Protection of Property

1. If a man shall steal an ox, or a sheep, and kill it, or sell it; he shall restore five oxen for an ox, and four sheep for a sheep.
1. Si un homme dérobe un boeuf ou un agneau, et qu`il l`égorge ou le vende, il restituera cinq boeufs pour le boeuf et quatre agneaux pour l`agneau.
1. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry ka mamono azy na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon' ny omby iray izy ary ondry efatra ho solon' ny ondry iray.
2. If a thief be found breaking up, and be smitten that he die, there shall no blood be shed for him.
2. "Si le voleur est surpris dérobant avec effraction, et qu`il soit frappé et meure, on ne sera point coupable de meurtre envers lui;"
2. "Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin' izany;"
3. If the sun be risen upon him, there shall be blood shed for him; for he should make full restitution; if he have nothing, then he shall be sold for his theft.
3. "mais si le soleil est levé, on sera coupable de meurtre envers lui. Il fera restitution; s`il n`a rien, il sera vendu pour son vol;"
3. "Raha tratry ny masoandro miposaka izy, dia hisy valin-drà amin' izany; tokony hanao fanonerana feno izy; raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony."
4. If the theft be certainly found in his hand alive, whether it be ox, or ass, or sheep; he shall restore double.
4. si ce qu`il a dérobé, boeuf, âne, ou agneau, se trouve encore vivant entre ses mains, il fera une restitution au double.
4. Raha hita velona eo an-tanany tokoa ny halatra, na omby izany, na boriky, na ondry, dia hanonitra roa heny izy.
5. If a man shall cause a field or vineyard to be eaten, and shall put in his beast, and shall feed in another man's field; of the best of his own field, and of the best of his own vineyard, shall he make restitution.
5. Si un homme fait du dégât dans un champ ou dans une vigne, et qu`il laisse son bétail paître dans le champ d`autrui, il donnera en dédommagement le meilleur produit de son champ et de sa vigne.
5. Raha misy olona mampitondraka amin' ny saha, na tanimboaloboka, ka mametraka ny bibiny hihinana ao amin' ny sahan' olon-kafa, dia avy amin' ny tsara indrindra ao amin' ny sahany sy avy amin' ny tsara indrindra ao amin' ny tanimboalobony no hanaovany fanonerana.
6. If fire break out, and catch in thorns, so that the stacks of corn, or the standing corn, or the field, be consumed therewith; he that kindled the fire shall surely make restitution.
6. Si un feu éclate et rencontre des épines, et que du blé en gerbes ou sur pied, ou bien le champ, soit consumé, celui qui a causé l`incendie sera tenu à un dédommagement.
6. Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontan-barimbazaha, na ny varimbazaha maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
7. If a man shall deliver unto his neighbour money or stuff to keep, and it be stolen out of the man's house; if the thief be found, let him pay double.
7. Si un homme donne à un autre de l`argent ou des objets à garder, et qu`on les vole dans la maison de ce dernier, le voleur fera une restitution au double, dans le cas où il serait trouvé.
7. "Raha misy olona mampitahiry vola, na fanaka ny namany, ka angalarina ao an-tranon' ilay olona izany; raha hita ny mpangalatra dia aoka izy handoa avo roa heny."
8. If the thief be not found, then the master of the house shall be brought unto the judges, to see whether he have put his hand unto his neighbour's goods.
8. Si le voleur ne se trouve pas, le maître de la maison se présentera devant Dieu, pour déclarer qu`il n`a pas mis la main sur le bien de son prochain.
8. Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia hoentina eo anatrehan' ny mpitsara ny tompon' ny trano mba hizahana na naninjitra ny tanany tamin' ny fananan' ny namany izy, na tsia.
9. For all manner of trespass, whether it be for ox, for ass, for sheep, for raiment, or for any manner of lost thing, which another challengeth to be his, the cause of both parties shall come before the judges; and whom the judges shall condemn, he shall pay double unto his neighbour.
