1. Forasmuch as many have taken in hand to set forth in order a declaration of those things which are most surely believed among us,
1. Plusieurs ayant entrepris de composer un récit des événements qui se sont accomplis parmi nous,
1. Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin' ny zavatra izay inoana tokoa eto amintsika,
2. Even as they delivered them unto us, which from the beginning were eyewitnesses, and ministers of the word;
2. suivant ce que nous ont transmis ceux qui ont été des témoins oculaires dès le commencement et sont devenus des ministres de la parole,
2. "Araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady efa nahita maso no mpanompo mpitory ny teny hatramin' ny voalohany;"
3. It seemed good to me also, having had perfect understanding of all things from the very first, to write unto thee in order, most excellent Theophilus,
3. il m`a aussi semblé bon, après avoir fait des recherches exactes sur toutes ces choses depuis leur origine, de te les exposer par écrit d`une manière suivie, excellent Théophile,
3. Dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin' ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
4. That thou mightest know the certainty of those things, wherein thou hast been instructed.
4. afin que tu reconnaisses la certitude des enseignements que tu as reçus.
4. Mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5. There was in the days of Herod, the king of Judaea, a certain priest named Zacharias, of the course of Abia: and his wife was of the daughters of Aaron, and her name was Elisabeth.
5. "Du temps d`Hérode, roi de Judée, il y avait un sacrificateur, nommé Zacharie, de la classe d`Abia; sa femme était d`entre les filles d`Aaron, et s`appelait Élisabeth."
5. "Tamin' ny andron' i Heroda, mpanjakan' i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan' ny antokon' i Abia; ary ny vadiny dia avy amin' ny zanakavavin' i Arona, Elizabeta no anarany."
6. And they were both righteous before God, walking in all the commandments and ordinances of the Lord blameless.
6. Tous deux étaient justes devant Dieu, observant d`une manière irréprochable tous les commandements et toutes les ordonnances du Seigneur.
6. Ary samy marina teo anatrehan' Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen' ny Tompo.
7. And they had no child, because that Elisabeth was barren, and they both were now well stricken in years.
7. "Ils n`avaient point d`enfants, parce qu`Élisabeth était stérile; et ils étaient l`un et l`autre avancés en âge."
7. Ary tsy nanan-janaka izy ireo, fa momba Elizabeta ary samy efa antitra izy mivady.
8. And it came to pass, that while he executed the priest's office before God in the order of his course,
8. Or, pendant qu`il s`acquittait de ses fonctions devant Dieu, selon le tour de sa classe, il fut appelé par le sort,
8. Ary izao no niseho, rehefa nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan' Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan' ny antokony,
9. According to the custom of the priest's office, his lot was to burn incense when he went into the temple of the Lord.
9. d`après la règle du sacerdoce, à entrer dans le temple du Seigneur pour offrir le parfum.
9. Araka ny fanao amin' ny fisoronana, dia anjarany araka ny an-tsapaka ny handoro ditin-kazo manitra raha niditra tao amin' ny tempolin' i Jehovah izy.
10. And the whole multitude of the people were praying without at the time of incense.
10. Toute la multitude du peuple était dehors en prière, à l`heure du parfum.
10. Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin' ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11. And there appeared unto him an angel of the Lord standing on the right side of the altar of incense.
11. Alors un ange du Seigneur apparut à Zacharie, et se tint debout à droite de l`autel des parfums.
11. Ary nisy anjelin' ny Tompo niseho taminy teo ankavanan' ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12. And when Zacharias saw him, he was troubled, and fear fell upon him.
12. Zacharie fut troublé en le voyant, et la frayeur s`empara de lui.
12. Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13. But the angel said unto him, Fear not, Zacharias: for thy prayer is heard; and thy wife Elisabeth shall bear thee a son, and thou shalt call his name John.
13. "Mais l`ange lui dit: Ne crains point, Zacharie; car ta prière a été exaucée. Ta femme Élisabeth t`enfantera un fils, et tu lui donneras le nom de Jean."
13. Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny vavakao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao ary Jaona no hataonao anarany.
14. And thou shalt have joy and gladness; and many shall rejoice at his birth.
14. Il sera pour toi un sujet de joie et d`allégresse, et plusieurs se réjouiront de sa naissance.
14. "Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin' ny hahaterahany."
15. For he shall be great in the sight of the Lord, and shall drink neither wine nor strong drink; and he shall be filled with the Holy Ghost, even from his mother's womb.
15. "Car il sera grand devant le Seigneur. Il ne boira ni vin, ni liqueur enivrante, et il sera rempli de l`Esprit Saint dès le sein de sa mère;"
15. Fa ho lehibe eo anatrehan' ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16. And many of the children of Israel shall he turn to the Lord their God.
16. "il ramènera plusieurs des fils d`Israël au Seigneur, leur Dieu;"
16. Ary maro amin' ny Zanak' Isiraely no hampodiny amin' ny Tompo Andriamaniny.
17. And he shall go before him in the spirit and power of Elias, to turn the hearts of the fathers to the children, and the disobedient to the wisdom of the just; to make ready a people prepared for the Lord.
17. il marchera devant Dieu avec l`esprit et la puissance d`Élie, pour ramener les coeurs des pères vers les enfants, et les rebelles à la sagesse des justes, afin de préparer au Seigneur un peuple bien disposé.
17. Ary handeha eo alohany izy amin' ny fanahy sy ny herin' i Elia, mba hampody ny fon' ny ray ho amin' ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin' ny fahendren' ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an' ny Tompo.
18. And Zacharias said unto the angel, Whereby shall I know this? for I am an old man, and my wife well stricken in years.
18. Zacharie dit à l`ange: A quoi reconnaîtrai-je cela? Car je suis vieux, et ma femme est avancée en âge.
18. Ary hoy Zakaria tamin' ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? satria izaho efa antitra ary efa antitra koa ny vadiko.
19. And the angel answering said unto him, I am Gabriel, that stand in the presence of God; and am sent to speak unto thee, and to shew thee these glad tidings.
19. "L`ange lui répondit: Je suis Gabriel, je me tiens devant Dieu; j`ai été envoyé pour te parler, et pour t`annoncer cette bonne nouvelle."
19. "Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany."
20. And, behold, thou shalt be dumb, and not able to speak, until the day that these things shall be performed, because thou believest not my words, which shall be fulfilled in their season.
20. Et voici, tu seras muet, et tu ne pourras parler jusqu`au jour où ces choses arriveront, parce que tu n`as pas cru à mes paroles, qui s`accompliront en leur temps.
20. Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan' ny andro hisehoan' izany zavatra izany, ho valin' ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin' ny fotoany.
21. And the people waited for Zacharias, and marvelled that he tarried so long in the temple.
21. Cependant, le peuple attendait Zacharie, s`étonnant de ce qu`il restait si longtemps dans le temple.
21. Ary ny olona dia niandry an' i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin' ny tempoly.
22. And when he came out, he could not speak unto them: and they perceived that he had seen a vision in the temple: for he beckoned unto them, and remained speechless.
22. "Quand il sortit, il ne put leur parler, et ils comprirent qu`il avait eu une vision dans le temple; il leur faisait des signes, et il resta muet."
22. "Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin' ny tempoly izy; fa nanao baikon' ny moana taminy izy, ary dia mbola moana ihany."
23. And it came to pass, that, as soon as the days of his ministration were accomplished, he departed to his own house.
23. Lorsque ses jours de service furent écoulés, il s`en alla chez lui.
23. Ary izao no niseho, raha vao tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24. And after those days his wife Elisabeth conceived, and hid herself five months, saying,
24. Quelque temps après, Élisabeth, sa femme, devint enceinte. Elle se cacha pendant cinq mois, disant:
24. Ary taorian' izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25. Thus hath the Lord dealt with me in the days wherein he looked on me, to take away my reproach among men.
