The Kingdom of Righteousness
1. Behold, a king shall reign in righteousness, and princes shall rule in judgment.
1. Alors le roi régnera selon la justice, Et les princes gouverneront avec droiture.
1. Indro, hisy mpanjaka izay hanjaka araka ny fahamarinana sy mpanapaka, izay hanapaka araka ny rariny.
2. And a man shall be as an hiding place from the wind, and a covert from the tempest; as rivers of water in a dry place, as the shadow of a great rock in a weary land.
2. Chacun sera comme un abri contre le vent, Et un refuge contre la tempête, Comme des courants d`eau dans un lieu desséché, Comme l`ombre d`un grand rocher dans une terre altérée.
2. "Ary hisy lehilahy ho fierena amin' ny rivotra sy ho fialofana amin' ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin' ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin' ny tany mahana."
3. And the eyes of them that see shall not be dim, and the ears of them that hear shall hearken.
3. Les yeux de ceux qui voient ne seront plus bouchés, Et les oreilles de ceux qui entendent seront attentives.
3. Ary tsy hikimpy ny mason' izay mahita, ary ny sofin' izay mandre dia hihaino.
4. The heart also of the rash shall understand knowledge, and the tongue of the stammerers shall be ready to speak plainly.
4. Le coeur des hommes légers sera intelligent pour comprendre, Et la langue de ceux qui balbutient parlera vite et nettement.
4. Ny fon' izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan' izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
5. The vile person shall be no more called liberal, nor the churl said to be bountiful.
5. On ne donnera plus à l`insensé le nom de noble, Ni au fourbe celui de magnanime.
5. Ny adala tsy holazaina intsony hoe: malala-tanana, ary ny bado tsy atao intsony hoe: mpiantra.
6. For the vile person will speak villany, and his heart will work iniquity, to practise hypocrisy, and to utter error against the LORD, to make empty the soul of the hungry, and he will cause the drink of the thirsty to fail.
6. Car l`insensé profère des folies, Et son coeur s`adonne au mal, Pour commettre l`impiété, Et dire des faussetés contre l`Éternel, Pour laisser à vide l`âme de celui qui a faim, Et enlever le breuvage de celui qui a soif.
6. Fa ny adala mbola hiteny fahadalana ihany ary ny fony hamoron-keloka, mba hanaovany fihatsarambelatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin' i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan' ny noana hanina sy izay mangetaheta rano hosotroina.
7. The instruments also of the churl are evil: he deviseth wicked devices to destroy the poor with lying words, even when the needy speaketh right.
7. "Les armes du fourbe sont pernicieuses; Il forme de coupables desseins, Pour perdre les malheureux par des paroles mensongères, Même quand la cause du pauvre est juste."
7. "Ratsy koa ny asan' ny tsy ampy saina; mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny mahantra amin' ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny olon-tsahirana."
8. But the liberal deviseth liberal things; and by liberal things shall he stand.
8. Mais celui qui est noble forme de nobles desseins, Et il persévère dans ses nobles desseins.
8. Ny malala-tanana dia mihevitra izay hampahalala-tanana azy, ary ny fahalalahan-tanana no ifikirany.
The Women of Jerusalem
9. Rise up, ye women that are at ease; hear my voice, ye careless daughters; give ear unto my speech.
9. Femmes insouciantes, Levez-vous, écoutez ma voix! Filles indolentes, Prêtez l`oreille à ma parole!
9. "Mitsangàna, ry vehivavy miadana ka mandrenesa ny feoko; ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko."
10. Many days and years shall ye be troubled, ye careless women: for the vintage shall fail, the gathering shall not come.
10. "Dans un an et quelques jours, Vous tremblerez, indolentes; Car c`en est fait de la vendange, La récolte n`arrivera pas."
10. "Andro maro sy taona maro no haharaiki-tahotra anareo, ry vehivavy matokitoky foana; fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo."
11. Tremble, ye women that are at ease; be troubled, ye careless ones: strip you, and make you bare, and gird sackcloth upon your loins.
11. Soyez dans l`effroi, insouciantes! Tremblez, indolentes! Déshabillez-vous, mettez-vous à nu Et ceignez vos reins!
11. Mangovita, ry vehivavy miadana. Mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana: Endaho ny akanjonareo ka mitanjaha, ary sikìno lamba fisaonana ny valahanareo.
12. They shall lament for the teats, for the pleasant fields, for the fruitful vine.
12. On se frappe le sein, Au souvenir de la beauté des champs Et de la fécondité des vignes.
12. Hiteha-tratra izy, fa halahelo ny saha mahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
13. Upon the land of my people shall come up thorns and briers; yea, upon all the houses of joy in the joyous city:
13. Sur la terre de mon peuple Croissent les épines et les ronces, Même dans toutes les maisons de plaisance De la cité joyeuse.
13. "Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin' ny oloko, eny, na dia ny ao amin' ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;"
14. Because the palaces shall be forsaken; the multitude of the city shall be left; the forts and towers shall be for dens for ever, a joy of wild asses, a pasture of flocks;
14. "Le palais est abandonné, La ville bruyante est délaissée; La colline et la tour serviront à jamais de cavernes; Les ânes sauvages y joueront, les troupeaux y paîtront,"
14. "Fa ho foana ny lapan' ny mpanjaka; hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; ny manda sy ny tilikambo ho tonga naman' ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen' ny boriky dia sy fiandrasana ny andian' ny ondry aman' osy,"
15. Until the spirit be poured upon us from on high, and the wilderness be a fruitful field, and the fruitful field be counted for a forest.
15. Jusqu`à ce que l`esprit soit répandu d`en haut sur nous, Et que le désert se change en verger, Et que le verger soit considéré comme une forêt.
15. Mandra-pandatsaka ny Fanahy avy amin' ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
16. Then judgment shall dwell in the wilderness, and righteousness remain in the fruitful field.
16. Alors la droiture habitera dans le désert, Et la justice aura sa demeure dans le verger.
16. Ary hitoetra any an' efitra ny rariny, ary ny fahamarinana honina ao amin' ny saha mahavokatra.
17. And the work of righteousness shall be peace; and the effect of righteousness quietness and assurance for ever.
17. L`oeuvre de la justice sera la paix, Et le fruit de la justice le repos et la sécurité pour toujours.
17. "Ny asan' ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fananana antoka mandrakizay ;"
18. And my people shall dwell in a peaceable habitation, and in sure dwellings, and in quiet resting places;
18. Mon peuple demeurera dans le séjour de la paix, Dans des habitations sûres, Dans des asiles tranquilles.
18. "Ary ny oloko hitoetra ao amin' ny fonenana mandry fahizay sy ao amin' ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;"
19. When it shall hail, coming down on the forest; and the city shall be low in a low place.
19. Mais la forêt sera précipitée sous la grêle, Et la ville profondément abaissée.
19. Rehefa hilatsaka eo amin' ny ala ny havandra, dia halamaka dia halamaka ny tanàna.
20. Blessed are ye that sow beside all waters, that send forth thither the feet of the ox and the ass.
20. Heureux vous qui partout semez le long des eaux, Et qui laissez sans entraves le pied du boeuf et de l`âne!
20. Sambatra ianareo izay mamafy eny amoron' ny rano rehetra sady mampiriaria any ny omby sy ny boriky.