The Mountain of the LORD

1. The word that Isaiah the son of Amoz saw concerning Judah and Jerusalem.
1. Prophétie d`Ésaïe, fils d`Amots, sur Juda et Jérusalem.
1. Ny teny izay hitan' Isaia, zanak' i Amoza, ny amin' ny Joda sy Jerosalema.
2. And it shall come to pass in the last days, that the mountain of the LORD's house shall be established in the top of the mountains, and shall be exalted above the hills; and all nations shall flow unto it.
2. Il arrivera, dans la suite des temps, Que la montagne de la maison de l`Éternel Sera fondée sur le sommet des montagnes, Qu`elle s`élèvera par-dessus les collines, Et que toutes les nations y afflueront.
2. Ary izao no ho tonga any amin' ny andro farany: ny tendrombohitry ny tranon' i Jehovah dia haorina eo an-tampon' ny tendrombohitra, ary hasandratra avo noho ny havoana ka hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.
3. And many people shall go and say, Come ye, and let us go up to the mountain of the LORD, to the house of the God of Jacob; and he will teach us of his ways, and we will walk in his paths: for out of Zion shall go forth the law, and the word of the LORD from Jerusalem.
3. Des peuples s`y rendront en foule, et diront: Venez, et montons à la montagne de l`Éternel, A la maison du Dieu de Jacob, Afin qu`il nous enseigne ses voies, Et que nous marchions dans ses sentiers. Car de Sion sortira la loi, Et de Jérusalem la parole de l`Éternel.
3. Ary maro ny olona no hankany ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr' i Jehovah, ho any an-tranon' Andriamanitr' i Jakoba, ary hampianatra antsika ny lalany Izy ka handeha amin' ny alehany isika, fa avy any Ziona no hivoahan' ny lalàna ary avy any Jerosalema ny tenin' i Jehovah.
4. And he shall judge among the nations, and shall rebuke many people: and they shall beat their swords into plowshares, and their spears into pruninghooks: nation shall not lift up sword against nation, neither shall they learn war any more.
4. Il sera le juge des nations, L`arbitre d`un grand nombre de peuples. De leurs glaives ils forgeront des hoyaux, Et de leurs lances des serpes: Une nation ne tirera plus l`épée contre une autre, Et l`on n`apprendra plus la guerre.
4. "Hitsara eo amin' ny firenena Izy, ary hananatra olona maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely, na hianatra ady intsony."
5. O house of Jacob, come ye, and let us walk in the light of the LORD.
5. Maison de Jacob, Venez, et marchons à la lumière de l`Éternel!
5. Ry taranak' i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin' ny fahazavan' i Jehovah.

