The Angel of the LORD at Bokim
1. And an angel of the LORD came up from Gilgal to Bochim, and said, I made you to go up out of Egypt, and have brought you unto the land which I sware unto your fathers; and I said, I will never break my covenant with you.
1. "Un envoyé de l`Éternel monta de Guilgal à Bokim, et dit: Je vous ai fait monter hors d`Égypte, et je vous ai amenés dans le pays que j`ai juré à vos pères de vous donner. J`ai dit: Jamais je ne romprai mon alliance avec vous;"
1. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho, ka nampiditra anareo eto amin' ny tany izay nianianako tamin' ny razanareo, ka hoy Aho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo Aho mandrakizay.
2. And ye shall make no league with the inhabitants of this land; ye shall throw down their altars: but ye have not obeyed my voice: why have ye done this?
2. et vous, vous ne traiterez point alliance avec les habitants de ce pays, vous renverserez leurs autels. Mais vous n`avez point obéi à ma voix. Pourquoi avez-vous fait cela?
2. "Koa aza manao fanekena amin' ny mponina amin' ity tany ity ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nankatò ny feoko ianareo; koa nahoana ianareo no nanao izao?"
3. Wherefore I also said, I will not drive them out from before you; but they shall be as thorns in your sides, and their gods shall be a snare unto you.
3. "J`ai dit alors: Je ne les chasserai point devant vous; mais ils seront à vos côtés, et leurs dieux vous seront un piège."
3. "Ary hoy Aho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin' ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny."
4. And it came to pass, when the angel of the LORD spake these words unto all the children of Israel, that the people lifted up their voice, and wept.
4. Lorsque l`envoyé de l`Éternel eut dit ces paroles à tous les enfants d`Israël, le peuple éleva la voix et pleura.
4. Ary izao no niseho, rehefa nilaza izany teny izany tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra Ilay Anjelin' i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5. And they called the name of that place Bochim: and they sacrificed there unto the LORD.
5. Ils donnèrent à ce lieu le nom de Bokim, et ils y offrirent des sacrifices à l`Éternel.
5. "Ary ny anaran' izany toerana izany dia nataony hoe: Bokima; ary nanao fanatitra ho an' i Jehovah teo ireo."
Disobedience and Defeat
6. And when Joshua had let the people go, the children of Israel went every man unto his inheritance to possess the land.
6. Josué renvoya le peuple, et les enfants d`Israël allèrent chacun dans son héritage pour prendre possession du pays.
6. Ary rehefa nampodin' i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin' ny lovany avy ny Zanak' Isiraely rehetra hahazo ny tany.
7. And the people served the LORD all the days of Joshua, and all the days of the elders that outlived Joshua, who had seen all the great works of the LORD, that he did for Israel.
7. Le peuple servit l`Éternel pendant toute la vie de Josué, et pendant toute la vie des anciens qui survécurent à Josué et qui avaient vu toutes les grandes choses que l`Éternel avait faites en faveur d`Israël.
7. Ary nanompo an' i Jehovah ny vahoaka tamin' ny andro rehetra niainan' i Josoa sy tamin' ny andro rehetra niainan' ny loholona izay velona taorian' i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon' i Jehovah ho an' ny Isiraely.
8. And Joshua the son of Nun, the servant of the LORD, died, being an hundred and ten years old.
8. Josué, fils de Nun, serviteur de l`Éternel, mourut âgé de cent dix ans.
8. Ary maty Josoa, zanak' i Nona, mpanompon' i Jehovah, rehefa folo amby zato taona.
9. And they buried him in the border of his inheritance in Timnathheres, in the mount of Ephraim, on the north side of the hill Gaash.
9. On l`ensevelit dans le territoire qu`il avait eu en partage, à Thimnath Hérès, dans la montagne d`Éphraïm, au nord de la montagne de Gaasch.
9. Dia naleviny tao anatin' ny faritanin' ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, tany amin' ny tendrombohitr' i Efraima, avaratry ny havoan' i Gasa.
10. And also all that generation were gathered unto their fathers: and there arose another generation after them, which knew not the LORD, nor yet the works which he had done for Israel.
10. Toute cette génération fut recueillie auprès de ses pères, et il s`éleva après elle une autre génération, qui ne connaissait point l`Éternel, ni ce qu`il avait fait en faveur d`Israël.
10. "Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin' ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an' i Jehovah na ny asa efa nataony ho an' ny Isiraely no nitsangana nandimby azy."
11. And the children of Israel did evil in the sight of the LORD, and served Baalim:
11. Les enfants d`Israël firent alors ce qui déplaît à l`Éternel, et ils servirent les Baals.
11. Ary nanao izay ratsy teo imason' i Jehovah ny Zanak' Isiraely, ka nanompo ireo Bala.
12. And they forsook the LORD God of their fathers, which brought them out of the land of Egypt, and followed other gods, of the gods of the people that were round about them, and bowed themselves unto them, and provoked the LORD to anger.
12. "Ils abandonnèrent l`Éternel, le Dieu de leurs pères, qui les avait fait sortir du pays d`Égypte, et ils allèrent après d`autres dieux d`entre les dieux des peuples qui les entouraient; ils se prosternèrent devant eux, et ils irritèrent l`Éternel."