9. "Dans toute affaire frauduleuse concernant un boeuf, un âne, un agneau, un vêtement, ou un objet perdu, au sujet duquel on dira: C`est cela! -la cause des deux parties ira jusqu`à Dieu; celui que Dieu condamnera fera à son prochain une restitution au double."
9. "Ny amin' ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na fitafiana, na inona na inona zavatra very izay itompoan' ny anankiray ho azy, dia hoentina eo anatrehan' ny mpitsara ny raharahan' izy roa tonta; ka izay helohin' ny mpitsara dia handoa avo roa heny amin' ny namany."
10. If a man deliver unto his neighbour an ass, or an ox, or a sheep, or any beast, to keep; and it die, or be hurt, or driven away, no man seeing it:
10. Si un homme donne à un autre un âne, un boeuf, un agneau, ou un animal quelconque à garder, et que l`animal meure, se casse un membre, ou soit enlevé, sans que personne l`ait vu,
10. "Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na biby hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita ;"
11. Then shall an oath of the LORD be between them both, that he hath not put his hand unto his neighbour's goods; and the owner of it shall accept thereof, and he shall not make it good.
11. "le serment au nom de l`Éternel interviendra entre les deux parties, et celui qui a gardé l`animal déclarera qu`il n`a pas mis la main sur le bien de son prochain; le maître de l`animal acceptera ce serment, et l`autre ne sera point tenu à une restitution."
11. "Dia hisy fianianana amin' i Jehovah amin' izy roa tonta, fa tsy naninjitra ny tanany tamin' ny fananan' ny namany izy; ary hanaiky izany ny tompony ka tsy hanonitra izy."
12. And if it be stolen from him, he shall make restitution unto the owner thereof.
12. Mais si l`animal a été dérobé chez lui, il sera tenu vis-à-vis de son maître à une restitution.
12. Fa raha nangalarina tany aminy izany, dia hanonitra ho an' ny tompon-javatra izy.
13. If it be torn in pieces, then let him bring it for witness, and he shall not make good that which was torn.
13. Si l`animal a été déchiré, il le produira en témoignage, et il ne sera point tenu à une restitution pour ce qui a été déchiré.
13. Raha voaviravira izany, dia aoka hitondra izany ho vavolombelona izy, dia tsy hanonitra izay voaviravira izy.
14. And if a man borrow ought of his neighbour, and it be hurt, or die, the owner thereof being not with it, he shall surely make it good.
14. Si un homme emprunte à un autre un animal, et que l`animal se casse un membre ou qu`il meure, en l`absence de son maître, il y aura lieu à restitution.
14. Ary raha misy olona mindran-javatra amin' ny namany, ka maratra izany, na maty, nefa tsy teo ny tompon-javatra, dia hanonitra izany tokoa izy.
15. But if the owner thereof be with it, he shall not make it good: if it be an hired thing, it came for his hire.
15. Si le maître est présent, il n`y aura pas lieu à restitution. Si l`animal a été loué, le prix du louage suffira.
15. "Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra dia tsy hanonitra izy; raha zavatra ahofa kosa, dia vitan' ny hofany izany."

Social Responsibility

16. And if a man entice a maid that is not betrothed, and lie with her, he shall surely endow her to be his wife.
16. Si un homme séduit une vierge qui n`est point fiancée, et qu`il couche avec elle, il paiera sa dot et la prendra pour femme.
16. Ary raha misy olona mitaona zazavavy izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome azy harena tokoa izy mba ho vadiny.
17. If her father utterly refuse to give her unto him, he shall pay money according to the dowry of virgins.
17. Si le père refuse de la lui accorder, il paiera en argent la valeur de la dot des vierges.
17. Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome virijina.
18. Thou shalt not suffer a witch to live.
18. Tu ne laisseras point vivre la magicienne.
18. Aza velomina ny vehivavy manana ody.
19. Whosoever lieth with a beast shall surely be put to death.
19. Quiconque couche avec une bête sera puni de mort.
19. Izay mandry amin' ny biby dia hatao maty tokoa.
20. He that sacrificeth unto any god, save unto the LORD only, he shall be utterly destroyed.
20. Celui qui offre des sacrifices à d`autres dieux qu`à l`Éternel seul sera voué à l`extermination.
20. Izay manao fanatitra amin' andriamani-kafa, afa-tsy amin' i Jehovah ihany dia haringana tokoa.
21. Thou shalt neither vex a stranger, nor oppress him: for ye were strangers in the land of Egypt.
21. "Tu ne maltraiteras point l`étranger, et tu ne l`opprimeras point; car vous avez été étrangers dans le pays d`Égypte."
