1. When thou sittest to eat with a ruler, consider diligently what is before thee:
1. "Si tu es à table avec un grand, Fais attention à ce qui est devant toi;"
1. RAHA mipetraka hiara-komana amin' ny mpanapaka ianao, dia hevero tsara izay eo anoloanao,
2. And put a knife to thy throat, if thou be a man given to appetite.
2. Mets un couteau à ta gorge, Si tu as trop d`avidité.
2. Ka andraso antsy ny tendanao, raha dia liana loatra ianao.
3. Be not desirous of his dainties: for they are deceitful meat.
3. Ne convoite pas ses friandises: C`est un aliment trompeur.
3. Aza mitsiriritra ny hanim-piny, fa hani-mamitaka izany.
4. Labour not to be rich: cease from thine own wisdom.
4. Ne te tourmente pas pour t`enrichir, N`y applique pas ton intelligence.
4. "Aza manasa-tena hanan-karena; mitsahara amin' ny fahendrenao manokana."
5. Wilt thou set thine eyes upon that which is not? for riches certainly make themselves wings; they fly away as an eagle toward heaven.
5. Veux-tu poursuivre du regard ce qui va disparaître? Car la richesse se fait des ailes, Et comme l`aigle, elle prend son vol vers les cieux.
5. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa ny harena ka manidina toy ny voromahery ho eny amin' ny lanitra.
6. Eat thou not the bread of him that hath an evil eye, neither desire thou his dainty meats:
6. "Ne mange pas le pain de celui dont le regard est malveillant, Et ne convoite pas ses friandises;"
6. "Aza homana ny mofon' izay ratsy fijery, ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;"
7. For as he thinketh in his heart, so is he: Eat and drink, saith he to thee; but his heart is not with thee.
7. "Car il est comme les pensées de son âme. Mange et bois, te dira-t-il; Mais son coeur n`est point avec toi."
7. "Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany ianao."
8. The morsel which thou hast eaten shalt thou vomit up, and lose thy sweet words.
8. Tu vomiras le morceau que tu as mangé, Et tu auras perdu tes propos agréables.
8. Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9. Speak not in the ears of a fool: for he will despise the wisdom of thy words.
9. Ne parle pas aux oreilles de l`insensé, Car il méprise la sagesse de tes discours.
9. aza miteny eo an-tsofin' ny adala fa hohamavoiny foana ny fahendren' ny teninao.
10. Remove not the old landmark; and enter not into the fields of the fatherless:
10. "Ne déplace pas la borne ancienne, Et n`entre pas dans le champ des orphelins;"
10. "Aza manakisaka ny fari-tany ela, ary aza miditra mankamin' ny sahan' ny kamboty;"
11. For their redeemer is mighty; he shall plead their cause with thee.
11. Car leur vengeur est puissant: Il défendra leur cause contre toi.
11. Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin' ny adiny aminao.
12. Apply thine heart unto instruction, and thine ears to the words of knowledge.
12. Ouvre ton coeur à l`instruction, Et tes oreilles aux paroles de la science.
12. Ampiekeo famaizana ny fonao, sy tenim-pahalalana ny sofinao.
13. Withhold not correction from the child: for if thou beatest him with the rod, he shall not die.
13. "N`épargne pas la correction à l`enfant; Si tu le frappes de la verge, il ne mourra point."
13. "Aza tsy manafay zanaka, fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny tsorakazo aza;"
14. Thou shalt beat him with the rod, and shalt deliver his soul from hell.
14. En le frappant de la verge, Tu délivres son âme du séjour des morts.
14. Raha mamely azy amin' ny tsorakazo ianao, dia ho voavonjinao tsy ho any amin' ny helo ny fanahiny.
15. My son, if thine heart be wise, my heart shall rejoice, even mine.
15. "Mon fils, si ton coeur est sage, Mon coeur à moi sera dans la joie;"
15. "Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;"
16. Yea, my reins shall rejoice, when thy lips speak right things.
16. Mes entrailles seront émues d`allégresse, Quand tes lèvres diront ce qui est droit.
16. Eny, ho ravoravo ny voako, raha miteny zavatra marina ny molotrao.
17. Let not thine heart envy sinners: but be thou in the fear of the LORD all the day long.
17. "Que ton coeur n`envie point les pécheurs, Mais qu`il ait toujours la crainte de l`Éternel;"
17. "Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an' i Jehovah mandritra ny andro;"
18. For surely there is an end; and thine expectation shall not be cut off.
18. Car il est un avenir, Et ton espérance ne sera pas anéantie.
18. Azo antoka fa misy ny farany, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
19. Hear thou, my son, and be wise, and guide thine heart in the way.
19. "Écoute, mon fils, et sois sage; Dirige ton coeur dans la voie droite."
19. Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, ary ampizory amin' ny lalana ny fonao.
