God and Idols

1. Hear ye the word which the LORD speaketh unto you, O house of Israel:
1. Écoutez la parole que l`Éternel vous adresse, Maison d`Israël!
1. Henoy ny teny izay lazain' i Jehovah aminareo, ry taranak' isiraely!
2. Thus saith the LORD, Learn not the way of the heathen, and be not dismayed at the signs of heaven; for the heathen are dismayed at them.
2. Ainsi parle l`Éternel: N`imitez pas la voie des nations, Et ne craignez pas les signes du ciel, Parce que les nations les craignent.
2. "Izao no lazain' i Jehovah: Aza mianatra ny fomban' ny jentilisa; ary aza mivadi-po amin' ny famantarana eny amin' ny lanitra; fa ny jentilisa no mivadi-po amin' izany."
3. For the customs of the people are vain: for one cutteth a tree out of the forest, the work of the hands of the workman, with the axe.
3. "Car les coutumes des peuples ne sont que vanité. On coupe le bois dans la forêt; La main de l`ouvrier le travaille avec la hache;"
3. "Fa ny fanaon' ny firenena dia zava-poana; misy mikapa hazo avy any an' ala, dia asan-tanan' ny mpiasa amin' ny famaky."
4. They deck it with silver and with gold; they fasten it with nails and with hammers, that it move not.
4. On l`embellit avec de l`argent et de l`or, On le fixe avec des clous et des marteaux, Pour qu`il ne branle pas.
4. Volafotsy sy volamena no andravahany azy, ary fantsika sy tantanana no amehezany tsy hampihetsika azy.
5. They are upright as the palm tree, but speak not: they must needs be borne, because they cannot go. Be not afraid of them; for they cannot do evil, neither also is it in them to do good.
5. "Ces dieux sont comme une colonne massive, et ils ne parlent point; On les porte, parce qu`ils ne peuvent marcher. Ne les craignez pas, car ils ne sauraient faire aucun mal, Et ils sont incapables de faire du bien."
5. "Mahitsy toy ny hazo palma izy fa tsy miteny; mila entina izy satria tsy afa-mandeha. Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa."
6. Forasmuch as there is none like unto thee, O LORD; thou art great, and thy name is great in might.
6. Nul n`est semblable à toi, ô Éternel! Tu es grand, et ton nom est grand par ta puissance.
6. "Noho izany, tsy misy tokoa izay tahaka Anao Jehovah ô; lehibe ianao, ary lehibe amin' ny hery ny anaranao."
7. Who would not fear thee, O King of nations? for to thee doth it appertain: forasmuch as among all the wise men of the nations, and in all their kingdoms, there is none like unto thee.
7. "Qui ne te craindrait, roi des nations? C`est à toi que la crainte est due; Car, parmi tous les sages des nations et dans tous leurs royaumes, Nul n`est semblable à toi."
7. Iza no tsy hatahotra Anao, ry mpanjakan' ny firenena? Fa Ianao no iendrehan' izany, fa amin' ny hendry rehetra amin' ny firenena, sy amin' ny fanjakana rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
8. But they are altogether brutish and foolish: the stock is a doctrine of vanities.
8. "Tous ensemble, ils sont stupides et insensés; Leur science n`est que vanité, c`est du bois!"
8. "Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; ny tapa-kazo dia foto-pampianaram-poana."
9. Silver spread into plates is brought from Tarshish, and gold from Uphaz, the work of the workman, and of the hands of the founder: blue and purple is their clothing: they are all the work of cunning men.
9. "On apporte de Tarsis des lames d`argent, et d`Uphaz de l`or, L`ouvrier et la main de l`orfèvre les mettent en oeuvre; Les vêtements de ces dieux sont d`étoffes teintes en bleu et en pourpre, Tous sont l`ouvrage d`habiles artisans."
9. "Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza izany, asan-tanan' ny mpiasa sy ny mpandrendrika volamena; lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; asan' ny mahay zavatra izy rehetra."
10. But the LORD is the true God, he is the living God, and an everlasting king: at his wrath the earth shall tremble, and the nations shall not be able to abide his indignation.
10. "Mais l`Éternel est Dieu en vérité, Il est un Dieu vivant et un roi éternel; La terre tremble devant sa colère, Et les nations ne supportent pas sa fureur."
10. Fa Jehovah no Andriamanitra marina, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, hangovitra ny tany amin' ny fahatezerany, ka tsy ho tantin' ny firenena ny fahavinirany.
11. Thus shall ye say unto them, The gods that have not made the heavens and the earth, even they shall perish from the earth, and from under these heavens.
11. Vous leur parlerez ainsi: Les dieux qui n`ont point fait les cieux et la terre Disparaîtront de la terre et de dessous les cieux.
11. Izao no holazainareo amin' ireny: ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin' ny tany na ho ambanin' ireto lanitra ireto.
12. He hath made the earth by his power, he hath established the world by his wisdom, and hath stretched out the heavens by his discretion.
12. Il a créé la terre par sa puissance, Il a fondé le monde par sa sagesse, Il a étendu les cieux par son intelligence.
12. Izy no nanao ny tany tamin' ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin' ny fahendreny, ary namelatra ireo lanitra tamin' ny fisainany.
13. When he uttereth his voice, there is a multitude of waters in the heavens, and he causeth the vapours to ascend from the ends of the earth; he maketh lightnings with rain, and bringeth forth the wind out of his treasures.
13. "A sa voix, les eaux mugissent dans les cieux; Il fait monter les nuages des extrémités de la terre, Il produit les éclairs et la pluie, Il tire le vent de ses trésors."