25. C`est la grâce que le Seigneur m`a faite, quand il a jeté les yeux sur moi pour ôter mon opprobre parmi les hommes.
25. Izao no nataon' ny Tompo tamiko tamin' ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy tamin' ny olona.
26. And in the sixth month the angel Gabriel was sent from God unto a city of Galilee, named Nazareth,
26. Au sixième mois, l`ange Gabriel fut envoyé par Dieu dans une ville de Galilée, appelée Nazareth,
26. Ary tamin' ny fahenim-bolana dia nirahin' Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27. To a virgin espoused to a man whose name was Joseph, of the house of David; and the virgin's name was Mary.
27. auprès d`une vierge fiancée à un homme de la maison de David, nommé Joseph. Le nom de la vierge était Marie.
27. "Ho any amin' ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin' ny lehilahy anankiray atao hoe Josefa, avy tamin' ny taranak' i Davida; ary ny anaran' ny virijina dia Maria."
28. And the angel came in unto her, and said, Hail, thou that art highly favoured, the Lord is with thee: blessed art thou among women.
28. "L`ange entra chez elle, et dit: Je te salue, toi à qui une grâce a été faite; le Seigneur est avec toi."
28. Ary niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba ianao izay nohasoavina tokoa, ny Tompo momba anao. Voatahy samy vehivavy ianao.
29. And when she saw him, she was troubled at his saying, and cast in her mind what manner of salutation this should be.
29. Troublée par cette parole, Marie se demandait ce que pouvait signifier une telle salutation.
29. Ary nony nahita azy izy, dia taitra loatra noho ny teniny, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr' izany fiarahabana izany.
30. And the angel said unto her, Fear not, Mary: for thou hast found favour with God.
30. "L`ange lui dit: Ne crains point, Marie; car tu as trouvé grâce devant Dieu."
30. Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin' Andriamanitra ianao.
31. And, behold, thou shalt conceive in thy womb, and bring forth a son, and shalt call his name JESUS.
31. Et voici, tu deviendras enceinte, et tu enfanteras un fils, et tu lui donneras le nom de Jésus.
31. Ary, indro, hitoe-jaza ao an-kibonao ianao ka hiteraka zazalahy ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32. He shall be great, and shall be called the Son of the Highest: and the Lord God shall give unto him the throne of his father David:
32. Il sera grand et sera appelé Fils du Très Haut, et le Seigneur Dieu lui donnera le trône de David, son père.
32. "Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary ny Tompo Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan' i Davida rainy;"
33. And he shall reign over the house of Jacob for ever; and of his kingdom there shall be no end.
33. Il règnera sur la maison de Jacob éternellement, et son règne n`aura point de fin.
33. "Ary hanjaka amin' ny taranak' i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana."
34. Then said Mary unto the angel, How shall this be, seeing I know not a man?
34. Marie dit à l`ange: Comment cela se fera-t-il, puisque je ne connais point d`homme?
34. Ary hoy Maria tamin' ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35. And the angel answered and said unto her, The Holy Ghost shall come upon thee, and the power of the Highest shall overshadow thee: therefore also that holy thing which shall be born of thee shall be called the Son of God.
35. L`ange lui répondit: Le Saint Esprit viendra sur toi, et la puissance du Très Haut te couvrira de son ombre. C`est pourquoi le saint enfant qui naîtra de toi sera appelé Fils de Dieu.
35. "Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao ary ny herin' ny Avo indrindra hanaloka anao; koa ny Masina izay haterakao dia hatao hoe: Zanak' Andriamanitra."
36. And, behold, thy cousin Elisabeth, she hath also conceived a son in her old age: and this is the sixth month with her, who was called barren.
36. Voici, Élisabeth, ta parente, a conçu, elle aussi, un fils en sa vieillesse, et celle qui était appelée stérile est dans son sixième mois.
36. "Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jazalahy koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enim-bolana izy izao, izay natao hoe momba."
37. For with God nothing shall be impossible.
37. Car rien n`est impossible à Dieu.
37. Fa amin' Andriamanitra dia tsy misy tsy ho hay atao.
38. And Mary said, Behold the handmaid of the Lord; be it unto me according to thy word. And the angel departed from her.
