Laws of Justice and Mercy

1. Thou shalt not raise a false report: put not thine hand with the wicked to be an unrighteous witness.
1. Tu ne répandras point de faux bruit. Tu ne te joindras point au méchant pour faire un faux témoignage.
1. "Aza manangan-tsaho foana; aza mifandray tanana amin' ny ratsy fanahy ho vavolombelona tsy marina."
2. Thou shalt not follow a multitude to do evil; neither shalt thou speak in a cause to decline after many to wrest judgment:
2. "Tu ne suivras point la multitude pour faire le mal; et tu ne déposeras point dans un procès en te mettant du côté du grand nombre, pour violer la justice."
2. Aza manaraka ny maro hanao ratsy, ary aza mamaly ny amin' ny adin' ny olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
3. Neither shalt thou countenance a poor man in his cause.
3. Tu ne favoriseras point le pauvre dans son procès.
3. Aza mandravaka ny tenin' ny mahantra eo amin' ny fandaharan-teniny ianao.
4. If thou meet thine enemy's ox or his ass going astray, thou shalt surely bring it back to him again.
4. Si tu rencontres le boeuf de ton ennemi ou son âne égaré, tu le lui ramèneras.
4. Raha hitanao mania ny ombin' ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
5. If thou see the ass of him that hateth thee lying under his burden, and wouldest forbear to help him, thou shalt surely help with him.
5. Si tu vois l`âne de ton ennemi succombant sous sa charge, et que tu hésites à le décharger, tu l`aideras à le décharger.
5. Raha hitanao ny borikin' izay mankahala anao mihonaka eo ambanin' ny entany, ka tsy te-hamonjy azy ianao, aoka hiaraka hamonjy aminy tokoa ianao.
6. Thou shalt not wrest the judgment of thy poor in his cause.
6. Tu ne porteras point atteinte au droit du pauvre dans son procès.
6. Aza mamily ny rariny ho an' ny mahantra eo aminao amin' ny raharahany.
7. Keep thee far from a false matter; and the innocent and righteous slay thou not: for I will not justify the wicked.
7. "Tu ne prononceras point de sentence inique, et tu ne feras point mourir l`innocent et le juste; car je n`absoudrai point le coupable."
7. "Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho."
8. And thou shalt take no gift: for the gift blindeth the wise, and perverteth the words of the righteous.
8. "Tu ne recevras point de présent; car les présents aveuglent ceux qui ont les yeux ouverts et corrompent les paroles des justes."
8. Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason' ny hendry sy mamadika ny tenin' ny marina.
9. Also thou shalt not oppress a stranger: for ye know the heart of a stranger, seeing ye were strangers in the land of Egypt.
9. "Tu n`opprimeras point l`étranger; vous savez ce qu`éprouve l`étranger, car vous avez été étrangers dans le pays d`Égypte."
9. Ary aza mampahory vahiny fa ianareo mahalala ny fon' ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ihany ianareo.

Sabbath Laws

10. And six years thou shalt sow thy land, and shalt gather in the fruits thereof:
10. Pendant six années, tu ensemenceras la terre, et tu en recueilleras le produit.
10. Ary enin-taona no hamafazanao amin' ny taninao sy hanangonanao ny vokatra.
11. But the seventh year thou shalt let it rest and lie still; that the poor of thy people may eat: and what they leave the beasts of the field shall eat. In like manner thou shalt deal with thy vineyard, and with thy oliveyard.
11. "Mais la septième, tu lui donneras du relâche et tu la laisseras en repos; les pauvres de ton peuple en jouiront, et les bêtes des champs mangeront ce qui restera. Tu feras de même pour ta vigne et pour tes oliviers."
11. "Fa amin' ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin' ny mahantra amin' ny firenenao; ary izay sisan' ireo hohanin' ny biby any an-tsaha. Toy izany koa no hataonao amin' ny tanimboalobokao sy ny taninolivanao."
12. Six days thou shalt do thy work, and on the seventh day thou shalt rest: that thine ox and thine ass may rest, and the son of thy handmaid, and the stranger, may be refreshed.
12. Pendant six jours, tu feras ton ouvrage. Mais le septième jour, tu te reposeras, afin que ton boeuf et ton âne aient du repos, afin que le fils de ton esclave et l`étranger aient du relâche.
12. "Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin' ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan' ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan' ny zanaky ny mpanompovavinao sy ny vahiny aina."
13. And in all things that I have said unto you be circumspect: and make no mention of the name of other gods, neither let it be heard out of thy mouth.
13. Vous observerez tout ce que je vous ai dit, et vous ne prononcerez point le nom d`autres dieux: qu`on ne l`entende point sortir de votre bouche.
13. "Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran' andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin' ny vavanao izany."

