Jethro Visits Moses

1. When Jethro, the priest of Midian, Moses' father in law, heard of all that God had done for Moses, and for Israel his people, and that the LORD had brought Israel out of Egypt;
1. "Jéthro, sacrificateur de Madian, beau-père de Moïse, apprit tout ce que Dieu avait fait en faveur de Moïse et d`Israël, son peuple; il apprit que l`Éternel avait fait sortir Israël d`Égypte."
1. "Rehefa ren' i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan' i Mosesy, izay rehetra efa nataon' Andriamanitra ho an' i Mosesy sy ny Isiraely olony, fa Jehovah efa namoaka ny Isiraely avy tany Egypta;"
2. Then Jethro, Moses' father in law, took Zipporah, Moses' wife, after he had sent her back,
2. Jéthro, beau-père de Moïse, prit Séphora, femme de Moïse, qui avait été renvoyée.
2. Dia nentin' i Jetro, rafozan' i Mosesy, Zipora vadin' i Mosesy, rehefa nampivereniny izy,
3. And her two sons; of which the name of the one was Gershom; for he said, I have been an alien in a strange land:
3. "Il prit aussi les deux fils de Séphora; l`un se nommait Guerschom, car Moïse avait dit: J`habite un pays étranger;"
3. "sy ny zanany roa lahy; Gersoma no anaran' ny anankiray, fa hoy izy: efa vahiny amin' ny tany hafa aho;"
4. And the name of the other was Eliezer; for the God of my father, said he, was mine help, and delivered me from the sword of Pharaoh:
4. l`autre se nommait Éliézer, car il avait dit: Le Dieu de mon père m`a secouru, et il m`a délivré de l`épée de Pharaon.
4. "Ary Eliezera no anaran' ny anankiray; fa ny Andriamanitry ny raiko, hoy izy, no nanampy ahy, ka nanafaka ahy tamin' ny sabatr' i Farao."
5. And Jethro, Moses' father in law, came with his sons and his wife unto Moses into the wilderness, where he encamped at the mount of God:
5. Jéthro, beau-père de Moïse, avec les fils et la femme de Moïse, vint au désert où il campait, à la montagne de Dieu.
5. Ary Jetro rafozan' i Mosesy tonga niaraka tamin' ny vady aman-janak' i Mosesy tany aminy tany an' efitra, izay nitobiany teo an-tendrombohitr' Andriamanitra.
6. And he said unto Moses, I thy father in law Jethro am come unto thee, and thy wife, and her two sons with her.
6. Il fit dire à Moïse: Moi, ton beau-père Jéthro, je viens vers toi, avec ta femme et ses deux fils.
6. Dia hoy izy tamin' i Mosesy: Izaho Jetro rafozanao dia tonga aty aminao, miaraka amin' ny vadinao mbamin' ny zanany roa lahy momba azy.
7. And Moses went out to meet his father in law, and did obeisance, and kissed him; and they asked each other of their welfare; and they came into the tent.
7. Moïse sortit au-devant de son beau-père, il se prosterna, et il le baisa. Ils s`informèrent réciproquement de leur santé, et ils entrèrent dans la tente de Moïse.
7. "Ary nivoaka hitsena ny rafozany Mosesy, ka niondrika sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day."
8. And Moses told his father in law all that the LORD had done unto Pharaoh and to the Egyptians for Israel's sake, and all the travail that had come upon them by the way, and how the LORD delivered them.
8. Moïse raconta à son beau-père tout ce que l`Éternel avait fait à Pharaon et à l`Égypte à cause d`Israël, toutes les souffrances qui leur étaient survenues en chemin, et comment l`Éternel les avait délivrés.
8. Ary nambaran' i Mosesy tamin' ny rafozany izay rehetra efa nataon' i Jehovah tamin' i Farao sy tamin' ny Egyptiana noho ny amin' ny Isiraely, mbamin' ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny fomba nanafahan' i Jehovah azy.
9. And Jethro rejoiced for all the goodness which the LORD had done to Israel, whom he had delivered out of the hand of the Egyptians.
9. Jéthro se réjouit de tout le bien que l`Éternel avait fait à Israël, et de ce qu`il l`avait délivré de la main des Égyptiens.
9. Dia nifaly Jetro noho ny soa rehetra efa nataon' i Jehovah tamin' ny Isiraely, izay efa nafahany tamin' ny tanan' ny Egyptiana.
10. And Jethro said, Blessed be the LORD, who hath delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of Pharaoh, who hath delivered the people from under the hand of the Egyptians.
10. "Et Jéthro dit: Béni soit l`Éternel, qui vous a délivrés de la main des Égyptiens et de la main de Pharaon; qui a délivré le peuple de la main des Égyptiens!"
10. Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay nanafaka anareo tamin' ny tanan' ny Egyptiana, sy tamin' ny tanan' i Farao, ka nanafaka ny olona tsy hotapahin' ny Egyptiana.
11. Now I know that the LORD is greater than all gods: for in the thing wherein they dealt proudly he was above them.
11. "Je reconnais maintenant que l`Éternel est plus grand que tous les dieux; car la méchanceté des Égyptiens est retombée sur eux."
11. "Ankehitriny dia fantatro fa lehibe mihoatra noho ny andriamanitra rehetra Jehovah; fa tamin' ny zavatra nireharehan' ireo no naha-ambony Azy noho ireo."
12. And Jethro, Moses' father in law, took a burnt offering and sacrifices for God: and Aaron came, and all the elders of Israel, to eat bread with Moses' father in law before God.
12. Jéthro, beau-père de Moïse, offrit à Dieu un holocauste et des sacrifices. Aaron et tous les anciens d`Israël vinrent participer au repas avec le beau-père de Moïse, en présence de Dieu.
12. "Ary Jetro, rafozan' i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy sorona ho an' Andriamanitra; dia tonga Arona mbamin' ny loholon' ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin' ny rafozan' i Mosesy teo anatrehan' Andriamanitra."
13. And it came to pass on the morrow, that Moses sat to judge the people: and the people stood by Moses from the morning unto the evening.
13. Le lendemain, Moïse s`assit pour juger le peuple, et le peuple se tint devant lui depuis le matin jusqu`au soir.
13. Ary izao no niseho nony ampitso, nipetraka hitsara ny olona Mosesy: ka dia nitsangana teo anilan' i Mosesy ny olona hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva.
14. And when Moses' father in law saw all that he did to the people, he said, What is this thing that thou doest to the people? why sittest thou thyself alone, and all the people stand by thee from morning unto even?
14. Le beau-père de Moïse vit tout ce qu`il faisait pour le peuple, et il dit: Que fais-tu là avec ce peuple? Pourquoi sièges-tu seul, et tout le peuple se tient-il devant toi, depuis le matin jusqu`au soir?
14. Ary rehefa hitan' ny rafozan' i Mosesy izay rehetra efa nataony tamin' ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin' ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva?
15. And Moses said unto his father in law, Because the people come unto me to enquire of God:
15. Moïse répondit à son beau-père: C`est que le peuple vient à moi pour consulter Dieu.
15. Ary hoy Mosesy tamin' ny rafozany: satria mankaty amiko ny olona hanontany amin' Andriamanitra:
16. When they have a matter, they come unto me; and I judge between one and another, and I do make them know the statutes of God, and his laws.
16. "Quand ils ont quelque affaire, ils viennent à moi; je prononce entre eux, et je fais connaître les ordonnances de Dieu et ses lois."
16. Raha misy anton-javatra, dia manatona ahy ireo, ka mitsara ny andaniny sy ny ankilany aho, ary dia mampahafantatra azy ireo ny fitsipik' Andriamanitra sy ny lalàny aho.
17. And Moses' father in law said unto him, The thing that thou doest is not good.
17. Le beau-père de Moïse lui dit: Ce que tu fais n`est pas bien.
17. Ary hoy ny rafozan' i Mosesy taminy: Tsy tsara izao zavatra ataonao izao.
18. Thou wilt surely wear away, both thou, and this people that is with thee: for this thing is too heavy for thee; thou art not able to perform it thyself alone.
18. "Tu t`épuiseras toi-même, et tu épuiseras ce peuple qui est avec toi; car la chose est au-dessus de tes forces, tu ne pourras pas y suffire seul."
18. "Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho vitanao irery ny hanao izany."
