1. Masters, give unto your servants that which is just and equal; knowing that ye also have a Master in heaven.
1. Maîtres, accordez à vos serviteurs ce qui est juste et équitable, sachant que vous aussi vous avez un maître dans le ciel.
1. Ianareo tompo, ataovy amin’ny mpanomponareo izay marina sy hitsiny, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2. Continue in prayer, and watch in the same with thanksgiving;
2. Persévérez dans la prière, veillez-y avec actions de grâces.
2. Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana,
3. Withal praying also for us, that God would open unto us a door of utterance, to speak the mystery of Christ, for which I am also in bonds:
3. Priez en même temps pour nous, afin que Dieu nous ouvre une porte pour la parole, en sorte que je puisse annoncer le mystère de Christ, pour lequel je suis dans les chaînes,
3. Ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny hilazanay ny zava-miafina izay an’i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4. That I may make it manifest, as I ought to speak.
4. et le faire connaître comme je dois en parler.
4. Mba haharihariko tsara izany araka izay tokony hitenenako.
5. Walk in wisdom toward them that are without, redeeming the time.
5. Conduisez-vous avec sagesse envers ceux du dehors, et rachetez le temps.
5. Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny fotoana.
6. Let your speech be alway with grace, seasoned with salt, that ye may know how ye ought to answer every man.
6. Que votre parole soit toujours accompagnée de grâce, assaisonnée de sel, afin que vous sachiez comment il faut répondre à chacun.
6. Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7. All my state shall Tychicus declare unto you, who is a beloved brother, and a faithful minister and fellowservant in the Lord:
7. Tychique, le bien-aimé frère et le fidèle ministre, mon compagnon de service dans le Seigneur, vous communiquera tout ce qui me concerne.
7. Ny toetro rehetra dia holazain’i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ny Tompo.
8. Whom I have sent unto you for the same purpose, that he might know your estate, and comfort your hearts;
8. Je l`envoie exprès vers vous, pour que vous connaissiez notre situation, et pour qu`il console vos coeurs.
8. "Ny anton’ny nanirahako azy ho aty aminareo indrindra dia ny hahafantarany ny toetrareo, sy ny hampionona ny fonareo;"
9. With Onesimus, a faithful and beloved brother, who is one of you. They shall make known unto you all things which are done here.
9. Je l`envoie avec Onésime, le fidèle et bien-aimé frère, qui est des vôtres. Ils vous informeront de tout ce qui se passe ici.
9. Ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atao aty.
10. Aristarchus my fellowprisoner saluteth you, and Marcus, sister's son to Barnabas, (touching whom ye received commandments: if he come unto you, receive him;)
10. "Aristarque, mon compagnon de captivité, vous salue, ainsi que Marc, le cousin de Barnabas, au sujet duquel vous avez reçu des ordres (s`il va chez vous, accueillez-le);"
10. "Manao veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, zanak’anabavin’i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga aty izy dia raiso);"
11. And Jesus, which is called Justus, who are of the circumcision. These only are my fellowworkers unto the kingdom of God, which have been a comfort unto me.
11. Jésus, appelé Justus, vous salue aussi. Ils sont du nombre des circoncis, et les seuls qui aient travaillé avec moi pour le royaume de Dieu, et qui aient été pour moi une consolation.
11. Ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12. Epaphras, who is one of you, a servant of Christ, saluteth you, always labouring fervently for you in prayers, that ye may stand perfect and complete in all the will of God.
12. Épaphras, qui est des vôtres, vous salue: serviteur de Jésus Christ, il ne cesse de combattre pour vous dans ses prières, afin que, parfaits et pleinement persuadés, vous persistiez dans une entière soumission à la volonté de Dieu.
12. Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fivavahana ho anareo, mba hijoroanareo tanteraka sy feno amin’izay rehetra sitrapon’Andriamanitra.
13. For I bear him record, that he hath a great zeal for you, and them that are in Laodicea, and them in Hierapolis.
13. Car je lui rends le témoignage qu`il a une grande sollicitude pour vous, pour ceux de Laodicée et pour ceux d`Hiérapolis.
13. Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo izy sy ho an’ny any Laodikia ary ho an’ny any Hierapolia.
14. Luke, the beloved physician, and Demas, greet you.
14. Luc, le médecin bien-aimé, vous salue, ainsi que Démas.
14. Manao veloma anareo Lioka, ilay dokotera malala sy Demasy.
15. Salute the brethren which are in Laodicea, and Nymphas, and the church which is in his house.
15. Saluez les frères qui sont à Laodicée, et Nymphas, et l`Église qui est dans sa maison.
15. Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia sy Nymfa ary ny fiangonana ao an-tranony.
16. And when this epistle is read among you, cause that it be read also in the church of the Laodiceans; and that ye likewise read the epistle from Laodicea.
16. Lorsque cette lettre aura été lue chez vous, faites en sorte qu`elle soit aussi lue dans l`Église des Laodicéens, et que vous lisiez à votre tour celle qui vous arrivera de Laodicée.
16. "Ary rehefa voavaky aty aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ny fiangonan’ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay epistily avy amin’ny Laodikiana."
17. And say to Archippus, Take heed to the ministry which thou hast received in the Lord, that thou fulfil it.
17. Et dites à Archippe: Prends garde au ministère que tu as reçu dans le Seigneur, afin de le bien remplir.
17. Ary lazao amin’i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
18. The salutation by the hand of me Paul. Remember my bonds. Grace be with you. Amen.
18. Je vous salue, moi Paul, de ma propre main. Souvenez-vous de mes liens. Que la grâce soit avec vous!
18. Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana. Amena.(Nosoratan’i Tykiko sy Onesimosy tao Roma ho an’ny Kolosiana).
<
>