Israel the Chosen
1. Yet now hear, O Jacob my servant; and Israel, whom I have chosen:
1. Écoute maintenant, ô Jacob, mon serviteur! O Israël, que j`ai choisi!
1. "Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;"
2. Thus saith the LORD that made thee, and formed thee from the womb, which will help thee; Fear not, O Jacob, my servant; and thou, Jesurun, whom I have chosen.
2. Ainsi parle l`Éternel, qui t`a fait, Et qui t`a formé dès ta naissance, Celui qui est ton soutien: Ne crains rien, mon serviteur Jacob, Mon Israël, que j`ai choisi.
2. "Izao no lazain' i Jehovah, Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady hamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ary ianao, ry Jesoròna, izay nofidiko;"
3. For I will pour water upon him that is thirsty, and floods upon the dry ground: I will pour my spirit upon thy seed, and my blessing upon thine offspring:
3. "Car je répandrai des eaux sur le sol altéré, Et des ruisseaux sur la terre desséchée; Je répandrai mon esprit sur ta race, Et ma bénédiction sur tes rejetons."
3. "Fa handatsaka rano amin' izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin' izay tany karankaina; eny handatsaka ny Fanahiko amin' ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin' ny terakao;"
4. And they shall spring up as among the grass, as willows by the water courses.
4. Ils pousseront comme au milieu de l`herbe, Comme les saules près des courants d`eau.
4. Dia haniry toy ny eny amin' ny ahitra ireo, tahaka ny hazomalahelo eny anilan' ny rano mandeha.
5. One shall say, I am the LORD's; and another shall call himself by the name of Jacob; and another shall subscribe with his hand unto the LORD, and surname himself by the name of Israel.
5. "Celui-ci dira: Je suis à l`Éternel; Celui-là se réclamera du nom de Jacob; Cet autre écrira de sa main: à l`Éternel! Et prononcera avec amour le nom d`Israël."
5. "Ny anankiray hilaza hoe: An' i Jehovah aho; ary ny anankiray koa hiantso ny tenany amin' ny anarana hoe Jakoba, ary ny anankiray indray koa hanoratra amin' ny tanany hoe: an' i Jehovah, ary hanonona ny tenany amin' ny anaran' Isiraely."
The LORD, Not Idols
6. Thus saith the LORD the King of Israel, and his redeemer the LORD of hosts; I am the first, and I am the last; and beside me there is no God.
6. Ainsi parle l`Éternel, roi d`Israël et son rédempteur, L`Éternel des armées: Je suis le premier et je suis le dernier, Et hors moi il n`y a point de Dieu.
6. "Izao no lazain' i Jehovah, Mpanjakan' ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon' ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho."
7. And who, as I, shall call, and shall declare it, and set it in order for me, since I appointed the ancient people? and the things that are coming, and shall come, let them shew unto them.
7. Qui a, comme moi, fait des prédictions (Qu`il le déclare et me le prouve!), Depuis que j`ai fondé le peuple ancien? Qu`ils annoncent l`avenir et ce qui doit arriver!
7. Ary iza moa no mba hahaantso tahaka Ahy sy hanambara izany ary handahatra izany ho Ahy, hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8. Fear ye not, neither be afraid: have not I told thee from that time, and have declared it? ye are even my witnesses. Is there a God beside me? yea, there is no God; I know not any.
8. "N`ayez pas peur, et ne tremblez pas; Ne te l`ai-je pas dès longtemps annoncé et déclaré? Vous êtes mes témoins: Y a-t-il un autre Dieu que moi? Il n`y a pas d`autre rocher, je n`en connais point."
8. "Aza matahotra, na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin' ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Andriamanitra, tsy mahalala aho, na iray aza."
9. They that make a graven image are all of them vanity; and their delectable things shall not profit; and they are their own witnesses; they see not, nor know; that they may be ashamed.
9. "Ceux qui fabriquent des idoles ne sont tous que vanité, Et leurs plus belles oeuvres ne servent à rien; Elles le témoignent elles-mêmes: Elles n`ont ni la vue, ni l`intelligence, Afin qu`ils soient dans la confusion."
9. "Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; ary ny zavatra tiany indrindra, dia tsy mahasoa; izy ihany no vavolombelon' izany, tsy mahita izy, na mahalala mba ho menatra."
10. Who hath formed a god, or molten a graven image that is profitable for nothing?
10. Qui est-ce qui fabrique un dieu, ou fond une idole, Pour n`en retirer aucune utilité?
10. Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an' idina izay tsy mahasoa akory?
11. Behold, all his fellows shall be ashamed: and the workmen, they are of men: let them all be gathered together, let them stand up; yet they shall fear, and they shall be ashamed together.
