Jeremiah Threatened With Death
1. In the beginning of the reign of Jehoiakim the son of Josiah king of Judah came this word from the LORD, saying,
1. Au commencement du règne de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, cette parole fut prononcée de la part de l`Éternel, en ces mots:
1. Tamin' ny niandohan' ny nanjakan' i Joiakima, zanak' i Josia, mpanjakan' ny Joda, no nahatongavan' izao teny izao avy tamin' i Jehovah nanao hoe:
2. Thus saith the LORD; Stand in the court of the LORD's house, and speak unto all the cities of Judah, which come to worship in the LORD's house, all the words that I command thee to speak unto them; diminish not a word:
2. "Ainsi parle l`Éternel: Tiens-toi dans le parvis de la maison de l`Éternel, et dis à ceux qui de toutes les villes de Juda viennent se prosterner dans la maison de l`Éternel toutes les paroles que je t`ordonne de leur dire; n`en retranche pas un mot."
2. Izao no lazain' i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan' ny tranon' i Jehovah, ka lazao amin' ny tanànan' ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon' i Jehovah, ny teny rehetra nandidiako anao hambara aminy ary aza hanalana na dia teny iray aza.
3. If so be they will hearken, and turn every man from his evil way, that I may repent me of the evil, which I purpose to do unto them because of the evil of their doings.
3. "Peut-être écouteront-ils, et reviendront-ils chacun de leur mauvaise voie; alors je me repentirai du mal que j`avais pensé leur faire à cause de la méchanceté de leurs actions."
3. Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin' ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian' ny ataony.
4. And thou shalt say unto them, Thus saith the LORD; If ye will not hearken to me, to walk in my law, which I have set before you,
4. Tu leur diras: Ainsi parle l`Éternel: Si vous ne m`écoutez pas quand je vous ordonne de suivre ma loi que j`ai mise devant vous,
4. Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
5. To hearken to the words of my servants the prophets, whom I sent unto you, both rising up early, and sending them, but ye have not hearkened;
5. d`écouter les paroles de mes serviteurs, les prophètes, que je vous envoie, que je vous ai envoyés dès le matin, et que vous n`avez pas écoutés,
5. Hihaino ny tenin' ny mpaminany mpanompoko izay nirahiko taminareo, sady nifoha maraina koa Aho no naniraka, nefa tsy nihaino ianareo,
6. Then will I make this house like Shiloh, and will make this city a curse to all the nations of the earth.
6. alors je traiterai cette maison comme Silo, et je ferai de cette ville un objet de malédiction pour toutes les nations de la terre.
6. Dia hataoko tahaka an' i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an' ny firenena rehetra ambonin' ny tany ity tanàna ity.
7. So the priests and the prophets and all the people heard Jeremiah speaking these words in the house of the LORD.
7. Les sacrificateurs, les prophètes, et tout le peuple, entendirent Jérémie prononcer ces paroles dans la maison de l`Éternel.
7. Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin' ny vahoaka rehetra dia nandre an' i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon' i Jehovah.
8. Now it came to pass, when Jeremiah had made an end of speaking all that the LORD had commanded him to speak unto all the people, that the priests and the prophets and all the people took him, saying, Thou shalt surely die.
8. Et comme Jérémie achevait de dire tout ce que l`Éternel lui avait ordonné de dire à tout le peuple, les sacrificateurs, les prophètes, et tout le peuple, se saisirent de lui, en disant: Tu mourras!
8. Koa izao no niseho, nony efa tapitra voalazan' i Jeremia izay rehetra nandidian' i Jehovah holazaina tamin' ny vahoaka rehetra dia nosamborin' ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin' ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
9. Why hast thou prophesied in the name of the LORD, saying, This house shall be like Shiloh, and this city shall be desolate without an inhabitant? And all the people were gathered against Jeremiah in the house of the LORD.
