Signs of the End of the Age
1. And Jesus went out, and departed from the temple: and his disciples came to him for to shew him the buildings of the temple.
1. Comme Jésus s`en allait, au sortir du temple, ses disciples s`approchèrent pour lui en faire remarquer les constructions.
1. ARY niala teo amin' ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha, ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
2. And Jesus said unto them, See ye not all these things? verily I say unto you, There shall not be left here one stone upon another, that shall not be thrown down.
2. Mais il leur dit: Voyez-vous tout cela? Je vous le dis en vérité, il ne restera pas ici pierre sur pierre qui ne soit renversée.
2. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy hitanareo va ireo zavatra rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
3. And as he sat upon the mount of Olives, the disciples came unto him privately, saying, Tell us, when shall these things be? and what shall be the sign of thy coming, and of the end of the world?
3. Il s`assit sur la montagne des oliviers. Et les disciples vinrent en particulier lui faire cette question: Dis-nous, quand cela arrivera-t-il, et quel sera le signe de ton avènement et de la fin du monde?
3. Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan' izany ary izay ho famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan' izao tontolo izao.
4. And Jesus answered and said unto them, Take heed that no man deceive you.
4. Jésus leur répondit: Prenez garde que personne ne vous séduise.
4. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo.
5. For many shall come in my name, saying, I am Christ; and shall deceive many.
5. Car plusieurs viendront sous mon nom, disant: C`est moi qui suis le Christ. Et ils séduiront beaucoup de gens.
5. Fa maro no ho avy amin' ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
6. And ye shall hear of wars and rumours of wars: see that ye be not troubled: for all these things must come to pass, but the end is not yet.
6. Vous entendrez parler de guerres et de bruits de guerres: gardez-vous d`être troublés, car il faut que ces choses arrivent. Mais ce ne sera pas encore la fin.
6. "Ary handre ady sy filazàna ady ianareo; koa aza mitebiteby ianareo; fa tsy maintsy ho tonga izany zavatra rehetra izany; nefa tsy mbola tonga ny farany."
7. For nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom: and there shall be famines, and pestilences, and earthquakes, in divers places.
7. Une nation s`élèvera contre une nation, et un royaume contre un royaume, et il y aura, en divers lieux, des famines et des tremblements de terre.
7. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana, ary hisy mosary, sy areti-mandringana sy horohoron-tany amin' ny toerana samy hafa.
8. All these are the beginning of sorrows.
8. Tout cela ne sera que le commencement des douleurs.
8. Izany rehetra izany no fiandohan' ny fahoriana.
9. Then shall they deliver you up to be afflicted, and shall kill you: and ye shall be hated of all nations for my name's sake.
9. "Alors on vous livrera aux tourments, et l`on vous fera mourir; et vous serez haïs de toutes les nations, à cause de mon nom."
9. "Ary dia hatolony ho amin' ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan' ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako."
10. And then shall many be offended, and shall betray one another, and shall hate one another.
10. Alors aussi plusieurs succomberont, et ils se trahiront, se haïront les uns les autres.
10. Ary amin' izany dia ho tafintohina ny maro, ka hifamadika sy hifankahala.
11. And many false prophets shall rise, and shall deceive many.
11. Plusieurs faux prophètes s`élèveront, et ils séduiront beaucoup de gens.
11. Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
12. And because iniquity shall abound, the love of many shall wax cold.
12. Et, parce que l`iniquité se sera accrue, la charité du plus grand nombre se refroidira.
12. Ary satria hitombo ny heloka dia hihamangatsiaka ny fitiavan' ny maro.
13. But he that shall endure unto the end, the same shall be saved.
13. Mais celui qui persévérera jusqu`à la fin sera sauvé.
13. Fa izay maharitra hatramin' ny farany no hovonjena.
14. And this gospel of the kingdom shall be preached in all the world for a witness unto all nations; and then shall the end come.
14. Cette bonne nouvelle du royaume sera prêchée dans le monde entier, pour servir de témoignage à toutes les nations. Alors viendra la fin.
14. Ary hotorina amin' izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin' ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
15. When ye therefore shall see the abomination of desolation, spoken of by Daniel the prophet, stand in the holy place, (whoso readeth, let him understand:)
15. C`est pourquoi, lorsque vous verrez l`abomination de la désolation, dont a parlé le prophète Daniel, établie en lieu saint, -que celui qui lit fasse attention! -
15. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin' ny fitoerana masina ny fahavetavetan' ny fandravàna izay nampilazaina an' i Daniela mpaminany, (aoka hisaina izay mamaky izany),
16. Then let them which be in Judaea flee into the mountains:
16. "alors, que ceux qui seront en Judée fuient dans les montagnes;"
16. Dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra:
17. Let him which is on the housetop not come down to take any thing out of his house:
17. "que celui qui sera sur le toit ne descende pas pour prendre ce qui est dans sa maison;"
17. "Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka zavatra ao an-tranony;"
18. Neither let him which is in the field return back to take his clothes.
18. et que celui qui sera dans les champs ne retourne pas en arrière pour prendre son manteau.
18. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
19. And woe unto them that are with child, and to them that give suck in those days!
19. Malheur aux femmes qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là!
19. Ary lozan' ny bevohoka sy ny mampinono amin' ireo andro ireo!
20. But pray ye that your flight be not in the winter, neither on the sabbath day:
20. Priez pour que votre fuite n`arrive pas en hiver, ni un jour de sabbat.
20. Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin' ny ririnina, na ho amin' ny andro sabata no handosiranareo.
21. For then shall be great tribulation, such as was not since the beginning of the world to this time, no, nor ever shall be.
21. Car alors, la détresse sera si grande qu`il n`y en a point eu de pareille depuis le commencement du monde jusqu`à présent, et qu`il n`y en aura jamais.
21. Fa amin' izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan' izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
22. And except those days should be shortened, there should no flesh be saved: but for the elect's sake those days shall be shortened.
22. "Et, si ces jours n`étaient abrégés, personne ne serait sauvé; mais, à cause des élus, ces jours seront abrégés."
22. "Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany."
23. Then if any man shall say unto you, Lo, here is Christ, or there; believe it not.
23. Si quelqu`un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.
23. "Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro aty na ary Kristy; aza mino izany."
24. For there shall arise false Christs, and false prophets, and shall shew great signs and wonders; insomuch that, if it were possible, they shall deceive the very elect.
24. "Car il s`élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s`il était possible, même les élus."
24. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
25. Behold, I have told you before.
25. Voici, je vous l`ai annoncé d`avance.
25. Indro, efa voalazako taminareo rahateo izany.
26. Wherefore if they shall say unto you, Behold, he is in the desert; go not forth: behold, he is in the secret chambers; believe it not.
26. "Si donc on vous dit: Voici, il est dans le désert, n`y allez pas; voici, il est dans les chambres, ne le croyez pas."
26. "Ary amin' izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an' efitra Izy, aza mankany ianareo; indro, ao amin' ny efitrano miafina Izy, aza mino."
27. For as the lightning cometh out of the east, and shineth even unto the west; so shall also the coming of the Son of man be.
27. Car, comme l`éclair part de l`orient et se montre jusqu`en occident, ainsi sera l`avènement du Fils de l`homme.
27. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian' ny Zanak' olona.
28. For wheresoever the carcase is, there will the eagles be gathered together.
28. En quelque lieu que soit le cadavre, là s`assembleront les aigles.
28. Fa izay itoeran' ny faty dia any no hiangonan' ny voromahery.
29. Immediately after the tribulation of those days shall the sun be darkened, and the moon shall not give her light, and the stars shall fall from heaven, and the powers of the heavens shall be shaken:
29. Aussitôt après ces jours de détresse, le soleil s`obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière, les étoiles tomberont du ciel, et les puissances des cieux seront ébranlées.
29. "Ary raha vao afaka ny fahoriana amin' ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hihazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin' ny lanitra hohozongozonina."
30. And then shall appear the sign of the Son of man in heaven: and then shall all the tribes of the earth mourn, and they shall see the Son of man coming in the clouds of heaven with power and great glory.
30. Alors le signe du Fils de l`homme paraîtra dans le ciel, toutes les tribus de la terre se lamenteront, et elles verront le Fils de l`homme venant sur les nuées du ciel avec puissance et une grande gloire.
30. "Ary amin' izany dia hiseho eo amin' ny lanitra ny famantarana ny Zanak' olona, ka dia hitomany ny fokom-pirenena rehetra ambonin' ny tany; ary hahita ny Zanak' olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin' ny rahon' ny lanitra izy."
31. And he shall send his angels with a great sound of a trumpet, and they shall gather together his elect from the four winds, from one end of heaven to the other.
31. Il enverra ses anges avec la trompette retentissante, et ils rassembleront ses élus des quatre vents, depuis une extrémité des cieux jusqu`à l`autre.
31. Ary amin' ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin' ireo ny olom-boafidy avy amin' ny rivotra efatra, manomboka amin' ny faravodilanitra iray ka hatramin' ny ilany.
32. Now learn a parable of the fig tree; When his branch is yet tender, and putteth forth leaves, ye know that summer is nigh:
32. Instruisez-vous par une comparaison tirée du figuier. Dès que ses branches deviennent tendres, et que les feuilles poussent, vous connaissez que l`été est proche.
32. Ary mianara ny fanoharana ny amin' ny hazo aviavimbazaha: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.
33. So likewise ye, when ye shall see all these things, know that it is near, even at the doors.
33. De même, quand vous verrez toutes ces choses, sachez que le Fils de l`homme est proche, à la porte.
33. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana izany.
