The LORD Commands Joshua

1. Now after the death of Moses the servant of the LORD it came to pass, that the LORD spake unto Joshua the son of Nun, Moses' minister, saying,
1. Après la mort de Moïse, serviteur de l`Éternel, l`Éternel dit à Josué, fils de Nun, serviteur de Moïse:
1. Ary taorian' ny fahafatesan' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, dia izao no niseho, Jehovah dia niteny tamin' i Josoa zanak' i Nona, mpanompon' i Mosesy nanao hoe:
2. Moses my servant is dead; now therefore arise, go over this Jordan, thou, and all this people, unto the land which I do give to them, even to the children of Israel.
2. "Moïse, mon serviteur, est mort; maintenant, lève-toi, passe ce Jourdain, toi et tout ce peuple, pour entrer dans le pays que je donne aux enfants d`Israël."
2. "Maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna ankehitriny, mità ity Jordana ity ianao sy izao olona rehetra izao ho any amin' ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak' Isiraely."
3. Every place that the sole of your foot shall tread upon, that have I given unto you, as I said unto Moses.
3. Tout lieu que foulera la plante de votre pied, je vous le donne, comme je l`ai dit à Moïse.
3. Ny tany rehetra izay hodiavin' ny tongotrareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin' i Mosesy.
4. From the wilderness and this Lebanon even unto the great river, the river Euphrates, all the land of the Hittites, and unto the great sea toward the going down of the sun, shall be your coast.
4. Vous aurez pour territoire depuis le désert et le Liban jusqu`au grand fleuve, le fleuve de l`Euphrate, tout le pays des Héthiens, et jusqu`à la grande mer vers le soleil couchant.
4. Hatramin' ny efitra sy ity Libanona ity ary hatramin' ny ony lehibe, dia ny Ony Eofrata, ny tany rehetra izay an' ny Hetita, ka hatramin' ny ranomasina lehibe any amin' ny filentehan' ny masoandro no ho taninareo.
5. There shall not any man be able to stand before thee all the days of thy life: as I was with Moses, so I will be with thee: I will not fail thee, nor forsake thee.
5. "Nul ne tiendra devant toi, tant que tu vivras. Je serai avec toi, comme j`ai été avec Moïse; je ne te délaisserai point, je ne t`abandonnerai point."
5. "Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin' ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an' i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho."
6. Be strong and of a good courage: for unto this people shalt thou divide for an inheritance the land, which I sware unto their fathers to give them.
6. Fortifie-toi et prends courage, car c`est toi qui mettras ce peuple en possession du pays que j`ai juré à leurs pères de leur donner.
6. "Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin' ny razany homena azy."
7. Only be thou strong and very courageous, that thou mayest observe to do according to all the law, which Moses my servant commanded thee: turn not from it to the right hand or to the left, that thou mayest prosper whithersoever thou goest.
7. "Fortifie-toi seulement et aie bon courage, en agissant fidèlement selon toute la loi que Moïse, mon serviteur, t`a prescrite; ne t`en détourne ni à droite ni à gauche, afin de réussir dans tout ce que tu entreprendras."
7. "Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian' i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia, mba hambinina ianao amin' izay rehetra alehanao."
8. This book of the law shall not depart out of thy mouth; but thou shalt meditate therein day and night, that thou mayest observe to do according to all that is written therein: for then thou shalt make thy way prosperous, and then thou shalt have good success.
8. "Que ce livre de la loi ne s`éloigne point de ta bouche; médite-le jour et nuit, pour agir fidèlement selon tout ce qui y est écrit; car c`est alors que tu auras du succès dans tes entreprises, c`est alors que tu réussiras."
8. "Aoka tsy hiala amin' ny vavanao ity bokin' ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman' alina, mba hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin' izany dia hambinina ny lalanao sady hahazo fahombiazana tsara ianao."
9. Have not I commanded thee? Be strong and of a good courage; be not afraid, neither be thou dismayed: for the LORD thy God is with thee whithersoever thou goest.
9. Ne t`ai-je pas donné cet ordre: Fortifie-toi et prends courage? Ne t`effraie point et ne t`épouvante point, car l`Éternel, ton Dieu, est avec toi dans tout ce que tu entreprendras.
