1. Stand fast therefore in the liberty wherewith Christ hath made us free, and be not entangled again with the yoke of bondage.
1. C`est pour la liberté que Christ nous a affranchis. Demeurez donc fermes, et ne vous laissez pas mettre de nouveau sous le joug de la servitude.
1. Tomoera tsara àry ao amin' ny fahafahana izay nanafahan' i Kristy antsika, fa aza mety hohazonin' ny ziogan' ny fanandevozana indray.
2. Behold, I Paul say unto you, that if ye be circumcised, Christ shall profit you nothing.
2. Voici, moi Paul, je vous dis que, si vous vous faites circoncire, Christ ne vous servira de rien.
2. Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo akory Kristy.
3. For I testify again to every man that is circumcised, that he is a debtor to do the whole law.
3. Et je proteste encore une fois à tout homme qui se fait circoncire, qu`il est tenu de pratiquer la loi tout entière.
3. Ary lazaiko marina indray amin’ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy manatanteraka ny lalàna rehetra izy.
4. Christ is become of no effect unto you, whosoever of you are justified by the law; ye are fallen from grace.
4. "Vous êtes séparés de Christ, vous tous qui cherchez la justification dans la loi; vous êtes déchus de la grâce."
4. "Nanjary tsy nahasoa anareo Kristy, na iza na iza ianareo hamarinina amin’ny lalàna; fa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo."
5. For we through the Spirit wait for the hope of righteousness by faith.
5. Pour nous, c`est de la foi que nous attendons, par l`Esprit, l`espérance de la justice.
5. Fa isika, amin’ny alalan’ny Fanahy no iandrasantsika ny fanantenan’ny fahamarinana amin’ny finoana.
6. For in Jesus Christ neither circumcision availeth any thing, nor uncircumcision; but faith which worketh by love.
6. Car, en Jésus Christ, ni la circoncision ni l`incirconcision n`a de valeur, mais la foi qui est agissante par la charité.
6. Fa ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.
7. Ye did run well; who did hinder you that ye should not obey the truth?
7. Vous couriez bien: qui vous a arrêtés, pour vous empêcher d`obéir à la vérité?
7. Nihazakazaka tsara ianareo, iza no nisakana anareo tsy hankatò ny marina?
8. This persuasion cometh not of him that calleth you.
8. Cette influence ne vient pas de celui qui vous appelle.
8. Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’Ilay niantso anareo.
9. A little leaven leaveneth the whole lump.
9. Un peu de levain fait lever toute la pâte.
9. Ny lalivay kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho voalalivay avokoa.
10. I have confidence in you through the Lord, that ye will be none otherwise minded: but he that troubleth you shall bear his judgment, whosoever he be.
10. J`ai cette confiance en vous, dans le Seigneur, que vous ne penserez pas autrement. Mais celui qui vous trouble, quel qu`il soit, en portera la peine.
10. "Matoky anareo ao amin’ny Tompo aho, fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ny fanamelohana, na zovy na zovy izy."
11. And I, brethren, if I yet preach circumcision, why do I yet suffer persecution? then is the offence of the cross ceased.
11. Pour moi, frères, si je prêche encore la circoncision, pourquoi suis-je encore persécuté? Le scandale de la croix a donc disparu!
11. Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola hiaritra fanenjehana? Dia mitsahatra ny fahatafintohinana noho ny hazofijaliana.
12. I would they were even cut off which trouble you.
12. Puissent-ils être retranchés, ceux qui mettent le trouble parmi vous!
12. Enga anie ka hiesotra izay mampitabataba anareo.
13. For, brethren, ye have been called unto liberty; only use not liberty for an occasion to the flesh, but by love serve one another.
13. "Frères, vous avez été appelés à la liberté, seulement ne faites pas de cette liberté un prétexte de vivre selon la chair; mais rendez-vous, par la charité, serviteurs les uns des autres."
13. "Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana."
14. For all the law is fulfilled in one word, even in this; Thou shalt love thy neighbour as thyself.
14. Car toute la loi est accomplie dans une seule parole, dans celle-ci: Tu aimeras ton prochain comme toi-même.
14. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”
15. But if ye bite and devour one another, take heed that ye be not consumed one of another.
15. Mais si vous vous mordez et vous dévorez les uns les autres, prenez garde que vous ne soyez détruits les uns par les autres.
15. Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
16. This I say then, Walk in the Spirit, and ye shall not fulfil the lust of the flesh.
16. Je dis donc: Marchez selon l`Esprit, et vous n`accomplirez pas les désirs de la chair.
16. Fa hoy aho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo.
17. For the flesh lusteth against the Spirit, and the Spirit against the flesh: and these are contrary the one to the other: so that ye cannot do the things that ye would.
17. "Car la chair a des désirs contraires à ceux de l`Esprit, et l`Esprit en a de contraires à ceux de la chair; ils sont opposés entre eux, afin que vous ne fassiez point ce que vous voudriez."
17. "Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy ahazoanareo manao izay zavatra tianareo."
18. But if ye be led of the Spirit, ye are not under the law.
18. Si vous êtes conduits par l`Esprit, vous n`êtes point sous la loi.
18. Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
19. Now the works of the flesh are manifest, which are these; Adultery, fornication, uncleanness, lasciviousness,
19. Or, les oeuvres de la chair sont manifestes, ce sont l`impudicité, l`impureté, la dissolution,
19. Fa miharihary ny asan’ny nofo dia izao: fijangajangana, fahavetavetana, fahalotoana, fijejojejoana,
20. Idolatry, witchcraft, hatred, variance, emulations, wrath, strife, seditions, heresies,
20. l`idolâtrie, la magie, les inimitiés, les querelles, les jalousies, les animosités, les disputes, les divisions, les sectes,
20. Fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fankahalana, fifandirana, adi-lahy, fahatezerana, fifampiandaniana, fisarahana, fahadisoan-dalana amin' ny finoana,
21. Envyings, murders, drunkenness, revellings, and such like: of the which I tell you before, as I have also told you in time past, that they which do such things shall not inherit the kingdom of God.
21. l`envie, l`ivrognerie, les excès de table, et les choses semblables. Je vous dis d`avance, comme je l`ai déjà dit, que ceux qui commettent de telles choses n`hériteront point le royaume de Dieu.
21. Fialonana, vonoana olona, fahamamoana, filalaovan-dratsy ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.
22. But the fruit of the Spirit is love, joy, peace, longsuffering, gentleness, goodness, faith,
22. "Mais le fruit de l`Esprit, c`est l`amour, la joie, la paix, la patience, la bonté, la bénignité, la fidélité, la douceur, la tempérance;"
22. Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fahatsarana, finoana,
23. Meekness, temperance: against such there is no law.
23. la loi n`est pas contre ces choses.
23. "Fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany."
24. And they that are Christ's have crucified the flesh with the affections and lusts.
24. Ceux qui sont à Jésus Christ ont crucifié la chair avec ses passions et ses désirs.
24. Fa izay an’i Kristy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filàny tamin’ny hazofijaliana.
25. If we live in the Spirit, let us also walk in the Spirit.
25. Si nous vivons par l`Esprit, marchons aussi selon l`Esprit.
25. Raha velona ao amin’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy koa.
26. Let us not be desirous of vain glory, provoking one another, envying one another.
26. Ne cherchons pas une vaine gloire, en nous provoquant les uns les autres, en nous portant envie les uns aux autres.
26. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
<
>