9. Pourquoi prophétises-tu au nom de l`Éternel, en disant: Cette maison sera comme Silo, et cette ville sera dévastée, privée d`habitants? Tout le peuple s`attroupa autour de Jérémie dans la maison de l`Éternel.
9. Nahoana ianao no naminany tamin' ny anaran' i Jehovah hoe: Ho tahaka an' i Silo ity trano ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin' i Jeremia tao an-tranon' i Jehovah.
10. When the princes of Judah heard these things, then they came up from the king's house unto the house of the LORD, and sat down in the entry of the new gate of the LORD's house.
10. Lorsque les chefs de Juda eurent appris ces choses, ils montèrent de la maison du roi à la maison de l`Éternel, et s`assirent à l`entrée de la porte neuve de la maison de l`Éternel.
10. Fa nony ren' ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin' ny tranon' ny mpanjaka nankany amin' ny tranon' i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan' ny vavahady vaovaon' i Jehovah.
11. Then spake the priests and the prophets unto the princes and to all the people, saying, This man is worthy to die; for he hath prophesied against this city, as ye have heard with your ears.
11. "Alors les sacrificateurs et les prophètes parlèrent ainsi aux chefs et à tout le peuple: Cet homme mérite la mort; car il a prophétisé contre cette ville, comme vous l`avez entendu de vos oreilles."
11. "Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin' ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Mendrika ny ho faty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin' ity tanàna ity izy araka izay efa ren' ny sofinareo."
12. Then spake Jeremiah unto all the princes and to all the people, saying, The LORD sent me to prophesy against this house and against this city all the words that ye have heard.
12. Jérémie dit à tous les chefs et à tout le peuple: L`Éternel m`a envoyé pour prophétiser contre cette maison et contre cette ville, toutes les choses que vous avez entendues.
12. Dia nilaza tamin' ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin' ity trano sy ity tanàna ity.
13. Therefore now amend your ways and your doings, and obey the voice of the LORD your God; and the LORD will repent him of the evil that he hath pronounced against you.
13. Maintenant réformez vos voies et vos oeuvres, écoutez la voix de l`Éternel, votre Dieu, et l`Éternel se repentira du mal qu`il a prononcé contre vous.
13. "Koa ankehitriny, amboary tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mankatoava ny feon' i Jehovah Andriamanitrareo; dia hanenenan' i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo."
14. As for me, behold, I am in your hand: do with me as seemeth good and meet unto you.
14. "Pour moi, me voici entre vos mains; traitez-moi comme il vous semblera bon et juste."
14. "Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina."
15. But know ye for certain, that if ye put me to death, ye shall surely bring innocent blood upon yourselves, and upon this city, and upon the inhabitants thereof: for of a truth the LORD hath sent me unto you to speak all these words in your ears.
15. "Seulement sachez que, si vous me faites mourir, vous vous chargez du sang innocent, vous, cette ville et ses habitants; car l`Éternel m`a véritablement envoyé vers vous pour prononcer à vos oreilles toutes ces paroles."
15. Kanefa fantaro tsara, fa raha mamono ahy ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin' ity tanàna ity ary amin' ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho renareo.
16. Then said the princes and all the people unto the priests and to the prophets; This man is not worthy to die: for he hath spoken to us in the name of the LORD our God.
16. "Les chefs et tout le peuple dirent aux sacrificateurs et aux prophètes: Cet homme ne mérite point la mort; car c`est au nom de l`Éternel, notre Dieu, qu`il nous a parlé."
16. Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin' ny mpisorona sy ny mpaminany: tsy tokony ho faty ity lehilahy ity, satria tamin' ny anaran' i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17. Then rose up certain of the elders of the land, and spake to all the assembly of the people, saying,
17. Et quelques-uns des anciens du pays se levèrent, et dirent à toute l`assemblée du peuple:
17. Dia nisy nitsangana ny loholona tamin' ny tany ka nanao tamin' ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
18. Micah the Morasthite prophesied in the days of Hezekiah king of Judah, and spake to all the people of Judah, saying, Thus saith the LORD of hosts; Zion shall be plowed like a field, and Jerusalem shall become heaps, and the mountain of the house as the high places of a forest.
