The Servant of the LORD
1. Behold my servant, whom I uphold; mine elect, in whom my soul delighteth; I have put my spirit upon him: he shall bring forth judgment to the Gentiles.
1. "Voici mon serviteur, que je soutiendrai, Mon élu, en qui mon âme prend plaisir. J`ai mis mon esprit sur lui; Il annoncera la justice aux nations."
1. "Indro ny Mpanompoko, izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny fanahiko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsarana amin' ny jentilisa Izy."
2. He shall not cry, nor lift up, nor cause his voice to be heard in the street.
2. Il ne criera point, il n`élèvera point la voix, Et ne la fera point entendre dans les rues.
2. Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3. A bruised reed shall he not break, and the smoking flax shall he not quench: he shall bring forth judgment unto truth.
3. "Il ne brisera point le roseau cassé, Et il n`éteindra point la mèche qui brûle encore; Il annoncera la justice selon la vérité."
3. "Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manentona; hamoaka ny fitsarana amin' ny fahamarinana Izy."
4. He shall not fail nor be discouraged, till he have set judgment in the earth: and the isles shall wait for his law.
4. Il ne se découragera point et ne se relâchera point, Jusqu`à ce qu`il ait établi la justice sur la terre, Et que les îles espèrent en sa loi.
4. Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin' ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
5. Thus saith God the LORD, he that created the heavens, and stretched them out; he that spread forth the earth, and that which cometh out of it; he that giveth breath unto the people upon it, and spirit to them that walk therein:
5. Ainsi parle Dieu, l`Éternel, Qui a créé les cieux et qui les a déployés, Qui a étendu la terre et ses productions, Qui a donné la respiration à ceux qui la peuplent, Et le souffle à ceux qui y marchent.
5. Izao no lazain' i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an' izay mandeha eo aminy:
6. I the LORD have called thee in righteousness, and will hold thine hand, and will keep thee, and give thee for a covenant of the people, for a light of the Gentiles;
6. Moi, l`Éternel, je t`ai appelé pour le salut, Et je te prendrai par la main, Je te garderai, et je t`établirai pour traiter alliance avec le peuple, Pour être la lumière des nations,
6. "Izaho Jehovah no efa niantso Anao tamin' ny fahamarinana ary hitantana ny tananao sy hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an' ny olona, ho fanazavana ny jentilisa;"
7. To open the blind eyes, to bring out the prisoners from the prison, and them that sit in darkness out of the prison house.
7. Pour ouvrir les yeux des aveugles, Pour faire sortir de prison le captif, Et de leur cachot ceux qui habitent dans les ténèbres.
7. Hampahiratra ny mason' ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin' ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
8. I am the LORD: that is my name: and my glory will I not give to another, neither my praise to graven images.
8. "Je suis l`Éternel, c`est là mon nom; Et je ne donnerai pas ma gloire à un autre, Ni mon honneur aux idoles."
8. Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana ahy ho an' ny sarin-javatra voasokitra.
9. Behold, the former things are come to pass, and new things do I declare: before they spring forth I tell you of them.
9. "Voici, les premières choses se sont accomplies, Et je vous en annonce de nouvelles; Avant qu`elles arrivent, je vous les prédis."
9. "Ny amin' ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho, ary zava-baovao kosa no toriko izao; mialoha ny iposahan' izany, dia ambarako aminareo izany."
Song of Praise to the LORD
10. Sing unto the LORD a new song, and his praise from the end of the earth, ye that go down to the sea, and all that is therein; the isles, and the inhabitants thereof.
10. Chantez à l`Éternel un cantique nouveau, Chantez ses louanges aux extrémités de la terre, Vous qui voguez sur la mer et vous qui la peuplez, Iles et habitants des îles!
10. Ianareo izay midina any amin' ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an' i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin' ny faran' ny tany.
11. Let the wilderness and the cities thereof lift up their voice, the villages that Kedar doth inhabit: let the inhabitants of the rock sing, let them shout from the top of the mountains.
11. Que le désert et ses villes élèvent la voix! Que les villages occupés par Kédar élèvent la voix! Que les habitants des rochers tressaillent d`allégresse! Que du sommet des montagnes retentissent des cris de joie!
11. "Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan' i Kedara; aoka hihira ny mponina any amin' ny harambato, aoka hanao feo avo any an-tampon' ny tendrombohitra izy."
12. Let them give glory unto the LORD, and declare his praise in the islands.
12. Qu`on rende gloire à l`Éternel, Et que dans les îles on publie ses louanges!
12. Aoka hanome voninahitra an' i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin' ny nosy.
13. The LORD shall go forth as a mighty man, he shall stir up jealousy like a man of war: he shall cry, yea, roar; he shall prevail against his enemies.
13. "L`Éternel s`avance comme un héros, Il excite son ardeur comme un homme de guerre; Il élève la voix, il jette des cris, Il manifeste sa force contre ses ennemis."
13. "Hivoaka tahaka ny lehilahy mahery Jehovah, tahaka ny fanaon' ny mpiady no hamohazany ny fahasaro-piarony; hiantsoantso izy, eny, hihiaka mafy; hampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy."
