A Message About Ammon

1. Concerning the Ammonites, thus saith the LORD; Hath Israel no sons? hath he no heir? why then doth their king inherit Gad, and his people dwell in his cities?
1. Sur les enfants d`Ammon. Ainsi parle l`Éternel: Israël n`a-t-il point de fils? N`a-t-il point d`héritier? Pourquoi Malcom possède-t-il Gad, Et son peuple habite-t-il ses villes?
1. Ny amin' ny Amonita, izao no lazain' i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Nahoana ny mpanjakany no mandova an' i Gada, ary ny vahoakany monina ao amin' ny tanànany.
2. Therefore, behold, the days come, saith the LORD, that I will cause an alarm of war to be heard in Rabbah of the Ammonites; and it shall be a desolate heap, and her daughters shall be burned with fire: then shall Israel be heir unto them that were his heirs, saith the LORD.
2. "C`est pourquoi voici, les jours viennent, dit l`Éternel, Où je ferai retentir le cri de guerre contre Rabbath des enfants d`Ammon; Elle deviendra un monceau de ruines, Et les villes de son ressort seront consumées par le feu; Alors Israël chassera ceux qui l`avaient chassé, dit l`Éternel."
2. "Koa, indro avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran' ady an' i Raban' ny Amonita ary ho tanàna aolo rava izy, ary ny zanany vavy hodorana amin' ny afo; ary ny Isiraely handova ireo izay nandova azy, hoy Jehovah."
3. Howl, O Heshbon, for Ai is spoiled: cry, ye daughters of Rabbah, gird you with sackcloth; lament, and run to and fro by the hedges; for their king shall go into captivity, and his priests and his princes together.
3. Pousse des gémissements, Hesbon, car Aï est ravagée! Poussez des cris, filles de Rabba, revêtez-vous de sacs, Lamentez-vous, et courez çà et là le long des murailles! Car Malcom s`en va en captivité, Avec ses prêtres et avec ses chefs.
3. "Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay; mitarainà ianareo zanakavavin' i Raba; misikìna lamba fisaonana ianareo; manaova fisaonana ary mivoivoiza ao anaty fefy fa ho lasan-ko babo ny mpanjakany sy ny mpisorony mbamin' ireo mpanapaka azy."
4. Wherefore gloriest thou in the valleys, thy flowing valley, O backsliding daughter? that trusted in her treasures, saying, Who shall come unto me?
4. Pourquoi te glorifies-tu de tes vallées? Ta vallée se fond, fille rebelle, Qui te confiais dans tes trésors: Qui viendra contre moi?
4. Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin' ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra aty amiko
5. Behold, I will bring a fear upon thee, saith the Lord GOD of hosts, from all those that be about thee; and ye shall be driven out every man right forth; and none shall gather up him that wandereth.
5. "Voici, je fais venir sur toi la terreur, Dit le Seigneur, l`Éternel des armées, Elle viendra de tous tes alentours; Chacun de vous sera chassé devant soi, Et nul ne ralliera les fuyards."
5. "Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin' izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon' ny maro; ary horoahina samy hizotra amin' izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mirenireny."
6. And afterward I will bring again the captivity of the children of Ammon, saith the LORD.
6. Mais après cela, je ramènerai les captifs des enfants d`Ammon, Dit l`Éternel.
6. Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin' ny fahababoana ny taranak' i Amona, hoy Jehovah.

