1. The righteous perisheth, and no man layeth it to heart: and merciful men are taken away, none considering that the righteous is taken away from the evil to come.
1. "Le juste périt, et nul n`y prend garde; Les gens de bien sont enlevés, et nul ne fait attention Que c`est par suite de la malice que le juste est enlevé."
1. Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona mpamindra fo, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon' ny loza hanjo.
2. He shall enter into peace: they shall rest in their beds, each one walking in his uprightness.
2. Il entrera dans la paix, Il reposera sur sa couche, Celui qui aura suivi le droit chemin.
2. Hiditra amin' ny fiadanana izy, handry amin' ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin' ny hitsiny.
3. But draw near hither, ye sons of the sorceress, the seed of the adulterer and the whore.
3. Mais vous, approchez ici, fils de l`enchanteresse, Race de l`adultère et de la prostituée!
3. Fa ianareo kosa dia mankanesa aty ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpijangajanga sy vehivavy janga.
4. Against whom do ye sport yourselves? against whom make ye a wide mouth, and draw out the tongue? are ye not children of transgression, a seed of falsehood,
4. De qui vous moquez-vous? Contre qui ouvrez-vous une large bouche Et tirez-vous la langue? N`êtes-vous pas des enfants de péché, Une race de mensonge,
4. Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
5. Enflaming yourselves with idols under every green tree, slaying the children in the valleys under the clifts of the rocks?
5. S`échauffant près des térébinthes, sous tout arbre vert, Égorgeant les enfants dans les vallées, Sous des fentes de rochers?
5. "Ianareo dia mahamaimay ny fonareo amin' ny sampy eny ambany hazo maitso rehetra; ka mamono zaza eny an-dohasaha eny ambanin' ny tsefatsefaky ny harambato."
6. Among the smooth stones of the stream is thy portion; they, they are thy lot: even to them hast thou poured a drink offering, thou hast offered a meat offering. Should I receive comfort in these?
6. "C`est dans les pierres polies des torrents qu`est ton partage, Voilà, voilà ton lot; C`est à elles que tu verses des libations, Que tu fais des offrandes: Puis-je être insensible à cela?"
6. "Ao amin' ny vato kilonjy any amin' ny riaka no anjaranao; eny, izany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?"
7. Upon a lofty and high mountain hast thou set thy bed: even thither wentest thou up to offer sacrifice.
7. "C`est sur une montagne haute et élevée que tu dresses ta couche; C`est aussi là que tu montes pour offrir des sacrifices."
7. Teo an-tampon' ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
8. Behind the doors also and the posts hast thou set up thy remembrance: for thou hast discovered thyself to another than me, and art gone up; thou hast enlarged thy bed, and made thee a covenant with them; thou lovedst their bed where thou sawest it.
8. "Tu mets ton souvenir derrière la porte et les poteaux; Car, loin de moi, tu lèves la couverture et tu montes, Tu élargis ta couche, et tu traites alliance avec eux, Tu aimes leur commerce, tu choisis une place."
8. "Teo ivohon' ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa hafa noho Izaho no nitanjahanao sy niakaranao, eny nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena taminy ianao; tianao ny fandriany izay nahitanao izany."
9. And thou wentest to the king with ointment, and didst increase thy perfumes, and didst send thy messengers far off, and didst debase thyself even unto hell.
9. Tu vas auprès du roi avec de l`huile, Tu multiplies tes aromates, Tu envoies au loin tes messagers, Tu t`abaisses jusqu`au séjour des morts.
9. Dia nivezivezy nankany amin' ny mpanjaka ianao nihosotra diloilo, ary nampitomboinao ny zava-manitrao, sady nampandeha hatrany lavitra ny irakao, ka nietry hatrany amin' ny helo ianao.
10. Thou art wearied in the greatness of thy way; yet saidst thou not, There is no hope: thou hast found the life of thine hand; therefore thou wast not grieved.
10. A force de marcher tu te fatigues, Et tu ne dis pas: J`y renonce! Tu trouves encore de la vigueur dans ta main: Aussi n`es-tu pas dans l`abattement.
10. Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: tsy misy fanantenana! nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro nalahelo ianao.
11. And of whom hast thou been afraid or feared, that thou hast lied, and hast not remembered me, nor laid it to thy heart? have not I held my peace even of old, and thou fearest me not?