38. "Marie dit: Je suis la servante du Seigneur; qu`il me soit fait selon ta parole! Et l`ange la quitta."
38. "Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin' ny tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely."
39. And Mary arose in those days, and went into the hill country with haste, into a city of Juda;
39. Dans ce même temps, Marie se leva, et s`en alla en hâte vers les montagnes, dans une ville de Juda.
39. "Ary niainga Maria tamin' izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin' ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;"
40. And entered into the house of Zacharias, and saluted Elisabeth.
40. Elle entra dans la maison de Zacharie, et salua Élisabeth.
40. Ary niditra tao an-tranon' i Zakaria izy ka niarahaba an' i Elizabeta.
41. And it came to pass, that, when Elisabeth heard the salutation of Mary, the babe leaped in her womb; and Elisabeth was filled with the Holy Ghost:
41. Dès qu`Élisabeth entendit la salutation de Marie, son enfant tressaillit dans son sein, et elle fut remplie du Saint Esprit.
41. "Ary izao no niseho, raha vao ren' i Elizabeta ny fiarahaban' i Maria, dia niantsambotra ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,"
42. And she spake out with a loud voice, and said, Blessed art thou among women, and blessed is the fruit of thy womb.
42. Elle s`écria d`une voix forte: Tu es bénie entre les femmes, et le fruit de ton sein est béni.
42. Dia niantso tamin' ny feo mahery izy ka nanao hoe: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43. And whence is this to me, that the mother of my Lord should come to me?
43. Comment m`est-il accordé que la mère de mon Seigneur vienne auprès de moi?
43. Avy aiza no ahatongavan' izao amiko, no mba vangian' ny renin' ny tompoko aho?
44. For, lo, as soon as the voice of thy salutation sounded in mine ears, the babe leaped in my womb for joy.
44. Car voici, aussitôt que la voix de ta salutation a frappé mon oreille, l`enfant a tressailli d`allégresse dans mon sein.
44. Fa, indro, raha vao ren' ny sofiko ny fiarahabanao, dia niantsambotra noho ny hafaliana ny zaza ato an-kiboko.
45. And blessed is she that believed: for there shall be a performance of those things which were told her from the Lord.
45. Heureuse celle qui a cru, parce que les choses qui lui ont été dites de la part du Seigneur auront leur accomplissement.
45. "Ary sambatra ravehivavy izay nino; fa hoefaina ireo zavatra nampilazain' ny Tompo taminy."
46. And Mary said, My soul doth magnify the Lord,
46. Et Marie dit: Mon âme exalte le Seigneur,
46. Ary hoy Maria: Ny fanahiko mankalaza ny Tompo,
47. And my spirit hath rejoiced in God my Saviour.
47. Et mon esprit se réjouit en Dieu, mon Sauveur,
47. Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin' Andriamanitra, Mpamonjy ahy.
48. For he hath regarded the low estate of his handmaiden: for, behold, from henceforth all generations shall call me blessed.
48. Parce qu`il a jeté les yeux sur la bassesse de sa servante. Car voici, désormais toutes les générations me diront bienheureuse,
48. Fa efa nijery ny fahambanian' ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin' izao dia ataon' ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49. For he that is mighty hath done to me great things; and holy is his name.
49. Parce que le Tout Puissant a fait pour moi de grandes choses. Son nom est saint,
49. "Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; ary masina ny anarany."
50. And his mercy is on them that fear him from generation to generation.
50. Et sa miséricorde s`étend d`âge en âge Sur ceux qui le craignent.
50. Ary ny famindrampony dia amin' izay matahotra azy hatramin' ny taranaka fara mandimby.
51. He hath shewed strength with his arm; he hath scattered the proud in the imagination of their hearts.
51. "Il a déployé la force de son bras; Il a dispersé ceux qui avaient dans le coeur des pensées orgueilleuses."
51. "Nanao asa lehibe tamin' ny sandriny Izy; nampihahaka ny mpiavonavona tamin' ny fiheveran' ny fony Izy."
