Job

1. And Job answered and said,
1. Job prit la parole et dit:
1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2. No doubt but ye are the people, and wisdom shall die with you.
2. On dirait, en vérité, que le genre humain c`est vous, Et qu`avec vous doit mourir la sagesse.
2. Marina àry fa ianareo ihany tokoa no olombelona! ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3. But I have understanding as well as you; I am not inferior to you: yea, who knoweth not such things as these?
3. "J`ai tout aussi bien que vous de l`intelligence, moi, Je ne vous suis point inférieur; Et qui ne sait les choses que vous dites?"
3. "Kanefa mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa aho; tsy latsaka noho ianareo aho; eny, iza moa no tsy mahalala izay zavatra toy izany?"
4. I am as one mocked of his neighbour, who calleth upon God, and he answereth him: the just upright man is laughed to scorn.
4. "Je suis pour mes amis un objet de raillerie, Quand j`implore le secours de Dieu; Le juste, l`innocent, un objet de raillerie!"
4. "Izaho dia toy ny anankiray esoin'ny sakaizany, izay miantso an' Andriamanitra ka novaliany; ny olo-marina sy mahitsy dia ihomehezana hovingavingaina."
5. He that is ready to slip with his feet is as a lamp despised in the thought of him that is at ease.
5. "Au malheur le mépris! c`est la devise des heureux; A celui dont le pied chancelle est réservé le mépris."
5. Izay saiky solafaka ny tongony dia toy ny fanilo milopilopy raha araka ny hevitry ny miadana.
6. The tabernacles of robbers prosper, and they that provoke God are secure; into whose hand God bringeth abundantly.
6. Il y a paix sous la tente des pillards, Sécurité pour ceux qui offensent Dieu, Pour quiconque se fait un dieu de sa force.
6. Ambinina ny lain' ny mpandroba, ary mitoetra tsy manana ahiahy izay mampahatezitra an' Andriamanitra, dia izay ataon' Andriamanitra manam-be tokoa amin' ny tanany.
7. But ask now the beasts, and they shall teach thee; and the fowls of the air, and they shall tell thee:
7. "Interroge les bêtes, elles t`instruiront, Les oiseaux du ciel, ils te l`apprendront;"
7. "Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka, fa hanambara aminao izy;"
8. Or speak to the earth, and it shall teach thee: and the fishes of the sea shall declare unto thee.
8. "Parle à la terre, elle t`instruira; Et les poissons de la mer te le raconteront."
8. "Ary mitenena amin' ny tany fa hampianatra anao izy; ary ny hazandrano any an-dranomasina hanambara aminao."
9. Who knoweth not in all these that the hand of the LORD hath wrought this?
9. Qui ne reconnaît chez eux la preuve Que la main de l`Éternel a fait toutes choses?
9. Iza amin' ireny rehetra ireny no tsy mahalala fa ny tanan' i Jehovah no nanao izany?
10. In whose hand is the soul of every living thing, and the breath of all mankind.
10. Il tient dans sa main l`âme de tout ce qui vit, Le souffle de toute chair d`homme.
10. Izay mitana ny ain' ny zava-manan' aina rehetra sy ny fofonain' ny olombelona rehetra?
11. Doth not the ear try words? and the mouth taste his meat?
11. L`oreille ne discerne-t-elle pas les paroles, Comme le palais savoure les aliments?
11. Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny haniny?
12. With the ancient is wisdom; and in length of days understanding.
12. Dans les vieillards se trouve la sagesse, Et dans une longue vie l`intelligence.
12. Ao amin' ny zokiolona ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13. With him is wisdom and strength, he hath counsel and understanding.
13. En Dieu résident la sagesse et la puissance. Le conseil et l`intelligence lui appartiennent.
13. "Ao amin' Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana."
14. Behold, he breaketh down, and it cannot be built again: he shutteth up a man, and there can be no opening.
14. Ce qu`il renverse ne sera point rebâti, Celui qu`il enferme ne sera point délivré.
14. "Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana."
15. Behold, he withholdeth the waters, and they dry up: also he sendeth them out, and they overturn the earth.
15. "Il retient les eaux et tout se dessèche; Il les lâche, et la terre en est dévastée."
15. "Indro, manampina ny rano izy, ka dia ritra iny; ary alefany indray ka mahasimba ny tany."
16. With him is strength and wisdom: the deceived and the deceiver are his.
16. "Il possède la force et la prudence; Il maîtrise celui qui s`égare ou fait égarer les autres."
16. "Izy no manana hery sy fahendrena; azy avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka."
17. He leadeth counsellors away spoiled, and maketh the judges fools.
17. "Il emmène captifs les conseillers; Il trouble la raison des juges."
17. Tarihiny hosimbana ny mpanolo-tsaina, ary ataony very saina ny mpitsara.
18. He looseth the bond of kings, and girdeth their loins with a girdle.
18. Il délie la ceinture des rois, Il met une corde autour de leurs reins.
18. Vahany ny fatoran' ny mpanjaka, ka sikinany fehikibo ny valahany.
19. He leadeth princes away spoiled, and overthroweth the mighty.
19. "Il emmène captifs les sacrificateurs; Il fait tomber les puissants."
19. Tarihiny hosimbana ny mpanapaka, ary azerany ny mahery.
20. He removeth away the speech of the trusty, and taketh away the understanding of the aged.
20. "Il ôte la parole à ceux qui ont de l`assurance; Il prive de jugement les vieillards."
20. Manafoana ny lahatenin' ny mahatoky izy ary ny fahazavan-tsain' ny anti-panahy dia esoriny.
21. He poureth contempt upon princes, and weakeneth the strength of the mighty.
21. "Il verse le mépris sur les grands; Il relâche la ceinture des forts."
21. Mandatsaka fanamavoana amin' ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehikibon' ny matanjaka.
22. He discovereth deep things out of darkness, and bringeth out to light the shadow of death.
22. Il met à découvert ce qui est caché dans les ténèbres, Il produit à la lumière l`ombre de la mort.
22. Manala rakotra ny zavatra lalina tsy ho ao amin' ny maizina izy, ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin' ny mazava.
23. He increaseth the nations, and destroyeth them: he enlargeth the nations, and straiteneth them again.
23. "Il donne de l`accroissement aux nations, et il les anéantit; Il les étend au loin, et il les ramène dans leurs limites."
23. "Mampitombo ny firenena izy, ary mandringana azy; Manalehibe ny firenena Izy, nefa manakely azy indray."
24. He taketh away the heart of the chief of the people of the earth, and causeth them to wander in a wilderness where there is no way.
24. "Il enlève l`intelligence aux chefs des peuples, Il les fait errer dans les déserts sans chemin;"
24. "Mahavery saina ny loholona amin' ny tany Izy ary mampirenireny azy any an' efitra tsy misy lalana;"
25. They grope in the dark without light, and he maketh them to stagger like a drunken man.
25. "Ils tâtonnent dans les ténèbres, et ne voient pas clair; Il les fait errer comme des gens ivres."
25. " Mitsapatsapa amin' ny maizina tsy misy mazava izy ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy."
<
>