19. Hearken now unto my voice, I will give thee counsel, and God shall be with thee: Be thou for the people to God-ward, that thou mayest bring the causes unto God:
19. "Maintenant écoute ma voix; je vais te donner un conseil, et que Dieu soit avec toi! Sois l`interprète du peuple auprès de Dieu, et porte les affaires devant Dieu."
19. "Ankehitriny, mihainoa ny feoko, fa hanoro hevitra anao aho, dia homba anao Andriamanitra; aoka ianao ho alalan' ny olona amin' Andriamanitra mba hitondranao ny raharahany amin' Andriamanitra;"
20. And thou shalt teach them ordinances and laws, and shalt shew them the way wherein they must walk, and the work that they must do.
20. "Enseigne-leur les ordonnances et les lois; et fais-leur connaître le chemin qu`ils doivent suivre, et ce qu`ils doivent faire."
20. Ary hampianatra azy didy sy lalàna ianao ka haneho aminy ny lalana tokony halehany sy ny asa tokony hataony.
21. Moreover thou shalt provide out of all the people able men, such as fear God, men of truth, hating covetousness; and place such over them, to be rulers of thousands, and rulers of hundreds, rulers of fifties, and rulers of tens:
21. "Choisis parmi tout le peuple des hommes capables, craignant Dieu, des hommes intègres, ennemis de la cupidité; établis-les sur eux comme chefs de mille, chefs de cent, chefs de cinquante et chefs de dix."
21. Ary mizahà koa eo amin' ny olona rehetra izay lehilahy mahay, sy matahotra an' Andriamanitra, dia lehilahy marina, mankahala fieremana, ka manendre azy ireo ho mpifehy arivo, sy mpifehy zato sy mpifehy dimampolo ary mpifehy folo.
22. And let them judge the people at all seasons: and it shall be, that every great matter they shall bring unto thee, but every small matter they shall judge: so shall it be easier for thyself, and they shall bear the burden with thee.
22. "Qu`ils jugent le peuple en tout temps; qu`ils portent devant toi toutes les affaires importantes, et qu`ils prononcent eux-mêmes sur les petites causes. Allège ta charge, et qu`ils la portent avec toi."
22. "Ary aoka ireo no hitsara ny olona amin' ny fotoana rehetra; ary izao no hisy, ny raharaha lehibe rehetra dia hoentiny aminao, fa ny raharaha madinika rehetra hotsarain' izy ireo; dia ho maivana kokoa aminao izany ka hiara-mitondra ny enta-mavesatra aminao ireo."
23. If thou shalt do this thing, and God command thee so, then thou shalt be able to endure, and all this people shall also go to their place in peace.
23. Si tu fais cela, et que Dieu te donne des ordres, tu pourras y suffire, et tout ce peuple parviendra heureusement à sa destination.
23. Raha hanao izany zavatra izany ianao, ka mandidy izany aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin' ny fonenany.
24. So Moses hearkened to the voice of his father in law, and did all that he had said.
24. Moïse écouta la voix de son beau-père, et fit tout ce qu`il avait dit.
24. Dia nohenoin' i Mosesy ny feon' ny rafozany ka nataony avokoa izay efa nolazainy.
25. And Moses chose able men out of all Israel, and made them heads over the people, rulers of thousands, rulers of hundreds, rulers of fifties, and rulers of tens.
25. Moïse choisit des hommes capables parmi tout Israël, et il les établit chefs du peuple, chefs de mille, chefs de cent, chefs de cinquante et chefs de dix.
25. Dia nofidin' i Mosesy izay lehilahy mahay tamin' ny Isiraely rehetra ka nataony ho lohany hifehy ny olona, dia ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.
26. And they judged the people at all seasons: the hard causes they brought unto Moses, but every small matter they judged themselves.
26. "Ils jugeaient le peuple en tout temps; ils portaient devant Moïse les affaires difficiles, et ils prononçaient eux-mêmes sur toutes les petites causes."
26. "Dia nitsara ny olona tamin' ny fotoana rehetra ireo; ny raharaha sarotra no nentiny tany amin' i Mosesy, fa ny raharaha madinika rehetra dia notsarainy ihany."
27. And Moses let his father in law depart; and he went his way into his own land.
27. Moïse laissa partir son beau-père, et Jéthro s`en alla dans son pays.
27. Ary namela ny rafozany handeha Mosesy ka dia lasa nody any amin' ny taniny izy.
<
>