Praise to the LORD
1. O Lord, thou art my God; I will exalt thee, I will praise thy name; for thou hast done wonderful things; thy counsels of old are faithfulness and truth.
1. "O Éternel! tu es mon Dieu; Je t`exalterai, je célébrerai ton nom, Car tu as fait des choses merveilleuses; Tes desseins conçus à l`avance se sont fidèlement accomplis."
1. "Jehovah ô, Ianao no Andriamanitro, hanandratra anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; ny tolo-tsainao efa voakasa hatramin' ny ela dia mahatoky sy marina."
2. For thou hast made of a city an heap; of a defenced city a ruin: a palace of strangers to be no city; it shall never be built.
2. "Car tu as réduit la ville en un monceau de pierres, La cité forte en un tas de ruines; La forteresse des barbares est détruite, Jamais elle ne sera rebâtie."
2. "Fa nataonao korontam-bato ny tanàna; ny tanàna mimanda dia rava tokoa; ny lapan' ny vahiny dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; tsy haorina mandrakizay izany."
3. Therefore shall the strong people glorify thee, the city of the terrible nations shall fear thee.
3. C`est pourquoi les peuples puissants te glorifient, Les villes des nations puissantes te craignent.
3. Ka dia hankalaza Anao ny firenena mahery, hatahotra Anao ny tanànan' ny firenena lozabe.
4. For thou hast been a strength to the poor, a strength to the needy in his distress, a refuge from the storm, a shadow from the heat, when the blast of the terrible ones is as a storm against the wall.
4. "Tu as été un refuge pour le faible, Un refuge pour le malheureux dans la détresse, Un abri contre la tempête, Un ombrage contre la chaleur; Car le souffle des tyrans Est comme l`ouragan qui frappe une muraille."
4. "Fa hery ho an' ny mahantra Ianao; tanjaka ho an' ny sahirana ao amin' ny fahoriany, fierena amin' ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin' ny hainandro, rehefa toy ny tafiotra mahery mamely ny ampiantany ny rivotry ny mahery."
5. Thou shalt bring down the noise of strangers, as the heat in a dry place; even the heat with the shadow of a cloud: the branch of the terrible ones shall be brought low.
5. "Comme tu domptes la chaleur dans une terre brûlante, Tu as dompté le tumulte des barbares; Comme la chaleur est étouffée par l`ombre d`un nuage, Ainsi ont été étouffés les chants de triomphe des tyrans."
5. "Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban' ny firenena hafa; eny, tahaka ny amin' ny hainandro resin' ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran' ny olon-dozabe."
6. And in this mountain shall the LORD of hosts make unto all people a feast of fat things, a feast of wines on the lees, of fat things full of marrow, of wines on the lees well refined.
6. L`Éternel des armées prépare à tous les peuples, sur cette montagne, Un festin de mets succulents, Un festin de vins vieux, De mets succulents, pleins de moelle, De vins vieux, clarifiés.
6. Ary Jehovah, Tompon' ny maro, dia hanao fanasana ho an' ny firenena rehetra eto amin' ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin' ny zavatra matavy, fanasana amin' ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio.
7. And he will destroy in this mountain the face of the covering cast over all people, and the vail that is spread over all nations.
7. "Et, sur cette montagne, il anéantit le voile qui voile tous les peuples, La couverture qui couvre toutes les nations;"
7. Ary hofoanany eto amin' ity tendrombohitra ity ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra arakotra ny firenena rehetra.
8. He will swallow up death in victory; and the Lord GOD will wipe away tears from off all faces; and the rebuke of his people shall he take away from off all the earth: for the LORD hath spoken it.
8. "Il anéantit la mort pour toujours; Le Seigneur, l`Éternel, essuie les larmes de tous les visages, Il fait disparaître de toute la terre l`opprobre de son peuple; Car l`Éternel a parlé."
8. "Hofoanany amin' ny fandresena ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin' ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin' ny tany rehetra; fa Jehovah no efa niteny izany."
9. And it shall be said in that day, Lo, this is our God; we have waited for him, and he will save us: this is the LORD; we have waited for him, we will be glad and rejoice in his salvation.
9. "En ce jour l`on dira: Voici, c`est notre Dieu, en qui nous avons confiance, Et c`est lui qui nous sauve; C`est l`Éternel, en qui nous avons confiance; Soyons dans l`allégresse, et réjouissons-nous de son salut!"
9. "Ary holazaina amin' izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro, Jehovah, Izay nandrasantsika, hifaly sy hiravoravo amin' ny famonjeny isika."
10. For in this mountain shall the hand of the LORD rest, and Moab shall be trodden down under him, even as straw is trodden down for the dunghill.
10. "Car la main de l`Éternel repose sur cette montagne; Et Moab est foulé sur place, Comme la paille est foulée dans une mare à fumier."
10. "Fa hipetraka amin' ity tendrombohitra ity ny tànan' i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin' izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin' ny rano ao am-pahitra;"
11. And he shall spread forth his hands in the midst of them, as he that swimmeth spreadeth forth his hands to swim: and he shall bring down their pride together with the spoils of their hands.
11. "Au milieu de cette mare, il étend ses mains, Comme le nageur les étend pour nager; Mais l`Éternel abat son orgueil, Et déjoue l`artifice de ses mains."
11. "Ary Izy dia hamelatra ny tanany eo afovoan' izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; ary Izy no hampietry ny fiavonavonany mbamin' ny babo azon' ny tanany."
12. And the fortress of the high fort of thy walls shall he bring down, lay low, and bring to the ground, even to the dust.
12. Il renverse, il précipite les fortifications élevées de tes murs, Il les fait crouler à terre, jusque dans la poussière.
12. Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin' ny tany, dia hatramin' ny vovoka.