Divorce

1. And he arose from thence, and cometh into the coasts of Judaea by the farther side of Jordan: and the people resort unto him again; and, as he was wont, he taught them again.
1. Jésus, étant parti de là, se rendit dans le territoire de la Judée au delà du Jourdain. La foule s`assembla de nouveau près de lui, et selon sa coutume, il se mit encore à l`enseigner.
1. "ARY niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodia sy tany an-dafin’i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy."
2. And the Pharisees came to him, and asked him, Is it lawful for a man to put away his wife? tempting him.
2. "Les pharisiens l`abordèrent; et, pour l`éprouver, ils lui demandèrent s`il est permis à un homme de répudiée sa femme."
2. Ary nisy Fariseo nanatona Azy ka nanontany mba haka fanahy Azy hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3. And he answered and said unto them, What did Moses command you?
3. Il leur répondit: Que vous a prescrit Moïse?
3. Ary namaly Izy ka nanao tamin’ireo hoe: Ahoana no nandidian’i Mosesy anareo?
4. And they said, Moses suffered to write a bill of divorcement, and to put her away.
4. Moïse, dirent-ils, a permis d`écrire une lettre de divorce et de répudier.
4. Ary hoy izy ireo: Navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
5. And Jesus answered and said unto them, For the hardness of your heart he wrote you this precept.
5. Et Jésus leur dit: C`est à cause de la dureté de votre coeur que Moïse vous a donné ce précepte.
5. "Fa namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Noho ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;"
6. But from the beginning of the creation God made them male and female.
6. "Mais au commencement de la création, Dieu fit l`homme et la femme;"
6. Fa hatramin’ny niandohan’ny namoronana izao tontolo izao, dia lahy sy vavy no nanaovan’Andriamanitra azy.
7. For this cause shall a man leave his father and mother, and cleave to his wife;
7. c`est pourquoi l`homme quittera son père et sa mère, et s`attachera à sa femme,
7. "“Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny;"
8. And they twain shall be one flesh: so then they are no more twain, but one flesh.
8. et les deux deviendront une seule chair. Ainsi ils ne sont plus deux, mais ils sont une seule chair.
8. "Ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray ihany."
9. What therefore God hath joined together, let not man put asunder.
9. Que l`homme donc ne sépare pas ce que Dieu a joint.
9. Koa noho izany, izay nakamban’Andriamanitra, aoka tsy hosarahin’olombelona.
10. And in the house his disciples asked him again of the same matter.
10. Lorsqu`ils furent dans la maison, les disciples l`interrogèrent encore là-dessus.
10. Ary nony mby tao an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’izany indray Izy.
11. And he saith unto them, Whosoever shall put away his wife, and marry another, committeth adultery against her.
11. "Il leur dit: Celui qui répudie sa femme et qui en épouse une autre, commet un adultère à son égard;"
11. Ary hoy Izy taminy: Na zovy na zovy hisao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga manosihosy azy.
12. And if a woman shall put away her husband, and be married to another, she committeth adultery.
12. et si une femme quitte son mari et en épouse un autre, elle commet un adultère.
12. Ary raha vehivavy kosa no hisaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.

The Little Childern and Jesus

13. And they brought young children to him, that he should touch them: and his disciples rebuked those that brought them.
13. On lui amena des petits enfants, afin qu`il les touchât. Mais les disciples reprirent ceux qui les amenaient.
13. "Ary nisy nitondra zaza madinika ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireo olona ireo."
14. But when Jesus saw it, he was much displeased, and said unto them, Suffer the little children to come unto me, and forbid them not: for of such is the kingdom of God.
14. "Jésus, voyant cela, fut indigné, et leur dit: Laissez venir à moi les petits enfants, et ne les en empêchez pas; car le royaume de Dieu est pour ceux qui leur ressemblent."
14. "Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza madinika hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra."
15. Verily I say unto you, Whosoever shall not receive the kingdom of God as a little child, he shall not enter therein.
15. Je vous le dis en vérité, quiconque ne recevra pas le royaume de Dieu comme un petit enfant n`y entrera point.
15. Lazaiko marina aminareo: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao.
16. And he took them up in his arms, put his hands upon them, and blessed them.
16. Puis il les prit dans ses bras, et les bénit, en leur imposant les mains.
16. Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy.

