1. Oh that my head were waters, and mine eyes a fountain of tears, that I might weep day and night for the slain of the daughter of my people!
1. Oh! si ma tête était remplie d`eau, Si mes yeux étaient une source de larmes, Je pleurerais jour et nuit Les morts de la fille de mon peuple!
1. Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman' alina noho ny voavono amin' ny zanakavavin' ny oloko!
2. Oh that I had in the wilderness a lodging place of wayfaring men; that I might leave my people, and go from them! for they be all adulterers, an assembly of treacherous men.
2. Oh! si j`avais au désert une cabane de voyageurs, J`abandonnerais mon peuple, je m`en éloignerais! Car ce sont tous des adultères, C`est une troupe de perfides.
2. Enga anie ka hahita fitoerana any an' efitra aho tahaka ny fitoeran' ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, ary fiangonan' ny olona mpamitaka.
3. And they bend their tongues like their bow for lies: but they are not valiant for the truth upon the earth; for they proceed from evil to evil, and they know not me, saith the LORD.
3. "Ils ont la langue tendue comme un arc et lancent le mensonge; Ce n`est pas par la vérité qu`ils sont puissants dans le pays; Car ils vont de méchanceté en méchanceté, Et ils ne me connaissent pas, dit l`Éternel."
3. "Ary manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga; nefa tsy araka ny marina no mahahery azy ety ambonin' ny tany; fa mandroso amin' ny ratsy ho amin' ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah."
4. Take ye heed every one of his neighbour, and trust ye not in any brother: for every brother will utterly supplant, and every neighbour will walk with slanders.
4. "Que chacun se tienne en garde contre son ami, Et qu`on ne se fie à aucun de ses frères; Car tout frère cherche à tromper, Et tout ami répand des calomnies."
4. Samia miaro tena amin' ny namany avy ianareo, ary aza matoky na dia ny rahalahy aza, fa ny rahalahy rehetra dia hamingana tokoa, ary ny namana rehetra handehandeha hanaratsy.
5. And they will deceive every one his neighbour, and will not speak the truth: they have taught their tongue to speak lies, and weary themselves to commit iniquity.
5. "Ils se jouent les uns des autres, Et ne disent point la vérité; Ils exercent leur langue à mentir, Ils s`étudient à faire le mal."
5. Izy rehetra samy hamitaka ny namany avy ka tsy hisy hiteny marina, nampianatra ny lelany handainga izy ary nanasa-tena amin' ny fanaovan-dratsy.
6. Thine habitation is in the midst of deceit; through deceit they refuse to know me, saith the LORD.
6. "Ta demeure est au sein de la fausseté; C`est par fausseté qu`ils refusent de me connaître, Dit l`Éternel."
6. "Ny fonenanao dia ao afovoan' ny fitaka; fitaka no handavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah."
7. Therefore thus saith the LORD of hosts, Behold, I will melt them, and try them; for how shall I do for the daughter of my people?
7. C`est pourquoi ainsi parle l`Éternel des armées: Voici je les sonderai, je les éprouverai. Car comment agir à l`égard de la fille de mon peuple?
7. "Koa izao no lazain' i Jehovah Tompon' ny maro: indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; fa ahoana no hataoko ho an' ny zanakavavin' ny oloko?"
8. Their tongue is as an arrow shot out; it speaketh deceit: one speaketh peaceably to his neighbour with his mouth, but in heart he layeth his wait.
8. "Leur langue est un trait meurtrier, Ils ne disent que des mensonges; De la bouche ils parlent de paix à leur prochain, Et au fond du coeur ils lui dressent des pièges."
8. "Toy ny zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; raha amin' ny vavany, dia miteny fihavanana amin' ny namany izy, kanjo ao am-po kosa dia mamela-pandrika izy."
9. Shall I not visit them for these things? saith the LORD: shall not my soul be avenged on such a nation as this?
9. Ne les châtierais-je pas pour ces choses-là, dit l`Éternel, Ne me vengerais-je pas d`une pareille nation?
9. "Tsy hovaliako va izy amin' izany zavatra izany? hoy Jehovah; tsy hialako fo va ny firenena toy izany?"
