The Fellowship Offering

1. And if his oblation be a sacrifice of peace offering, if he offer it of the herd; whether it be a male or female, he shall offer it without blemish before the LORD.
1. Lorsque quelqu`un offrira à l`Éternel un sacrifice d`actions de grâces: S`il offre du gros bétail, mâle ou femelle, il l`offrira sans défaut, devant l`Éternel.
1. Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy, na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no ateriny eo anatrehan' i Jehovah.
2. And he shall lay his hand upon the head of his offering, and kill it at the door of the tabernacle of the congregation: and Aaron's sons the priests shall sprinkle the blood upon the altar round about.
2. "Il posera sa main sur la tête de la victime, qu`il égorgera à l`entrée de la tente d`assignation; et les sacrificateurs, fils d`Aaron, répandront le sang sur l`autel tout autour."
2. "Ary hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan' ny varavaran' ny tranolay fihaonana; ary ireo mpisorona zanakalahin' i Arona hanopy ny rà manodidina amin' ny lafin' ny alitara."
3. And he shall offer of the sacrifice of the peace offering an offering made by fire unto the LORD; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards,
3. "De ce sacrifice d`actions de grâces, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l`Éternel: la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée;"
3. Ary hanatitra avy amin' ny fanati-pihavanana izay fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izy, dia ny safo-drorohany sy ny saboran-tsinainy,
4. And the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away.
4. les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu`il détachera près des rognons.
4. "Sy ny voany roa mbamin' ny fonom-boany, izay eo amin' ny takibany ary ny saron' atiny; esorina miaraka amin' ny voany izany."
5. And Aaron's sons shall burn it on the altar upon the burnt sacrifice, which is upon the wood that is on the fire: it is an offering made by fire, of a sweet savour unto the LORD.
5. Les fils d`Aaron brûleront cela sur l`autel, par-dessus l`holocauste qui sera sur le bois mis au feu. C`est un sacrifice consumé par le feu, d`une agréable odeur à l`Éternel.
5. "Ary ireo zanakalahin' i Arona dia handoro izany eo amin' ny alitara eo ambonin' ny fanatitra dorana, izay eo ambonin'ny kitay amin' ny afo; fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah izany."
6. And if his offering for a sacrifice of peace offering unto the LORD be of the flock; male or female, he shall offer it without blemish.
6. S`il offre du menu bétail, mâle ou femelle, en sacrifice d`actions de grâces à l`Éternel, il l`offrira sans défaut.
6. Ary raha biby fiompy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an' i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy no ateriny.
7. If he offer a lamb for his offering, then shall he offer it before the LORD.
7. S`il offre en sacrifice un agneau, il le présentera devant l`Éternel.
7. Ary raha zanak' ondry no ateriny ho fanatiny, dia hanatitra izany eo anatrehan' i Jehovah izy.
8. And he shall lay his hand upon the head of his offering, and kill it before the tabernacle of the congregation: and Aaron's sons shall sprinkle the blood thereof round about upon the altar.
8. "Il posera sa main sur la tête de la victime, qu`il égorgera devant la tente d`assignation; et les fils d`Aaron en répandront le sang sur l`autel tout autour."
8. "Ary hametraka ny tanany amin' ny lohan' ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan' ny tranolay fihaonana; ary ireo zanakalahin' i Arona hanopy ny rà manodidina amin' ny lafin' ny alitara."
9. And he shall offer of the sacrifice of the peace offering an offering made by fire unto the LORD; the fat thereof, and the whole rump, it shall he take off hard by the backbone; and the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards,
9. De ce sacrifice d`actions de grâces, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l`Éternel: la graisse, la queue entière, qu`il séparera près de l`échine, la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée,
9. "Ary hanatitra avy amin' ny fanati-pihavanana ho fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izy; ny saborany, ny hofany manontolo, faranana hatreo amin' ny faran' ny taolan-damosina no fanaisony izany, ary ny saboran-tsinainy sy ny safodrorohany rehetra,"
10. And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away.
10. les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu`il détachera près des rognons.
10. Ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany izay eo amin' ny takibany, sy ny saron' atiny, dia esorina miaraka amin' ny voany izany.
11. And the priest shall burn it upon the altar: it is the food of the offering made by fire unto the LORD.
11. Le sacrificateur brûlera cela sur l`autel. C`est l`aliment d`un sacrifice consumé par le feu devant l`Éternel.
11. "Ary ny mpisorona dia handoro izany eo ambony alitara; hanina avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah izany."
12. And if his offering be a goat, then he shall offer it before the LORD.
12. Si son offrande est une chèvre, il la présentera devant l`Éternel.
12. Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra izany eo anatrehan' i Jehovah izy.
13. And he shall lay his hand upon the head of it, and kill it before the tabernacle of the congregation: and the sons of Aaron shall sprinkle the blood thereof upon the altar round about.
13. "Il posera sa main sur la tête de sa victime, qu`il égorgera devant la tente d`assignation; et les fils d`Aaron en répandront le sang sur l`autel tout autour."
13. "Ary hametraka ny tanany amin' ny lohany izy, dia hamono izany eo anoloan' ny tranolay fihaonana; ary ireo mpisorona zanakalahin' i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin' ny lafin' ny alitara."
14. And he shall offer thereof his offering, even an offering made by fire unto the LORD; the fat that covereth the inwards, and all the fat that is upon the inwards,
14. De la victime, il offrira en sacrifice consumé par le feu devant l`Éternel: la graisse qui couvre les entrailles et toute celle qui y est attachée,
14. Ary avy amin' izany no anaterany ny fanatiny, dia ny fanatiny atao amin' ny afo ho an' i Jehovah: ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy rehetra,
15. And the two kidneys, and the fat that is upon them, which is by the flanks, and the caul above the liver, with the kidneys, it shall he take away.
15. les deux rognons, et la graisse qui les entoure, qui couvre les flancs, et le grand lobe du foie, qu`il détachera près des rognons.
15. Ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany izay eo amin' ny takibany sy ny saron' atiny dia esorina miaraka amin' ny voany izany.
16. And the priest shall burn them upon the altar: it is the food of the offering made by fire for a sweet savour: all the fat is the LORD's.
16. Le sacrificateur brûlera cela sur l`autel. Toute la graisse est l`aliment d`un sacrifice consumé par le feu, d`une agréable odeur à l`Éternel.
16. "Ary handoro izany eo ambony alitara ny mpisorona; hanina avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an' i Jehovah ny sabora rehetra."
17. It shall be a perpetual statute for your generations throughout all your dwellings, that ye eat neither fat nor blood.
17. C`est ici une loi perpétuelle pour vos descendants, dans tous les lieux où vous habiterez: vous ne mangerez ni graisse ni sang.
17. Ho lalàna mandrakizay ho an' ny taranakareo mifandimby amin' izay fitoeranareo rehetra izany, fa tsy hihinana sabora na rà ianareo.
<
>