The Three Annual Festivals

14. Three times thou shalt keep a feast unto me in the year.
14. Trois fois par année, tu célébreras des fêtes en mon honneur.
14. Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
15. Thou shalt keep the feast of unleavened bread: (thou shalt eat unleavened bread seven days, as I commanded thee, in the time appointed of the month Abib; for in it thou camest out from Egypt: and none shall appear before me empty:)
15. "Tu observeras la fête des pains sans levain; pendant sept jours, au temps fixé dans le mois des épis, tu mangeras des pains sans levain, comme je t`en ai donné l`ordre, car c`est dans ce mois que tu es sorti d`Égypte; et l`on ne se présentera point à vide devant ma face."
15. "Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy lalivay; (hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay araka izay nandidiako anao amin' ny fotoana voatendry amin' ny volana Abiba, fa tamin' izany no nivoahanao avy tany Egypta; ka aoka tsy hisy hiseho foana eo anatrehako);"
16. And the feast of harvest, the firstfruits of thy labours, which thou hast sown in the field: and the feast of ingathering, which is in the end of the year, when thou hast gathered in thy labours out of the field.
16. "Tu observeras la fête de la moisson, des prémices de ton travail, de ce que tu auras semé dans les champs; et la fête de la récolte, à la fin de l`année, quand tu recueilleras des champs le fruit de ton travail."
16. Ary ny andro firavoravoana amin' ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin' ny fanangonana amin' ny faran' ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
17. Three times in the year all thy males shall appear before the LORD God.
17. Trois fois par année, tous les mâles se présenteront devant le Seigneur, l`Éternel.
17. Intelo isan-taona no hisehoan' ny lehilahy rehetra aminao eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitra.
18. Thou shalt not offer the blood of my sacrifice with leavened bread; neither shall the fat of my sacrifice remain until the morning.
18. "Tu n`offriras point avec du pain levé le sang de la victime sacrifiée en mon honneur; et sa graisse ne sera point gardée pendant la nuit jusqu`au matin."
18. "Aza manatitra ny ràn' izay fanatitra ho Ahy miaraka amin' ny mofo misy lalivay; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran' ny fanatitra ho Ahy."
19. The first of the firstfruits of thy land thou shalt bring into the house of the LORD thy God. Thou shalt not seethe a kid in his mother's milk.
19. Tu apporteras à la maison de l`Éternel, ton Dieu, les prémices des premiers fruits de la terre. Tu ne feras point cuire un chevreau dans le lait de sa mère.
19. Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao an-tranon' i Jehovah Andriamanitra. Aza mahandro zanak' osy amin' ny rononon-dreniny.

