1. In the beginning was the Word, and the Word was with God, and the Word was God.
1. Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu.
1. TANY am-piandohana ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2. The same was in the beginning with God.
2. Elle était au commencement avec Dieu.
2. Izy dia tao amin' Andriamanitra hatrany am-piandohana.
3. All things were made by him; and without him was not any thing made that was made.
3. Toutes choses ont été faites par elle, et rien de ce qui a été fait n`a été fait sans elle.
3. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, dia tsy nisy ary izao zavatra nohariana rehetra izao.
4. In him was life; and the life was the light of men.
4. En elle était la vie, et la vie était la lumière des hommes.
4. Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5. And the light shineth in darkness; and the darkness comprehended it not.
5. La lumière luit dans les ténèbres, et les ténèbres ne l`ont point reçue.
5. "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin' ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy."
6. There was a man sent from God, whose name was John.
6. Il y eut un homme envoyé de Dieu: son nom était Jean.
6. Nisy lehilahy nirahin' Andriamanitra, Jaona no anarany.
7. The same came for a witness, to bear witness of the Light, that all men through him might believe.
7. Il vint pour servir de témoin, pour rendre témoignage à la lumière, afin que tous crussent par lui.
7. Tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava izy, mba hinoan' ny olona rehetra amin' ny alalany.
8. He was not that Light, but was sent to bear witness of that Light.
8. Il n`était pas la lumière, mais il parut pour rendre témoignage à la lumière.
8. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9. That was the true Light, which lighteth every man that cometh into the world.
9. Cette lumière était la véritable lumière, qui, en venant dans le monde, éclaire tout homme.
9. Ilay tena Mazava, dia Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin' izao tontolo izao.
10. He was in the world, and the world was made by him, and the world knew him not.
10. Elle était dans le monde, et le monde a été fait par elle, et le monde ne l`a point connue.
10. Teo amin' izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahary izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
11. He came unto his own, and his own received him not.
11. Elle est venue chez les siens, et les siens ne l`ont point reçue.
11. Tonga tany amin' ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12. But as many as received him, to them gave he power to become the sons of God, even to them that believe on his name:
12. Mais à tous ceux qui l`ont reçue, à ceux qui croient en son nom, elle a donné le pouvoir de devenir enfants de Dieu, lesquels sont nés,
12. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
13. Which were born, not of blood, nor of the will of the flesh, nor of the will of man, but of God.
13. non du sang, ni de la volonté de la chair, ni de la volonté de l`homme, mais de Dieu.
13. Dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon' ny nofo, na ny sitrapon' ny olona, fa naterak' Andriamanitra.
14. And the Word was made flesh, and dwelt among us, (and we beheld his glory, the glory as of the only begotten of the Father,) full of grace and truth.
14. "Et la parole a été faite chair, et elle a habité parmi nous, pleine de grâce et de vérité; et nous avons contemplé sa gloire, une gloire comme la gloire du Fils unique venu du Père."
14. "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; (ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an' ny Lahy Tokana avy tamin' ny Ray), sady feno fahasoavana sy fahamarinana."
15. John bare witness of him, and cried, saying, This was he of whom I spake, He that cometh after me is preferred before me: for he was before me.
15. Jean lui a rendu témoignage, et s`est écrié: C`est celui dont j`ai dit: Celui qui vient après moi m`a précédé, car il était avant moi.
15. Nanambara Azy Jaona ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
16. And of his fulness have all we received, and grace for grace.
16. "Et nous avons tous reçu de sa plénitude, et grâce pour grâce;"
16. Fa tamin' ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana,
17. For the law was given by Moses, but grace and truth came by Jesus Christ.
17. car la loi a été donnée par Moïse, la grâce et la vérité sont venues par Jésus Christ.
17. "Fa ny lalàna dia nomena tamin' ny alalan' i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin' ny alalan' i Jesosy Kristy."
18. No man hath seen God at any time; the only begotten Son, which is in the bosom of the Father, he hath declared him.
18. "Personne n`a jamais vu Dieu; le Fils unique, qui est dans le sein du Père, est celui qui l`a fait connaître."
18. Tsy nisy nahita an' Andriamanitra na oviana na oviana, fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran' ny Ray, Izy no nanambara Azy.
19. And this is the record of John, when the Jews sent priests and Levites from Jerusalem to ask him, Who art thou?
19. Voici le témoignage de Jean, lorsque les Juifs envoyèrent de Jérusalem des sacrificateurs et des Lévites, pour lui demander: Toi, qui es-tu?
19. Ary izao no nambaran' i Jaona, raha naniraka mpisorona sy Levita ny Jiosy avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20. And he confessed, and denied not; but confessed, I am not the Christ.
20. Il déclara, et ne le nia point, il déclara qu`il n`était pas le Christ.
20. Ary niaiky izy, ka tsy nandà, fa hoy ny filazany: Tsy izaho no Kristy.
21. And they asked him, What then? Art thou Elias? And he saith, I am not. Art thou that prophet? And he answered, No.
21. Et ils lui demandèrent: Quoi donc? es-tu Élie? Et il dit: Je ne le suis point. Es-tu le prophète? Et il répondit: Non.
21. Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana àry? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
22. Then said they unto him, Who art thou? that we may give an answer to them that sent us. What sayest thou of thyself?
22. Ils lui dirent alors: Qui es-tu? afin que nous donnions une réponse à ceux qui nous ont envoyés. Que dis-tu de toi-même?
22. Dia hoy ireo taminy: Iza àry ianao? mba hitondranay valiny ho any amin' izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23. He said, I am the voice of one crying in the wilderness, Make straight the way of the Lord, as said the prophet Esaias.
23. Moi, dit-il, je suis la voix de celui qui crie dans le désert: Aplanissez le chemin du Seigneur, comme a dit Ésaïe, le prophète.
23. Dia hoy izy: Izaho dia feon' ny miantso mafy any an' efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan' i Jehovah, araka izay nolazain' Isaia mpaminany.
24. And they which were sent were of the Pharisees.
24. Ceux qui avaient été envoyés étaient des pharisiens.
24. Ary iraka avy tamin' ny Fariseo ireo.
25. And they asked him, and said unto him, Why baptizest thou then, if thou be not that Christ, nor Elias, neither that prophet?
25. Ils lui firent encore cette question: Pourquoi donc baptises-tu, si tu n`es pas le Christ, ni Élie, ni le prophète?
25. Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana àry ianao no manao batisa, raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26. John answered them, saying, I baptize with water: but there standeth one among you, whom ye know not;
26. "Jean leur répondit: Moi, je baptise d`eau, mais au milieu de vous il y a quelqu`un que vous ne connaissez pas, qui vient après moi;"
26. "Namaly azy Jaona ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin' ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray mijoro izay tsy fantatrareo,"
27. He it is, who coming after me is preferred before me, whose shoe's latchet I am not worthy to unloose.
27. je ne suis pas digne de délier la courroie de ses souliers.
27. Dia Ilay avy ao aoriako, Izay talohako ary tsy mendrika hamaha ny fehi-kapany aza aho.
28. These things were done in Bethabara beyond Jordan, where John was baptizing.
28. Ces choses se passèrent à Béthanie, au delà du Jourdain, où Jean baptisait.
28. Izany zavatra izany dia natao tany Betabara any an-dafin' i Jordana, izay nanaovan' i Jaona batisa.
29. The next day John seeth Jesus coming unto him, and saith, Behold the Lamb of God, which taketh away the sin of the world.
29. Le lendemain, il vit Jésus venant à lui, et il dit: Voici l`Agneau de Dieu, qui ôte le péché du monde.
29. Nony ampitso dia nahita an' i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak' Ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan' izao tontolo izao!
30. This is he of whom I said, After me cometh a man which is preferred before me: for he was before me.
30. C`est celui dont j`ai dit: Après moi vient un homme qui m`a précédé, car il était avant moi.
30. Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy,
31. And I knew him not: but that he should be made manifest to Israel, therefore am I come baptizing with water.
31. Je ne le connaissais pas, mais c`est afin qu`il fût manifesté à Israël que je suis venu baptiser d`eau.
31. "Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin' ny Isiraely Izy, izany no niaviako manao batisa amin' ny rano."
32. And John bare record, saying, I saw the Spirit descending from heaven like a dove, and it abode upon him.
32. Jean rendit ce témoignage: J`ai vu l`Esprit descendre du ciel comme une colombe et s`arrêter sur lui.
32. Ary nanambara Jaona ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
33. And I knew him not: but he that sent me to baptize with water, the same said unto me, Upon whom thou shalt see the Spirit descending, and remaining on him, the same is he which baptizeth with the Holy Ghost.
33. Je ne le connaissais pas, mais celui qui m`a envoyé baptiser d`eau, celui-là m`a dit: Celui sur qui tu verras l`Esprit descendre et s`arrêter, c`est celui qui baptise du Saint Esprit.
33. "Ary tsy nahalala Azy aho; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin' ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan' ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin' ny Fanahy Masina."
34. And I saw, and bare record that this is the Son of God.
34. Et j`ai vu, et j`ai rendu témoignage qu`il est le Fils de Dieu.
34. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak' Andriamanitra.
35. Again the next day after John stood, and two of his disciples;
35. "Le lendemain, Jean était encore là, avec deux de ses disciples;"
35. "Nony ampitson' iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;"
36. And looking upon Jesus as he walked, he saith, Behold the Lamb of God!
36. et, ayant regardé Jésus qui passait, il dit: Voilà l`Agneau de Dieu.
36. Ary nijery an' i Jesosy nandeha izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak' Ondrin' Andriamanitra!
37. And the two disciples heard him speak, and they followed Jesus.
37. Les deux disciples l`entendirent prononcer ces paroles, et ils suivirent Jésus.
37. Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an' i Jesosy.
38. Then Jesus turned, and saw them following, and saith unto them, What seek ye? They said unto him, Rabbi, (which is to say, being interpreted, Master,) where dwellest thou?