14. I have long time holden my peace; I have been still, and refrained myself: now will I cry like a travailing woman; I will destroy and devour at once.
14. "J`ai longtemps gardé le silence, je me suis tu, je me suis contenu; Je crierai comme une femme en travail, Je serai haletant et je soufflerai tout à la fois."
14. "Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany aho ka nanindry fo; fa izao aho dia hitaraina tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza; sady handrava aho no handevona."
15. I will make waste mountains and hills, and dry up all their herbs; and I will make the rivers islands, and I will dry up the pools.
15. "Je ravagerai montagnes et collines, Et j`en dessécherai toute la verdure; Je changerai les fleuves en terre ferme, Et je mettrai les étangs à sec."
15. Hataoko mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, ary hataoko tankina ny farihy.
16. And I will bring the blind by a way that they knew not; I will lead them in paths that they have not known: I will make darkness light before them, and crooked things straight. These things will I do unto them, and not forsake them.
16. "Je ferai marcher les aveugles sur un chemin qu`ils ne connaissent pas, Je les conduirai par des sentiers qu`ils ignorent; Je changerai devant eux les ténèbres en lumière, Et les endroits tortueux en plaine: Voilà ce que je ferai, et je ne les abandonnerai point."
16. "Hitondra ny jamba amin' izay lalana tsy fantany Aho; ary amin' ny lalana tsy fantany no hitarihako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy, ka tsy hafoiko izy."
17. They shall be turned back, they shall be greatly ashamed, that trust in graven images, that say to the molten images, Ye are our gods.
17. Ils reculeront, ils seront confus, Ceux qui se confient aux idoles taillées, Ceux qui disent aux idoles de fonte: Vous êtes nos dieux!
17. Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin' ny sarin-javatra an' idina hoe: Ianareo no andriamanitray.
Israel Blind and Deaf
18. Hear, ye deaf; and look, ye blind, that ye may see.
18. Sourds, écoutez! Aveugles, regardez et voyez!
18. "Mihainoa ianareo, ry marenina; ary mijere, ry jamba, mba hahita."
19. Who is blind, but my servant? or deaf, as my messenger that I sent? who is blind as he that is perfect, and blind as the LORD's servant?
19. Qui est aveugle, sinon mon serviteur, Et sourd comme mon messager que j`envoie? Qui est aveugle, comme l`ami de Dieu, Aveugle comme le serviteur de l`Éternel?
19. Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Na iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka izay tanteraka, ary jamba tahaka ny mpanompon' i Jehovah?
20. Seeing many things, but thou observest not; opening the ears, but he heareth not.
20. "Tu as vu beaucoup de choses, mais tu n`y as point pris garde; On a ouvert les oreilles, mais on n`a point entendu."
20. "Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino."
21. The LORD is well pleased for his righteousness' sake; he will magnify the law, and make it honourable.
21. L`Éternel a voulu, pour le bonheur d`Israël, Publier une loi grande et magnifique.
21. "Sitrak' i Jehovah Izy noho ny fahamarinany; hahalehibe ny lalàna Izy ka hahabe voninahitra azy."
22. But this is a people robbed and spoiled; they are all of them snared in holes, and they are hid in prison houses: they are for a prey, and none delivereth; for a spoil, and none saith, Restore.
22. "Et c`est un peuple pillé et dépouillé! On les a tous enchaînés dans des cavernes, Plongés dans des cachots; Ils ont été mis au pillage, et personne qui les délivre! Dépouillés, et personne qui dise: Restitue!"
22. "Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voafina ao an-tranomaizina; voababo izy ka tsy misy mamonjy; voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio."
23. Who among you will give ear to this? who will hearken and hear for the time to come?
23. Qui parmi vous prêtera l`oreille à ces choses? Qui voudra s`y rendre attentif et écouter à l`avenir?
23. Iza aminareo no hihaino izany? Iza no handre, dia hitandrina izany amin' ny andro ho avy?
24. Who gave Jacob for a spoil, and Israel to the robbers? did not the LORD, he against whom we have sinned? for they would not walk in his ways, neither were they obedient unto his law.
24. Qui a livré Jacob au pillage, Et Israël aux pillards? N`est-ce pas l`Éternel? Nous avons péché contre lui. Ils n`ont point voulu marcher dans ses voies, Et ils n`ont point écouté sa loi.
24. Iza no nanolotra an' i Jakoba ho babo, ary Isiraely ho an' ny mpandroba? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin' ny lalany ireo sady tsy nety nankatò ny lalàny.
25. Therefore he hath poured upon him the fury of his anger, and the strength of battle: and it hath set him on fire round about, yet he knew not; and it burned him, yet he laid it not to heart.
25. "Aussi a-t-il versé sur Israël l`ardeur de sa colère Et la violence de la guerre; La guerre l`a embrasé de toutes parts, et il n`a point compris; Elle l`a consumé, et il n`y a point pris garde."
25. "Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan' ny ady; dia nampirehitra afo manodidina azy izany, nefa tsy fantany; ary nandoro azy, nefa tsy noheverin' ny fony."