52. He hath put down the mighty from their seats, and exalted them of low degree.
52. Il a renversé les puissants de leurs trônes, Et il a élevé les humbles.
52. Nampiala ny lehibe tamin' ny sezafiandrianany Izy ary nanandratra ny ambany kosa.
53. He hath filled the hungry with good things; and the rich he hath sent empty away.
53. Il a rassasié de biens les affamés, Et il a renvoyé les riches à vide.
53. Ny noana novokisany soa, fa ny manankarena kosa nampialainy maina.
54. He hath holpen his servant Israel, in remembrance of his mercy;
54. Il a secouru Israël, son serviteur, Et il s`est souvenu de sa miséricorde, -
54. "Niahy an' Isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindrampony;"
55. As he spake to our fathers, to Abraham, and to his seed for ever.
55. Comme il l`avait dit à nos pères, -Envers Abraham et sa postérité pour toujours.
55. Araka ny voalazany tamin' ny razantsika, tamin' i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56. And Mary abode with her about three months, and returned to her own house.
56. Marie demeura avec Élisabeth environ trois mois. Puis elle retourna chez elle.
56. Ary nitoetra teo amin' i Elizabeta tokony ho telo volana Maria, vao nody tany an-tranony.
57. Now Elisabeth's full time came that she should be delivered; and she brought forth a son.
57. Le temps où Élisabeth devait accoucher arriva, et elle enfanta un fils.
57. Ary tonga ny andro hahaveloman' i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58. And her neighbours and her cousins heard how the Lord had shewed great mercy upon her; and they rejoiced with her.
58. Ses voisins et ses parents apprirent que le Seigneur avait fait éclater envers elle sa miséricorde, et ils se réjouirent avec elle.
58. "Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa naneho famindrampo lehibe taminy ny Tompo; dia niara-nifaly taminy ireo."
59. And it came to pass, that on the eighth day they came to circumcise the child; and they called him Zacharias, after the name of his father.
59. Le huitième jour, ils vinrent pour circoncire l`enfant, et ils l`appelaient Zacharie, du nom de son père.
59. Ary izao no niseho, tamin' ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ka efa saika hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60. And his mother answered and said, Not so; but he shall be called John.
60. Mais sa mère prit la parole, et dit: Non, il sera appelé Jean.
60. Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61. And they said unto her, There is none of thy kindred that is called by this name.
61. Ils lui dirent: Il n`y a dans ta parenté personne qui soit appelé de ce nom.
61. Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin' ny havanao manana izany anarana izany.
62. And they made signs to his father, how he would have him called.
62. Et ils firent des signes à son père pour savoir comment il voulait qu`on l`appelle.
62. Ary nanao baikon' ny moana tamin' ny rainy izy ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63. And he asked for a writing table, and wrote, saying, His name is John. And they marvelled all.
63. Zacharie demanda des tablettes, et il écrivit: Jean est son nom. Et tous furent dans l`étonnement.
63. Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64. And his mouth was opened immediately, and his tongue loosed, and he spake, and praised God.
64. Au même instant, sa bouche s`ouvrit, sa langue se délia, et il parlait, bénissant Dieu.
64. "Ary dia nisokatra niaraka tamin' izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an' Andriamanitra."
65. And fear came on all that dwelt round about them: and all these sayings were noised abroad throughout all the hill country of Judaea.
65. La crainte s`empara de tous les habitants d`alentour, et, dans toutes les montagnes de la Judée, on s`entretenait de toutes ces choses.
65. "Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin' ny tany havoan' i Jodia rehetra ny lazan' izany rehetra izany."
66. And all they that heard them laid them up in their hearts, saying, What manner of child shall this be! And the hand of the Lord was with him.
66. Tous ceux qui les apprirent les gardèrent dans leur coeur, en disant: Que sera donc cet enfant? Et la main du Seigneur était avec lui.
66. Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Ary ny tanan' ny Tompo nomba azy.