9. "Tsy efa nandidy anao va Aho? Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin' izay rehetra alehanao."
10. Then Joshua commanded the officers of the people, saying,
10. Josué donna cet ordre aux officiers du peuple:
10. Ary Josoa nandidy ny mpifehy ny olona ka nanao hoe:
11. Pass through the host, and command the people, saying, Prepare you victuals; for within three days ye shall pass over this Jordan, to go in to possess the land, which the LORD your God giveth you to possess it.
11. Parcourez le camp, et voici ce que vous commanderez au peuple: Préparez-vous des provisions, car dans trois jours vous passerez ce Jourdain pour aller conquérir le pays dont l`Éternel, votre Dieu, vous donne la possession.
11. Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo, fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo, hiditra hahazo ny tany, izay nomen' i Jehovah Andriamanitrareo ho fanananareo.
12. And to the Reubenites, and to the Gadites, and to half the tribe of Manasseh, spake Joshua, saying,
12. Josué dit aux Rubénites, aux Gadites et à la demi-tribu de Manassé:
12. Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon' i Manase dia nilazan' i Josoa hoe:
13. Remember the word which Moses the servant of the LORD commanded you, saying, The LORD your God hath given you rest, and hath given you this land.
13. Rappelez-vous ce que vous a prescrit Moïse, serviteur de l`Éternel, quand il a dit: L`Éternel, votre Dieu, vous a accordé du repos, et vous a donné ce pays.
13. Tsarovy ny teny izay nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah Andriamanitrareo anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo nanome fitsaharana ho anareo, ka nomeny anareo ity tany ity.
14. Your wives, your little ones, and your cattle, shall remain in the land which Moses gave you on this side Jordan; but ye shall pass before your brethren armed, all the mighty men of valour, and help them;
14. "Vos femmes, vos petits enfants et vos troupeaux resteront dans le pays que vous a donné Moïse de ce côté-ci du Jourdain; mais vous tous, hommes vaillants, vous passerez en armes devant vos frères, et vous les aiderez,"
14. "Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin' ny tany izay nomen' i Mosesy anareo ety an-dafin' i Jordana; fa ianareo hita eo alohan' ny rahalahinareo voaomana hiady, dia ny lehilahy mahery sy malaza rehetra, ka hanampy azy ireo,"
15. Until the LORD have given your brethren rest, as he hath given you, and they also have possessed the land which the LORD your God giveth them: then ye shall return unto the land of your possession, and enjoy it, which Moses the LORD's servant gave you on this side Jordan toward the sunrising.
15. jusqu`à ce que l`Éternel ait accordé du repos à vos frères comme à vous, et qu`ils soient aussi en possession du pays que l`Éternel, votre Dieu, leur donne. Puis vous reviendrez prendre possession du pays qui est votre propriété, et que vous a donné Moïse, serviteur de l`Éternel, de ce côté-ci du Jourdain, vers le soleil levant.
15. "Mandra-panomen' i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny nanomezany anareo, ka mba ho azony koa ny tany izay nomen' i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin' ny tany izay fanananareo ianareo, ka hiravoravo amin' izany, dia ilay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah anareo ety an-dafin' i Jordana amin' ny fiposahan' ny masoandro."
16. And they answered Joshua, saying, All that thou commandest us we will do, and whithersoever thou sendest us, we will go.
16. Ils répondirent à Josué, en disant: Nous ferons tout ce que tu nous as ordonné, et nous irons partout où tu nous enverras.
16. "Dia namaly an' i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay."
17. According as we hearkened unto Moses in all things, so will we hearken unto thee: only the LORD thy God be with thee, as he was with Moses.
17. Nous t`obéirons entièrement, comme nous avons obéi à Moïse. Veuille seulement l`Éternel, ton Dieu, être avec toi, comme il a été avec Moïse!
17. Araka ny nihainoanay an' i Mosesy tamin' ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa, homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an' i Mosesy.
18. Whosoever he be that doth rebel against thy commandment, and will not hearken unto thy words in all that thou commandest him, he shall be put to death: only be strong and of a good courage.
18. Tout homme qui sera rebelle à ton ordre, et qui n`obéira pas à tout ce que tu lui commanderas, sera puni de mort. Fortifie-toi seulement, et prends courage!
18. "Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin' izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao."
<
>