10. For the mountains will I take up a weeping and wailing, and for the habitations of the wilderness a lamentation, because they are burned up, so that none can pass through them; neither can men hear the voice of the cattle; both the fowl of the heavens and the beast are fled; they are gone.
10. "Sur les montagnes je veux pleurer et gémir, Sur les plaines du désert je prononce une complainte; Car elles sont brûlées, personne n`y passe, On n`y entend plus la voix des troupeaux; Les oiseaux du ciel et les bêtes ont pris la fuite, ont disparu. -"
10. "Noho ny amin' ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradradrako, ary noho ny amin' ny kijana any an' efitra no hanaovako hira fahalahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy mandre ny fimàmàn' ny omby; na ny voro-manidina eny amin' ny lanitra na ny biby dia samy lasa avokoa."
11. And I will make Jerusalem heaps, and a den of dragons; and I will make the cities of Judah desolate, without an inhabitant.
11. Je ferai de Jérusalem un monceau de ruines, un repaire de chacals, Et je réduirai les villes de Juda en un désert sans habitants. -
11. "Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan' ny dragona; ary hataoko lao tsy misy mponina ny tanànan' ny Joda."
12. Who is the wise man, that may understand this? and who is he to whom the mouth of the LORD hath spoken, that he may declare it, for what the land perisheth and is burned up like a wilderness, that none passeth through?
12. Où est l`homme sage qui comprenne ces choses? Qu`il le dise, celui à qui la bouche de l`Éternel a parlé! Pourquoi le pays est-il détruit, Brûlé comme un désert où personne ne passe?
12. Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, ary iza no efa nitenenan' ny vavan' i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no rava ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
13. And the LORD saith, Because they have forsaken my law which I set before them, and have not obeyed my voice, neither walked therein;
13. "L`Éternel dit: C`est parce qu`ils ont abandonné ma loi, Que j`avais mise devant eux; Parce qu`ils n`ont point écouté ma voix, Et qu`ils ne l`ont point suivie;"
13. Ary hoy Jehovah: Satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy, ka tsy nankatò ny feoko, na nandeha tamin' izany,
14. But have walked after the imagination of their own heart, and after Baalim, which their fathers taught them:
14. Parce qu`ils ont suivi les penchants de leur coeur, Et qu`ils sont allés après les Baals, Comme leurs pères le leur ont appris.
14. "Fa nandeha araka ny fisainan' ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin' ny razany azy;"
15. Therefore thus saith the LORD of hosts, the God of Israel; Behold, I will feed them, even this people, with wormwood, and give them water of gall to drink.
15. C`est pourquoi ainsi parle l`Éternel des armées, le Dieu d`Israël: Voici, je vais nourrir ce peuple d`absinthe, Et je lui ferai boire des eaux empoisonnées.
15. Noho izany dia izao no lazain' i Jehovah Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy homeko ranon' afero izy hosotroiny.
16. I will scatter them also among the heathen, whom neither they nor their fathers have known: and I will send a sword after them, till I have consumed them.
16. Je les disperserai parmi des nations Que n`ont connues ni eux ni leurs pères, Et j`enverrai derrière eux l`épée, Jusqu`à ce que je les aie exterminés.
16. "Ary haeliko any amin' ny jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy."
17. Thus saith the LORD of hosts, Consider ye, and call for the mourning women, that they may come; and send for cunning women, that they may come:
17. Ainsi parle l`Éternel des armées: Cherchez, appelez les pleureuses, et qu`elles viennent! Envoyez vers les femmes habiles, et qu`elles viennent!
17. "Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ny vehivavy mpanao hiram-pisaonana mba ho avy; ary ampanalao ny vehivavy mahay mba ho tonga;"
18. And let them make haste, and take up a wailing for us, that our eyes may run down with tears, and our eyelids gush out with waters.