A Message About Edom

7. Concerning Edom, thus saith the LORD of hosts; Is wisdom no more in Teman? is counsel perished from the prudent? is their wisdom vanished?
7. Sur Édom. Ainsi parle l`Éternel des armées: N`y a-t-il plus de sagesse dans Théman? La prudence a-t-elle disparu chez les hommes intelligents? Leur sagesse s`est-elle évanouie?
7. Ny amin' i Edoma, izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
8. Flee ye, turn back, dwell deep, O inhabitants of Dedan; for I will bring the calamity of Esau upon him, the time that I will visit him.
8. Fuyez, tournez le dos, retirez-vous dans les cavernes, Habitants de Dedan! Car je fais venir le malheur sur Ésaü, Le temps de son châtiment.
8. Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin' ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an' i Esao dia hataoko mihatra aminy, dia ny andro hamaliako azy.
9. If grapegatherers come to thee, would they not leave some gleaning grapes? if thieves by night, they will destroy till they have enough.
9. Si des vendangeurs viennent chez toi, Ne laissent-ils rien à grappiller? Si des voleurs viennent de nuit, Ils ne dévastent que ce qu`ils peuvent.
9. Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory va izy? Raha avy alina ny mpangalatra dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
10. But I have made Esau bare, I have uncovered his secret places, and he shall not be able to hide himself: his seed is spoiled, and his brethren, and his neighbours, and he is not.
10. "Mais moi, je dépouillerai Ésaü, Je découvrirai ses retraites, Il ne pourra se cacher; Ses enfants, ses frères, ses voisins, périront, Et il ne sera plus."
10. "Fa Izaho no nampitanjaka an' i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy hahazo miery izy; ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony izy."
11. Leave thy fatherless children, I will preserve them alive; and let thy widows trust in me.
11. Laisse tes orphelins, je les ferai vivre, Et que tes veuves se confient en moi!
11. Ilaozy ny zanakao kamboty, fa izaho no hiahy azy, ary aoka Izaho no hitokian' ny mpitondratenanao.
12. For thus saith the LORD; Behold, they whose judgment was not to drink of the cup have assuredly drunken; and art thou he that shall altogether go unpunished? thou shalt not go unpunished, but thou shalt surely drink of it.
12. "Car ainsi parle l`Éternel: Voici, ceux qui ne devaient pas boire la coupe la boiront; Et toi, tu resterais impuni! Tu ne resteras pas impuni, Tu la boiras."
12. Fa izao no lazain' i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy ho nisotro tamin' ny kapoaka ny fitsarana azy aza dia nisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
13. For I have sworn by myself, saith the LORD, that Bozrah shall become a desolation, a reproach, a waste, and a curse; and all the cities thereof shall be perpetual wastes.
13. Car je le jure par moi-même, dit l`Éternel, Botsra sera un objet de désolation, d`opprobre, De dévastation et de malédiction, Et toutes ses villes deviendront des ruines éternelles.
13. Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho rava Bozra, ho fandatsa sy ho faharavana ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
14. I have heard a rumour from the LORD, and an ambassador is sent unto the heathen, saying, Gather ye together, and come against her, and rise up to the battle.
14. J`ai appris de l`Éternel une nouvelle, Et un messager a été envoyé parmi les nations: Assemblez-vous, et marchez contre elle! Levez-vous pour la guerre!
14. Efa nahare siosio avy tamin' i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin' ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
15. For, lo, I will make thee small among the heathen, and despised among men.
15. Car voici, je te rendrai petit parmi les nations, Méprisé parmi les hommes.
15. Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin' ny jentilisa ianao sy fanazimbazimbana eo amin' ny olona.
16. Thy terribleness hath deceived thee, and the pride of thine heart, O thou that dwellest in the clefts of the rock, that holdest the height of the hill: though thou shouldest make thy nest as high as the eagle, I will bring thee down from thence, saith the LORD.
16. Ta présomption, l`orgueil de ton coeur t`a égaré, Toi qui habites le creux des rochers, Et qui occupes le sommet des collines. Quand tu placerais ton nid aussi haut que celui de l`aigle, Je t`en précipiterai, dit l`Éternel.
16. "Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin' ny tampon' ny havoana, ny halozanao sy ny avonavon' ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin' ny avo tahaka ny an' ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, hoy Jehovah."
17. Also Edom shall be a desolation: every one that goeth by it shall be astonished, and shall hiss at all the plagues thereof.
17. "Édom sera un objet de désolation; Tous ceux qui passeront près de lui Seront dans l`étonnement et siffleront sur toutes ses plaies."
17. "Ary ho foana koa Edoma; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra amin' izany."
18. As in the overthrow of Sodom and Gomorrah and the neighbour cities thereof, saith the LORD, no man shall abide there, neither shall a son of man dwell in it.
18. Comme Sodome et Gomorrhe et les villes voisines, qui furent détruites, Dit l`Éternel, Il ne sera plus habité, Il ne sera le séjour d`aucun homme...
18. Toy ny nandravana an' i Sodoma sy Gomora mbamin' ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian' olona honina any, na zanak' olombelona hivahiny any.
19. Behold, he shall come up like a lion from the swelling of Jordan against the habitation of the strong: but I will suddenly make him run away from her: and who is a chosen man, that I may appoint over her? for who is like me? and who will appoint me the time? and who is that shepherd that will stand before me?
19. "Voici, tel qu`un lion, il monte des rives orgueilleuses du Jourdain Contre la demeure forte; Soudain j`en ferai fuir Édom, Et j`établirai sur elle celui que j`ai choisi. Car qui est semblable à moi? qui me donnera des ordres? Et quel est le chef qui me résistera?"
19. "Indro izy hiakatra hamely ny fonenan' ny mahery toy ny liona avy amin' ny fahatondrahan' i Jordana; nefa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary iza no olona iray voafidy hotendreko hanapaka azy? Fa iza moa no tahaka Ahy, ary iza no hanendry fotoana ho ahy, ary iza moa no mpiandry ondry hahajanona eo anatrehako?"
20. Therefore hear the counsel of the LORD, that he hath taken against Edom; and his purposes, that he hath purposed against the inhabitants of Teman: Surely the least of the flock shall draw them out: surely he shall make their habitations desolate with them.
20. C`est pourquoi écoutez la résolution que l`Éternel a prise contre Édom, Et les desseins qu`il a conçus contre les habitants de Théman! Certainement on les traînera comme de faibles brebis, Certainement on ravagera leur demeure.
20. "Koa henoy ny saina avy amin' i Jehovah izay nosaininy hamelezana an' i Edoma, sy ny zava-kendreny izay ikendreny hamelezana ny mponina ao Temana; ny kely indrindra amin' ny ondry no hamoaka azy tokoa, hofoanany mbamin' ny fonenany tokoa izy."
21. The earth is moved at the noise of their fall, at the cry the noise thereof was heard in the Red sea.
21. "Au bruit de leur chute, la terre tremble; Leur cri se fait entendre jusqu`à la mer Rouge..."
21. "Tamin' ny fiezinezin' ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; ny feon' ny fitarainany dia re hatrany amin' ny Ranomasina Mena."
22. Behold, he shall come up and fly as the eagle, and spread his wings over Bozrah: and at that day shall the heart of the mighty men of Edom be as the heart of a woman in her pangs.
22. Voici, comme l`aigle il s`avance, il vole, Il étend ses ailes sur Botsra, Et le coeur des héros d`Édom est en ce jour Comme le coeur d`une femme en travail.
22. "Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin' i Bozra; ary amin' izany andro izany ny fon' ny lehilahy maherin' i Edoma dia ho tahaka ny fon' ny vehivavy mihetsi-jaza."

