1. And it came to pass in those days, that there went out a decree from Caesar Augustus, that all the world should be taxed.
1. En ce temps-là parut un édit de César Auguste, ordonnant un recensement de toute la terre.
1. Ary izao no niseho tamin' izany andro izany, fa nisy didy navoakan' i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran' ny olona rehetra handoa hetra.
2. (And this taxing was first made when Cyrenius was governor of Syria.)
2. Ce premier recensement eut lieu pendant que Quirinius était gouverneur de Syrie.
2. (Ary io fisoratana fampandoavan-ketra io dia natao voalohany fony Kyrenio no nanapaka tany Syria).
3. And all went to be taxed, every one into his own city.
3. Tous allaient se faire inscrire, chacun dans sa ville.
3. Dia samy nankany amin' ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana anarana handoa hetra.
4. And Joseph also went up from Galilee, out of the city of Nazareth, into Judaea, unto the city of David, which is called Bethlehem; (because he was of the house and lineage of David:)
4. Joseph aussi monta de la Galilée, de la ville de Nazareth, pour se rendre en Judée, dans la ville de David, appelée Bethléhem, parce qu`il était de la maison et de la famille de David,
4. Ary niakatra avy tany Galilia koa Josefa, avy tao an-tanànan' i Nazareta hankany Jodia ho ao an-tanànan' i Davida izay atao hoe Betlehema (satria avy tamin' ny taranak' i Davida sy ny mpianakaviny izy),
5. To be taxed with Mary his espoused wife, being great with child.
5. afin de se faire inscrire avec Marie, sa fiancée, qui était enceinte.
5. Mba hosoratana anarana handoa hetra izy sy Maria fofombadiny izay efa bevohoka.
6. And so it was, that, while they were there, the days were accomplished that she should be delivered.
6. Pendant qu`ils étaient là, le temps où Marie devait accoucher arriva,
6. Ary raha nitoetra teo izy ireo, dia tonga ny andro hahavelomany.
7. And she brought forth her firstborn son, and wrapped him in swaddling clothes, and laid him in a manger; because there was no room for them in the inn.
7. et elle enfanta son fils premier-né. Elle l`emmaillota, et le coucha dans une crèche, parce qu`il n`y avait pas de place pour eux dans l`hôtellerie.
7. Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin' ny fihinanambilona, fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
8. And there were in the same country shepherds abiding in the field, keeping watch over their flock by night.
8. Il y avait, dans cette même contrée, des bergers qui passaient dans les champs les veilles de la nuit pour garder leurs troupeaux.
8. Ary nisy mpiandry ondry tamin' izany tany izany, nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin' ny alina.
9. And, lo, the angel of the Lord came upon them, and the glory of the Lord shone round about them: and they were sore afraid.
9. Et voici, un ange du Seigneur leur apparut, et la gloire du Seigneur resplendit autour d`eux. Ils furent saisis d`une grande frayeur.
9. Ary indro, nisy anjelin' ny Tompo nitsangana teo anilany ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
10. And the angel said unto them, Fear not: for, behold, I bring you good tidings of great joy, which shall be to all people.
10. "Mais l`ange leur dit: Ne craignez point; car je vous annonce une bonne nouvelle, qui sera pour tout le peuple le sujet d`une grande joie:"
10. Ary hoy ny anjely tamin' izy ireo: Aza matahotra: fa, indro, mitondra teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an' ny olona rehetra.
11. For unto you is born this day in the city of David a Saviour, which is Christ the Lord.
11. c`est qu`aujourd`hui, dans la ville de David, il vous est né un Sauveur, qui est le Christ, le Seigneur.
11. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan' i Davida, dia Kristy Tompo.
12. And this shall be a sign unto you; Ye shall find the babe wrapped in swaddling clothes, lying in a manger.
12. Et voici à quel signe vous le reconnaîtrez: vous trouverez un enfant emmailloté et couché dans une crèche.
12. Ary izao no ho famantarana ho anareo: hahita zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry eo amin' ny fihinanambilona ianareo.