11. Et qui redoutais-tu, qui craignais-tu, pour être infidèle, Pour ne pas te souvenir, te soucier de moi? Est-ce que je ne garde pas le silence, et depuis longtemps? C`est pourquoi tu ne me crains pas.
11. Ary iza no nahìnao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro Ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay, ka dia tsy natahotra Ahy ianao?
12. I will declare thy righteousness, and thy works; for they shall not profit thee.
12. Je vais publier ta droiture, Et tes oeuvres ne te profiteront pas.
12. "Izaho hanambara ny fahamarinanao sy ny asanao; fa tsy hahasoa anao izany."
13. When thou criest, let thy companies deliver thee; but the wind shall carry them all away; vanity shall take them: but he that putteth his trust in me shall possess the land, and shall inherit my holy mountain;
13. Quand tu crieras, la foule de tes idoles te délivrera-t-elle? Le vent les emportera toutes, un souffle les enlèvera. Mais celui qui se confie en moi héritera le pays, Et possédera ma montagne sainte.
13. "Raha mitaraina ianao, aoka ireo antokonao no hanafaka anao; fa hongahan' ny rivotra avokoa ireo; zava-poana no hahalasa azy; fa izay mametraka ny fitokisany amiko kosa no hanana ny tany, sy handova ny tendrombohitro masina."

Comfort for the Contrite

14. And shall say, Cast ye up, cast ye up, prepare the way, take up the stumblingblock out of the way of my people.
14. On dira: Frayez, frayez, préparez le chemin, Enlevez tout obstacle du chemin de mon peuple!
14. Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan' ny oloko.
15. For thus saith the high and lofty One that inhabiteth eternity, whose name is Holy; I dwell in the high and holy place, with him also that is of a contrite and humble spirit, to revive the spirit of the humble, and to revive the heart of the contrite ones.
15. "Car ainsi parle le Très Haut, Dont la demeure est éternelle et dont le nom est saint: J`habite dans les lieux élevés et dans la sainteté; Mais je suis avec l`homme contrit et humilié, Afin de ranimer les esprits humiliés, Afin de ranimer les coeurs contrits."
15. "Fa izao no lazain' ny Iray avo sy manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany: ao amin' ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin' ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon' ny torotoro fo;"
16. For I will not contend for ever, neither will I be always wroth: for the spirit should fail before me, and the souls which I have made.
16. Je ne veux pas contester à toujours, Ni garder une éternelle colère, Quand devant moi tombent en défaillance les esprits, Les âmes que j`ai faites.
16. "Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy sy ireo aina izay nataoko."
17. For the iniquity of his covetousness was I wroth, and smote him: I hid me, and was wroth, and he went on frowardly in the way of his heart.
17. "A cause de son avidité coupable, je me suis irrité et je l`ai frappé, Je me suis caché dans mon indignation; Et le rebelle a suivi le chemin de son coeur."
17. "Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin' ny lalana tian' ny fony ihany."
18. I have seen his ways, and will heal him: I will lead him also, and restore comforts unto him and to his mourners.
18. "J`ai vu ses voies, Et je le guérirai; Je lui servirai de guide, Et je le consolerai, lui et ceux qui pleurent avec lui."
18. Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin' ny malahelo ao aminy.
19. I create the fruit of the lips; Peace, peace to him that is far off, and to him that is near, saith the LORD; and I will heal him.
19. Je mettrai la louange sur les lèvres. Paix, paix à celui qui est loin et à celui qui est près! dit l`Éternel. Je les guérirai.
19. "Mahary ny vokatry ny molotra Aho: Fiadanana, fiadanana ho an' izay lavitra sy ho an' izay akaiky, hoy Jehovah; ka dia hahasitrana azy Aho."
20. But the wicked are like the troubled sea, when it cannot rest, whose waters cast up mire and dirt.
20. Mais les méchants sont comme la mer agitée, Qui ne peut se calmer, Et dont les eaux soulèvent la vase et le limon.
20. Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, tsy mety tafatoetra izy ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
21. There is no peace, saith my God, to the wicked.
21. Il n`y a point de paix pour les méchants, dit mon Dieu.
21. Tsy misy fiadanana ho an' ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
<
>