The Rich Young Man

17. And when he was gone forth into the way, there came one running, and kneeled to him, and asked him, Good Master, what shall I do that I may inherit eternal life?
17. Comme Jésus se mettait en chemin, un homme accourut, et se jetant à genoux devant lui: Bon maître, lui demanda-t-il, que dois-je faire pour hériter la vie éternelle?
17. Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
18. And Jesus said unto him, Why callest thou me good? there is none good but one, that is, God.
18. Jésus lui dit: Pourquoi m`appelles-tu bon? Il n`y a de bon que Dieu seul.
18. Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19. Thou knowest the commandments, Do not commit adultery, Do not kill, Do not steal, Do not bear false witness, Defraud not, Honour thy father and mother.
19. "Tu connais les commandements: Tu ne commettras point d`adultère; tu ne tueras point; tu ne déroberas point; tu ne diras point de faux témoignage; tu ne feras tort à personne; honore ton père et ta mère."
19. Fantatrao ny didy hoe: “Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza milaza vavolombelona tsy marina, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao”
20. And he answered and said unto him, Master, all these have I observed from my youth.
20. Il lui répondit: Maître, j`ai observé toutes ces choses dès ma jeunesse.
20. Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21. Then Jesus beholding him loved him, and said unto him, One thing thou lackest: go thy way, sell whatsoever thou hast, and give to the poor, and thou shalt have treasure in heaven: and come, take up the cross, and follow me.
21. "Jésus, l`ayant regardé, l`aima, et lui dit: Il te manque une chose; va, vends tout ce que tu as, donne-le aux pauvres, et tu auras un trésor dans le ciel. Puis viens, et suis-moi."
21. "Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny mahantra, dia hanana tahiry any an-danitra ianao, ary avia, ento ny hazofijaliana ka manaraha Ahy."
22. And he was sad at that saying, and went away grieved: for he had great possessions.
22. "Mais, affligé de cette parole, cet homme s`en alla tout triste; car il avait de grands biens."
22. Dia nanjombona ny endriny tamin’izany teny izany, ka niala tamin’alahelo izy, satria nanana harem-be.
23. And Jesus looked round about, and saith unto his disciples, How hardly shall they that have riches enter into the kingdom of God!
23. Jésus, regardant autour de lui, dit à ses disciples: Qu`il sera difficile à ceux qui ont des richesses d`entrer dans le royaume de Dieu!
23. Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manana harena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
24. And the disciples were astonished at his words. But Jesus answereth again, and saith unto them, Children, how hard is it for them that trust in riches to enter into the kingdom of God!
24. Les disciples furent étonnés de ce que Jésus parlait ainsi. Et, reprenant, il leur dit: Mes enfants, qu`il est difficile à ceux qui se confient dans les richesses d`entrer dans le royaume de Dieu!
24. Ary gaga ny mpianany tamin’izany teny izany. Fa namaly indray Jesosy ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny matoky ny harena amin' ny fanjakan' Andriamanitra!
25. It is easier for a camel to go through the eye of a needle, than for a rich man to enter into the kingdom of God.
25. Il est plus facile à un chameau de passer par le trou d`une aiguille qu`à un riche d`entrer dans le royaume de Dieu.
25. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
26. And they were astonished out of measure, saying among themselves, Who then can be saved?
26. "Les disciples furent encore plus étonnés, et ils se dirent les uns aux autres; Et qui peut être sauvé?"
26. Dia talanjona indrindra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza indray no azo hovonjena?
27. And Jesus looking upon them saith, With men it is impossible, but not with God: for with God all things are possible.
27. Jésus les regarda, et dit: Cela est impossible aux hommes, mais non à Dieu: car tout est possible à Dieu.
27. "Fa Jesosy nijery azy ireo ka nanao hoe: Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hay atao izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa amin' Andriamanitra, dia hay atao ny zavatra rehetra."
28. Then Peter began to say unto him, Lo, we have left all, and have followed thee.
28. "Pierre se mit à lui dire; Voici, nous avons tout quitté, et nous t`avons suivi."
28. Ary nanomboka niteny taminy Petera hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29. And Jesus answered and said, Verily I say unto you, There is no man that hath left house, or brethren, or sisters, or father, or mother, or wife, or children, or lands, for my sake, and the gospel's,
29. Jésus répondit: Je vous le dis en vérité, il n`est personne qui, ayant quitté, à cause de moi et à cause de la bonne nouvelle, sa maison, ou ses frères, ou ses soeurs, ou sa mère, ou son père, ou ses enfants, ou ses terres,
29. Ary namaly Jesosy ka nanao hoe: Lazaiko marina aminareo: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na vady, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
30. But he shall receive an hundredfold now in this time, houses, and brethren, and sisters, and mothers, and children, and lands, with persecutions; and in the world to come eternal life.
30. ne reçoive au centuple, présentement dans ce siècle-ci, des maisons, des frères, des soeurs, des mères, des enfants, et des terres, avec des persécutions, et, dans le siècle à venir, la vie éternelle.
30. Ka tsy handray zato heny amin’izao ankehitriny izao, dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny tontolo ho avy dia fiainana mandrakizay.
31. But many that are first shall be last; and the last first.
31. Plusieurs des premiers seront les derniers, et plusieurs des derniers seront les premiers.
31. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

