1. My breath is corrupt, my days are extinct, the graves are ready for me.
1. Mon souffle se perd, Mes jours s`éteignent, Le sépulcre m`attend.
1. Simba ny aiko, lany ny androko, voaomana ho ahy ny fasana.
2. Are there not mockers with me? and doth not mine eye continue in their provocation?
2. Je suis environné de moqueurs, Et mon oeil doit contempler leurs insultes.
2. Moa ve tsy miaraka amiko ny mpaneso? Ary tsy amin' ny fihantsiany va ny masoko?
3. Lay down now, put me in a surety with thee; who is he that will strike hands with me?
3. "Sois auprès de toi-même ma caution; Autrement, qui répondrait pour moi?"
3. Mitsahara ankehitriny, ataovy ho isan' izay iantohanao aho! Iza no hety hifandray tanana amiko?
4. For thou hast hid their heart from understanding: therefore shalt thou not exalt them.
4. "Car tu as fermé leur coeur à l`intelligence; Aussi ne les laisseras-tu pas triompher."
4. "Fa ny fon' ireto dia voahidinao tsy hidiran' ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy."
5. He that speaketh flattery to his friends, even the eyes of his children shall fail.
5. On invite ses amis au partage du butin, Et l`on a des enfants dont les yeux se consument.
5. Izay mandrobo ny sakaizany, dia ho pahina ny mason' ny zanany.
6. He hath made me also a byword of the people; and aforetime I was as a tabret.
6. Il m`a rendu la fable des peuples, Et ma personne est un objet de mépris.
6. Efa nanao ahy ho ambentinteny amin' ny firenena koa Izy, ary toy ny ampongatapaka aho teo aloha.
7. Mine eye also is dim by reason of sorrow, and all my members are as a shadow.
7. "Mon oeil est obscurci par la douleur; Tous mes membres sont comme une ombre."
7. Efa pahina koa ny masoko noho ny alahelo ary toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8. Upright men shall be astonied at this, and the innocent shall stir up himself against the hypocrite.
8. Les hommes droits en sont stupéfaits, Et l`innocent se soulève contre l`impie.
8. Ho ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny hihendratrendratra mahita ny mpihatsaravelatsihy.
9. The righteous also shall hold on his way, and he that hath clean hands shall be stronger and stronger.
9. Le juste néanmoins demeure ferme dans sa voie, Celui qui a les mains pures se fortifie de plus en plus.
9. Fa ny marina koa hifikitra tsara amin' ny alehany, ary izay madio tanana dia hitombo hery kokoa hatrany.
10. But as for you all, do ye return, and come now: for I cannot find one wise man among you.
10. Mais vous tous, revenez à vos mêmes discours, Et je ne trouverai pas un sage parmi vous.
10. Fa ny aminareo rehetra, avia miverena ankehitriny, fa tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
11. My days are past, my purposes are broken off, even the thoughts of my heart.
11. Quoi! mes jours sont passés, mes projets sont anéantis, Les projets qui remplissaient mon coeur...
11. Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako, dia ny fisainan' ny foko.
12. They change the night into day: the light is short because of darkness.
12. Et ils prétendent que la nuit c`est le jour, Que la lumière est proche quand les ténèbres sont là!
12. "Manova ny alina ho andro ireny; fohy ny mazava noho ny amin' ny haizina."
13. If I wait, the grave is mine house: I have made my bed in the darkness.
13. "C`est le séjour des morts que j`attends pour demeure, C`est dans les ténèbres que je dresserai ma couche;"
13. "Raha miandry aho, dia ny fasana no tranoko; ao amin' ny maizina no amelarako ny fandriako."
14. I have said to corruption, Thou art my father: to the worm, Thou art my mother, and my sister.
14. Je crie à la fosse: Tu es mon père! Et aux vers: Vous êtes ma mère et ma soeur!
14. Ny fahalovana no nantsoiko hoe: Raiko ianao, ary ny kankana hoe: Reniko sy anabaviko ianareo.
15. And where is now my hope? as for my hope, who shall see it?
15. Mon espérance, où donc est-elle? Mon espérance, qui peut la voir?
15. Fa aiza ary ny fanantenako? fa ny amin' ny fanantenako, iza no hahita azy?
16. They shall go down to the bars of the pit, when our rest together is in the dust.
16. Elle descendra vers les portes du séjour des morts, Quand nous irons ensemble reposer dans la poussière.
16. Hidina any amin' ny vavahadin' ny lavaka izy, raha hiara-miala sasatra ao amin' ny vovoka isika.
<
>