A Message About Damascus

23. Concerning Damascus. Hamath is confounded, and Arpad: for they have heard evil tidings: they are fainthearted; there is sorrow on the sea; it cannot be quiet.
23. "Sur Damas. Hamath et Arpad sont confuses, Car elles ont appris une mauvaise nouvelle, elles tremblent; C`est une mer en tourmente, Qui ne peut se calmer."
23. "Ny amin' i Damaskosy. very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka ketraka ny fony; misy alahelo eny amin' ny ranomasina ka tsy mety tony izany."
24. Damascus is waxed feeble, and turneth herself to flee, and fear hath seized on her: anguish and sorrows have taken her, as a woman in travail.
24. "Damas est défaillante, elle se tourne pour fuir, Et l`effroi s`empare d`elle; L`angoisse et les douleurs la saisissent, Comme une femme en travail. -"
24. "Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa toran-kovitra izy; azon' ny faharariana sy ny fanaintainana izy, toy ny vehivavy raha miteraka."
25. How is the city of praise not left, the city of my joy!
25. Ah! elle n`est pas abandonnée, la ville glorieuse, La ville qui fait ma joie! -
25. Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, ny tanàna fifaliako!
26. Therefore her young men shall fall in her streets, and all the men of war shall be cut off in that day, saith the LORD of hosts.
26. C`est pourquoi ses jeunes gens tomberont dans les rues, Et tous ses hommes de guerre périront en ce jour, Dit l`Éternel des armées.
26. Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony, ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin' izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon' ny maro.
27. And I will kindle a fire in the wall of Damascus, and it shall consume the palaces of Benhadad.
27. Je mettrai le feu aux murs de Damas, Et il dévorera le palais de Ben Hadad.
27. Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin' ny mandan' i Damaskosy ka handevona ny lapan' i Beni-hadada.

