1. Be ye therefore followers of God, as dear children;
1. "Devenez donc les imitateurs de Dieu, comme des enfants bien-aimés;"
1. "Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;"
2. And walk in love, as Christ also hath loved us, and hath given himself for us an offering and a sacrifice to God for a sweetsmelling savour.
2. et marchez dans la charité, à l`exemple de Christ, qui nous a aimés, et qui s`est livré lui-même à Dieu pour nous comme une offrande et un sacrifice de bonne odeur.
2. Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy antsika, dia ny nanolorany ny tenany ho antsika ho fanatitra sy sorona ho an’Andriamanitra ho hanitra ankasitrahana.
3. But fornication, and all uncleanness, or covetousness, let it not be once named among you, as becometh saints;
3. Que l`impudicité, qu`aucune espèce d`impureté, et que la cupidité, ne soient pas même nommées parmi vous, ainsi qu`il convient à des saints.
3. Fa ny fahavetavetana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
4. Neither filthiness, nor foolish talking, nor jesting, which are not convenient: but rather giving of thanks.
4. "Qu`on n`entende ni paroles déshonnêtes, ni propos insensés, ni plaisanteries, choses qui sont contraires à la bienséance; qu`on entende plutôt des actions de grâces."
4. Na faharatsiana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5. For this ye know, that no whoremonger, nor unclean person, nor covetous man, who is an idolater, hath any inheritance in the kingdom of Christ and of God.
5. Car, sachez-le bien, aucun impudique, ou impur, ou cupide, c`est-à-dire, idolâtre, n`a d`héritage dans le royaume de Christ et de Dieu.
5. Fa fantatrareo izany, fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny vehivavy mpivarotena na ny olom-betaveta, na ny olona mpierina izay mpanompo sampy.
6. Let no man deceive you with vain words: for because of these things cometh the wrath of God upon the children of disobedience.
6. "Que personne ne vous séduise par de vains discours; car c`est à cause de ces choses que la colère de Dieu vient sur les fils de la rébellion."
6. "Aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana."
7. Be not ye therefore partakers with them.
7. N`ayez donc aucune part avec eux.
7. Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8. For ye were sometimes darkness, but now are ye light in the Lord: walk as children of light:
8. Autrefois vous étiez ténèbres, et maintenant vous êtes lumière dans le Seigneur. Marchez comme des enfants de lumière!
8. "Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava;"
9. (For the fruit of the Spirit is in all goodness and righteousness and truth;)
9. Car le fruit de la lumière consiste en toute sorte de bonté, de justice et de vérité.
9. (Fa ny vokatry ny Fanahy dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10. Proving what is acceptable unto the Lord.
10. "Examinez ce qui est agréable au Seigneur;"
10. Mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.
11. And have no fellowship with the unfruitful works of darkness, but rather reprove them.
11. et ne prenez point part aux oeuvres infructueuses des ténèbres, mais plutôt condamnez-les.
11. Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra ireny.
12. For it is a shame even to speak of those things which are done of them in secret.
12. "Car il est honteux de dire ce qu`ils font en secret;"
12. Fa izay ataony ao amin’ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13. But all things that are reproved are made manifest by the light: for whatsoever doth make manifest is light.
13. mais tout ce qui est condamné est manifesté par la lumière, car tout ce qui est manifesté est lumière.
13. "Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ny mazava; fa izay mampiharihary ny zavatra rehetra dia ny mazava."
14. Wherefore he saith, Awake thou that sleepest, and arise from the dead, and Christ shall give thee light.
14. C`est pour cela qu`il est dit: Réveille-toi, toi qui dors, Relève-toi d`entre les morts, Et Christ t`éclairera.
14. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.
15. See then that ye walk circumspectly, not as fools, but as wise,
15. "Prenez donc garde de vous conduire avec circonspection, non comme des insensés, mais comme des sages;"
15. Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16. Redeeming the time, because the days are evil.
16. rachetez le temps, car les jours sont mauvais.
