Division of the Rest of the land

1. And the whole congregation of the children of Israel assembled together at Shiloh, and set up the tabernacle of the congregation there. And the land was subdued before them.
1. Toute l`assemblée des enfants d`Israël se réunit à Silo, et ils y placèrent la tente d`assignation. Le pays était soumis devant eux.
1. Ary nivory tao Silo ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely rehetra ka nanangana ny tranolay fihaonana tao. Ary ny tany dia nampanekena teo anoloany.
2. And there remained among the children of Israel seven tribes, which had not yet received their inheritance.
2. Il restait sept tribus des enfants d`Israël qui n`avaient pas encore reçu leur héritage.
2. Ary nisy foko fito tamin' ny Zanak' Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3. And Joshua said unto the children of Israel, How long are ye slack to go to possess the land, which the LORD God of your fathers hath given you?
3. Josué dit aux enfants d`Israël: Jusques à quand négligerez-vous de prendre possession du pays que l`Éternel, le Dieu de vos pères, vous a donné?
3. Dia hoy Josoa tamin' ny Zanak' Isiraely: Mandra-pahoviana ianareo no hiahotrahotra tsy handeha hahazo ny tany izay nomen' i Jehovah Andriamanitry ny razanareo anareo?
4. Give out from among you three men for each tribe: and I will send them, and they shall rise, and go through the land, and describe it according to the inheritance of them; and they shall come again to me.
4. Choisissez trois hommes par tribu, et je les ferai partir. Ils se lèveront, parcourront le pays, traceront un plan en vue du partage, et reviendront auprès de moi.
4. Manomeza avy aminareo telo lahy amin' ny isam-poko, dia haniraka azy aho, ka hiainga izy ary hitety ny tany, ka hanoritra izany araka ny lovany, dia hiverina aty amiko.
5. And they shall divide it into seven parts: Judah shall abide in their coast on the south, and the house of Joseph shall abide in their coasts on the north.
5. "Ils le diviseront en sept parts; Juda restera dans ses limites au midi, et la maison de Joseph restera dans ses limites au nord."
5. "Ary hizara izany ho fito toko izy; Joda dia hitoetra any amin' ny taniny ao atsimo, ary ny ankohonan' i Josefa dia hitoetra any amin' ireo taniny ao avaratra."
6. Ye shall therefore describe the land into seven parts, and bring the description hither to me, that I may cast lots for you here before the LORD our God.
6. Vous donc, vous tracerez un plan du pays en sept parts, et vous me l`apporterez ici. Je jetterai pour vous le sort devant l`Éternel, notre Dieu.
6. Ary soritonareo ho fito toko ny tany ka ento aty amiko ny soritra, mba hanaovako antsapaka ho anareo eto anatrehan' i Jehovah.
7. But the Levites have no part among you; for the priesthood of the LORD is their inheritance: and Gad, and Reuben, and half the tribe of Manasseh, have received their inheritance beyond Jordan on the east, which Moses the servant of the LORD gave them.
7. "Mais il n`y aura point de part pour les Lévites au milieu de vous, car le sacerdoce de l`Éternel est leur héritage; et Gad, Ruben et la demi-tribu de Manassé ont reçu leur héritage, que Moïse, serviteur de l`Éternel, leur a donné de l`autre côté du Jourdain, à l`orient."
7. "Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin' i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny fokon' i Manase dia efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan' i Jordana izay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah azy."
8. And the men arose, and went away: and Joshua charged them that went to describe the land, saying, Go and walk through the land, and describe it, and come again to me, that I may here cast lots for you before the LORD in Shiloh.
8. "Lorsque ces hommes se levèrent et partirent pour tracer un plan du pays, Josué leur donna cet ordre: Allez, parcourez le pays, tracez-en un plan, et revenez auprès de moi; puis je jetterai pour vous le sort devant l`Éternel, à Silo."
8. "Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoritra ny tany ka nanao hoe: Mandehana mitety ny tany, ka sorito izany, dia miverena aty amiko, ka eto Silo no hanaovako antsapaka ho anareo eo anatrehan' i Jehovah."
9. And the men went and passed through the land, and described it by cities into seven parts in a book, and came again to Joshua to the host at Shiloh.