12. Ary izy ireo nahafoy an' i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin' ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an' i Jehovah.
13. And they forsook the LORD, and served Baal and Ashtaroth.
13. Ils abandonnèrent l`Éternel, et ils servirent Baal et les Astartés.
13. Dia nahafoy an' i Jehovah izy ka nanompo an' i Bala sy Astarta.
14. And the anger of the LORD was hot against Israel, and he delivered them into the hands of spoilers that spoiled them, and he sold them into the hands of their enemies round about, so that they could not any longer stand before their enemies.
14. La colère de l`Éternel s`enflamma contre Israël. Il les livra entre les mains de pillards qui les pillèrent, il les vendit entre les mains de leurs ennemis d`alentour, et ils ne purent plus résister à leurs ennemis.
14. Dia nirehitra tamin' ny Isiraely ny fahatezeran' i Jehovah, ka natolony teo an-tanan' ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan' ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan' ny fahavalony intsony.
15. Whithersoever they went out, the hand of the LORD was against them for evil, as the LORD had said, and as the LORD had sworn unto them: and they were greatly distressed.
15. Partout où ils allaient, la main de l`Éternel était contre eux pour leur faire du mal, comme l`Éternel l`avait dit, comme l`Éternel le leur avait juré. Ils furent ainsi dans une grande détresse.
15. "Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan' i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy."
16. Nevertheless the LORD raised up judges, which delivered them out of the hand of those that spoiled them.
16. L`Éternel suscita des juges, afin qu`ils les délivrassent de la main de ceux qui les pillaient.
16. Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay nanafaka azy tamin' ny tanan' ireo namabo azy.
17. And yet they would not hearken unto their judges, but they went a whoring after other gods, and bowed themselves unto them: they turned quickly out of the way which their fathers walked in, obeying the commandments of the LORD; but they did not so.
17. Mais ils n`écoutèrent pas même leurs juges, car ils se prostituèrent à d`autres dieux, se prosternèrent devant eux. Ils se détournèrent promptement de la voie qu`avaient suivie leurs pères, et ils n`obéirent point comme eux aux commandements de l`Éternel.
17. "Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin' ny lalana izay nandehanan' ny razany nanaraka ny didin' i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany."
18. And when the LORD raised them up judges, then the LORD was with the judge, and delivered them out of the hand of their enemies all the days of the judge: for it repented the LORD because of their groanings by reason of them that oppressed them and vexed them.
18. "Lorsque l`Éternel leur suscitait des juges, l`Éternel était avec le juge, et il les délivrait de la main de leurs ennemis pendant toute la vie du juge; car l`Éternel avait pitié de leurs gémissements contre ceux qui les opprimaient et les tourmentaient."
18. Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba ny mpitsara Jehovah ka nanafaka azy tamin' ny tanan' ny fahavalony tamin' ny andro rehetra niainan' ny mpitsara, fa nalahelo azy Jehovah tamin' ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
19. And it came to pass, when the judge was dead, that they returned, and corrupted themselves more than their fathers, in following other gods to serve them, and to bow down unto them; they ceased not from their own doings, nor from their stubborn way.
19. Mais, à la mort du juge, ils se corrompaient de nouveau plus que leurs pères, en allant après d`autres dieux pour les servir et se prosterner devant eux, et ils persévéraient dans la même conduite et le même endurcissement.
19. "Ary izao no niseho, rehefa maty ny mpitsara, dia niverina nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany; tsy nitsahatra tamin' ny fanaony, na tamin' ny lalana nanaovany ditra izy."
20. And the anger of the LORD was hot against Israel; and he said, Because that this people hath transgressed my covenant which I commanded their fathers, and have not hearkened unto my voice;
20. Alors la colère de l`Éternel s`enflamma contre Israël, et il dit: Puisque cette nation a transgressé mon alliance que j`avais prescrite à ses pères, et puisqu`ils n`ont point obéi à ma voix,
20. Dia nirehitra tamin' ny Isiraely ny fahatezeran' i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
21. I also will not henceforth drive out any from before them of the nations which Joshua left when he died:
21. je ne chasserai plus devant eux aucune des nations que Josué laissa quand il mourut.
21. Dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony koa Aho amin' ny firenena izay sisa navelan' i Josoa tamin' ny nahafatesany,
22. That through them I may prove Israel, whether they will keep the way of the LORD to walk therein, as their fathers did keep it, or not.
22. C`est ainsi que je mettrai par elles Israël à l`épreuve, pour savoir s`ils prendront garde ou non de suivre la voie de l`Éternel, comme leurs pères y ont pris garde.
22. Mba hizahako toetra ny Isiraely amin' ireny, na hitandrina ny lalan' i Jehovah ka handeha amin' izany izy, na tsia.
23. Therefore the LORD left those nations, without driving them out hastily; neither delivered he them into the hand of Joshua.
23. Et l`Éternel laissa en repos ces nations qu`il n`avait pas livrées entre les mains de Josué, et il ne se hâta point de les chasser.
23. "Dia navelan' i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy natolony teo an-tanan' i Josoa ireny."