The Day of the LORD

6. Therefore thou hast forsaken thy people the house of Jacob, because they be replenished from the east, and are soothsayers like the Philistines, and they please themselves in the children of strangers.
6. Car tu as abandonné ton peuple, la maison de Jacob, Parce qu`ils sont pleins de l`Orient, Et adonnés à la magie comme les Philistins, Et parce qu`ils s`allient aux fils des étrangers. Le pays est rempli d`argent et d`or,
6. Fa efa nahafoy ny taranak' i Jakoba olonao Ianao, satria feno ny fanao avy any atsinanana izy, ary efa mpanandro tahaka ny Filistina, ary nampifaly ny tenany tamin' ny zana-bahiny izy.
7. Their land also is full of silver and gold, neither is there any end of their treasures; their land is also full of horses, neither is there any end of their chariots:
7. "Et il y a des trésors sans fin; Le pays est rempli de chevaux, Et il y a des chars sans nombre."
7. "Ny taniny koa dia feno volafotsy sy volamena sady tsy hita lany ny tahiriny; feno soavaly koa ny taniny sady tsy hita isa ny kalesiny;"
8. Their land also is full of idols; they worship the work of their own hands, that which their own fingers have made:
8. "Le pays est rempli d`idoles; Ils se prosternent devant l`ouvrage de leurs mains, Devant ce que leurs doigts ont fabriqué."
8. "Ny taniny koa dia feno sampy; ny asan' ny tanany ihany, dia izay efa nataon' ny rantsan-tanany ihany, iny no iankohofany."
9. And the mean man boweth down, and the great man humbleth himself: therefore forgive them not.
9. Les petits seront abattus, et les grands seront abaissés: Tu ne leur pardonneras point.
9. "Miondrika ny olona ambany, ary manetry tena ny olo-malaza; koa aza mamela ny helony Ianao."
10. Enter into the rock, and hide thee in the dust, for fear of the LORD, and for the glory of his majesty.
10. Entre dans les rochers, Et cache-toi dans la poussière, Pour éviter la terreur de l`Éternel Et l`éclat de sa majesté.
10. Midira ao amin' ny vatolampy, ary miere ao amin' ny vovoka, noho ny tahotra an' i Jehovah sy ny voninahitry ny fiandrianany.
11. The lofty looks of man shall be humbled, and the haughtiness of men shall be bowed down, and the LORD alone shall be exalted in that day.
11. L`homme au regard hautain sera abaissé, Et l`orgueilleux sera humilié: L`Éternel seul sera élevé ce jour-là.
11. "Ny fiandranandran' ny mason' ny zanak' olombelona dia haetry, ary ny fiavonavonan' ny olona dia hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra amin' izany andro izany."
12. For the day of the LORD of hosts shall be upon every one that is proud and lofty, and upon every one that is lifted up; and he shall be brought low:
12. "Car il y a un jour pour l`Éternel des armées Contre tout homme orgueilleux et hautain, Contre quiconque s`élève, afin qu`il soit abaissé;"
12. Fa ny andron' i Jehovah Tompon' ny maro dia ho amin' izay rehetra mirehareha sy miandranandrana, ary ho amin' izay rehetra misandratra, ka dia haetry izy.
13. And upon all the cedars of Lebanon, that are high and lifted up, and upon all the oaks of Bashan,
13. "Contre tous les cèdres du Liban, hauts et élevés, Et contre tous les chênes de Basan;"
13. Ary ho amin' ny sedera rehetra any Libanona izay avo sy andrandraina, sy ny hazo oaka rehetra any Basana,
14. And upon all the high mountains, and upon all the hills that are lifted up,
14. "Contre toutes les hautes montagnes, Et contre toutes les collines élevées;"
14. Ary ho amin' ny tendrombohitra avo rehetra sy ho amin' ny havoana andrandraina rehetra,
15. And upon every high tower, and upon every fenced wall,
15. "Contre toutes les hautes tours, Et contre toutes les murailles fortifiées;"
15. Ary ho amin' ny tilikambo miringiringy rehetra sy ny manda mafy rehetra,
16. And upon all the ships of Tarshish, and upon all pleasant pictures.
16. Contre tous les navires de Tarsis, Et contre tout ce qui plaît à la vue.
16. Ary ho amin' ny sambon' i Tarsisy rehetra sy ny sary mahafinaritra rehetra.
17. And the loftiness of man shall be bowed down, and the haughtiness of men shall be made low: and the LORD alone shall be exalted in that day.
17. L`homme orgueilleux sera humilié, Et le hautain sera abaissé: L`Éternel seul sera élevé ce jour-là.
17. Ary ny fireharehan' ny zanak' olombelona hatao mitanondrika, ary ny fiavonavonan' ny olona hatao mitanondrika. Fa Jehovah ihany no hisandratra amin' izany andro izany.
18. And the idols he shall utterly abolish.
18. Toutes les idoles disparaîtront.
18. Ary ny sampy hofoanany tanteraka.
19. And they shall go into the holes of the rocks, and into the caves of the earth, for fear of the LORD, and for the glory of his majesty, when he ariseth to shake terribly the earth.
19. On entrera dans les cavernes des rochers Et dans les profondeurs de la poussière, Pour éviter la terreur de l`Éternel et l`éclat de sa majesté, Quand il se lèvera pour effrayer la terre.
19. Ary hiditra ao amin' ny lava-bato sy ao amin' ny zohy amin' ny tany ny olona noho ny tahotra an' i Jehovah, sy ny voninahitry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampihorohoro mafy ny tany Izy.
20. In that day a man shall cast his idols of silver, and his idols of gold, which they made each one for himself to worship, to the moles and to the bats;
20. "En ce jour, les hommes jetteront Leurs idoles d`argent et leurs idoles d`or, Qu`ils s`étaient faites pour les adorer, Aux rats et aux chauves-souris;"
20. "Amin' izany andro izany dia harian' ny olona ho an' ny voalavo sy ny ramanavy ny sampiny volafotsy sy ny sampiny volamena izay samy nataony ho an' ny tenany hiankohofany;"
21. To go into the clefts of the rocks, and into the tops of the ragged rocks, for fear of the LORD, and for the glory of his majesty, when he ariseth to shake terribly the earth.
21. Et ils entreront dans les fentes des rochers Et dans les creux des pierres, Pour éviter la terreur de l`Éternel et l`éclat de sa majesté, Quand il se lèvera pour effrayer la terre.
21. Mba hidirany eo amin' ny tsefatsefaky ny vatolampy sy eo an-tampon' ny harambato noho ny tahotra an' i Jehovah, sy noho ny vonihahitry ny fiandrianany, rehefa mitsangana hampihorohoro mafy ny tany Izy.
22. Cease ye from man, whose breath is in his nostrils: for wherein is he to be accounted of ?
22. Cessez de vous confier en l`homme, Dans les narines duquel il n`y a qu`un souffle: Car de quelle valeur est-il?
22. "Mitsahara fa aza mitoky amin' ny olona; fa fofonaina foana no eo am-bavorony, ka hatao zinona izy?"
<
>