21. "Aza manao izay sarotra amin' ny vahiny, na mampahory azy; fa efa mba vahiny tany amin' ny tany Egypta ianareo."
22. Ye shall not afflict any widow, or fatherless child.
22. Tu n`affligeras point la veuve, ni l`orphelin.
22. Aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty ianareo.
23. If thou afflict them in any wise, and they cry at all unto me, I will surely hear their cry;
23. "Si tu les affliges, et qu`ils viennent à moi, j`entendrai leurs cris;"
23. Fa raha mampahory azy na amin' inona na amin' inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho.
24. And my wrath shall wax hot, and I will kill you with the sword; and your wives shall be widows, and your children fatherless.
24. "ma colère s`enflammera, et je vous détruirai par l`épée; vos femmes deviendront veuves, et vos enfants orphelins."
24. "Ary hirehitra ny fahatezerako ka hamono anareo amin' ny sabatra Aho; dia ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty ny zanakareo."
25. If thou lend money to any of my people that is poor by thee, thou shalt not be to him as an usurer, neither shalt thou lay upon him usury.
25. Si tu prêtes de l`argent à mon peuple, au pauvre qui est avec toi, tu ne seras point à son égard comme un créancier, tu n`exigeras de lui point d`intérêt.
25. Raha mampisambo-bola ny oloko izay mahantra eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanàna vola aminy ianao, sady tsy hampandoa zana-bola azy.
26. If thou at all take thy neighbour's raiment to pledge, thou shalt deliver it unto him by that the sun goeth down:
26. "Si tu prends en gage le vêtement de ton prochain, tu le lui rendras avant le coucher du soleil;"
26. Raha maka ny lamban' ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha tsy mbola milentika ny masoandro.
27. For that is his covering only, it is his raiment for his skin: wherein shall he sleep? and it shall come to pass, when he crieth unto me, that I will hear; for I am gracious.
27. car c`est sa seule couverture, c`est le vêtement dont il s`enveloppe le corps: dans quoi coucherait-il? S`il crie à moi, je l`entendrai, car je suis miséricordieux.
27. Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin' ny hodiny, ka inona no hoentiny mandry? Ary izao no hiseho, raha mitaraina amiko izy dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
28. Thou shalt not revile the gods, nor curse the ruler of thy people.
28. Tu ne maudiras point Dieu, et tu ne maudiras point le prince de ton peuple.
28. Aza miteny ratsy an' Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
29. Thou shalt not delay to offer the first of thy ripe fruits, and of thy liquors: the firstborn of thy sons shalt thou give unto me.
29. Tu ne différeras point de m`offrir les prémices de ta moisson et de ta vendange. Tu me donneras le premier-né de tes fils.
29. "Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin' ny zanakao lahy dia omeonao Ahy."
30. Likewise shalt thou do with thine oxen, and with thy sheep: seven days it shall be with his dam; on the eighth day thou shalt give it me.
30. "Tu me donneras aussi le premier-né de ta vache et de ta brebis; il restera sept jours avec sa mère; le huitième jour, tu me le donneras."
30. "Toy izao no ataonao amin' ny ombinao sy ny ondrinao: hafitoana no hitoerany ao amin' ny reniny; amin' ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy."
31. And ye shall be holy men unto me: neither shall ye eat any flesh that is torn of beasts in the field; ye shall cast it to the dogs.
31. Vous serez pour moi des hommes saints. Vous ne mangerez point de chair déchirée dans les champs: vous la jetterez aux chiens.
31. "Ary ho olona masina ho ahy ianareo; koa ny hena izay voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa arionareo ho an' ny amboa izany."
<
>