1. If thou wilt return, O Israel, saith the LORD, return unto me: and if thou wilt put away thine abominations out of my sight, then shalt thou not remove.
1. Israël, si tu reviens, si tu reviens à moi, dit l`Éternel, Si tu ôtes tes abominations de devant moi, Tu ne seras plus errant.
1. "Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia miverena amiko; ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia handry fahizay."
2. And thou shalt swear, The LORD liveth, in truth, in judgment, and in righteousness; and the nations shall bless themselves in him, and in him shall they glory.
2. Si tu jures: L`Éternel est vivant! Avec vérité, avec droiture et avec justice, Alors les nations seront bénies en lui, Et se glorifieront en lui.
2. "Ary hianiana ianao hoe: Velona Jehovah, amin' ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana; dia Izy no holazain' ny firenena ho fahasambarany ary Izy no ho voninahiny."
3. For thus saith the LORD to the men of Judah and Jerusalem, Break up your fallow ground, and sow not among thorns.
3. Car ainsi parle l`Éternel aux hommes de Juda et de Jérusalem: Défrichez-vous un champ nouveau, Et ne semez pas parmi les épines.
3. Fa izao no lazain' i Jehovah amin' ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin' ny tsilo.
4. Circumcise yourselves to the LORD, and take away the foreskins of your heart, ye men of Judah and inhabitants of Jerusalem: lest my fury come forth like fire, and burn that none can quench it, because of the evil of your doings.
4. Circoncisez-vous pour l`Éternel, circoncisez vos coeurs, Hommes de Juda et habitants de Jérusalem, De peur que ma colère n`éclate comme un feu, Et ne s`enflamme, sans qu`on puisse l`éteindre, A cause de la méchanceté de vos actions.
4. "Miforà ho an' i Jehovah ianareo, ary forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema; fandrao hiseho toy ny afo ny fahavinirako ka hirehitra sady tsy hisy hamono azy noho ny faharatsian' ny ataonareo,"

Disaster From the North

5. Declare ye in Judah, and publish in Jerusalem; and say, Blow ye the trumpet in the land: cry, gather together, and say, Assemble yourselves, and let us go into the defenced cities.
5. Annoncez en Juda, publiez à Jérusalem, Et dites: Sonnez de la trompette dans le pays! Criez à pleine voix, et dites: Rassemblez-vous, et allons dans les villes fortes!
5. "Ambaraonareo ao amin' ny Joda, ary torio ao Jerosalema ka ataovy hoe: Tsofy ao amin' ny tany ny anjomara; miantsoantsoa, miangòna ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin' ny tanàna mimanda."
6. Set up the standard toward Zion: retire, stay not: for I will bring evil from the north, and a great destruction.
6. Élevez une bannière vers Sion, Fuyez, ne vous arrêtez pas! Car je fais venir du septentrion le malheur Et un grand désastre.
6. "Manangàna faneva manandrify an' i Ziona; mandosira faingana, aza mijanona, fa hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra Aho."
7. The lion is come up from his thicket, and the destroyer of the Gentiles is on his way; he is gone forth from his place to make thy land desolate; and thy cities shall be laid waste, without an inhabitant.
7. "Le lion s`élance de son taillis, Le destructeur des nations est en marche, il a quitté son lieu, Pour ravager ton pays; Tes villes seront ruinées, il n`y aura plus d`habitants."
7. Miakatra avy ao anaty kirihitrala milobolobony ny liona, ary ilay mpanimba ny Jentilisa dia efa an-dalana, efa mivoaka avy amin' ny fitoerany hahafoana ny taninao izy, ary hahalao ny tanànanao ka tsy hisy mponina.
8. For this gird you with sackcloth, lament and howl: for the fierce anger of the LORD is not turned back from us.
8. "C`est pourquoi couvrez-vous de sacs, pleurez et gémissez; Car la colère ardente de l`Éternel ne se détourne pas de nous."
8. "Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; fa ny firehetan' ny fahatezeran' i Jehovah tsy afaka amintsika."
9. And it shall come to pass at that day, saith the LORD, that the heart of the king shall perish, and the heart of the princes; and the priests shall be astonished, and the prophets shall wonder.
9. En ce jour-là, dit l`Éternel, Le roi et les chefs perdront courage, Les sacrificateurs seront étonnés, Et les prophètes stupéfaits.
9. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hoy Jehovah, hivadi-po ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona sy ho gaga ny mpaminany.
10. Then said I, Ah, Lord GOD! surely thou hast greatly deceived this people and Jerusalem, saying, Ye shall have peace; whereas the sword reacheth unto the soul.