20. Be not among winebibbers; among riotous eaters of flesh:
20. Ne sois pas parmi les buveurs de vin, Parmi ceux qui font excès des viandes:
20. "Aza mankao amin' ireo mpiboboka divay, sy ireo fatra-pitia hena;"
21. For the drunkard and the glutton shall come to poverty: and drowsiness shall clothe a man with rags.
21. Car l`ivrogne et celui qui se livre à des excès s`appauvrissent, Et l`assoupissement fait porter des haillons.
21. "Fa hahantra ny mpiboboka sy ny fatra-pitia hanina; ary izay tia torimaso hitafy vori-damba."
22. Hearken unto thy father that begat thee, and despise not thy mother when she is old.
22. Écoute ton père, lui qui t`a engendré, Et ne méprise pas ta mère, quand elle est devenue vieille.
22. Mihainoa ny rainao izay niteraka anao ary aza manamavo ny reninao, rehefa antitra izy.
23. Buy the truth, and sell it not; also wisdom, and instruction, and understanding.
23. Acquiers la vérité, et ne la vends pas, La sagesse, l`instruction et l`intelligence.
23. Vidio ny marina, ka aza amidy, toy izany koa ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24. The father of the righteous shall greatly rejoice: and he that begetteth a wise child shall have joy of him.
24. Le père du juste est dans l`allégresse, Celui qui donne naissance à un sage aura de la joie.
24. Hifaly dia hifaly ny rain' ny marina, ary izay miteraka zaza hendry no hanam-pifaliana aminy.
25. Thy father and thy mother shall be glad, and she that bare thee shall rejoice.
25. Que ton père et ta mère se réjouissent, Que celle qui t`a enfanté soit dans l`allégresse!
25. Hifaly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
26. My son, give me thine heart, and let thine eyes observe my ways.
26. Mon fils, donne-moi ton coeur, Et que tes yeux se plaisent dans mes voies.
26. Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao handinika ny lalako.
27. For a whore is a deep ditch; and a strange woman is a narrow pit.
27. Car la prostituée est une fosse profonde, Et l`étrangère un puits étroit.
27. Fa ny vehivavy janga dia hady lalina, ary ny vahiny jejo dia lavaka ety.
28. She also lieth in wait as for a prey, and increaseth the transgressors among men.
28. Elle dresse des embûches comme un brigand, Et elle augmente parmi les hommes le nombre des perfides.
28. Eny, manotrika toy ny miandry haza izy, ary mampitombo ny mpandika lalàna eo amin' ny olona.
29. Who hath woe? who hath sorrow? who hath contentions? who hath babbling? who hath wounds without cause? who hath redness of eyes?
29. Pour qui les ah? pour qui les hélas? Pour qui les disputes? pour qui les plaintes? Pour qui les blessures sans raison? pour qui les yeux rouges?
29. An' iza ny indrisy? An' iza ny endrey? An' iza ny fifandirana? An' iza ny fitolokoana? An' iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An' iza ny maso mivoara-mena?
30. They that tarry long at the wine; they that go to seek mixed wine.
30. Pour ceux qui s`attardent auprès du vin, Pour ceux qui vont déguster du vin mêlé.
30. An' izay mikikitra amin' ny divay, an' izay mandeha mikaroka divay miharoharo zavatra.
31. Look not thou upon the wine when it is red, when it giveth his colour in the cup, when it moveth itself aright.
31. Ne regarde pas le vin qui paraît d`un beau rouge, Qui fait des perles dans la coupe, Et qui coule aisément.
31. "Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony ao anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra;"
32. At the last it biteth like a serpent, and stingeth like an adder.
32. Il finit par mordre comme un serpent, Et par piquer comme un basilic.
32. Fa amin' ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana.
33. Thine eyes shall behold strange women, and thine heart shall utter perverse things.
33. Tes yeux se porteront sur des étrangères, Et ton coeur parlera d`une manière perverse.
33. Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo maro, ary ny fonao hieritreri-dratsy.
34. Yea, thou shalt be as he that lieth down in the midst of the sea, or as he that lieth upon the top of a mast.
34. Tu seras comme un homme couché au milieu de la mer, Comme un homme couché sur le sommet d`un mât:
34. Eny, ho sahala amin' izay mandry any afovoan' ny ranomasina ianao na ho tahaka izay mandry eo an-tendron' ny andrin-tsambo.
35. They have stricken me, shalt thou say, and I was not sick; they have beaten me, and I felt it not: when shall I awake? I will seek it yet again.
35. On m`a frappé,... je n`ai point de mal!... On m`a battu,... je ne sens rien!... Quand me réveillerai-je?... J`en veux encore!
35. "Nokapohiny aho, hoy ianao, nefa tsy naharary ahy; nandalasiny aho, nefa tsy tsaroako; rahoviana aho no hifoha? Fa hitady azy indray aho."
<
>