Hezekiah's Illness
1. In those days was Hezekiah sick unto death. And Isaiah the prophet the son of Amoz came unto him, and said unto him, Thus saith the LORD, Set thine house in order: for thou shalt die, and not live.
1. En ce temps-là, Ézéchias fut malade à la mort. Le prophète Ésaïe, fils d`Amots, vint auprès de lui, et lui dit: Ainsi parle l`Éternel: Donne tes ordres à ta maison, car tu vas mourir, et tu ne vivras plus.
1. "Ary tamin' izany andro izany, dia narary ho faty Hezekia; ary Isaia mpaminany, zanak' i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."
2. Then Hezekiah turned his face toward the wall, and prayed unto the LORD,
2. Ézéchias tourna son visage contre le mur, et fit cette prière à l`Éternel:
2. Dia nitodika nankany amin' ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin' i Jehovah,
3. And said, Remember now, O LORD, I beseech thee, how I have walked before thee in truth and with a perfect heart, and have done that which is good in thy sight. And Hezekiah wept sore.
3. O Éternel! souviens-toi que j`ai marché devant ta face avec fidélité et intégrité de coeur, et que j`ai fait ce qui est bien à tes yeux! Et Ézéchias répandit d`abondantes larmes.
3. Nanao hoe: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, tsarovy ankehitriny ny nandehanako teo anatrehanao tamin' ny fahamarinana sy tamin' ny foko rehetra, ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy Hezekia.
4. Then came the word of the LORD to Isaiah, saying,
4. Puis la parole de l`Éternel fut adressée à Ésaïe, en ces mots:
4. Dia tonga tamin' Isaia ny tenin' i Jehovah nanao hoe:
5. Go, and say to Hezekiah, Thus saith the LORD, the God of David thy father, I have heard thy prayer, I have seen thy tears: behold, I will add unto thy days fifteen years.
5. Va, et dis à Ézéchias: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu de David, ton père: J`ai entendu ta prière, j`ai vu tes larmes. Voici, j`ajouterai à tes jours quinze années.
5. "Mandehana, ka lazao amin' i Hezekia hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitr' i Davida rainao: Efa reko ny fivavakao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin' ny folo taona ny andronao,"
6. And I will deliver thee and this city out of the hand of the king of Assyria: and I will defend this city.
6. "Je te délivrerai, toi et cette ville, de la main du roi d`Assyrie; je protégerai cette ville."
6. "Sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin' ny tanan' ny Asyriana Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho."
7. And this shall be a sign unto thee from the LORD, that the LORD will do this thing that he hath spoken;
7. Et voici, de la part de l`Éternel, le signe auquel tu connaîtras que l`Éternel accomplira la parole qu`il a prononcée.
7. Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin' i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy :
8. Behold, I will bring again the shadow of the degrees, which is gone down in the sun dial of Ahaz, ten degrees backward. So the sun returned ten degrees, by which degrees it was gone down.
8. Je ferai reculer de dix degrés en arrière avec le soleil l`ombre des degrés qui est descendue sur les degrés d`Achaz. Et le soleil recula de dix degrés sur les degrés où il était descendu.
8. Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan' ny masoandro azy teo amin' ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay nidinany.
9. The writing of Hezekiah king of Judah, when he had been sick, and was recovered of his sickness:
9. Cantique d`Ézéchias, roi de Juda, sur sa maladie et sur son rétablissement.
9. Ny teny nosoratan' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin' ny aretiny:
10. I said in the cutting off of my days, I shall go to the gates of the grave: I am deprived of the residue of my years.
10. Je disais: Quand mes jours sont en repos, je dois m`en aller Aux portes du séjour des morts. Je suis privé du reste de mes années!
10. "Hoy aho: Amin' izao fahatapahan' ny androko izao no hankanesako any amin' ny vavahadin' ny fasana; nesorina tamiko ny taonako sisa."
11. I said, I shall not see the LORD, even the LORD, in the land of the living: I shall behold man no more with the inhabitants of the world.
11. "Je disais: Je ne verrai plus l`Éternel, L`Éternel, sur la terre des vivants; Je ne verrai plus aucun homme Parmi les habitants du monde!"
11. "Hoy aho: Tsy mba hahita an' i Jehovah aho, eny, tsy mba hahita an' i Jehovah ao amin' ny tanin' ny velona aho; tsy mba hahita olona intsony amin' ny mponina eto amin' izao tontolo izao aho."
