1. O LORD, our Lord, how excellent is thy name in all the earth! who hast set thy glory above the heavens.
1. (8:1) Au chef des chantres. Sur la guitthith. Psaume de David. (8:2) Éternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre! Ta majesté s`élève au-dessus des cieux.
1. [Ho an' ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon' i Davida.] JEHOVAH Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin' ny tany rehetra! Nataonao eny amin' ny lanitra ny voninahitrao.
2. Out of the mouth of babes and sucklings hast thou ordained strength because of thine enemies, that thou mightest still the enemy and the avenger.
2. (8:3) Par la bouche des enfants et de ceux qui sont à la mamelle Tu as fondé ta gloire, pour confondre tes adversaires, Pour imposer silence à l`ennemi et au vindicatif.
2. Avy amin' ny vavan' ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay mpamaly ratsy.
3. When I consider thy heavens, the work of thy fingers, the moon and the stars, which thou hast ordained;
3. (8:4) Quand je contemple les cieux, ouvrage de tes mains, La lune et les étoiles que tu as créées:
3. Raha jereko ny lanitrao, izay asan' ny rantsan-tananao sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4. What is man, that thou art mindful of him? and the son of man, that thou visitest him?
4. (8:5) Qu`est-ce que l`homme, pour que tu te souviennes de lui? Et le fils de l`homme, pour que tu prennes garde à lui?
4. Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak' olombelona no amangianao azy?
5. For thou hast made him a little lower than the angels, and hast crowned him with glory and honour.
5. (8:6) Tu l`as fait de peu inférieur à Dieu, Et tu l`as couronné de gloire et de magnificence.
5. Fa efa nataonao ambany kely noho ny anjely izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy haja.
6. Thou madest him to have dominion over the works of thy hands; thou hast put all things under his feet:
6. (8:7) Tu lui as donné la domination sur les oeuvres de tes mains, Tu as tout mis sous ses pieds,
6. "Efa nampanjakainao amin' ny asan' ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin' ny tongony,"
7. All sheep and oxen, yea, and the beasts of the field;
7. (8:8) Les brebis comme les boeufs, Et les animaux des champs,
7. Dia ny ondry aman' osy sy ny omby rehetra, eny, ny biby any an-tsaha,
8. The fowl of the air, and the fish of the sea, and whatsoever passeth through the paths of the seas.
8. (8:9) Les oiseaux du ciel et les poissons de la mer, Tout ce qui parcourt les sentiers des mers.
8. Mbamin' ny vorona manidina eny amin' ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina sy izay rehetra mandeha amin' ny lalan-dranomasina.
9. O LORD our Lord, how excellent is thy name in all the earth!
9. (8:10) Éternel, notre Seigneur! Que ton nom est magnifique sur toute la terre!
9. Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin' ny tany rehetra !
<
>