67. And his father Zacharias was filled with the Holy Ghost, and prophesied, saying,
67. Zacharie, son père, fut rempli du Saint Esprit, et il prophétisa, en ces mots:
67. Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka dia naminany nanao hoe:
68. Blessed be the Lord God of Israel; for he hath visited and redeemed his people,
68. Béni soit le Seigneur, le Dieu d`Israël, De ce qu`il a visité et racheté son peuple,
68. Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely, fa namangy sy nanavotra ny olony Izy,
69. And hath raised up an horn of salvation for us in the house of his servant David;
69. Et nous a suscité un puissant Sauveur Dans la maison de David, son serviteur,
69. "Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika amin' ny taranak' i Davida mpanompony Izy;"
70. As he spake by the mouth of his holy prophets, which have been since the world began:
70. Comme il l`avait annoncé par la bouche de ses saints prophètes des temps anciens, -
70. Araka izay nampilazainy tamin' ny vavan' ny mpaminaniny masina hatramin' ny niandohan' izao tontolo izao,
71. That we should be saved from our enemies, and from the hand of all that hate us;
71. Un Sauveur qui nous délivre de nos ennemis et de la main de tous ceux qui nous haïssent!
71. "Mba ho voavonjy amin' ny fahavalontsika isika sy amin' ny tanan' izay rehetra mankahala antsika;"
72. To perform the mercy promised to our fathers, and to remember his holy covenant;
72. C`est ainsi qu`il manifeste sa miséricorde envers nos pères, Et se souvient de sa sainte alliance,
72. Manefa famindrampo amin' ny razantsika Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73. The oath which he sware to our father Abraham,
73. Selon le serment par lequel il avait juré à Abraham, notre père,
73. Dia ny fianianana izay nianianany tamin' i Abrahama razantsika,
74. That he would grant unto us, that we being delivered out of the hand of our enemies might serve him without fear,
74. De nous permettre, après que nous serions délivrés de la main de nos ennemis, De le servir sans crainte,
74. Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra satria afaka amin' ny tanan' ny fahavalontsika isika,
75. In holiness and righteousness before him, all the days of our life.
75. En marchant devant lui dans la sainteté et dans la justice tous les jours de notre vie.
75. Amin' ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin' ny andro rehetra hiainantsika.
76. And thou, child, shalt be called the prophet of the Highest: for thou shalt go before the face of the Lord to prepare his ways;
76. "Et toi, petit enfant, tu seras appelé prophète du Très Haut; Car tu marcheras devant la face du Seigneur, pour préparer ses voies,"
76. Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin' ny Avo Indrindra: fa hialoha eo anatrehan' ny tompo ianao hamboatra ny lalany,
77. To give knowledge of salvation unto his people by the remission of their sins,
77. Afin de donner à son peuple la connaissance du salut Par le pardon de ses péchés,
77. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin' ny famelana ny helony,
78. Through the tender mercy of our God; whereby the dayspring from on high hath visited us,
78. Grâce aux entrailles de la miséricorde de notre Dieu, En vertu de laquelle le soleil levant nous a visités d`en haut,
78. Noho ny halehiben' ny indrafon' Andriamanitsika izay nampiposaka ny mazava avy any amin' ny avo hamangy antsika,
79. To give light to them that sit in darkness and in the shadow of death, to guide our feet into the way of peace.
79. Pour éclairer ceux qui sont assis dans les ténèbres et dans l`ombre de la mort, Pour diriger nos pas dans le chemin de la paix.
79. Hamirapiratra amin' izay mipetraka ao amin' ny maizina sy ao amin' ny aloky ny fahafatesana, hitarika ny diantsika ho amin' ny lalam-piadanana.
80. And the child grew, and waxed strong in spirit, and was in the deserts till the day of his shewing unto Israel.
80. Or, l`enfant croissait, et se fortifiait en esprit. Et il demeura dans les déserts, jusqu`au jour où il se présenta devant Israël.
80. "Ary nitombo ny zaza ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an' efitra izy ambara-pahatongan' ny andro nisehoany tamin' ny Isiraely."
<
>