13. And suddenly there was with the angel a multitude of the heavenly host praising God, and saying,
13. Et soudain il se joignit à l`ange une multitude de l`armée céleste, louant Dieu et disant:
13. Ary nisy marobe avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin' ilay anjely teo ka nidera an' Andriamanitra nanao hoe:
14. Glory to God in the highest, and on earth peace, good will toward men.
14. Gloire à Dieu dans les lieux très hauts, Et paix sur la terre parmi les hommes qu`il agrée!
14. Voninahitra any amin' ny avo indrindra ho an' Andriamanitra ary fiadanana sy fankasitrahana ho an' ny olona ety ambonin' ny tany!
15. And it came to pass, as the angels were gone away from them into heaven, the shepherds said one to another, Let us now go even unto Bethlehem, and see this thing which is come to pass, which the Lord hath made known unto us.
15. Lorsque les anges les eurent quittés pour retourner au ciel, les bergers se dirent les uns aux autres: Allons jusqu`à Bethléhem, et voyons ce qui est arrivé, ce que le Seigneur nous a fait connaître.
15. Ary izao no niseho, rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo, ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry ireo ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin' ny Tompo antsika.
16. And they came with haste, and found Mary, and Joseph, and the babe lying in a manger.
16. Ils y allèrent en hâte, et ils trouvèrent Marie et Joseph, et le petit enfant couché dans la crèche.
16. Dia nandeha faingana izy ireo ka nahita an' i Maria sy Josefa, ary ny zazakely nandry teo amin' ny fihinanambilona.
17. And when they had seen it, they made known abroad the saying which was told them concerning this child.
17. Après l`avoir vu, ils racontèrent ce qui leur avait été dit au sujet de ce petit enfant.
17. Ary nony efa nahita Azy ireo dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin' io Zaza io.
18. And all they that heard it wondered at those things which were told them by the shepherds.
18. Tous ceux qui les entendirent furent dans l`étonnement de ce que leur disaient les bergers.
18. Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin' izay zavatra nolazain' ny mpiandry ondry taminy.
19. But Mary kept all these things, and pondered them in her heart.
19. Marie gardait toutes ces choses, et les repassait dans son coeur.
19. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20. And the shepherds returned, glorifying and praising God for all the things that they had heard and seen, as it was told unto them.
20. Et les bergers s`en retournèrent, glorifiant et louant Dieu pour tout ce qu`ils avaient entendu et vu, et qui était conforme à ce qui leur avait été annoncé.
20. Ary niverina ny mpiandry ondry ka nankalaza sy nidera an' Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.
21. And when eight days were accomplished for the circumcising of the child, his name was called JESUS, which was so named of the angel before he was conceived in the womb.
21. Le huitième jour, auquel l`enfant devait être circoncis, étant arrivé, on lui donna le nom de Jésus, nom qu`avait indiqué l`ange avant qu`il fût conçu dans le sein de sa mère.
21. Ary rehefa tapitra ny havaloana, amin' ny hamorana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon' ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
22. And when the days of her purification according to the law of Moses were accomplished, they brought him to Jerusalem, to present him to the Lord;
22. Et, quand les jours de leur purification furent accomplis, selon la loi de Moïse, Joseph et Marie le portèrent à Jérusalem, pour le présenter au Seigneur, -
22. "Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn' i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy ireo mba hanolotra Azy ho an' ny Tompo;"
23. (As it is written in the law of the LORD, Every male that openeth the womb shall be called holy to the Lord;)
23. suivant ce qui est écrit dans la loi du Seigneur: Tout mâle premier-né sera consacré au Seigneur, -
23. (Araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an' ny Tompo).
24. And to offer a sacrifice according to that which is said in the law of the Lord, A pair of turtledoves, or two young pigeons.
24. et pour offrir en sacrifice deux tourterelles ou deux jeunes pigeons, comme cela est prescrit dans la loi du Seigneur.
24. Ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin' ny lalàn' ny Tompo hoe: Domoina roa, na zana-boromailala roa.
25. And, behold, there was a man in Jerusalem, whose name was Simeon; and the same man was just and devout, waiting for the consolation of Israel: and the Holy Ghost was upon him.
25. Et voici, il y avait à Jérusalem un homme appelé Siméon. Cet homme était juste et pieux, il attendait la consolation d`Israël, et l`Esprit Saint était sur lui.
25. "Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy."
