1. O foolish Galatians, who hath bewitched you, that ye should not obey the truth, before whose eyes Jesus Christ hath been evidently set forth, crucified among you?
1. O Galates, dépourvus de sens! qui vous a fascinés, vous, aux yeux de qui Jésus Christ a été peint comme crucifié?
1. RY Galatiana adala, iza no namosavy anareo ka tsy nanekenareo ny fahamarinana, kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana?
2. This only would I learn of you, Received ye the Spirit by the works of the law, or by the hearing of faith?
2. Voici seulement ce que je veux apprendre de vous: Est-ce par les oeuvres de la loi que vous avez reçu l`Esprit, ou par la prédication de la foi?
2. Izao ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa tamin’ny fandrenesana ny amin’ny finoana?
3. Are ye so foolish? having begun in the Spirit, are ye now made perfect by the flesh?
3. Etes-vous tellement dépourvus de sens? Après avoir commencé par l`Esprit, voulez-vous maintenant finir par la chair?
3. Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hamarana amin’ny nofo va ankehitriny?
4. Have ye suffered so many things in vain? if it be yet in vain.
4. Avez-vous tant souffert en vain? si toutefois c`est en vain.
4. Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
5. He therefore that ministereth to you the Spirit, and worketh miracles among you, doeth he it by the works of the law, or by the hearing of faith?
5. Celui qui vous accorde l`Esprit, et qui opère des miracles parmi vous, le fait-il donc par les oeuvres de la loi, ou par la prédication de la foi?
5. Ary Izay manome anareo ny Fanahy, sy manao fahagagana eo aminareo, moa avy amin’ny asan’ny lalàna va izany, sa avy amin’ny fandrenesana ny amin’ny finoana?
6. Even as Abraham believed God, and it was accounted to him for righteousness.
6. Comme Abraham crut à Dieu, et que cela lui fut imputé à justice,
6. Dia tahaka an’i Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinana ho azy izany
7. Know ye therefore that they which are of faith, the same are the children of Abraham.
7. reconnaissez donc que ce sont ceux qui ont la foi qui sont fils d`Abraham.
7. Koa fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.
8. And the scripture, foreseeing that God would justify the heathen through faith, preached before the gospel unto Abraham, saying, In thee shall all nations be blessed.
8. Aussi l`Écriture, prévoyant que Dieu justifierait les païens par la foi, a d`avance annoncé cette bonne nouvelle à Abraham: Toutes les nations seront bénies en toi!
8. Ary satria hitan’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no hanamarinan’Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: “Aminao no hitahiana ny firenena rehetra”
9. So then they which be of faith are blessed with faithful Abraham.
9. de sorte que ceux qui croient sont bénis avec Abraham le croyant.
9. Koa izay amin’ny finoana no voatahy miaraka amin’i Abrahama mahatoky.
10. For as many as are of the works of the law are under the curse: for it is written, Cursed is every one that continueth not in all things which are written in the book of the law to do them.
10. "Car tous ceux qui s`attachent aux oeuvres de la loi sont sous la malédiction; car il est écrit: Maudit est quiconque n`observe pas tout ce qui est écrit dans le livre de la loi, et ne le met pas en pratique."
10. "Fa izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna”"
11. But that no man is justified by the law in the sight of God, it is evident: for, The just shall live by faith.
11. Et que nul ne soit justifié devant Dieu par la loi, cela est évident, puisqu`il est dit: Le juste vivra par la foi.
11. "Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hohamarinina eo anatrehan’Andriamanitra; satria ny marina ho velona amin' ny finoana"
12. And the law is not of faith: but, The man that doeth them shall live in them.
12. "Or, la loi ne procède pas de la foi; mais elle dit: Celui qui mettra ces choses en pratique vivra par elles."
12. "Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa “izay mahatandrina izany no ho velona aminy”"
13. Christ hath redeemed us from the curse of the law, being made a curse for us: for it is written, Cursed is every one that hangeth on a tree:
13. Christ nous a rachetés de la malédiction de la loi, étant devenu malédiction pour nous-car il est écrit: Maudit est quiconque est pendu au bois, -
13. "Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona ho anay Izy; fa voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo”,"
14. That the blessing of Abraham might come on the Gentiles through Jesus Christ; that we might receive the promise of the Spirit through faith.
14. afin que la bénédiction d`Abraham eût pour les païens son accomplissement en Jésus Christ, et que nous reçussions par la foi l`Esprit qui avait été promis.
14. Mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny tenifikasana ny amin’ny Fanahy,
15. Brethren, I speak after the manner of men; Though it be but a man's covenant, yet if it be confirmed, no man disannulleth, or addeth thereto.