God's Angel to Prepare the Way

20. Behold, I send an Angel before thee, to keep thee in the way, and to bring thee into the place which I have prepared.
20. Voici, j`envoie un ange devant toi, pour te protéger en chemin, et pour te faire arriver au lieu que j`ai préparé.
20. Indro maniraka anjely eo anoloanao Aho, hiaro anao eny an-dalana sy hitondra anao ho any amin' ny fitoerana izay namboariko.
21. Beware of him, and obey his voice, provoke him not; for he will not pardon your transgressions: for my name is in him.
21. "Tiens-toi sur tes gardes en sa présence, et écoute sa voix; ne lui résiste point, parce qu`il ne pardonnera pas vos péchés, car mon nom est en lui."
21. "Mitandrema eo anatrehany, ka mankatoava ny feony, aza mampahatezitra azy, fa tsy hamela ny fahotanareo Izy ; fa ny anarako no eo aminy."
22. But if thou shalt indeed obey his voice, and do all that I speak; then I will be an enemy unto thine enemies, and an adversary unto thine adversaries.
22. Mais si tu écoutes sa voix, et si tu fais tout ce que je te dirai, je serai l`ennemi de tes ennemis et l`adversaire de tes adversaires.
22. Fa raha hankatò ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon' ny fahavalonao Aho, ary ho rafin' izay rafinao.
23. For mine Angel shall go before thee, and bring thee in unto the Amorites, and the Hittites, and the Perizzites, and the Canaanites, the Hivites, and the Jebusites: and I will cut them off.
23. Mon ange marchera devant toi, et te conduira chez les Amoréens, les Héthiens, les Phéréziens, les Cananéens, les Héviens et les Jébusiens, et je les exterminerai.
23. "Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin' ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny."
24. Thou shalt not bow down to their gods, nor serve them, nor do after their works: but thou shalt utterly overthrow them, and quite break down their images.
24. "Tu ne te prosterneras point devant leurs dieux, et tu ne les serviras point; tu n`imiteras point ces peuples dans leur conduite, mais tu les détruiras, et tu briseras leurs statues."
24. "Aza miankohoka eo anatrehan' ny andriamanitr' ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony ; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny sarin-javany."
25. And ye shall serve the LORD your God, and he shall bless thy bread, and thy water; and I will take sickness away from the midst of thee.
25. Vous servirez l`Éternel, votre Dieu, et il bénira votre pain et vos eaux, et j`éloignerai la maladie du milieu de toi.
25. "Fa manompoa an' i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy ; ary hoesoriko aminao ny aretina."
26. There shall nothing cast their young, nor be barren, in thy land: the number of thy days I will fulfil.
26. Il n`y aura dans ton pays ni femme qui avorte, ni femme stérile. Je remplirai le nombre de tes jours.
26. "Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin' ny taninao; hotanterahiko ny isan' ny andronao."
27. I will send my fear before thee, and will destroy all the people to whom thou shalt come, and I will make all thine enemies turn their backs unto thee.
27. J`enverrai ma terreur devant toi, je mettrai en déroute tous les peuples chez lesquels tu arriveras, et je ferai tourner le dos devant toi à tous tes ennemis.
27. Hampandeha ny fahatahorana ahy eo anoloanao Aho ka handringana ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
28. And I will send hornets before thee, which shall drive out the Hivite, the Canaanite, and the Hittite, from before thee.
28. J`enverrai les frelons devant toi, et ils chasseront loin de ta face les Héviens, les Cananéens et les Héthiens.
28. Ary Izaho no hampandeha fanenitra eo alohanao, izay handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita hiala eo alohanao.
29. I will not drive them out from before thee in one year; lest the land become desolate, and the beast of the field multiply against thee.
29. Je ne les chasserai pas en une seule année loin de ta face, de peur que le pays ne devienne un désert et que les bêtes des champs ne se multiplient contre toi.
29. Tsy handroaka azy ireny eo alohanao amin' ny taona iray Aho fandrao ho tonga lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny biby any an-tsaha.
30. By little and little I will drive them out from before thee, until thou be increased, and inherit the land.
30. Je les chasserai peu à peu loin de ta face, jusqu`à ce que tu augmentes en nombre et que tu puisses prendre possession du pays.
30. Tsikelikely no handroahako azy hiala eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
31. And I will set thy bounds from the Red sea even unto the sea of the Philistines, and from the desert unto the river: for I will deliver the inhabitants of the land into your hand; and thou shalt drive them out before thee.
31. "J`établirai tes limites depuis la mer Rouge jusqu`à la mer des Philistins, et depuis le désert jusqu`au fleuve; car je livrerai entre vos mains les habitants du pays, et tu les chasseras devant toi."
31. "Ary hatramin' ny Ranomasina Mena ka hatramin' ny ranomasin' ny Filistina no hataoko faritra ho anao, ary hatramin' ny efitra ka hatramin' ny renirano; fa hanolotra ny mponina amin' ny tany ho eo an-tananao Aho, dia handroaka azy hiala eo anoloanao ianao."
32. Thou shalt make no covenant with them, nor with their gods.
32. Tu ne feras point d`alliance avec eux, ni avec leurs dieux.
32. Aza manao fanekena aminy na amin' ny andriamaniny ianao.
33. They shall not dwell in thy land, lest they make thee sin against me: for if thou serve their gods, it will surely be a snare unto thee.
33. "Ils n`habiteront point dans ton pays, de peur qu`ils ne te fassent pécher contre moi; car tu servirais leurs dieux, et ce serait un piège pour toi."
33. "Tsy honina eo amin' ny taninao ireo, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany."
<
>