1. Remember, O LORD, what is come upon us: consider, and behold our reproach.
1. Souviens-toi, Éternel, de ce qui nous est arrivé! Regarde, vois notre opprobre!
1. "Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; hevero sy diniho ny latsa mahazo anay."
2. Our inheritance is turned to strangers, our houses to aliens.
2. Notre héritage a passé à des étrangers, Nos maisons à des inconnus.
2. Ny lovanay dia afindra ho an' ny vahiny, ary ny tranonay ho an' ny hafa firenena.
3. We are orphans and fatherless, our mothers are as widows.
3. "Nous sommes orphelins, sans père; Nos mères sont comme des veuves."
3. Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondratena.
4. We have drunken our water for money; our wood is sold unto us.
4. Nous buvons notre eau à prix d`argent, Nous payons notre bois.
4. Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5. Our necks are under persecution: we labour, and have no rest.
5. "Nous sommes poursuivis, le joug sur le cou; Nous sommes épuisés, nous n`avons point de repos."
5. "Rambondrambonan'ny mpanenjika amin' ny hatokay izahay; miasa izahay, fa tsy manam-pitsaharana."
6. We have given the hand to the Egyptians, and to the Assyrians, to be satisfied with bread.
6. Nous avons tendu la main vers l`Égypte, vers l`Assyrie, Pour nous rassasier de pain.
6. Nanolo-tanana tamin' ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7. Our fathers have sinned, and are not; and we have borne their iniquities.
7. Nos pères ont péché, ils ne sont plus, Et c`est nous qui portons la peine de leurs iniquités.
7. Nanota ny razanay, tsy ety intsony izy ary izahay no mivesatra ny helony.
8. Servants have ruled over us: there is none that doth deliver us out of their hand.
8. Des esclaves dominent sur nous, Et personne ne nous délivre de leurs mains.
8. "Mpanompo no manapaka anay; tsy misy manafaka anay amin' ny tanany."
9. We gat our bread with the peril of our lives because of the sword of the wilderness.
9. Nous cherchons notre pain au péril de notre vie, Devant l`épée du désert.
9. Noho ny sabatra mamely any an' efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10. Our skin was black like an oven because of the terrible famine.
10. Notre peau est brûlante comme un four, Par l`ardeur de la faim.
10. Mainty toy ny fatana ny hoditray noho ny hamafin' ny mosary.
11. They ravished the women in Zion, and the maids in the cities of Judah.
11. Ils ont déshonoré les femmes dans Sion, Les vierges dans les villes de Juda.
11. Nosavihina ny vehivavy tao Ziona sy ny tovovavy tao amin' ny tanànan' ny Joda.
12. Princes are hanged up by their hand: the faces of elders were not honoured.
12. "Des chefs ont été pendus par leurs mains; La personne des vieillards n`a pas été respectée."
12. "Nahantona tamin' ny tanany ny lehibe; ary ny tavan' ny loholona tsy mba nohajaina."
13. They took the young men to grind, and the children fell under the wood.
13. Les jeunes hommes ont porté la meule, Les enfants chancelaient sous des fardeaux de bois.
13. "Ny zatovo nitondra ny fikosoham-barimbazaha; ary ny ankizy madinika lavo nitondra ny hazo."
14. The elders have ceased from the gate, the young men from their musick.
14. Les vieillards ne vont plus à la porte, Les jeunes hommes ont cessé leurs chants.
14. Nijanona tsy ho eo am-bavahady ny loholona, ary nitsahatra tamin' ny mozikany ny zatovo.
15. The joy of our heart is ceased; our dance is turned into mourning.
15. La joie a disparu de nos coeurs, Le deuil a remplacé nos danses.
15. Ny hafalian' ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16. The crown is fallen from our head: woe unto us, that we have sinned!
16. La couronne de notre tête est tombée! Malheur à nous, parce que nous avons péché!
16. "Efa afaka ny satroboninahitra tamin' ny lohanay; idiran-doza izahay, fa efa nanota!"
17. For this our heart is faint; for these things our eyes are dim.
17. Si notre coeur est souffrant, Si nos yeux sont obscurcis,
17. Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia manjavozavo ny masonay,
18. Because of the mountain of Zion, which is desolate, the foxes walk upon it.
18. C`est que la montagne de Sion est ravagée, C`est que les renards s`y promènent.
18. Noho ny amin' ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen' ny amboahaolo.
19. Thou, O LORD, remainest for ever; thy throne from generation to generation.
19. "Toi, l`Éternel, tu règnes à jamais; Ton trône subsiste de génération en génération."
19. Jehovah ô, Ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny sezafiandriananao no maharitra hatramin' ny taranaka fara mandimby.
20. Wherefore dost thou forget us for ever, and forsake us so long time?
20. Pourquoi nous oublierais-tu pour toujours, Nous abandonnerais-tu pour de longues années?
20. Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
21. Turn thou us unto thee, O LORD, and we shall be turned; renew our days as of old.
21. Fais-nous revenir vers toi, ô Éternel, et nous reviendrons! Donne-nous encore des jours comme ceux d`autrefois!
21. "Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay."
22. But thou hast utterly rejected us; thou art very wroth against us.
22. Nous aurais-tu entièrement rejetés, Et t`irriterais-tu contre nous jusqu`à l`excès!
22. Fa efa nandà anay tokoa Ianao, sy tezitra aminay indrindra.
<
>