15. Frères (je parle à la manière des hommes), une disposition en bonne forme, bien que faite par un homme, n`est annulée par personne, et personne n`y ajoute.
15. "Ry rahalahy, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na dia ny fanekena ataon’ny olona aza, rehefa vita mafy dia tsy fanao ny manafoana na manampy izany."
16. Now to Abraham and his seed were the promises made. He saith not, And to seeds, as of many; but as of one, And to thy seed, which is Christ.
16. Or les promesses ont été faites à Abraham et à sa postérité. Il n`est pas dit: et aux postérités, comme s`il s`agissait de plusieurs, mais en tant qu`il s`agit d`une seule: et à ta postérité, c`est-à-dire, à Christ.
16. "Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny tenifikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, “ary ho an’ny taranakao”, dia Kristy izany."
17. And this I say, that the covenant, that was confirmed before of God in Christ, the law, which was four hundred and thirty years after, cannot disannul, that it should make the promise of none effect.
17. Voici ce que j`entends: une disposition, que Dieu a confirmée antérieurement, ne peut pas être annulée, et ainsi la promesse rendue vaine, par la loi survenue quatre cents trente ans plus tard.
17. Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’Andriamanitra mafy fahiny ao amin’i Kristy, dia tsy tsoahan’ny lalàna, izay vao natao telopolo amby efajato taona tato aoriana, hahafoana ny tenifikasana.
18. For if the inheritance be of the law, it is no more of promise: but God gave it to Abraham by promise.
18. "Car si l`héritage venait de la loi, il ne viendrait plus de la promesse; or, c`est par la promesse que Dieu a fait à Abraham ce don de sa grâce."
18. "Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ny tenifikasana intsony; nefa tamin’i Abrahama dia tenifikasana no nanomezan’Andriamanitra azy."
19. Wherefore then serveth the law? It was added because of transgressions, till the seed should come to whom the promise was made; and it was ordained by angels in the hand of a mediator.
19. "Pourquoi donc la loi? Elle a été donnée ensuite à cause des transgressions, jusqu`à ce que vînt la postérité à qui la promesse avait été faite; elle a été promulguée par des anges, au moyen d`un médiateur."
19. "Koa inona àry no ilàna ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-piavin’ny taranaka izay nomena ny tenifikasana; ary nalahatr’anjely teo an-tanan’ny Mpanalalana izany."
20. Now a mediator is not a mediator of one, but God is one.
20. Or, le médiateur n`est pas médiateur d`un seul, tandis que Dieu est un seul.
20. Ary ny mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
21. Is the law then against the promises of God? God forbid: for if there had been a law given which could have given life, verily righteousness should have been by the law.
21. La loi est-elle donc contre les promesses de Dieu? Loin de là! S`il eût été donné une loi qui pût procurer la vie, la justice viendrait réellement de la loi.
21. Ka moa manohitra ny tenifikasan’Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha misy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ny lalàna tokoa ny fahamarinana.
22. But the scripture hath concluded all under sin, that the promise by faith of Jesus Christ might be given to them that believe.
22. Mais l`Écriture a tout renfermé sous le péché, afin que ce qui avait été promis fût donné par la foi en Jésus Christ à ceux qui croient.
22. Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin’ny fahotana, mba homena ny mino ny tenifikasana noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.
23. But before faith came, we were kept under the law, shut up unto the faith which should afterwards be revealed.
23. Avant que la foi vînt, nous étions enfermés sous la garde de la loi, en vue de la foi qui devait être révélée.
23. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
24. Wherefore the law was our schoolmaster to bring us unto Christ, that we might be justified by faith.
24. Ainsi la loi a été comme un pédagogue pour nous conduire à Christ, afin que nous fussions justifiés par la foi.
24. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
25. But after that faith is come, we are no longer under a schoolmaster.
25. La foi étant venue, nous ne sommes plus sous ce pédagogue.
25. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika.
26. For ye are all the children of God by faith in Christ Jesus.
26. "Car vous êtes tous fils de Dieu par la foi en Jésus Christ;"
26. Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.
27. For as many of you as have been baptized into Christ have put on Christ.
27. vous tous, qui avez été baptisés en Christ, vous avez revêtu Christ.
27. "Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy;"
28. There is neither Jew nor Greek, there is neither bond nor free, there is neither male nor female: for ye are all one in Christ Jesus.
28. "Il n`y a plus ni Juif ni Grec, il n`y a plus ni esclave ni libre, il n`y a plus ni homme ni femme; car tous vous êtes un en Jésus Christ."
28. "Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy."
29. And if ye be Christ's, then are ye Abraham's seed, and heirs according to the promise.
29. Et si vous êtes à Christ, vous êtes donc la postérité d`Abraham, héritiers selon la promesse.
29. Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny tenifikasana.
<
>