12. Mine age is departed, and is removed from me as a shepherd's tent: I have cut off like a weaver my life: he will cut me off with pining sickness: from day even to night wilt thou make an end of me.
12. "Ma demeure est enlevée et transportée loin de moi, Comme une tente de berger; Je sens le fil de ma vie coupé comme par un tisserand Qui me retrancherait de sa trame. Du jour à la nuit tu m`auras achevé!"
12. "Ny taonako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain' ny mpiandry ondry; ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin' ny haraka izy; indray andro monja no hanaperanao ny aiko."
13. I reckoned till morning, that, as a lion, so will he break all my bones: from day even to night wilt thou make an end of me.
13. "Je me suis contenu jusqu`au matin; Comme un lion, il brisait tous mes os, Du jour à la nuit tu m`auras achevé!"
13. "Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain' ny andro; tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; indray andro monja no hanaperanao ny aiko."
14. Like a crane or a swallow, so did I chatter: I did mourn as a dove: mine eyes fail with looking upward: O LORD, I am oppressed; undertake for me.
14. "Je poussais des cris comme une hirondelle en voltigeant, Je gémissais comme la colombe; Mes yeux s`élevaient languissants vers le ciel: O Éternel! je suis dans l`angoisse, secours-moi!"
14. "Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho ary mitoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny fijereko any amin' ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao."
15. What shall I say? he hath both spoken unto me, and himself hath done it: I shall go softly all my years in the bitterness of my soul.
15. Que dirai-je? Il m`a répondu, et il m`a exaucé. Je marcherai humblement jusqu`au terme de mes années, Après avoir été ainsi affligé.
15. Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa. Handeha hijoretra aho amin' ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian' ny aiko.
16. O LORD, by these things men live, and in all these things is the life of my spirit: so wilt thou recover me, and make me to live.
16. "Seigneur, c`est par tes bontés qu`on jouit de la vie, C`est par elles que je respire encore; Tu me rétablis, tu me rends à la vie."
16. Tompo ô, izany no iveloman' ny olona, ary amin' izany tokoa no iainan' ny fanahiko, ka dia hahasitrana sy hahavelona ahy Ianao.
17. Behold, for peace I had great bitterness: but thou hast in love to my soul delivered it from the pit of corruption: for thou hast cast all my sins behind thy back.
17. "Voici, mes souffrances mêmes sont devenues mon salut; Tu as pris plaisir à retirer mon âme de la fosse du néant, Car tu as jeté derrière toi tous mes péchés."
17. "Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin' ny lavaka fahalevonana; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra."
18. For the grave cannot praise thee, death can not celebrate thee: they that go down into the pit cannot hope for thy truth.
18. "Ce n`est pas le séjour des morts qui te loue, Ce n`est pas la mort qui te célèbre; Ceux qui sont descendus dans la fosse n`espèrent plus en ta fidélité."
18. "Fa ny fasana tsy mba mahadera Anao, ny fahafatesana tsy afaka mankalaza Anao; izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao."
19. The living, the living, he shall praise thee, as I do this day: the father to the children shall make known thy truth.
19. "Le vivant, le vivant, c`est celui-là qui te loue, Comme moi aujourd`hui; Le père fait connaître à ses enfants ta fidélité."
19. "Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao."
20. The LORD was ready to save me: therefore we will sing my songs to the stringed instruments all the days of our life in the house of the LORD.
20. L`Éternel m`a sauvé! Nous ferons résonner les cordes de nos instruments, Tous les jours de notre vie, Dans la maison de l`Éternel.
20. Jehovah efa vonona hamonjy ahy, ka dia hihira ny hirako izahay ary hitendry lokanga ao an-tranon' i Jehovah izahay amin' ny andro rehetra iainanay.
21. For Isaiah had said, Let them take a lump of figs, and lay it for a plaister upon the boil, and he shall recover.
21. "Ésaïe avait dit: Qu`on apporte une masse de figues, et qu`on les étende sur l`ulcère; et Ézéchias vivra."
21. Fa hoy Isaia: Makà ampempan' aviavy, ary apetaho amin' ny vay izany, mba ho sitrana izy.
22. Hezekiah also had said, What is the sign that I shall go up to the house of the LORD?
22. Et Ézéchias avait dit: A quel signe connaîtrai-je que je monterai à la maison de l`Éternel?
22. Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon' i Jehovah aho?