11. "Voici, tous ceux qui y travaillent seront confondus, Et les ouvriers ne sont que des hommes; Qu`ils se réunissent tous, qu`ils se présentent, Et tous ensemble ils seront tremblants et couverts de honte."
11. "Indro, ho menatra ny namany rehetra; fa ny mpiasa dia olona ihany; aoka hivory izy rehetra ka hitsangana; nefa ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy."
12. The smith with the tongs both worketh in the coals, and fashioneth it with hammers, and worketh it with the strength of his arms: yea, he is hungry, and his strength faileth: he drinketh no water, and is faint.
12. "Le forgeron fait une hache, Il travaille avec le charbon, Et il la façonne à coups de marteau; Il la forge d`un bras vigoureux; Mais a-t-il faim, le voilà sans force; Ne boit-il pas d`eau, le voilà épuisé."
12. "Ny mpanefy manamboatra fiasàna; miasa amin' ny arina izy ary manamboatra azy amin' ny tantanana sy miasa azy amin' ny tanjaky ny sandriny; eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka."
13. The carpenter stretcheth out his rule; he marketh it out with a line; he fitteth it with planes, and he marketh it out with the compass, and maketh it after the figure of a man, according to the beauty of a man; that it may remain in the house.
13. "Le charpentier étend le cordeau, Fait un tracé au crayon, Façonne le bois avec un couteau, Et marque ses dimensions avec le compas; Et il produit une figure d`homme, Une belle forme humaine, Pour qu`elle habite dans une maison."
13. "Ny mpandrafitra manenjana ny fanitsiany sy manamarika azy amin' ny tsipika; manamarika azy amin' ny kompà, ary mahavita azy ho tahaka ny endrik' olona, mba hampitoerina ao an-trano."
14. He heweth him down cedars, and taketh the cypress and the oak, which he strengtheneth for himself among the trees of the forest: he planteth an ash, and the rain doth nourish it.
14. "Il se coupe des cèdres, Il prend des rouvres et des chênes, Et fait un choix parmi les arbres de la forêt; Il plante des pins, Et la pluie les fait croître."
14. "Mandavo sedera ho azy izy ary maka ny hazo kypreso sy oaka, izay atanjahany ho azy amin' ireo hazo any an' ala; mamboly ny hazo orno izy, ka am-panirin' ny ranonorana izany;"
15. Then shall it be for a man to burn: for he will take thereof, and warm himself; yea, he kindleth it, and baketh bread; yea, he maketh a god, and worshippeth it; he maketh it a graven image, and falleth down thereto.
15. "Ces arbres servent à l`homme pour brûler, Il en prend et il se chauffe. Il y met aussi le feu pour cuire du pain; Et il en fait également un dieu, qu`il adore, Il en fait une idole, devant laquelle il se prosterne."
15. "Ary dia hanaovan' ny olona kitay izany ka hanalany hamindroany; eny, ampirehetiny izany mba hanaovany mofo; eny, anaovany andriamanitra izany, ka ivavahany; anaovany sarin-javatra voasokitra izany, ka dia iankohofany."
16. He burneth part thereof in the fire; with part thereof he eateth flesh; he roasteth roast, and is satisfied: yea, he warmeth himself, and saith, Aha, I am warm, I have seen the fire:
16. "Il brûle au feu la moitié de son bois, Avec cette moitié il cuit de la viande, Il apprête un rôti, et se rassasie; Il se chauffe aussi, et dit: Ha! Ha! Je me chauffe, je vois la flamme!"
16. "Ny sasany dorany amin' ny afo, ny sasany hihinanany hena; manatsatsika hena izy, ka dia voky; eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!"
17. And the residue thereof he maketh a god, even his graven image: he falleth down unto it, and worshippeth it, and prayeth unto it, and saith, Deliver me; for thou art my god.
17. Et avec le reste il fait un dieu, son idole, Il se prosterne devant elle, il l`adore, il l`invoque, Et s`écrie: Sauve-moi! Car tu es mon dieu!
17. Ary ny sisan' izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
18. They have not known nor understood: for he hath shut their eyes, that they cannot see; and their hearts, that they cannot understand.
18. Ils n`ont ni intelligence, ni entendement, Car on leur a fermé les yeux pour qu`ils ne voient point, Et le coeur pour qu`ils ne comprennent point.
18. "Tsy mahalala na mahafantatra ireny; fa voatampina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony, ka tsy mahalala."
19. And none considereth in his heart, neither is there knowledge nor understanding to say, I have burned part of it in the fire; yea, also I have baked bread upon the coals thereof; I have roasted flesh, and eaten it: and shall I make the residue thereof an abomination? shall I fall down to the stock of a tree?
19. "Il ne rentre pas en lui-même, Et il n`a ni l`intelligence, ni le bon sens de dire: J`en ai brûlé une moitié au feu, J`ai cuit du pain sur les charbons, J`ai rôti de la viande et je l`ai mangée; Et avec le reste je ferais une abomination! Je me prosternerais devant un morceau de bois!"