16. Ka hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
17. Wherefore be ye not unwise, but understanding what the will of the Lord is.
17. C`est pourquoi ne soyez pas inconsidérés, mais comprenez quelle est la volonté du Seigneur.
17. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.
18. And be not drunk with wine, wherein is excess; but be filled with the Spirit;
18. "Ne vous enivrez pas de vin: c`est de la débauche. Soyez, au contraire, remplis de l`Esprit;"
18. Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19. Speaking to yourselves in psalms and hymns and spiritual songs, singing and making melody in your heart to the Lord;
19. "entretenez-vous par des psaumes, par des hymnes, et par des cantiques spirituels, chantant et célébrant de tout votre coeur les louanges du Seigneur;"
19. "Ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkira ara-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo;"
20. Giving thanks always for all things unto God and the Father in the name of our Lord Jesus Christ;
20. rendez continuellement grâces pour toutes choses à Dieu le Père, au nom de notre Seigneur Jésus Christ,
20. Misaora mandrakariva an’Andriamanitra sady Ray noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika,
21. Submitting yourselves one to another in the fear of God.
21. vous soumettant les uns aux autres dans la crainte de Christ.
21. Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
22. Wives, submit yourselves unto your own husbands, as unto the Lord.
22. "Femmes, soyez soumises à vos maris, comme au Seigneur;"
22. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23. For the husband is the head of the wife, even as Christ is the head of the church: and he is the saviour of the body.
23. car le mari est le chef de la femme, comme Christ est le chef de l`Église, qui est son corps, et dont il est le Sauveur.
23. "Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena."
24. Therefore as the church is subject unto Christ, so let the wives be to their own husbands in every thing.
24. Or, de même que l`Église est soumise à Christ, les femmes aussi doivent l`être à leurs maris en toutes choses.
24. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy, no aoka haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra.
25. Husbands, love your wives, even as Christ also loved the church, and gave himself for it;
25. Maris, aimez vos femmes, comme Christ a aimé l`Église, et s`est livré lui-même pour elle,
25. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana koa ka nanolorany ny tenany ho azy,
26. That he might sanctify and cleanse it with the washing of water by the word,
26. afin de la sanctifier par la parole, après l`avoir purifiée par le baptême d`eau,
26. Mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny,
27. That he might present it to himself a glorious church, not having spot, or wrinkle, or any such thing; but that it should be holy and without blemish.
27. afin de faire paraître devant lui cette Église glorieuse, sans tache, ni ride, ni rien de semblable, mais sainte et irrépréhensible.
27. Mba hatolony ho an’ny tenany izany ho fiangonana be voninahitra, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
28. So ought men to love their wives as their own bodies. He that loveth his wife loveth himself.
28. C`est ainsi que les maris doivent aimer leurs femmes comme leurs propres corps. Celui qui aime sa femme s`aime lui-même.
28. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29. For no man ever yet hated his own flesh; but nourisheth and cherisheth it, even as the Lord the church:
29. "Car jamais personne n`a haï sa propre chair; mais il la nourrit et en prend soin, comme Christ le fait pour l`Église,"
29. "Fa tsy mba misy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka ny Tompo amin’ny fiangonana;"
30. For we are members of his body, of his flesh, and of his bones.
30. parce que nous sommes membres de son corps.
30. Fa momba ny tenany isika, dia momba ny nofony sy ny taolany.
31. For this cause shall a man leave his father and mother, and shall be joined unto his wife, and they two shall be one flesh.
31. C`est pourquoi l`homme quittera son père et sa mère, et s`attachera à sa femme, et les deux deviendront une seule chair.
31. “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”.
32. This is a great mystery: but I speak concerning Christ and the church.
32. "Ce mystère est grand; je dis cela par rapport à Christ et à l`Église."
32. "Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana aho."
33. Nevertheless let every one of you in particular so love his wife even as himself; and the wife see that she reverence her husband.
33. Du reste, que chacun de vous aime sa femme comme lui-même, et que la femme respecte son mari.
33. Na dia izany aza, aoka ny tsirairay avy aminareo ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.