18. Michée, de Moréscheth, prophétisait du temps d`Ézéchias, roi de Juda, et il disait à tout le peuple de Juda: Ainsi parle l`Éternel des armées: Sion sera labourée comme un champ, Jérusalem deviendra un monceau de pierres, Et la montagne de la maison une haute forêt.
18. Mika Morastita dia naminany tamin' ny andron' i Hezekia mpanjakan' ny Joda, ka niteny tamin' ny vahoaka Joda rehetra hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompon' ny maro: Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny fitoerana avo mifono ala.
19. Did Hezekiah king of Judah and all Judah put him at all to death? did he not fear the LORD, and besought the LORD, and the LORD repented him of the evil which he had pronounced against them? Thus might we procure great evil against our souls.
19. Ézéchias, roi de Juda, et tout Juda l`ont-ils fait mourir? Ézéchias ne craignit-il pas l`Éternel? N`implora-t-il pas l`Éternel? Alors l`Éternel se repentit du mal qu`il avait prononcé contre eux. Et nous, nous chargerions notre âme d`un si grand crime!
19. Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan' ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an' i Jehovah va izy ka nifona tamin' i Jehovah ary dia nanenenan' i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin' ny fanahintsika.
20. And there was also a man that prophesied in the name of the LORD, Urijah the son of Shemaiah of Kirjathjearim, who prophesied against this city and against this land according to all the words of Jeremiah:
20. Il y eut aussi un homme qui prophétisait au nom de l`Éternel, Urie, fils de Schemaeja, de Kirjath Jearim. Il prophétisa contre cette ville et contre ce pays entièrement les mêmes choses que Jérémie.
20. Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin' ny anaran' i Jehovah, dia Oria, zanak' i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin' ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon' i Jeremia izany koa.
21. And when Jehoiakim the king, with all his mighty men, and all the princes, heard his words, the king sought to put him to death: but when Urijah heard it, he was afraid, and fled, and went into Egypt;
21. Le roi Jojakim, tous ses vaillants hommes, et tous ses chefs, entendirent ses paroles, et le roi chercha à le faire mourir. Urie, qui en fut informé, eut peur, prit la fuite, et alla en Égypte.
21. "Ary nony ren' i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra mbamin' ny mpanapaka rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;"
22. And Jehoiakim the king sent men into Egypt, namely, Elnathan the son of Achbor, and certain men with him into Egypt.
22. Le roi Jojakim envoya des gens en Égypte, Elnathan, fils d`Acbor, et des gens avec lui en Égypte.
22. Ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak' i Akbora, mbamin' ny olona sasany nanaraka azy hankany Egypta.
23. And they fetched forth Urijah out of Egypt, and brought him unto Jehoiakim the king; who slew him with the sword, and cast his dead body into the graves of the common people.
23. Ils firent sortir d`Égypte Urie et l`amenèrent au roi Jojakim, qui le fit mourir par l`épée et jeta son cadavre sur les sépulcres des enfants du peuple.
23. Ary Oria dia nalain' ireo niala avy tany Egypta ka nentiny tany amin' i Joiakima mpanjaka izay namono azy tamin' ny sabatra sy nanary ny fatiny teny amin' ny fasam-bahoaka.
24. Nevertheless the hand of Ahikam the son of Shaphan was with Jeremiah, that they should not give him into the hand of the people to put him to death.
24. Cependant la main d`Achikam, fils de Schaphan, fut avec Jérémie, et empêcha qu`il ne fût livré au peuple pour être mis à mort.
24. Nefa ny tanan' i Ahikama, zanak' i Safana, dia nomba an' i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tanan' ny vahoaka hamonoany azy.