18. Qu`elles se hâtent de dire sur nous une complainte! Et que les larmes tombent de nos yeux, Que l`eau coule de nos paupières!
18. Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika mba hampijoy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin' ny hodimasontsika.
19. For a voice of wailing is heard out of Zion, How are we spoiled! we are greatly confounded, because we have forsaken the land, because our dwellings have cast us out.
19. Car des cris lamentables se font entendre de Sion: Eh quoi! nous sommes détruits! Nous sommes couverts de honte! Il nous faut abandonner le pays! On a renversé nos demeures! -
19. Fa misy feo midradradradra re avy any Ziona hoe: Indrisy, rava isika! afa-baràka indrindra isika, satria efa namoy ny tany isika, satria efa narian' ny trano itoerantsika isika.
20. Yet hear the word of the LORD, O ye women, and let your ear receive the word of his mouth, and teach your daughters wailing, and every one her neighbour lamentation.
20. Femmes, écoutez la parole de l`Éternel, Et que votre oreille saisisse ce que dit sa bouche! Apprenez à vos filles des chants lugubres, Enseignez-vous des complaintes les unes aux autres!
20. Nefa mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin' ny sofinareo ny tenin' ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
21. For death is come up into our windows, and is entered into our palaces, to cut off the children from without, and the young men from the streets.
21. "Car la mort est montée par nos fenêtres, Elle a pénétré dans nos palais; Elle extermine les enfants dans la rue, Les jeunes gens sur les places."
21. Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovolahy tsy ho eny an-kalalahana.
22. Speak, Thus saith the LORD, Even the carcases of men shall fall as dung upon the open field, and as the handful after the harvestman, and none shall gather them.
22. Dis: Ainsi parle l`Éternel: Les cadavres des hommes tomberont Comme du fumier sur les champs, Comme tombe derrière le moissonneur une gerbe Que personne ne ramasse.
22. Ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin' ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara eny an-tanan' ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
23. Thus saith the LORD, Let not the wise man glory in his wisdom, neither let the mighty man glory in his might, let not the rich man glory in his riches:
23. Ainsi parle l`Éternel: Que le sage ne se glorifie pas de sa sagesse, Que le fort ne se glorifie pas de sa force, Que le riche ne se glorifie pas de sa richesse.
23. "Izao no lazain' i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin' ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin' ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin' ny hareny;"
24. But let him that glorieth glory in this, that he understandeth and knoweth me, that I am the LORD which exercise lovingkindness, judgment, and righteousness, in the earth: for in these things I delight, saith the LORD.
24. "Mais que celui qui veut se glorifier se glorifie D`avoir de l`intelligence et de me connaître, De savoir que je suis l`Éternel, Qui exerce la bonté, le droit et la justice sur la terre; Car c`est à cela que je prends plaisir, dit l`Éternel."
24. "Fa izay te-hirehareha, dia aoka hirehareha ny amin' izao: dia ny fahalalany sy ny fahafantarana ahy, fa Izaho Jehovah no manao fiantrana, sy manao fitsarana sy fahamarinana ety ambonin' ny tany; fa izany zavatra izany no sitrako, hoy Jehovah."
25. Behold, the days come, saith the LORD, that I will punish all them which are circumcised with the uncircumcised;
25. Voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où je châtierai tous les circoncis qui ne le sont pas de coeur,
25. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaizako ny voafora rehetra mbamin' ny tsy voafora.
26. Egypt, and Judah, and Edom, and the children of Ammon, and Moab, and all that are in the utmost corners, that dwell in the wilderness: for all these nations are uncircumcised, and all the house of Israel are uncircumcised in the heart.
26. "L`Égypte, Juda, Édom, les enfants d`Ammon, Moab, Tous ceux qui se rasent les coins de la barbe, Ceux qui habitent dans le désert; Car toutes les nations sont incirconcises, Et toute la maison d`Israël a le coeur incirconcis."
26. "Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak' i Amona ary Moaba mbamin' izay any amin' ny sisin-tany indrindra izay monina any an' efitra; fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora, ary ny taranak' Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo."
<
>