Jesus Again Predicts His Death

32. And they were in the way going up to Jerusalem; and Jesus went before them: and they were amazed; and as they followed, they were afraid. And he took again the twelve, and began to tell them what things should happen unto him,
32. Ils étaient en chemin pour monter à Jérusalem, et Jésus allait devant eux. Les disciples étaient troublés, et le suivaient avec crainte. Et Jésus prit de nouveau les douze auprès de lui, et commença à leur dire ce qui devait lui arriver:
32. "Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema; ary nandeha teo alohany Jesosy, dia gaga ny mpianany; ary raha nanaraka Azy ireo dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy,"
33. Saying, Behold, we go up to Jerusalem; and the Son of man shall be delivered unto the chief priests, and unto the scribes; and they shall condemn him to death, and shall deliver him to the Gentiles:
33. Voici, nous montons à Jérusalem, et le Fils de l`homme sera livré aux principaux sacrificateurs et aux scribes. Ils le condamneront à mort, et ils le livreront aux païens,
33. "Ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanoradalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa;"
34. And they shall mock him, and shall scourge him, and shall spit upon him, and shall kill him: and the third day he shall rise again.
34. "qui se moqueront de lui, cracheront sur lui, le battront de verges, et le feront mourir; et, trois jours après, il ressuscitera."
34. "Ary haneso Azy ireo sy hikapoka Azy sy handrora Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy."

The Request of James and John

35. And James and John, the sons of Zebedee, come unto him, saying, Master, we would that thou shouldest do for us whatsoever we shall desire.
35. Les fils de Zébédée, Jacques et Jean, s`approchèrent de Jésus, et lui dirent: Maître, nous voudrions que tu fisses pour nous ce que nous te demanderons.
35. Ary Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, nanatona an’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
36. And he said unto them, What would ye that I should do for you?
36. Il leur dit: Que voulez-vous que je fasse pour vous?
36. Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37. They said unto him, Grant unto us that we may sit, one on thy right hand, and the other on thy left hand, in thy glory.
37. Accorde-nous, lui dirent-ils, d`être assis l`un à ta droite et l`autre à ta gauche, quand tu seras dans ta gloire.
37. Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, any amin’ny voninahitrao.
38. But Jesus said unto them, Ye know not what ye ask: can ye drink of the cup that I drink of? and be baptized with the baptism that I am baptized with?
38. Jésus leur répondit: Vous ne savez ce que vous demandez. Pouvez-vous boire la coupe que je dois boire, ou être baptisés du baptême dont je dois être baptisé? Nous le pouvons, dirent-ils.
38. "Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ny batisa izay hanaovana Ahy batisa?"
39. And they said unto him, We can. And Jesus said unto them, Ye shall indeed drink of the cup that I drink of; and with the baptism that I am baptized withal shall ye be baptized:
39. "Et Jésus leur répondit: Il est vrai que vous boirez la coupe que je dois boire, et que vous serez baptisés du baptême dont je dois être baptisé;"
39. "Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany ary ny batisa izay hanaovana Ahy batisa, dia hanaovana batisa anareo ihany;"
40. But to sit on my right hand and on my left hand is not mine to give; but it shall be given to them for whom it is prepared.
40. mais pour ce qui est d`être assis à ma droite ou à ma gauche, cela ne dépend pas de moi, et ne sera donné qu`à ceux à qui cela est réservé.
40. Fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Izaho no hanome izany, fa homena an’izay nanomanana azy izany.
41. And when the ten heard it, they began to be much displeased with James and John.
41. Les dix, ayant entendu cela, commencèrent à s`indigner contre Jacques et Jean.
41. Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’i Jakoba sy Jaona.
42. But Jesus called them to him, and saith unto them, Ye know that they which are accounted to rule over the Gentiles exercise lordship over them; and their great ones exercise authority upon them.
42. Jésus les appela, et leur dit: Vous savez que ceux qu`on regarde comme les chefs des nations les tyrannisent, et que les grands les dominent.
42. Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43. But so shall it not be among you: but whosoever will be great among you, shall be your minister:
43. "Il n`en est pas de même au milieu de vous. Mais quiconque veut être grand parmi vous, qu`il soit votre serviteur;"
43. "Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanomponareo izy."
44. And whosoever of you will be the chiefest, shall be servant of all.
44. et quiconque veut être le premier parmi vous, qu`il soit l`esclave de tous.
44. Ary na iza na iza no te-ho lehibe indrindra eo aminareo dia ho mpanompon’ny rehetra.
45. For even the Son of man came not to be ministered unto, but to minister, and to give his life a ransom for many.
45. Car le Fils de l`homme est venu, non pour être servi, mais pour servir et donner sa vie comme la rançon de plusieurs.
45. Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra ho an’ny maro.

Blind Bartimaeus Receives His Sight

46. And they came to Jericho: and as he went out of Jericho with his disciples and a great number of people, blind Bartimaeus, the son of Timaeus, sat by the highway side begging.
46. Ils arrivèrent à Jéricho. Et, lorsque Jésus en sortit, avec ses disciples et une assez grande foule, le fils de Timée, Bartimée, mendiant aveugle, était assis au bord du chemin.
46. "Ary tonga tao Jeriko izy ireo; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana nangataka Bartimeo jamba, zanak’i Timeo."
47. And when he heard that it was Jesus of Nazareth, he began to cry out, and say, Jesus, thou son of David, have mercy on me.
47. "Il entendit que c`était Jésus de Nazareth, et il se mit à crier; Fils de David, Jésus aie pitié de moi!"
47. Ary nony reny fa Jesosy avy any Nazareta izay, dia nanomboka niantso mafy izy ka nanao hoe: Ry Jesosy Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48. And many charged him that he should hold his peace: but he cried the more a great deal, Thou son of David, have mercy on me.
48. "Plusieurs le reprenaient, pour le faire taire; mais il criait beaucoup plus fort; Fils de David, aie pitié de moi!"
48. "Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!"
49. And Jesus stood still, and commanded him to be called. And they call the blind man, saying unto him, Be of good comfort, rise; he calleth thee.
49. Jésus s`arrêta, et dit: Appelez-le. Ils appelèrent l`aveugle, en lui disant: Prends courage, lève-toi, il t`appelle.
49. Ary nijanona Jesosy, dia nandidy mba hantsoina izy. Ary ny olona niantso ilay jamba ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
50. And he, casting away his garment, rose, and came to Jesus.
50. L`aveugle jeta son manteau, et, se levant d`un bond, vint vers Jésus.
50. Dia nanary ny lambany izy ka nitsangana sy nanatona an’i Jesosy.
51. And Jesus answered and said unto him, What wilt thou that I should do unto thee? The blind man said unto him, Lord, that I might receive my sight.
51. Jésus, prenant la parole, lui dit: Que veux-tu que je te fasse? Rabbouni, lui répondit l`aveugle, que je recouvre la vue.
51. Ary Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Tompo ô, ny mba hampahiratana ny masoko.
52. And Jesus said unto him, Go thy way; thy faith hath made thee whole. And immediately he received his sight, and followed Jesus in the way.
52. Et Jésus lui dit: Va, ta foi t`a sauvé. (10:53) Aussitôt il recouvra la vue, et suivit Jésus dans le chemin.
52. Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa nahasitrana anao tanteraka. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy.
<
>