13. "Raha mamoaka ny feony Izy dia mirohondrohona ny rano any an-danitra, ary mampiakatra entona avy any amin' ny faran' ny tany Izy; manao ny helatra ho amin' ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin' ny firaketany."
14. Every man is brutish in his knowledge: every founder is confounded by the graven image: for his molten image is falsehood, and there is no breath in them.
14. "Tout homme devient stupide par sa science, Tout orfèvre est honteux de son image taillée; Car ses idoles ne sont que mensonge, Il n`y a point en elles de souffle,"
14. "Efa ketrina avokoa ny olona rehetra amin' ny fahalalany; menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpandrendrika rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra an' idiny, sady tsy misy fofon' aina ao aminy."
15. They are vanity, and the work of errors: in the time of their visitation they shall perish.
15. "Elles sont une chose de néant, une oeuvre de tromperie; Elles périront, quand viendra le châtiment."
15. "Zava-poana izy ireny ary asan' ny fahadisoana; amin' ny andro hamaliana azy dia ho levona izy."
16. The portion of Jacob is not like them: for he is the former of all things; and Israel is the rod of his inheritance: The LORD of hosts is his name.
16. "Celui qui est la part de Jacob n`est pas comme elles; Car c`est lui qui a tout formé, Et Israël est la tribu de son héritage. L`Éternel des armées est son nom."
16. "Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran' i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Isiraely no Tehin' ny lovany, Jehovah, Tompon' ny maro, no anarany."
17. Gather up thy wares out of the land, O inhabitant of the fortress.
17. Emporte du pays ce qui t`appartient, Toi qui es assise dans la détresse!
17. Angony ny korontan' entanao ka ento miala amin' ny tany, ry mponina ao amin' ny fiarovana mafy!
18. For thus saith the LORD, Behold, I will sling out the inhabitants of the land at this once, and will distress them, that they may find it so.
18. "Car ainsi parle l`Éternel: Voici, cette fois je vais lancer au loin les habitants du pays; Je vais les serrer de près, afin qu`on les atteigne. -"
18. Fa izao no lazain' i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton' antsamotady ny mponina amin' ny tany, ary hampahoriako izy mba ho hitany izany.
19. Woe is me for my hurt! my wound is grievous: but I said, Truly this is a grief, and I must bear it.
19. Malheur à moi! je suis brisée! Ma plaie est douloureuse! Mais je dis: C`est une calamité qui m`arrive, Je la supporterai!
19. "Loza ho ahy noho ny ratrako! Maharary ny feriko; nefa hoy aho: Fahoriana tokoa izao, nefa tsy maintsy zakaiko."
20. My tabernacle is spoiled, and all my cords are broken: my children are gone forth of me, and they are not: there is none to stretch forth my tent any more, and to set up my curtains.
20. "Ma tente est détruite, Tous mes cordages sont rompus; Mes fils m`ont quittée, ils ne sont plus; Je n`ai personne qui dresse de nouveau ma tente, Qui relève mes pavillons. -"
20. "Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; lasa tsy ho eo amiko ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko."
21. For the pastors are become brutish, and have not sought the LORD: therefore they shall not prosper, and all their flocks shall be scattered.
21. "Les bergers ont été stupides, Ils n`ont pas cherché l`Éternel; C`est pour cela qu`ils n`ont point prospéré, Et que tous leurs troupeaux se dispersent."
21. Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy nitady an' i Jehovah, izany no tsy hanambinana azy, sady hiely ny ondry aman' osiny rehetra.
22. Behold, the noise of the bruit is come, and a great commotion out of the north country, to make the cities of Judah desolate, and a den of dragons.
22. "Voici, une rumeur se fait entendre; C`est un grand tumulte qui vient du septentrion, Pour réduire les villes de Juda en un désert, En un repaire de chacals. -"
22. Indro, tamy ny feon' ny siosion-teny amin' ny fihorakorahana be avy amin' ny tany avaratra, mba hahatonga ny tanànan' ny Joda ho lao sy ho lavaky ny dragona.

Jeremiah's Prayer

23. O LORD, I know that the way of man is not in himself: it is not in man that walketh to direct his steps.
23. "Je le sais, ô Éternel! La voie de l`homme n`est pas en son pouvoir; Ce n`est pas à l`homme, quand il marche, A diriger ses pas."
23. Jehovah ô, fantatro fa tsy an' ny olombelona ny lalan-kalehany, na an' ny mpandeha ny fitarihana ny diany.
24. O LORD, correct me, but with judgment; not in thine anger, lest thou bring me to nothing.
24. Châtie-moi, ô Éternel! mais avec équité, Et non dans ta colère, de peur que tu ne m`anéantisses.
24. "Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny rariny; fa tsy amin' ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho."
25. Pour out thy fury upon the heathen that know thee not, and upon the families that call not on thy name: for they have eaten up Jacob, and devoured him, and consumed him, and have made his habitation desolate.
25. Répands ta fureur sur les nations qui ne te connaissent pas, Et sur les peuples qui n`invoquent pas ton nom! Car ils dévorent Jacob, ils le dévorent, ils le consument, Ils ravagent sa demeure.
25. "Aidino amin' ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin' ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa efa nihinana an' i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany."
<
>