10. Je dis: Ah! Seigneur Éternel! Tu as donc trompé ce peuple et Jérusalem, en disant: Vous aurez la paix! Et cependant l`épée menace leur vie.
10. "Dia hoy aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin' ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; kanjo mihatra amin' ny fanahy ny sabatra."
11. At that time shall it be said to this people and to Jerusalem, A dry wind of the high places in the wilderness toward the daughter of my people, not to fan, nor to cleanse,
11. En ce temps-là, il sera dit à ce peuple et à Jérusalem: Un vent brûlant souffle des lieux élevés du désert Sur le chemin de la fille de mon peuple, Non pour vanner ni pour nettoyer le grain.
11. Amin' izany andro izany dia holazaina amin' ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-maina avy amin' ny toerana avo any an' efitra hankamin' ny zanakavavin' ny oloko, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
12. Even a full wind from those places shall come unto me: now also will I give sentence against them.
12. C`est un vent impétueux qui vient de là jusqu`à moi. Maintenant, je prononcerai leur sentence.
12. "Dia ho tonga aty amiko ny rivotra mahery avy amin' ireny toerana ireny; ary ankehitriny izaho kosa hanambara ny fitsarana azy."
13. Behold, he shall come up as clouds, and his chariots shall be as a whirlwind: his horses are swifter than eagles. Woe unto us! for we are spoiled.
13. "Voici, le destructeur s`avance comme les nuées; Ses chars sont comme un tourbillon, Ses chevaux sont plus légers que les aigles. -Malheur à nous, car nous sommes détruits! -"
13. "Indro, ho avy toy ny rahona izy, ary ho tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; loza ho antsika! fa lany ringana isika."
14. O Jerusalem, wash thine heart from wickedness, that thou mayest be saved. How long shall thy vain thoughts lodge within thee?
14. Purifie ton coeur du mal, Jérusalem, Afin que tu sois sauvée! Jusques à quand garderas-tu dans ton coeur tes pensées iniques?
14. Ry Jerosalema ô, sasao ny fonao ho afaka amin' ny faharatsiana, mba hovonjena ianao. Mandra-pahoviana no hitoeran' ny hevi-poananao ao aminao?
15. For a voice declareth from Dan, and publisheth affliction from mount Ephraim.
15. Car une voix qui part de Dan annonce la calamité, Elle la publie depuis la montagne d`Éphraïm.
15. Fa misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy any an-tendrombohitr' i Efraima.
16. Make ye mention to the nations; behold, publish against Jerusalem, that watchers come from a far country, and give out their voice against the cities of Judah.
16. "Dites-le aux nations, faites-le connaître à Jérusalem: Des assiégeants viennent d`une terre lointaine; Ils poussent des cris contre les villes de Juda."
16. Lazaonareo amin' ny firenena, indro aelezo manandrify an' i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan' ny Joda.
17. As keepers of a field, are they against her round about; because she hath been rebellious against me, saith the LORD.
17. Comme ceux qui gardent un champ, ils entourent Jérusalem, Car elle s`est révoltée contre moi, dit l`Éternel.
17. Manodidina azy toy ny fanaon' ny mpiandry saha ireo, satria efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
18. Thy way and thy doings have procured these things unto thee; this is thy wickedness, because it is bitter, because it reacheth unto thine heart.
18. "C`est là le produit de tes voies et de tes actions, C`est là le produit de ta méchanceté; Certes cela est amer, cela pénètre jusqu`à ton coeur."
18. "Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin' ny fonao."
19. My bowels, my bowels! I am pained at my very heart; my heart maketh a noise in me; I cannot hold my peace, because thou hast heard, O my soul, the sound of the trumpet, the alarm of war.
19. "Mes entrailles! mes entrailles: je souffre au dedans de mon coeur, Le coeur me bat, je ne puis me taire; Car tu entends, mon âme, le son de la trompette, Le cri de guerre."
19. "Endrey ny kiboko! Endrey ny kiboko! Manaintaina mafy ny foko; mitoloko ato anatiko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; fa ny feon' anjomara sy ny akoran' ady dia renao, ry fanahiko."
20. Destruction upon destruction is cried; for the whole land is spoiled: suddenly are my tents spoiled, and my curtains in a moment.
20. "On annonce ruine sur ruine, Car tout le pays est ravagé; Mes tentes sont ravagées tout à coup, Mes pavillons en un instant."
20. "Fandravana mifanontona no ambara, fa rava ny tany rehetra; rava tampoka ny laiko, eny rava indray mipì-maso monja ny ambain-daiko."