38. Jésus se retourna, et voyant qu`ils le suivaient, il leur dit: Que cherchez-vous? Ils lui répondirent: Rabbi (ce qui signifie Maître), où demeures-tu?
38. Ary nitodika Jesosy ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Ianao no mitoetra?
39. He saith unto them, Come and see. They came and saw where he dwelt, and abode with him that day: for it was about the tenth hour.
39. "Venez, leur dit-il, et voyez. Ils allèrent, et ils virent où il demeurait; et ils restèrent auprès de lui ce jour-là. C`était environ la dixième heure."
39. "Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin' izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin' izay."
40. One of the two which heard John speak, and followed him, was Andrew, Simon Peter's brother.
40. André, frère de Simon Pierre, était l`un des deux qui avaient entendu les paroles de Jean, et qui avaient suivi Jésus.
40. Andrea, rahalahin' i Simona Petera no anankiray tamin' izy roa lahy, izay nandre ny tenin' i Jaona ka nanaraka an' i Jesosy.
41. He first findeth his own brother Simon, and saith unto him, We have found the Messias, which is, being interpreted, the Christ.
41. Ce fut lui qui rencontra le premier son frère Simon, et il lui dit: Nous avons trouvé le Messie (ce qui signifie Christ).
41. Izy no nahita an' i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay, izay atao hoe, raha adika, ny Kristy.
42. And he brought him to Jesus. And when Jesus beheld him, he said, Thou art Simon the son of Jona: thou shalt be called Cephas, which is by interpretation, A stone.
42. "Et il le conduisit vers Jésus. Jésus, l`ayant regardé, dit: Tu es Simon, fils de Jonas; tu seras appelé Céphas (ce qui signifie Pierre)."
42. "Dia nitondra azy ho any amin' i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy dia hoy Izy: Ianao no Simona, zanak' i Jona; atao hoe Kefasy ianao, izay atao hoe raha adika: Vato."
43. The day following Jesus would go forth into Galilee, and findeth Philip, and saith unto him, Follow me.
43. Le lendemain, Jésus voulut se rendre en Galilée, et il rencontra Philippe. Il lui dit: Suis-moi.
43. Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an' i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44. Now Philip was of Bethsaida, the city of Andrew and Peter.
44. Philippe était de Bethsaïda, de la ville d`André et de Pierre.
44. Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan' i Andrea sy Petera.
45. Philip findeth Nathanael, and saith unto him, We have found him, of whom Moses in the law, and the prophets, did write, Jesus of Nazareth, the son of Joseph.
45. Philippe rencontra Nathanaël, et lui dit: Nous avons trouvé celui de qui Moïse a écrit dans la loi et dont les prophètes ont parlé, Jésus de Nazareth, fils de Joseph.
45. Filipo kosa nahita an' i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan' i Mosesy tao amin' ny lalàna, sy nosoratan' ny mpaminany, dia Jesosy, zanak' i Josefa, avy any Nazareta.
46. And Nathanael said unto him, Can there any good thing come out of Nazareth? Philip saith unto him, Come and see.
46. Nathanaël lui dit: Peut-il venir de Nazareth quelque chose de bon? Philippe lui répondit: Viens, et vois.
46. Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
47. Jesus saw Nathanael coming to him, and saith of him, Behold an Israelite indeed, in whom is no guile!
47. Jésus, voyant venir à lui Nathanaël, dit de lui: Voici vraiment un Israélite, dans lequel il n`y a point de fraude.
47. Nahita an' i Natanaela avy manatona Azy Jesosy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
48. Nathanael saith unto him, Whence knowest thou me? Jesus answered and said unto him, Before that Philip called thee, when thou wast under the fig tree, I saw thee.
48. D`où me connais-tu? lui dit Nathanaël. Jésus lui répondit: Avant que Philippe t`appelât, quand tu étais sous le figuier, je t`ai vu.
48. Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo dia hitako teo ambany hazo aviavimbazaha ianao.
49. Nathanael answered and saith unto him, Rabbi, thou art the Son of God; thou art the King of Israel.
49. Nathanaël répondit et lui dit: Rabbi, tu es le Fils de Dieu, tu es le roi d`Israël.
49. "Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Ianao no Zanak' Andriamanitra; Ianao no Mpanjakan' ny Isiraely."
50. Jesus answered and said unto him, Because I said unto thee, I saw thee under the fig tree, believest thou? thou shalt see greater things than these.
50. "Jésus lui répondit: Parce que je t`ai dit que je t`ai vu sous le figuier, tu crois; tu verras de plus grandes choses que celles-ci."
50. Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin' ny hazo aviavimbazaha ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
51. And he saith unto him, Verily, verily, I say unto you, Hereafter ye shall see heaven open, and the angels of God ascending and descending upon the Son of man.
51. Et il lui dit: En vérité, en vérité, vous verrez désormais le ciel ouvert et les anges de Dieu monter et descendre sur le Fils de l`homme.
51. Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin' Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin' ny Zanak' olona.
<
>