34. Verily I say unto you, This generation shall not pass, till all these things be fulfilled.
34. Je vous le dis en vérité, cette génération ne passera point, que tout cela n`arrive.
34. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany io taranaka io mandra-pahatongan' izany rehetra izany.
35. Heaven and earth shall pass away, but my words shall not pass away.
35. Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.
35. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
The Day and Hour Unknown
36. But of that day and hour knoweth no man, no, not the angels of heaven, but my Father only.
36. Pour ce qui est du jour et de l`heure, personne ne le sait, ni les anges des cieux, ni le Fils, mais le Père seul.
36. Fa ny amin' izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin' ny lanitra aza, afa-tsy ny Raiko ihany.
37. But as the days of Noe were, so shall also the coming of the Son of man be.
37. Ce qui arriva du temps de Noé arrivera de même à l`avènement du Fils de l`homme.
37. Fa tahaka ny tamin' ny andron' i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fiavian' ny Zanak' olona.
38. For as in the days that were before the flood they were eating and drinking, marrying and giving in marriage, until the day that Noe entered into the ark,
38. "Car, dans les jours qui précédèrent le déluge, les hommes mangeaient et buvaient, se mariaient et mariaient leurs enfants, jusqu`au jour où Noé entra dans l`arche;"
38. Fa tahaka ny tamin' ny andro fony tsy mbola tonga ny safodrano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin' ny andro izay nidiran' i Noa tao amin' ny sambofiara,
39. And knew not until the flood came, and took them all away; so shall also the coming of the Son of man be.
39. et ils ne se doutèrent de rien, jusqu`à ce que le déluge vînt et les emportât tous: il en sera de même à l`avènement du Fils de l`homme.
39. Ary tsy fantany mandra-piavin' ny safodrano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian' ny Zanak' olona.
40. Then shall two be in the field; the one shall be taken, and the other left.
40. "Alors, de deux hommes qui seront dans un champ, l`un sera pris et l`autre laissé;"
40. "Ary amin' izany dia hisy roa any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela."
41. Two women shall be grinding at the mill; the one shall be taken, and the other left.
41. de deux femmes qui moudront à la meule, l`une sera prise et l`autre laissée.
41. "Ary hisy roa vavy hanodina ny fikosoham-barimbazaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela."
42. Watch therefore: for ye know not what hour your Lord doth come.
42. Veillez donc, puisque vous ne savez pas quel jour votre Seigneur viendra.
42. "Koa amin' izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay ora iavian' ny Tomponareo."
43. But know this, that if the goodman of the house had known in what watch the thief would come, he would have watched, and would not have suffered his house to be broken up.
43. Sachez-le bien, si le maître de la maison savait à quelle veille de la nuit le voleur doit venir, il veillerait et ne laisserait pas percer sa maison.
43. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin' ny alina izay hiavian' ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
44. Therefore be ye also ready: for in such an hour as ye think not the Son of man cometh.
44. C`est pourquoi, vous aussi, tenez-vous prêts, car le Fils de l`homme viendra à l`heure où vous n`y penserez pas.
44. "Koa miomàna kosa ianareo; fa amin' izay ora tsy ampoizinareo no hiavian' ny Zanak' olona."
45. Who then is a faithful and wise servant, whom his lord hath made ruler over his household, to give them meat in due season?
45. Quel est donc le serviteur fidèle et prudent, que son maître a établi sur ses gens, pour leur donner la nourriture au temps convenable?
45. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry, izay notendren' ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin' ny fotoana?
46. Blessed is that servant, whom his lord when he cometh shall find so doing.
46. Heureux ce serviteur, que son maître, à son arrivée, trouvera faisant ainsi!
46. Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
47. Verily I say unto you, That he shall make him ruler over all his goods.
47. Je vous le dis en vérité, il l`établira sur tous ses biens.
47. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
48. But and if that evil servant shall say in his heart, My lord delayeth his coming;
48. Mais, si c`est un méchant serviteur, qui dise en lui-même: Mon maître tarde à venir,
48. Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy izany hoe: Maharitra ela ny fiavian' ny tompoko,
49. And shall begin to smite his fellowservants, and to eat and drink with the drunken;
49. s`il se met à battre ses compagnons, s`il mange et boit avec les ivrognes,
49. Ka dia manomboka mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin' ny mpimamo,
50. The lord of that servant shall come in a day when he looketh not for him, and in an hour that he is not aware of,
50. le maître de ce serviteur viendra le jour où il ne s`y attend pas et à l`heure qu`il ne connaît pas,
50. Dia ho avy ny tompon' izany mpanompo izany amin' ny andro izay tsy am-poiziny sy amin' ny ora izay tsy fantany,
51. And shall cut him asunder, and appoint him his portion with the hypocrites: there shall be weeping and gnashing of teeth.
51. il le mettra en pièces, et lui donnera sa part avec les hypocrites: c`est là qu`il y aura des pleurs et des grincements de dents.
51. "Dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin' ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify."