Seven Woes
1. Then spake Jesus to the multitude, and to his disciples,
1. Alors Jésus, parlant à la foule et à ses disciples, dit:
1. ARY tamin' izany Jesosy dia niteny tamin' ny vahoaka sy tamin' ny mpianany,
2. Saying, The scribes and the Pharisees sit in Moses' seat:
2. Les scribes et les pharisiens sont assis dans la chaire de Moïse.
2. "Nanao hoe: Eo amin' ny fipetrahan' i Mosesy no ipetrahan' ny mpanoradalàna sy ny Fariseo;"
3. All therefore whatsoever they bid you observe, that observe and do; but do not ye after their works: for they say, and do not.
3. "Faites donc et observez tout ce qu`ils vous disent; mais n`agissez pas selon leurs oeuvres. Car ils disent, et ne font pas."
3. "Koa amin' izany, izay rehetra andidiany hataonareo dia tandremo ka ataovy; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao."
4. For they bind heavy burdens and grievous to be borne, and lay them on men's shoulders; but they themselves will not move them with one of their fingers.
4. Ils lient des fardeaux pesants, et les mettent sur les épaules des hommes, mais ils ne veulent pas les remuer du doigt.
4. Fa mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin' ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin' ny rantsan-tanany anankiray aza.
5. But all their works they do for to be seen of men: they make broad their phylacteries, and enlarge the borders of their garments,
5. "Ils font toutes leurs actions pour être vus des hommes. Ainsi, ils portent de larges phylactères, et ils ont de longues franges à leurs vêtements;"
5. "Fa ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan' ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny."
6. And love the uppermost rooms at feasts, and the chief seats in the synagogues,
6. "ils aiment la première place dans les festins, et les premiers sièges dans les synagogues;"
6. Ary tia ny fitoerana aloha eo amin' ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha ao amin' ny synagoga,
7. And greetings in the markets, and to be called of men, Rabbi, Rabbi.
7. ils aiment à être salués dans les places publiques, et à être appelés par les hommes Rabbi, Rabbi.
7. Sy ny hoarahabain' ny olona eny an-tsena ary ny hataon' ny olona hoe: Raby ô, Raby ô.
8. But be not ye called Rabbi: for one is your Master, even Christ; and all ye are brethren.
8. "Mais vous, ne vous faites pas appeler Rabbi; car un seul est votre Maître, et vous êtes tous frères."
8. "Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia Kristy, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa."
9. And call no man your father upon the earth: for one is your Father, which is in heaven.
9. "Et n`appelez personne sur la terre votre père; car un seul est votre Père, celui qui est dans les cieux."
9. "Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra."
10. Neither be ye called masters: for one is your Master, even Christ.
10. "Ne vous faites pas appeler directeurs; car un seul est votre Directeur, le Christ."
10. Ary aza mba mety hatao hoe mpampianatra ianareo, fa iray ihany no Mpampianatra anareo dia Kristy.
11. But he that is greatest among you shall be your servant.
11. Le plus grand parmi vous sera votre serviteur.
11. Fa izay lehibe indrindra aminareo no ho mpanomponareo.
12. And whosoever shall exalt himself shall be abased; and he that shall humble himself shall be exalted.
12. Quiconque s`élèvera sera abaissé, et quiconque s`abaissera sera élevé.
12. "Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra."
13. But woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye shut up the kingdom of heaven against men: for ye neither go in yourselves, neither suffer ye them that are entering to go in.
13. "Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous fermez aux hommes le royaume des cieux; vous n`y entrez pas vous-mêmes, et vous n`y laissez pas entrer ceux qui veulent entrer."
13. "Fa loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan' ny olona ny fanjakan' ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra."
14. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye devour widows' houses, and for a pretence make long prayer: therefore ye shall receive the greater damnation.
14. "Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous dévorez les maisons des veuves, et que vous faites pour l`apparence de longues prières; à cause de cela, vous serez jugés plus sévèrement."
14. Loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa laninareo ny tranon' ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny mba ho fisehosehoana ianareo, koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.
15. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye compass sea and land to make one proselyte, and when he is made, ye make him twofold more the child of hell than yourselves.