9. "Ces hommes partirent, parcoururent le pays, et en tracèrent d`après les villes un plan en sept parts, dans un livre; et ils revinrent auprès de Josué dans le camp à Silo."
9. Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoritra izany tao amin' ny boky ho fito toko araka ny tanàna ary dia tafaverina tany amin' i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10. And Joshua cast lots for them in Shiloh before the LORD: and there Joshua divided the land unto the children of Israel according to their divisions.
10. Josué jeta pour eux le sort à Silo devant l`Éternel, et il fit le partage du pays entre les enfants d`Israël, en donnant à chacun sa portion.
10. "Ary Josoa dia nanao antsapaka ho azy tao Silo teo anatrehan' i Jehovah; ary tao no nizaran' i Josoa ny tany ho an' ny Zanak' Isiraely araka ny fizarany."

Allotment for Benjamin

11. And the lot of the tribe of the children of Benjamin came up according to their families: and the coast of their lot came forth between the children of Judah and the children of Joseph.
11. Le sort tomba sur la tribu des fils de Benjamin, selon leurs familles, et la part qui leur échut par le sort avait ses limites entre les fils de Juda et les fils de Joseph.
11. "Ary nivoaka araka ny fianakaviany ny anjaran' ny fokon' ny taranak' i Benjamina; ary ny faritry ny taniny tamin' ny anjarany dia teo anelanelan' ny taranak' i Joda sy ny taranak' i Josefa."
12. And their border on the north side was from Jordan; and the border went up to the side of Jericho on the north side, and went up through the mountains westward; and the goings out thereof were at the wilderness of Bethaven.
12. Du côté septentrional, leur limite partait du Jourdain. Elle montait au nord de Jéricho, s`élevait dans la montagne vers l`occident, et aboutissait au désert de Beth Aven.
12. Ary ny faritaniny amin' ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana, ary ny faritany dia niakatra hatramin' ny ilan' i Jeriko amin' ny lafiny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tendrombohitra, ka dia nihatra tamin' ny efitr' i Betavena,
13. And the border went over from thence toward Luz, to the side of Luz, which is Bethel, southward; and the border descended to Atarothadar, near the hill that lieth on the south side of the nether Bethhoron.
13. Elle passait de là par Luz, au midi de Luz, qui est Béthel, et elle descendait à Atharoth Addar par-dessus la montagne qui est au midi de Beth Horon la basse.
13. Ary ny faritany dia nandroso hatrany Lozy, hatramin' ny ilany atsinanan' i Lozy, (Betela izany) no mianatsimo, ary ny faritany dia nidina hatrany Atarota-adara ao amin' ny havoana atsimon' i Beti-horona ambany.
14. And the border was drawn thence, and compassed the corner of the sea southward, from the hill that lieth before Bethhoron southward; and the goings out thereof were at Kirjathbaal, which is Kirjathjearim, a city of the children of Judah: this was the west quarter.
14. "Du côté occidental, la limite se prolongeait et tournait au midi depuis la montagne qui est vis-à-vis de Beth Horon; elle continuait vers le midi, et aboutissait à Kirjath Baal, qui est Kirjath Jearim, ville des fils de Juda. C`était le côté occidental."
14. Ary ny faritany dia niolaka tamin' ny lafiny andrefana ka nanodidina ny sisin-dranomasina niana-tsimo hatramin' ny havoana izay eo anoloan' i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala, izay (Kiriata-jearima) tanànan' ny taranak' i Joda, izany no lafiny andrefana.
15. And the south quarter was from the end of Kirjathjearim, and the border went out on the west, and went out to the well of waters of Nephtoah:
15. Le côté méridional commençait à l`extrémité de Kirjath Jearim. La limite se prolongeait vers l`occident jusqu`à la source des eaux de Nephthoach.
15. "Ary ny lafiny atsimo dia hatramin' ny faran' i Kiriata-jearima; ary ny faritany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin' ny loharanon' i Neftoa,"
16. And the border came down to the end of the mountain that lieth before the valley of the son of Hinnom, and which is in the valley of the giants on the north, and descended to the valley of Hinnom, to the side of Jebusi on the south, and descended to Enrogel,
16. Elle descendait à l`extrémité de la montagne qui est vis-à-vis de la vallée de Ben Hinnom, dans la vallée des Rephaïm au nord. Elle descendait par la vallée de Hinnom, sur le côté méridional des Jébusiens, jusqu`à En Roguel.
