Achan's Sin

1. But the children of Israel committed a trespass in the accursed thing: for Achan, the son of Carmi, the son of Zabdi, the son of Zerah, of the tribe of Judah, took of the accursed thing: and the anger of the LORD was kindled against the children of Israel.
1. Les enfants d`Israël commirent une infidélité au sujet des choses dévouées par interdit. Acan, fils de Carmi, fils de Zabdi, fils de Zérach, de la tribu de Juda, prit des choses dévouées. Et la colère de l`Éternel s`enflamma contre les enfants d`Israël.
1. "Fa ny Zanak' Isiraely nandika ny didy ny amin' ny zavatra voaozona; fa i Akana, zanak' i Karmy, zanak' i Zabdy, zanak' i Zera, avy tamin' ny fokon' i Joda naka tamin' ny zavatra voaozona, ka dia nirehitra tamin' ny Zanak' Isiraely ny fahatezeran' i Jehovah."
2. And Joshua sent men from Jericho to Ai, which is beside Bethaven, on the east side of Bethel, and spake unto them, saying, Go up and view the country. And the men went up and viewed Ai.
2. Josué envoya de Jéricho des hommes vers Aï, qui est près de Beth Aven, à l`orient de Béthel. Il leur dit: Montez, et explorez le pays. Et ces hommes montèrent, et explorèrent Aï.
2. Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan' i Betavena, atsinanan' i Betela, ka niteny taminy nanao hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an' i Ay.
3. And they returned to Joshua, and said unto him, Let not all the people go up; but let about two or three thousand men go up and smite Ai; and make not all the people to labour thither; for they are but few.
3. "Ils revinrent auprès de Josué, et lui dirent: Il est inutile de faire marcher tout le peuple; deux ou trois mille hommes suffiront pour battre Aï; ne donne pas cette fatigue à tout le peuple, car ils sont en petit nombre."
3. "Ary niverina tany amin' i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa na telo arivo no aoka hiakatra hamely an' i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy."
4. So there went up thither of the people about three thousand men: and they fled before the men of Ai.
4. Trois mille hommes environ se mirent en marche, mais ils prirent la fuite devant les gens d`Aï.
4. Dia niakatra nankany ny olona sasany tokony ho telo arivo lahy, fa nandositra teo anoloan' ny mponina tao Ay ireo.
5. And the men of Ai smote of them about thirty and six men: for they chased them from before the gate even unto Shebarim, and smote them in the going down: wherefore the hearts of the people melted, and became as water.
5. "Les gens d`Aï leur tuèrent environ trente-six hommes; ils les poursuivirent depuis la porte jusqu`à Schebarim, et les battirent à la descente. Le peuple fut consterné et perdit courage."
5. "Dia nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan' ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon' ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano."
6. And Joshua rent his clothes, and fell to the earth upon his face before the ark of the LORD until the eventide, he and the elders of Israel, and put dust upon their heads.
6. Josué déchira ses vêtements, et se prosterna jusqu`au soir le visage contre terre devant l`arche de l`Éternel, lui et les anciens d`Israël, et ils se couvrirent la tête de poussière.
6. Dia notriarin' i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin' ny tany teo anoloan' ny fiaran' ny Jehovah izy mandra-paharivan' ny andro, dia izy sy ny loholon' ny Isiraely sady nasiany vovoka ny lohany.
7. And Joshua said, Alas, O LORD God, wherefore hast thou at all brought this people over Jordan, to deliver us into the hand of the Amorites, to destroy us? would to God we had been content, and dwelt on the other side Jordan!
7. Josué dit: Ah! Seigneur Éternel, pourquoi as-tu fait passer le Jourdain à ce peuple, pour nous livrer entre les mains des Amoréens et nous faire périr? Oh! si nous eussions su rester de l`autre côté du Jourdain!
7. Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô, nahoana no nampita ity firenena ity foana tao Jordana Ianao hanoloranao anay eo an-tanan' ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba afa-po ka nitoetra tany an-dafin' i Jordana!
8. O LORD, what shall I say, when Israel turneth their backs before their enemies!
8. De grâce, Seigneur, que dirai-je, après qu`Israël a tourné le dos devant ses ennemis?
8. Tompo ô! inona no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan' ny fahavalony!
9. For the Canaanites and all the inhabitants of the land shall hear of it, and shall environ us round, and cut off our name from the earth: and what wilt thou do unto thy great name?
9. "Les Cananéens et tous les habitants du pays l`apprendront; ils nous envelopperont, et ils feront disparaître notre nom de la terre. Et que feras-tu pour ton grand nom?"
9. "Ary ho ren' ny Kananita sy ny mponina rehetra amin' ny tany izany, dia hanodidina anay izy ireo ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin' ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?"