15. "Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous courez la mer et la terre pour faire un prosélyte; et, quand il l`est devenu, vous en faites un fils de la géhenne deux fois plus que vous."
15. "Loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho prozelyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo indroa mihoatra noho ianareo aza."
16. Woe unto you, ye blind guides, which say, Whosoever shall swear by the temple, it is nothing; but whosoever shall swear by the gold of the temple, he is a debtor!
16. "Malheur à vous, conducteurs aveugles! qui dites: Si quelqu`un jure par le temple, ce n`est rien; mais, si quelqu`un jure par l`or du temple, il est engagé."
16. Loza ho anareo, mpitarika jamba, izay manao hoe: Raha misy mianiana amin' ny tempoly, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin' ny volamena amin' ny tempoly dia mpitrosa izy!
17. Ye fools and blind: for whether is greater, the gold, or the temple that sanctifieth the gold?
17. Insensés et aveugles! lequel est le plus grand, l`or, ou le temple qui sanctifie l`or?
17. Ry adala sy jamba! iza no lehibe kokoa, ny volamena va, sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
18. And, Whosoever shall swear by the altar, it is nothing; but whosoever sweareth by the gift that is upon it, he is guilty.
18. "Si quelqu`un, dites-vous encore, jure par l`autel, ce n`est rien; mais, si quelqu`un jure par l`offrande qui est sur l`autel, il est engagé."
18. Ary koa: Raha misy mianiana amin' ny alitara, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin' ny fanatitra eo amboniny dia meloka.
19. Ye fools and blind: for whether is greater, the gift, or the altar that sanctifieth the gift?
19. Aveugles! lequel est le plus grand, l`offrande, ou l`autel qui sanctifie l`offrande?
19. Ry adala sy jamba! iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
20. Whoso therefore shall swear by the altar, sweareth by it, and by all things thereon.
20. "Celui qui jure par l`autel jure par l`autel et par tout ce qui est dessus;"
20. Koa amin' izany, izay mianiana amin' ny alitara, dia mianiana aminy mbamin' ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
21. And whoso shall swear by the temple, sweareth by it, and by him that dwelleth therein.
21. "celui qui jure par le temple jure par le temple et par celui qui l`habite;"
21. Ary izay mianiana amin' ny tempoly dia mianiana aminy mbamin' Izay mitoetra ao anatiny.
22. And he that shall swear by heaven, sweareth by the throne of God, and by him that sitteth thereon.
22. et celui qui jure par le ciel jure par le trône de Dieu et par celui qui y est assis.
22. Ary izay mianiana amin' ny lanitra dia mianiana amin' ny sezafiandrianan' Andriamanitra mbamin' Izay mipetraka eo amboniny.
23. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye pay tithe of mint and anise and cummin, and have omitted the weightier matters of the law, judgment, mercy, and faith: these ought ye to have done, and not to leave the other undone.
23. Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous payez la dîme de la menthe, de l`aneth et du cumin, et que vous laissez ce qui est plus important dans la loi, la justice, la miséricorde et la fidélité: c`est là ce qu`il fallait pratiquer, sans négliger les autres choses.
23. Loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon' ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay mavesa-danja amin' ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana, ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
24. Ye blind guides, which strain at a gnat, and swallow a camel.
24. Conducteurs aveugles! qui coulez le moucheron, et qui avalez le chameau.
24. Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
25. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye make clean the outside of the cup and of the platter, but within they are full of extortion and excess.
25. Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous nettoyez le dehors de la coupe et du plat, et qu`au dedans ils sont pleins de rapine et d`intempérance.
25. Loza ho anareo mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy, fa diovinareo ny vohon' ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsy fahononana.
26. Thou blind Pharisee, cleanse first that which is within the cup and platter, that the outside of them may be clean also.
26. Pharisien aveugle! nettoie premièrement l`intérieur de la coupe et du plat, afin que l`extérieur aussi devienne net.
26. Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin' ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
27. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! for ye are like unto whited sepulchres, which indeed appear beautiful outward, but are within full of dead men's bones, and of all uncleanness.
27. Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous ressemblez à des sépulcres blanchis, qui paraissent beaux au dehors, et qui, au dedans, sont pleins d`ossements de morts et de toute espèce d`impuretés.
27. Loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tokoa ho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan' ny maty mbamin' ny fahalotoana rehetra.
28. Even so ye also outwardly appear righteous unto men, but within ye are full of hypocrisy and iniquity.
28. Vous de même, au dehors, vous paraissez justes aux hommes, mais, au dedans, vous êtes pleins d`hypocrisie et d`iniquité.
28. Dia tahaka izany koa ianareo, raha amin' ny eo ivelany dia miseho amin' ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy heloka.
29. Woe unto you, scribes and Pharisees, hypocrites! because ye build the tombs of the prophets, and garnish the sepulchres of the righteous,
29. Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites! parce que vous bâtissez les tombeaux des prophètes et ornez les sépulcres des justes,
29. Loza ho anareo, mpanoradalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan' ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny fasan' ny olona marina,
30. And say, If we had been in the days of our fathers, we would not have been partakers with them in the blood of the prophets.
30. et que vous dites: Si nous avions vécu du temps de nos pères, nous ne nous serions pas joints à eux pour répandre le sang des prophètes.
30. Ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin' ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
31. Wherefore ye be witnesses unto yourselves, that ye are the children of them which killed the prophets.
31. Vous témoignez ainsi contre vous-mêmes que vous êtes les fils de ceux qui ont tué les prophètes.
31. Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak' izay namono ny mpaminany.
32. Fill ye up then the measure of your fathers.
32. Comblez donc la mesure de vos pères.
32. Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran' ny razanareo.
33. Ye serpents, ye generation of vipers, how can ye escape the damnation of hell?
33. Serpents, race de vipères! comment échapperez-vous au châtiment de la géhenne?
33. Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana ny fandositra ny fanamelohana ho any amin' ny helo?
34. Wherefore, behold, I send unto you prophets, and wise men, and scribes: and some of them ye shall kill and crucify; and some of them shall ye scourge in your synagogues, and persecute them from city to city:
34. C`est pourquoi, voici, je vous envoie des prophètes, des sages et des scribes. Vous tuerez et crucifierez les uns, vous battrez de verges les autres dans vos synagogues, et vous les persécuterez de ville en ville,
34. "Ary noho izany, indro Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho aty aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin' ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin' ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,"
35. That upon you may come all the righteous blood shed upon the earth, from the blood of righteous Abel unto the blood of Zacharias son of Barachias, whom ye slew between the temple and the altar.
35. afin que retombe sur vous tout le sang innocent répandu sur la terre, depuis le sang d`Abel le juste jusqu`au sang de Zacharie, fils de Barachie, que vous avez tué entre le temple et l`autel.
35. Mba hanody anareo ny rà marina rehetra izay nalatsaka tambonin' ny tany, hatramin' ny ràn' i Abela marina ka hatramin' ny ràn' i Zakaria, zanak' i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan' ny tempoly sy ny alitara.
36. Verily I say unto you, All these things shall come upon this generation.
36. Je vous le dis en vérité, tout cela retombera sur cette génération.
36. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany zavatra rehetra izany.
37. O Jerusalem, Jerusalem, thou that killest the prophets, and stonest them which are sent unto thee, how often would I have gathered thy children together, even as a hen gathereth her chickens under her wings, and ye would not!
37. Jérusalem, Jérusalem, qui tues les prophètes et qui lapides ceux qui te sont envoyés, combien de fois ai-je voulu rassembler tes enfants, comme une poule rassemble ses poussins sous ses ailes, et vous ne l`avez pas voulu!
37. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no te-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban' ny reniakoho ny zanany ao ambanin' ny elany, fa tsy nety ianareo!
38. Behold, your house is left unto you desolate.
38. "Voici, votre maison vous sera laissée déserte;"
38. Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
39. For I say unto you, Ye shall not see me henceforth, till ye shall say, Blessed is he that cometh in the name of the Lord.
39. car, je vous le dis, vous ne me verrez plus désormais, jusqu`à ce que vous disiez: Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur!
39. Fa lazaiko aminareo: Hatramin' izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin' ny anaran' ny Tompo.