16. Ary ny faritany dia nidina hatramin' ny faran' ny tendrombohitra, izay tandrifin' ny lohasahan' ny taranak' i Hinoma, eo amin' ny Lohasahan' ny olona goavambe eo avaratra, ka nidina hatramin' ny lohasahan' i Hinoma, hatramin' ny ilany atsimon' ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17. And was drawn from the north, and went forth to Enshemesh, and went forth toward Geliloth, which is over against the going up of Adummim, and descended to the stone of Bohan the son of Reuben,
17. Elle se dirigeait vers le nord à En Schémesch, puis à Gueliloth, qui est vis-à-vis de la montée d`Adummim, et elle descendait à la pierre de Bohan, fils de Ruben.
17. Dia nizotra ho any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy nandroso hatrany Gelilota, izay tandrifin' ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin' ny vaton' i Bohana, zanak' i Robena,
18. And passed along toward the side over against Arabah northward, and went down unto Arabah:
18. Elle passait sur le côté septentrional en face d`Araba, descendait à Araba,
18. "Dia nandroso hatramin' ny ilany avaratra tandrifin' i Arabà ka nidina hatrany Arabà;"
19. And the border passed along to the side of Bethhoglah northward: and the outgoings of the border were at the north bay of the salt sea at the south end of Jordan: this was the south coast.
19. et continuait sur le côté septentrional de Beth Hogla, pour aboutir à la langue septentrionale de la mer Salée, vers l`embouchure du Jourdain au midi. C`était la limite méridionale.
19. "Ary ny faritany dia nandroso hatramin' ny ilany avaratr' i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin' ny helo-drano avaratra amin' ny Ranomasin-tsira, eo amin' ny farany atsimo amin' i Jordana; izany no lafiny atsimo."
20. And Jordan was the border of it on the east side. This was the inheritance of the children of Benjamin, by the coasts thereof round about, according to their families.
20. Du côté oriental, le Jourdain formait la limite. Tel fut l`héritage des fils de Benjamin, selon leurs familles, avec ses limites de tous les côtés.
20. Ary Jordana no faritaniny atsinanana. Izany no lovan' ny taranak' i Benjamina amin' ny faritaniny manodidina araka ny fianakaviany.
21. Now the cities of the tribe of the children of Benjamin according to their families were Jericho, and Bethhoglah, and the valley of Keziz,
21. Les villes de la tribu des fils de Benjamin, selon leurs familles, étaient: Jéricho, Beth Hogla, Émek Ketsits,
21. Ary ny tanànan' ny fokon' ny taranak' i Benjamina araka ny fianakaviany dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan' i Keziza,
22. And Betharabah, and Zemaraim, and Bethel,
22. Beth Araba, Tsemaraïm, Béthel,
22. Sy Beti-arbà sy Zemaraima sy Betela,
23. And Avim, and Parah, and Ophrah,
23. Avvim, Para, Ophra,
23. Sy Avima sy Para sy Ofra,
24. And Chepharhaammonai, and Ophni, and Gaba; twelve cities with their villages:
24. "Kephar Ammonaï, Ophni et Guéba; douze villes, et leurs villages."
24. "Sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin' ny folo sy ny zana-bohiny;"
25. Gibeon, and Ramah, and Beeroth,
25. Gabaon, Rama, Beéroth,
25. Sy Gibeona sy Rama sy Berota,
26. And Mizpeh, and Chephirah, and Mozah,
26. Mitspé, Kephira, Motsa,
26. Sy Mizpa sy Kefira sy Moza,
27. And Rekem, and Irpeel, and Taralah,
27. Rékem, Jirpeel, Thareala,
27. Sy Rekema sy Iripela sy Tarala,
28. And Zelah, Eleph, and Jebusi, which is Jerusalem, Gibeath, and Kirjath; fourteen cities with their villages. This is the inheritance of the children of Benjamin according to their families.
28. "Tséla, Eleph, Jebus, qui est Jérusalem, Guibeath, et Kirjath; quatorze villes, et leurs villages. Tel fut l`héritage des fils de Benjamin, selon leurs familles."
28. Sy Zela sy Elefa sy Jebosa (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin' ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan' ny taranak' i Benjamina araka ny fianakaviany.
<
>