10. And the LORD said unto Joshua, Get thee up; wherefore liest thou thus upon thy face?
10. L`Éternel dit à Josué: Lève-toi! Pourquoi restes-tu ainsi couché sur ton visage?
10. "Dia hoy Jehovah tamin' i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?"
11. Israel hath sinned, and they have also transgressed my covenant which I commanded them: for they have even taken of the accursed thing, and have also stolen, and dissembled also, and they have put it even among their own stuff.
11. "Israël a péché; ils ont transgressé mon alliance que je leur ai prescrite, ils ont pris des choses dévouées par interdit, ils les ont dérobées et ont dissimulé, et ils les ont cachées parmi leurs bagages."
11. "Efa nanota ny Isiraely, fa efa nivadika ny fanekeko koa izay nandidiako azy; fa efa naka tamin' ny zavatra voaozona izy sady nangalatra sy namitaka koa, ary nataony ao amin' ny entany izany."
12. Therefore the children of Israel could not stand before their enemies, but turned their backs before their enemies, because they were accursed: neither will I be with you any more, except ye destroy the accursed from among you.
12. "Aussi les enfants d`Israël ne peuvent-ils résister à leurs ennemis; ils tourneront le dos devant leurs ennemis, car ils sont sous l`interdit; je ne serai plus avec vous, si vous ne détruisez pas l`interdit du milieu de vous."
12. Koa tsy mahajanona eo anoloan' ny fahavalony ny Zanak' Isiraely, fa miamboho eo anoloan' ny fahavalony izy, satria voaozona. Na dia izaho koa aza dia tsy homba anareo intsony, raha tsy holevoninareo tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13. Up, sanctify the people, and say, Sanctify yourselves against to morrow: for thus saith the LORD God of Israel, There is an accursed thing in the midst of thee, O Israel: thou canst not stand before thine enemies, until ye take away the accursed thing from among you.
13. "Lève-toi, sanctifie le peuple. Tu diras: Sanctifiez-vous pour demain; car ainsi parle l`Éternel, le Dieu d`Israël: Il y a de l`interdit au milieu de toi, Israël; tu ne pourras résister à tes ennemis, jusqu`à ce que vous ayez ôté l`interdit du milieu de vous."
13. "Mitsangàna, hamasino ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina, fa izao no lazain' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely: Misy zavatra voaozona eo aminao, ry Isiraely ô; koa tsy mahajanona eo anoloan' ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrao ny zavatra voaozona hiala tsy ho eo aminareo."
14. In the morning therefore ye shall be brought according to your tribes: and it shall be, that the tribe which the LORD taketh shall come according to the families thereof; and the family which the LORD shall take shall come by households; and the household which the LORD shall take shall come man by man.
14. "Vous vous approcherez le matin selon vos tribus; et la tribu que désignera l`Éternel s`approchera par famille, et la famille que désignera l`Éternel s`approchera par maisons, et la maison que désignera l`Éternel s`approchera par hommes."
14. "Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny fokonareo; ka izao no hisy, ny foko izay tanan' i Jehovah dia hanatona isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan' i Jehovah dia hanatona isaky ny ankohonana; ary ny ankohonana izay tanan' i Jehovah dia hanatona isam-batan' olona."
15. And it shall be, that he that is taken with the accursed thing shall be burnt with fire, he and all that he hath: because he hath transgressed the covenant of the LORD, and because he hath wrought folly in Israel.
15. Celui qui sera désigné comme ayant pris de ce qui était dévoué par interdit sera brûlé au feu, lui et tout ce qui lui appartient, pour avoir transgressé l`alliance de l`Éternel et commis une infamie en Israël.
15. Ary izao no hisy, izay azo mitana ny zavatra voaozona dia hodorana amin' ny afo izy mbamin' izay rehetra azy, satria nivadika ny faneken' i Jehovah izy ka nanao izay fahadalana teo amin' ny Isiraely.
16. So Joshua rose up early in the morning, and brought Israel by their tribes; and the tribe of Judah was taken:
16. Josué se leva de bon matin, et il fit approcher Israël selon ses tribus, et la tribu de Juda fut désignée.
16. "Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fokony avy; ka ny fokon' i Joda no notanana."
17. And he brought the family of Judah; and he took the family of the Zarhites: and he brought the family of the Zarhites man by man; and Zabdi was taken:
17. Il fit approcher les familles de Juda, et la famille de Zérach fut désignée. Il fit approcher la famille de Zérach par maisons, et Zabdi fut désigné.
17. Dia nitondra ny fianakavian' i Joda izy, ka ny fianakavian' ny Zerita no notanana, dia nampanatona ireo fianakavian' ny Zerita isam-batan' olona izy, ka Zabdy no notanana.
18. And he brought his household man by man; and Achan, the son of Carmi, the son of Zabdi, the son of Zerah, of the tribe of Judah, was taken.