26. And it was revealed unto him by the Holy Ghost, that he should not see death, before he had seen the Lord's Christ.
26. Il avait été divinement averti par le Saint Esprit qu`il ne mourrait point avant d`avoir vu le Christ du Seigneur.
26. Ary efa nambaran' ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin' ny Tompo.
27. And he came by the Spirit into the temple: and when the parents brought in the child Jesus, to do for him after the custom of the law,
27. Il vint au temple, poussé par l`Esprit. Et, comme les parents apportaient le petit enfant Jésus pour accomplir à son égard ce qu`ordonnait la loi,
27. "Ary nentin' ny Fanahy Masina niditra tao amin' ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin' ny ray aman-dreniny Jesosy Zaza mba hanaovany araka ny fomban' ny lalàna ny amin' ny zaza,"
28. Then took he him up in his arms, and blessed God, and said,
28. il le reçut dans ses bras, bénit Dieu, et dit:
28. Dia nitrotro Azy izy ka nankalaza an' Andriamanitra nanao hoe:
29. Lord, now lettest thou thy servant depart in peace, according to thy word:
29. Maintenant, Seigneur, tu laisses ton serviteur S`en aller en paix, selon ta parole.
29. "Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin' ny fiadanana araka ny teninao;"
30. For mine eyes have seen thy salvation,
30. Car mes yeux ont vu ton salut,
30. Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
31. Which thou hast prepared before the face of all people;
31. Salut que tu as préparé devant tous les peuples,
31. Izay namboarinao teo anatrehan' ny firenena rehetra,
32. A light to lighten the Gentiles, and the glory of thy people Israel.
32. Lumière pour éclairer les nations, Et gloire d`Israël, ton peuple.
32. Dia fahazavana hahazava ny Jentilisa sady voninahitry ny Isiraely olonao.
33. And Joseph and his mother marvelled at those things which were spoken of him.
33. Son père et sa mère étaient dans l`admiration des choses qu`on disait de lui.
33. Dia gaga Josefa sy ny reniny noho ny teny nilazana azy.
34. And Simeon blessed them, and said unto Mary his mother, Behold, this child is set for the fall and rising again of many in Israel; and for a sign which shall be spoken against;
34. Siméon les bénit, et dit à Marie, sa mère: Voici, cet enfant est destiné à amener la chute et le relèvement de plusieurs en Israël, et à devenir un signe qui provoquera la contradiction,
34. Ary nitsodrano azy ireo Simeona ka nanao tamin' i Maria, renin' ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin' Isiraely ary ho famantarana ho lavina.
35. (Yea, a sword shall pierce through thy own soul also,) that the thoughts of many hearts may be revealed.
35. et à toi-même une épée te transpercera l`âme, afin que les pensées de beaucoup de coeurs soient dévoilées.
35. (Eny, ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra) mba haseho ny hevitry ny fo maro.
36. And there was one Anna, a prophetess, the daughter of Phanuel, of the tribe of Aser: she was of a great age, and had lived with an husband seven years from her virginity;
36. Il y avait aussi une prophétesse, Anne, fille de Phanuel, de la tribu d`Aser. Elle était fort avancée en âge, et elle avait vécu sept ans avec son mari depuis sa virginité.
36. "Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin' i Fanoela, avy tamin' ny fokon' i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin' ny vadiny fito taona taorian' ny naha-virijina azy,"
37. And she was a widow of about fourscore and four years, which departed not from the temple, but served God with fastings and prayers night and day.
37. Restée veuve, et âgée de quatre vingt-quatre ans, elle ne quittait pas le temple, et elle servait Dieu nuit et jour dans le jeûne et dans la prière.
37. Ary mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona izy ary tsy niala teo amin' ny tempoly izy fa nanompo an' Andriamanitra tamin' ny fifadian-kanina sy ny vavaka andro aman' alina.
38. And she coming in that instant gave thanks likewise unto the Lord, and spake of him to all them that looked for redemption in Jerusalem.
38. Étant survenue, elle aussi, à cette même heure, elle louait Dieu, et elle parlait de Jésus à tous ceux qui attendaient la délivrance de Jérusalem.
38. Ary nony niditra tamin' izany ora izany izy, dia nisaotra ny Tompo ka nilaza Azy tamin' izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
39. And when they had performed all things according to the law of the Lord, they returned into Galilee, to their own city Nazareth.
39. Lorsqu`ils eurent accompli tout ce qu`ordonnait la loi du Seigneur, Joseph et Marie retournèrent en Galilée, à Nazareth, leur ville.
39. Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn' ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy ireo, dia tao Nazareta tanànany.
40. And the child grew, and waxed strong in spirit, filled with wisdom: and the grace of God was upon him.
40. Or, l`enfant croissait et se fortifiait. Il était rempli de sagesse, et la grâce de Dieu était sur lui.
40. "Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery am-panahy sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan' Andriamanitra no tao aminy."
41. Now his parents went to Jerusalem every year at the feast of the passover.
41. Les parents de Jésus allaient chaque année à Jérusalem, à la fête de Pâque.
41. Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona raha avy ny andro firavoravoana amin' ny Paska.
42. And when he was twelve years old, they went up to Jerusalem after the custom of the feast.
42. Lorsqu`il fut âgé de douze ans, ils y montèrent, selon la coutume de la fête.
42. Ary rehefa roa ambin' ny folo taona Izy, dia niakatra tany Jerosalema ireo, araka ny fanao amin' ny andro firavoravoana.
43. And when they had fulfilled the days, as they returned, the child Jesus tarried behind in Jerusalem; and Joseph and his mother knew not of it.
43. Puis, quand les jours furent écoulés, et qu`ils s`en retournèrent, l`enfant Jésus resta à Jérusalem. Son père et sa mère ne s`en aperçurent pas.
43. "Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy ireo, Jesosy Zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany; ary tsy fantatr' i Josefa sy ny reniny izany."
44. But they, supposing him to have been in the company, went a day's journey; and they sought him among their kinsfolk and acquaintance.
44. Croyant qu`il était avec leurs compagnons de voyage, ils firent une journée de chemin, et le cherchèrent parmi leurs parents et leurs connaissances.
44. Ary satria nataony fa niaraka tamin' ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin' ny havany sy ny olom-pantany.
45. And when they found him not, they turned back again to Jerusalem, seeking him.
45. Mais, ne l`ayant pas trouvé, ils retournèrent à Jérusalem pour le chercher.
45. Ary nony tsy nahita Azy izy ireo, dia niverina indray ho any Jerosalema nitady Azy.
46. And it came to pass, that after three days they found him in the temple, sitting in the midst of the doctors, both hearing them, and asking them questions.
46. Au bout de trois jours, ils le trouvèrent dans le temple, assis au milieu des docteurs, les écoutant et les interrogeant.
46. Ary izao no niseho, rehefa afaka hateloana, dia hitany teo amin' ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan' ny mpampianatra sady nihaino no nanontany azy ireo.
47. And all that heard him were astonished at his understanding and answers.
47. Tous ceux qui l`entendaient étaient frappés de son intelligence et de ses réponses.
47. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
48. And when they saw him, they were amazed: and his mother said unto him, Son, why hast thou thus dealt with us? behold, thy father and I have sought thee sorrowing.
48. Quand ses parents le virent, ils furent saisis d`étonnement, et sa mère lui dit: Mon enfant, pourquoi as-tu agi de la sorte avec nous? Voici, ton père et moi, nous te cherchions avec angoisse.
48. Ary raha nahita Azy izy ireo, dia talanjona ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izany taminay Ianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao.
49. And he said unto them, How is it that ye sought me? wist ye not that I must be about my Father's business?
49. Il leur dit: Pourquoi me cherchiez-vous? Ne saviez-vous pas qu`il faut que je m`occupe des affaires de mon Père?
49. Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho amin' ny raharahan' ny Raiko Aho?
50. And they understood not the saying which he spake unto them.
50. Mais ils ne comprirent pas ce qu`il leur disait.
50. Nefa tsy azon' ireo ny teny izay nolazainy taminy.
51. And he went down with them, and came to Nazareth, and was subject unto them: but his mother kept all these sayings in her heart.
51. Puis il descendit avec eux pour aller à Nazareth, et il leur était soumis. Sa mère gardait toutes ces choses dans son coeur.
51. "Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy; fa ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony."
52. And Jesus increased in wisdom and stature, and in favour with God and man.
52. Et Jésus croissait en sagesse, en stature, et en grâce, devant Dieu et devant les hommes.
52. Ary Jesosy nitombo tamin' ny fahendrena sy ny tena ary tamin' ny fankasitrahan' Andriamanitra sy ny olona.
<
>