilt perform the truth to Jacob, and the mercy to Abraham, which thou hast sworn unto our fathers from the days of old.
20. Tu témoigneras de la fidélité à Jacob, De la bonté à Abraham, Comme tu l`as juré à nos pères aux jours d`autrefois.
20. Hanefa fahamarinana amin' i Jakoba ianao sy famindrampo amin' i Abrahama, dia ilay nianiananao tamin' ny razanay hatramin' ny andro taloha ela.
<
>