18. Il fit approcher la maison de Zabdi par hommes, et Acan, fils de Carmi, fils de Zabdi, fils de Zérach, de la tribu de Juda, fut désigné.
18. "Dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; ka Akana, zanak' i Karmy, zanak' i Zabdy, zanak' i Zera, avy tamin' ny fokon' i Joda no notanana."
19. And Joshua said unto Achan, My son, give, I pray thee, glory to the LORD God of Israel, and make confession unto him; and tell me now what thou hast done; hide it not from me.
19. Josué dit à Acan: Mon fils, donne gloire à l`Éternel, le Dieu d`Israël, et rends-lui hommage. Dis-moi donc ce que tu as fait, ne me le cache point.
19. "Dia hoy Josoa tamin' i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka miaike Aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao: aza afenina ahy izany."
20. And Achan answered Joshua, and said, Indeed I have sinned against the LORD God of Israel, and thus and thus have I done:
20. Acan répondit à Josué, et dit: Il est vrai que j`ai péché contre l`Éternel, le Dieu d`Israël, et voici ce que j`ai fait.
20. Ary Akana namaly an' i Josoa ka nanao hoe: Marina tokoa, efa nanota tamin' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely aho, ary izao ka izao no nataoko:
21. When I saw among the spoils a goodly Babylonish garment, and two hundred shekels of silver, and a wedge of gold of fifty shekels weight, then I coveted them, and took them; and, behold, they are hid in the earth in the midst of my tent, and the silver under it.
21. "J`ai vu dans le butin un beau manteau de Schinear, deux cent sicles d`argent, et un lingot d`or du poids de cinquante sicles; je les ai convoités, et je les ai pris; ils sont cachés dans la terre au milieu de ma tente, et l`argent est dessous."
21. "Raha nahita kapaoty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimampolo, tamin' ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indro, voaafina ao ambanin' ny tany ao amin' ny laiko ireny, ary ny volafotsy eo ambaniny."
22. So Joshua sent messengers, and they ran unto the tent; and, behold, it was hid in his tent, and the silver under it.
22. "Josué envoya des gens, qui coururent à la tente; et voici, les objets étaient cachés dans la tente d`Acan, et l`argent était dessous."
22. Dia nandefa iraka Josoa, ka nihazakazaka nankany amin' ny lay ireo, ary, indro, voafina tao anatin' ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
23. And they took them out of the midst of the tent, and brought them unto Joshua, and unto all the children of Israel, and laid them out before the LORD.
23. Ils les prirent du milieu de la tente, les apportèrent à Josué et à tous les enfants d`Israël, et les déposèrent devant l`Éternel.
23. Dia nalainy avy tao amin' ny lay ireny ka nentiny teo amin' i Josoa sy ny Zanak' Isiraely rehetra, ary napetrany teo ivelany teo anatrehan' i Jehovah.
24. And Joshua, and all Israel with him, took Achan the son of Zerah, and the silver, and the garment, and the wedge of gold, and his sons, and his daughters, and his oxen, and his asses, and his sheep, and his tent, and all that he had: and they brought them unto the valley of Achor.
24. "Josué et tout Israël avec lui prirent Acan, fils de Zérach, l`argent, le manteau, le lingot d`or, les fils et les filles d`Acan, ses boeufs, ses ânes, ses brebis, sa tente, et tout ce qui lui appartenait; et ils les firent monter dans la vallée d`Acor."
24. "Dia nalain' i Josoa sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy i Akana, zanak' i Zera ary ny volafotsy sy ny kapaoty sy ny anja-bolamena ary ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny ary ny lainy mbamin' izay rehetra mety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny."
25. And Joshua said, Why hast thou troubled us? the LORD shall trouble thee this day. And all Israel stoned him with stones, and burned them with fire, after they had stoned them with stones.
25. Josué dit: Pourquoi nous as-tu troublés? L`Éternel te troublera aujourd`hui. Et tout Israël le lapida. On les brûla au feu, on les lapida,
25. Ary hoy Josoa: Nahoana no nampidi-doza taminay ianao? Mba hampidi-doza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitoraka azy tamin' ny vato ny Isiraely rehetra ary nandoro azy ireo tamin' ny afo rehefa avy nitora-bato azy ireo.
26. And they raised over him a great heap of stones unto this day. So the LORD turned from the fierceness of his anger. Wherefore the name of that place was called, The valley of Achor, unto this day.
26. et l`on éleva sur Acan un grand monceau de pierres, qui subsiste encore aujourd`hui. Et l`Éternel revint de l`ardeur de sa colère. C`est à cause de cet événement qu`on a donné jusqu`à ce jour à ce lieu le nom de vallée d`Acor.
26. Dia nanangana antontam-bato lehibe hanaronana azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin' ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran' izany toerana izany mandraka androany hoe: Lohasaha Akora.
<
>