19. "Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana, na saina akory hanao hoe: ny sasany mantsy nodorako tamin' ny afo; eny, efa nanao mofo tamin' ny vainafo koa aho; efa nanatsatsika hena aho ka nihinana izany; koa ny sisa va hataoko fahavetavetana? Hiankohoka eo anatrehan' ny vatan-kazo va aho?"
20. He feedeth on ashes: a deceived heart hath turned him aside, that he cannot deliver his soul, nor say, Is there not a lie in my right hand?
20. Il se repaît de cendres, Son coeur abusé l`égare, Et il ne sauvera point son âme, et ne dira point: N`est-ce pas du mensonge que j`ai dans ma main?
20. "Homan-davenona izy; voafitaka ny fony ka mampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy, na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?"
21. Remember these, O Jacob and Israel; for thou art my servant: I have formed thee; thou art my servant: O Israel, thou shalt not be forgotten of me.
21. "Souviens-toi de ces choses, ô Jacob! O Israël! car tu es mon serviteur; Je t`ai formé, tu es mon serviteur; Israël, je ne t`oublierai pas."
21. "Tsarovy izany, ry Jakoba sy ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; noforoniko ianao, mpanompoko ianao; tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô!"
22. I have blotted out, as a thick cloud, thy transgressions, and, as a cloud, thy sins: return unto me; for I have redeemed thee.
22. "J`efface tes transgressions comme un nuage, Et tes péchés comme une nuée; Reviens à moi, Car je t`ai racheté."
22. "Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny rahona matevina, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho."
23. Sing, O ye heavens; for the LORD hath done it: shout, ye lower parts of the earth: break forth into singing, ye mountains, O forest, and every tree therein: for the LORD hath redeemed Jacob, and glorified himself in Israel.
23. "Cieux, réjouissez-vous! car l`Éternel a agi; Profondeurs de la terre, retentissez d`allégresse! Montagnes, éclatez en cris de joie! Vous aussi, forêts, avec tous vos arbres! Car l`Éternel a racheté Jacob, Il a manifesté sa gloire en Israël."
23. "Mihirà, ianareo, ry lanitra; fa Jehovah no nanao izany; manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin' ny tany; velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin' izay hazo rehetra ao; fa Jehovah efa nanavotra an' i Jakoba sy nampiseho ny voninahiny eo amin' Isiraely."
Jerusalem to Be Inhabited
24. Thus saith the LORD, thy redeemer, and he that formed thee from the womb, I am the LORD that maketh all things; that stretcheth forth the heavens alone; that spreadeth abroad the earth by myself;
24. Ainsi parle l`Éternel, ton rédempteur, Celui qui t`a formé dès ta naissance: Moi, l`Éternel, j`ai fait toutes choses, Seul j`ai déployé les cieux, Seul j`ai étendu la terre.
24. "Izao no lazain' i Jehovah, Mpanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah, Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;"
25. That frustrateth the tokens of the liars, and maketh diviners mad; that turneth wise men backward, and maketh their knowledge foolish;
25. "J`anéantis les signes des prophètes de mensonge, Et je proclame insensés les devins; Je fais reculer les sages, Et je tourne leur science en folie."
25. Mahafoana ny famantarana lazain' ny mpandainga aho sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
26. That confirmeth the word of his servant, and performeth the counsel of his messengers; that saith to Jerusalem, Thou shalt be inhabited; and to the cities of Judah, Ye shall be built, and I will raise up the decayed places thereof:
26. "Je confirme la parole de mon serviteur, Et j`accomplis ce que prédisent mes envoyés; Je dis de Jérusalem: Elle sera habitée, Et des villes de Juda: Elles seront rebâties; Et je relèverai leurs ruines."
26. Ary mahatò ny tenin' ny mpanompony sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irany, ka manao amin' i Jerosalema hoe: Honenana ianao ary amin' ny tanànan' ny Joda hoe: Hamboarina ianareo, ka hatsangako izay rava ao.
27. That saith to the deep, Be dry, and I will dry up thy rivers:
27. Je dis à l`abîme: Dessèche-toi, Je tarirai tes fleuves.
27. Ary milaza amin' ny rano lalina hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao.
28. That saith of Cyrus, He is my shepherd, and shall perform all my pleasure: even saying to Jerusalem, Thou shalt be built; and to the temple, Thy foundation shall be laid.
28. "Je dis de Cyrus: Il est mon berger, Et il accomplira toute ma volonté; Il dira de Jérusalem: Qu`elle soit rebâtie! Et du temple: Qu`il soit fondé!"
28. "Ary milaza amin' i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin' i Jerosalema hoe: Hamboarina ianao, ary amin' ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao."