1. Thus saith the LORD, Go and get a potter's earthen bottle, and take of the ancients of the people, and of the ancients of the priests;
1. Ainsi a parlé l`Éternel: Va, achète d`un potier un vase de terre, et prends avec toi des anciens du peuple et des anciens des sacrificateurs.
1. Izao no lazain' i Jehovah: Andeha maka tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin' ny vahoaka sy anti-panahy amin' ny mpisorona,
2. And go forth unto the valley of the son of Hinnom, which is by the entry of the east gate, and proclaim there the words that I shall tell thee,
2. "Rends-toi dans la vallée de Ben Hinnom, qui est à l`entrée de la porte de la poterie; et là, tu publieras les paroles que je te dirai."
2. Dia mivoaha ho any amin' ny Lohasahan' ny taranak' i Hinoma izay eo anoloan' ny vavahady atsinanana, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
3. And say, Hear ye the word of the LORD, O kings of Judah, and inhabitants of Jerusalem; Thus saith the LORD of hosts, the God of Israel; Behold, I will bring evil upon this place, the which whosoever heareth, his ears shall tingle.
3. Tu diras: Écoutez la parole de l`Éternel, rois de Juda, et vous, habitants de Jérusalem! Ainsi parle l`Éternel des armées, le Dieu d`Israël: Voici, je vais faire venir sur ce lieu un malheur Qui étourdira les oreilles de quiconque en entendra parler.
3. "ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin' i Jehovah, ry mpanjakan' ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin' ity toerana ity Aho; izay mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny,"
4. Because they have forsaken me, and have estranged this place, and have burned incense in it unto other gods, whom neither they nor their fathers have known, nor the kings of Judah, and have filled this place with the blood of innocents;
4. "Ils m`ont abandonné, ils ont profané ce lieu, Ils y ont offert de l`encens à d`autres dieux, Que ne connaissaient ni eux, ni leurs pères, ni les rois de Juda, Et ils ont rempli ce lieu de sang innocent;"
4. "Satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity toerana ity ho nilaozana, sy nandoro ditin-kazo manitra tao ho an' andriamani-kafa izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan' ny Joda, sady efa nameno ràn' ny tsy manan-tsiny ity tanàna ity;"
5. They have built also the high places of Baal, to burn their sons with fire for burnt offerings unto Baal, which I commanded not, nor spake it, neither came it into my mind:
5. Ils ont bâti des hauts lieux à Baal, Pour brûler leurs enfants au feu en holocaustes à Baal: Ce que je n`avais ni ordonné ni prescrit, Ce qui ne m`était point venu à la pensée.
5. Ary nanorina ny fitoerana avo ho an' i Bala izy handoroany ny zanany amin' ny afo ho fanatitra dorana ho an' i Bala, izay tsy nandidiako na nolazaiko na tonga tao an-tsaiko akory aza.
6. Therefore, behold, the days come, saith the LORD, that this place shall no more be called Tophet, nor The valley of the son of Hinnom, but The valley of slaughter.
6. C`est pourquoi voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où ce lieu ne sera plus appelé Topheth et vallée de Ben Hinnom, Mais où on l`appellera vallée du carnage.
6. Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan' ny taranak' i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.
7. And I will make void the counsel of Judah and Jerusalem in this place; and I will cause them to fall by the sword before their enemies, and by the hands of them that seek their lives: and their carcases will I give to be meat for the fowls of the heaven, and for the beasts of the earth.
7. "J`anéantirai dans ce lieu le conseil de Juda et de Jérusalem; Je les ferai tomber par l`épée devant leurs ennemis Et par la main de ceux qui en veulent à leur vie; Je donnerai leurs cadavres en pâture Aux oiseaux du ciel et aux bêtes de la terre."
7. Ary hofoanako amin' ity toerana ity ny fisainan' ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan' ny fahavalony sy amin' ny tanan' izay mitady ny ainy izy, ary ny fatiny dia homeko ho fihinan' ny voro-manidina eny amin' ny lanitra sy ny biby ety an-tany.
8. And I will make this city desolate, and an hissing; every one that passeth thereby shall be astonished and hiss because of all the plagues thereof.
8. "Je ferai de cette ville un objet de désolation et de moquerie; Tous ceux qui passeront près d`elle Seront dans l`étonnement et siffleront sur toutes ses plaies."
8. Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagàna sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
9. And I will cause them to eat the flesh of their sons and the flesh of their daughters, and they shall eat every one the flesh of his friend in the siege and straitness, wherewith their enemies, and they that seek their lives, shall straiten them.
9. Je leur ferai manger la chair de leurs fils et la chair de leurs filles, Et les uns mangeront la chair des autres, Au milieu de l`angoisse et de la détresse Où les réduiront leurs ennemis Et ceux qui en veulent à leur vie.
9. Ary hampihinaniko ny nofon' ny zanany lahy sy ny nofon' ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon' ny namany avy izy eo amin' ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren' ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
10. Then shalt thou break the bottle in the sight of the men that go with thee,
10. Tu briseras ensuite le vase, sous les yeux des hommes qui seront allés avec toi.
10. Dia torotoroy eo imason' ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara,
11. And shalt say unto them, Thus saith the LORD of hosts; Even so will I break this people and this city, as one breaketh a potter's vessel, that cannot be made whole again: and they shall bury them in Tophet, till there be no place to bury.
11. Et tu leur diras: Ainsi parle l`Éternel des armées: C`est ainsi que je briserai ce peuple et cette ville, Comme on brise un vase de potier, Sans qu`il puisse être rétabli. Et l`on enterrera les morts à Topheth par défaut de place pour enterrer.
11. "ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Toy izao no hanorotoroiko ity firenena ity sy ity tanàna ity, dia toy ny famaky fanaka tanimanga, izay tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta no handevenany azy mandra-paha-tsy hisy toerana handevenana intsony."
12. Thus will I do unto this place, saith the LORD, and to the inhabitants thereof, and even make this city as Tophet:
12. C`est ainsi que je ferai à ce lieu, dit l`Éternel, et à ses habitants, Et je rendrai cette ville semblable à Topheth.
12. Toy izany no hataoko amin' ity toerana ity sy amin' ny mponina ato, ka dia hatao tahaka an' i Tofeta ity tanàna ity.
13. And the houses of Jerusalem, and the houses of the kings of Judah, shall be defiled as the place of Tophet, because of all the houses upon whose roofs they have burned incense unto all the host of heaven, and have poured out drink offerings unto other gods.
13. Les maisons de Jérusalem et les maisons des rois de Juda Seront impures comme le lieu de Topheth, Toutes les maisons sur les toits desquelles on offrait de l`encens A toute l`armée des cieux, Et on faisait des libations à d`autres dieux.
13. Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon' ny mpanjakan' ny Joda dia ho tonga voaloto tahaka an' i Tofeta, noho ny amin' ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo amin' ny tafony ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an' ny andriamani-kafa.
14. Then came Jeremiah from Tophet, whither the LORD had sent him to prophesy; and he stood in the court of the LORD's house; and said to all the people,
14. Jérémie revint de Topheth, où l`Éternel l`avait envoyé prophétiser. Puis il se tint dans le parvis de la maison de l`Éternel, et il dit à tout le peuple:
14. Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan' i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin' ny kianjan' ny tranon' i Jehovah izy, dia nanao tamin' ny vahoaka rehetra hoe:
15. Thus saith the LORD of hosts, the God of Israel; Behold, I will bring upon this city and upon all her towns all the evil that I have pronounced against it, because they have hardened their necks, that they might not hear my words.
15. Ainsi parle l`Éternel des armées, le Dieu d`Israël: Voici, je vais faire venir sur cette ville et sur toutes les villes qui dépendent d`elle tous les malheurs que je lui ai prédits, parce qu`ils ont raidi leur cou, pour ne point écouter mes paroles.
15. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin' ity tanàna ity sy amin' ny vohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony ka tsy netezany hihaino ny teniko.