21. How long shall I see the standard, and hear the sound of the trumpet?
21. Jusques à quand verrai-je la bannière, Et entendrai-je le son de la trompette? -
21. Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon' anjomara?
22. For my people is foolish, they have not known me; they are sottish children, and they have none understanding: they are wise to do evil, but to do good they have no knowledge.
22. "Certainement mon peuple est fou, il ne me connaît pas; Ce sont des enfants insensés, dépourvus d`intelligence; Ils sont habiles pour faire le mal, Mais ils ne savent pas faire le bien. -"
22. "Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; raha ny hanao ratsy, marani-tsaina izy; fa ny hanao soa kosa tsy fantany."
23. I beheld the earth, and, lo, it was without form, and void; and the heavens, and they had no light.
23. "Je regarde la terre, et voici, elle est informe et vide; Les cieux, et leur lumière a disparu."
23. "Nojereko ny tany, ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka indro, tsy nanam-pahazavana izy;"
24. I beheld the mountains, and, lo, they trembled, and all the hills moved lightly.
24. "Je regarde les montagnes, et voici, elles sont ébranlées; Et toutes les collines chancellent."
24. "Nojereko ny tendrombohitra, ka indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;"
25. I beheld, and, lo, there was no man, and all the birds of the heavens were fled.
25. "Je regarde, et voici, il n`y a point d`homme; Et tous les oiseaux des cieux ont pris la fuite."
25. "Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina eny amin' ny lanitra rehetra efa nandositra;"
26. I beheld, and, lo, the fruitful place was a wilderness, and all the cities thereof were broken down at the presence of the LORD, and by his fierce anger.
26. "Je regarde, et voici, le Carmel est un désert; Et toutes ses villes sont détruites, devant l`Éternel, Devant son ardente colère."
26. Nojereko, ka indro, ny saha mahavokatra efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan' i Jehovah, dia teo anoloan' ny firehetan' ny fahatezerany.
27. For thus hath the LORD said, The whole land shall be desolate; yet will I not make a full end.
27. "Car ainsi parle l`Éternel: Tout le pays sera dévasté; Mais je ne ferai pas une entière destruction."
27. Fa izao no lazain' i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
28. For this shall the earth mourn, and the heavens above be black: because I have spoken it, I have purposed it, and will not repent, neither will I turn back from it.
28. "A cause de cela, le pays est en deuil, Et les cieux en haut sont obscurcis; Car je l`ai dit, je l`ai résolu, Et je ne m`en repens pas, je ne me rétracterai pas."
28. Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29. The whole city shall flee for the noise of the horsemen and bowmen; they shall go into thickets, and climb up upon the rocks: every city shall be forsaken, and not a man dwell therein.
29. "Au bruit des cavaliers et des archers, toutes les villes sont en fuite; On entre dans les bois, on monte sur les rochers; Toutes les villes sont abandonnées, il n`y a plus d`habitants."
29. "Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka, dia handositra ny tanàna manontolo; handositra any amin' ny kirihitrala lobolobo sy hananika ny vatolampy izy; ho lao ny tanàna rehetra, ka tsy hisy mponina intsony ao."
30. And when thou art spoiled, what wilt thou do? Though thou clothest thyself with crimson, though thou deckest thee with ornaments of gold, though thou rentest thy face with painting, in vain shalt thou make thyself fair; thy lovers will despise thee, they will seek thy life.
30. "Et toi, dévastée, que vas-tu faire? Tu te revêtiras de cramoisi, tu te pareras d`ornements d`or, Tu mettras du fard à tes yeux; Mais c`est en vain que tu t`embelliras; Tes amants te méprisent, Ils en veulent à ta vie."
30. "Ary rehefa rava ianao, inona no hataonao? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia mitentina aza ny tarehinao, dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao no hotadiaviny."
31. For I have heard a voice as of a woman in travail, and the anguish as of her that bringeth forth her first child, the voice of the daughter of Zion, that bewaileth herself, that spreadeth her hands, saying, Woe is me now! for my soul is wearied because of murderers.
31. "Car j`entends des cris comme ceux d`une femme en travail, Des cris d`angoisse comme dans un premier enfantement. C`est la voix de la fille de Sion; elle soupire, elle étend les mains: Malheureuse que je suis! je succombe sous les meurtriers!"
31. Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon' ny zanakavavin' i Ziona, izay misefosefo sady mamelatra ny tanany ka manao hoe: Lozako! fa reraka ny aiko azon' ireo mpamono olona.
<
>