1. Brethren, if a man be overtaken in a fault, ye which are spiritual, restore such an one in the spirit of meekness; considering thyself, lest thou also be tempted.
1. Frères, si un homme vient à être surpris en quelque faute, vous qui êtes spirituels, redressez-le avec un esprit de douceur. Prends garde à toi-même, de peur que tu ne sois aussi tenté.
1. Ry rahalahy, raha misy olona azo olan-tanana amin’ny fahadisoana, dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahalemem-panahy izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba alaim-panahy ihany.
2. Bear ye one another's burdens, and so fulfil the law of Christ.
2. Portez les fardeaux les uns des autres, et vous accomplirez ainsi la loi de Christ.
2. Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.
3. For if a man think himself to be something, when he is nothing, he deceiveth himself.
3. Si quelqu`un pense être quelque chose, quoiqu`il ne soit rien, il s`abuse lui-même.
3. Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4. But let every man prove his own work, and then shall he have rejoicing in himself alone, and not in another.
4. "Que chacun examine ses propres oeuvres, et alors il aura sujet de se glorifier pour lui seul, et non par rapport à autrui;"
4. "Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa;"
5. For every man shall bear his own burden.
5. car chacun portera son propre fardeau.
5. Fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
6. Let him that is taught in the word communicate unto him that teacheth in all good things.
6. Que celui à qui l`on enseigne la parole fasse part de tous ses biens à celui qui l`enseigne.
6. Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy amin’ny zava-tsoa rehetra ho an’izay mampianatra.
7. Be not deceived; God is not mocked: for whatsoever a man soweth, that shall he also reap.
7. Ne vous y trompez pas: on ne se moque pas de Dieu. Ce qu`un homme aura semé, il le moissonnera aussi.
7. "Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa."
8. For he that soweth to his flesh shall of the flesh reap corruption; but he that soweth to the Spirit shall of the Spirit reap life everlasting.
8. "Celui qui sème pour sa chair moissonnera de la chair la corruption; mais celui qui sème pour l`Esprit moissonnera de l`Esprit la vie éternelle."
8. "Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy."
9. And let us not be weary in well doing: for in due season we shall reap, if we faint not.
9. "Ne nous lassons pas de faire le bien; car nous moissonnerons au temps convenable, si nous ne nous relâchons pas."
9. "Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika."
10. As we have therefore opportunity, let us do good unto all men, especially unto them who are of the household of faith.
10. Ainsi donc, pendant que nous en avons l`occasion, pratiquons le bien envers tous, et surtout envers les frères en la foi.
10. Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.
11. Ye see how large a letter I have written unto you with mine own hand.
11. Voyez avec quelles grandes lettres je vous ai écrit de ma propre main.
11. Jereonareo ny halavan’ny taratasy izay nosoratan’ny tanako ho anareo.
12. As many as desire to make a fair shew in the flesh, they constrain you to be circumcised; only lest they should suffer persecution for the cross of Christ.
12. Tous ceux qui veulent se rendre agréables selon la chair vous contraignent à vous faire circoncire, uniquement afin de n`être pas persécutés pour la croix de Christ.
12. Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazofijalian’i Kristy izy.
13. For neither they themselves who are circumcised keep the law; but desire to have you circumcised, that they may glory in your flesh.
13. "Car les circoncis eux-mêmes n`observent point la loi; mais ils veulent que vous soyez circoncis, pour se glorifier dans votre chair."
13. "Fa na dia ny tenan’izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana koa ianareo, mba hireharehany amin’ny nofonareo."
14. But God forbid that I should glory, save in the cross of our Lord Jesus Christ, by whom the world is crucified unto me, and I unto the world.
14. Pour ce qui me concerne, loin de moi la pensée de me glorifier d`autre chose que de la croix de notre Seigneur Jésus Christ, par qui le monde est crucifié pour moi, comme je le suis pour le monde!
14. Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ny hazofijaliana raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’izao tontolo izao.
15. For in Christ Jesus neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision, but a new creature.
15. "Car ce n`est rien que d`être circoncis ou incirconcis; ce qui est quelque chose, c`est d`être une nouvelle créature."
15. Fa ao amin’i Kristy Jesosy, dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao.
16. And as many as walk according to this rule, peace be on them, and mercy, and upon the Israel of God.
16. Paix et miséricorde sur tous ceux qui suivront cette règle, et sur l`Israël de Dieu!
16. Ary fiadanana sy famindrampo anie ho amin’izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, sy ho amin’ny Isiraelin’Andriamanitra.
17. From henceforth let no man trouble me: for I bear in my body the marks of the Lord Jesus.
17. Que personne désormais ne me fasse de la peine, car je porte sur mon corps les marques de Jésus.
17. Amin’izao sisa izao, aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesosy Tompo voatomboka eo amin’ny tenako aho.
18. Brethren, the grace of our Lord Jesus Christ be with your spirit. Amen.
18. Frères, que la grâce de notre Seigneur Jésus Christ soit avec votre esprit! Amen!
18. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.(Nosoratana tany Roma ho an’ny Galatiana).