A Message About Kedar and Hazor

28. Concerning Kedar, and concerning the kingdoms of Hazor, which Nebuchadrezzar king of Babylon shall smite, thus saith the LORD; Arise ye, go up to Kedar, and spoil the men of the east.
28. Sur Kédar et les royaumes de Hatsor, que battit Nebucadnetsar, roi de Babylone. Ainsi parle l`Éternel: Levez-vous, montez contre Kédar, Et détruisez les fils de l`Orient!
28. Ny amin' i Kedara sy ny fanjakan' i Hazora, izay ho resin' i Nebokadnezara, mpanjakan' i Babylona. Izao no lazain' i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an' i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
29. Their tents and their flocks shall they take away: they shall take to themselves their curtains, and all their vessels, and their camels; and they shall cry unto them, Fear is on every side.
29. On prendra leurs tentes et leurs troupeaux, On enlèvera leurs pavillons, tous leurs bagages et leurs chameaux, Et l`on jettera de toutes parts contre eux des cris d`épouvante.
29. Halainy ny lainy sy ny ondry aman' osiny, hoentiny ny ambain-dainy mbamin' ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy izy hoe: Misy tahotra manodidina.
30. Flee, get you far off, dwell deep, O ye inhabitants of Hazor, saith the LORD; for Nebuchadrezzar king of Babylon hath taken counsel against you, and hath conceived a purpose against you.
30. "Fuyez, fuyez de toutes vos forces, cherchez à l`écart une demeure, Habitants de Hatsor! dit l`Éternel; Car Nebucadnetsar, roi de Babylone, a pris une résolution contre vous, Il a conçu un projet contre vous."
30. "Mandosira, ka mandehana lavitra, mamitsaha ao amin' ny lalina, ry mponina any Hazora, hoy Jehovah; fa Nebokadnezara mpanjakan' i Babylona nanao saina hamelezana anareo sy namoron-kevitra hamelezana anareo."
31. Arise, get you up unto the wealthy nation, that dwelleth without care, saith the LORD, which have neither gates nor bars, which dwell alone.
31. "Levez-vous, montez contre une nation tranquille, En sécurité dans sa demeure, dit l`Éternel; Elle n`a ni portes, ni barres, Elle habite solitaire."
31. Mitsangàna, iakaro ny firenena manankarena izay tsy manana ahiahy hoy Jehovah, dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina.
32. And their camels shall be a booty, and the multitude of their cattle a spoil: and I will scatter into all winds them that are in the utmost corners; and I will bring their calamity from all sides thereof, saith the LORD.
32. "Leurs chameaux seront au pillage, Et la multitude de leurs troupeaux sera une proie; Je les disperserai à tous les vents, ceux qui se rasent les coins de la barbe, Et je ferai venir leur ruine de tous les côtés, dit l`Éternel."
32. "Ary ho babo ny ramevany ka horobaina ny omby aman' ondriny betsaka; ary haeliko ho any amin' ny rivotra rehetra izay any amin' ny sisin-tany indrindra; ary hoentiko avy amin' ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,"
33. And Hazor shall be a dwelling for dragons, and a desolation for ever: there shall no man abide there, nor any son of man dwell in it.
33. "Hatsor sera le repaire des chacals, un désert pour toujours; Personne n`y habitera, aucun homme n`y séjournera."
33. "Ary Hazora dia ho fonenan' ny dragona sy ho foana mandrakizay; tsy hisy olona honina any, na zanak' olombelona hitoetra any."

A Message About Elam

34. The word of the LORD that came to Jeremiah the prophet against Elam in the beginning of the reign of Zedekiah king of Judah, saying,
34. La parole de l`Éternel qui fut adressée à Jérémie, le prophète, sur Élam, au commencement du règne de Sédécias, roi de Juda, en ces mots:
34. Ny tenin' i Jehovah izay tonga tamin' i Jeremia mpaminany ny amin' i Elama tamin' ny niandohan' ny nanjakan' i Zedekia, mpanjakan' ny Joda, hoe:
35. Thus saith the LORD of hosts; Behold, I will break the bow of Elam, the chief of their might.
35. Ainsi parle l`Éternel des armées: Voici, je vais briser l`arc d`Élam, Sa principale force.
35. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Indro, hotapahiko ny tsipìkan' i Elama, izay fototry ny heriny.
36. And upon Elam will I bring the four winds from the four quarters of heaven, and will scatter them toward all those winds; and there shall be no nation whither the outcasts of Elam shall not come.
36. Je ferai venir sur Élam quatre vents des quatre extrémités du ciel, Je les disperserai par tous ces vents, Et il n`y aura pas une nation Où n`arrivent des fugitifs d`Élam.
36. Ary hitondra rivotra efatra avy amin' ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an' i Elama, ary haeliko ho amin' izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan' ny voaroaka avy any Elama.
37. For I will cause Elam to be dismayed before their enemies, and before them that seek their life: and I will bring evil upon them, even my fierce anger, saith the LORD; and I will send the sword after them, till I have consumed them:
37. Je ferai trembler les habitants d`Élam devant leurs ennemis Et devant ceux qui en veulent à leur vie, J`amènerai sur eux des malheurs, Mon ardente colère, dit l`Éternel, Et je les poursuivrai par l`épée, Jusqu`à ce que je les aie anéantis.
37. "Fa hampivadi-po an' i Elama eo anoloan' ny fahavalony sy eo anoloan' izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan' ny fahatezerako, hoy Jehovah; ary hampanenjehiko azy ny sabatra mandra-pandaniko azy;"
38. And I will set my throne in Elam, and will destroy from thence the king and the princes, saith the LORD.
38. Je placerai mon trône dans Élam, Et j`en détruirai le roi et les chefs, Dit l`Éternel.
38. Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako, ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
39. But it shall come to pass in the latter days, that I will bring again the captivity of Elam, saith the LORD.
39. Mais dans la suite des temps, je ramènerai les captifs d`Élam, Dit l`Éternel.
39. Fa izao no hiseho amin' ny andro farany: Hampodiko avy amin' ny fahababoana Elama, hoy Jehovah.
<
>