1. Paul and Timotheus, the servants of Jesus Christ, to all the saints in Christ Jesus which are at Philippi, with the bishops and deacons:
1. Paul et Timothée, serviteurs de Jésus Christ, à tous les saints en Jésus Christ qui sont à Philippes, aux évêques et aux diacres:
1. Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy:
2. Grace be unto you, and peace, from God our Father, and from the Lord Jesus Christ.
2. que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus Christ!
2. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
3. I thank my God upon every remembrance of you,
3. Je rends grâces à mon Dieu de tout le souvenir que je garde de vous,
3. Misaotra an’Andriamanitro aho isaky ny mahatsiaro anareo
4. Always in every prayer of mine for you all making request with joy,
4. ne cessant, dans toutes mes prières pour vous tous,
4. Amin' ny fivavahako mandrakariva ho anareo rehetra, ka mangataka amin’ny fifaliana,
5. For your fellowship in the gospel from the first day until now;
5. de manifester ma joie au sujet de la part que vous prenez à l`Évangile, depuis le premier jour jusqu`à maintenant.
5. "Noho ny fifikiranareo amin' ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;"
6. Being confident of this very thing, that he which hath begun a good work in you will perform it until the day of Jesus Christ:
6. Je suis persuadé que celui qui a commencé en vous cette bonne oeuvre la rendra parfaite pour le jour de Jésus Christ.
6. "Ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy;"
7. Even as it is meet for me to think this of you all, because I have you in my heart; inasmuch as both in my bonds, and in the defence and confirmation of the gospel, ye all are partakers of my grace.
7. Il est juste que je pense ainsi de vous tous, parce que je vous porte dans mon coeur, soit dans mes liens, soit dans la défense et la confirmation de l`Évangile, vous qui tous participez à la même grâce que moi.
7. Fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ny fifatorako, na amin’ny famaliako hahafatsiny ny filazantsara hahamafy orina azy.
8. For God is my record, how greatly I long after you all in the bowels of Jesus Christ.
8. Car Dieu m`est témoin que je vous chéris tous avec la tendresse de Jésus Christ.
8. Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin’ny fitiavan’i Jesosy Kristy.
9. And this I pray, that your love may abound yet more and more in knowledge and in all judgment;
9. Et ce que je demande dans mes prières, c`est que votre amour augmente de plus en plus en connaissance et en pleine intelligence
9. Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny fahalalana sy ny rariny rehetra,
10. That ye may approve things that are excellent; that ye may be sincere and without offence till the day of Christ;
10. pour le discernement des choses les meilleures, afin que vous soyez purs et irréprochables pour le jour de Christ,
10. Mba hankasitrahanareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po, ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy ianareo,
11. Being filled with the fruits of righteousness, which are by Jesus Christ, unto the glory and praise of God.
11. remplis du fruit de justice qui est par Jésus Christ, à la gloire et à la louange de Dieu.
11. Sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
12. But I would ye should understand, brethren, that the things which happened unto me have fallen out rather unto the furtherance of the gospel;
12. Je veux que vous sachiez, frères, que ce qui m`est arrivé a plutôt contribué aux progrès de l`Évangile.
12. "Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;"
13. So that my bonds in Christ are manifest in all the palace, and in all other places;
13. En effet, dans tout le prétoire et partout ailleurs, nul n`ignore que c`est pour Christ que je suis dans les liens,
13. "Ka ny fifatorako ao amin’i Kristy dia fantatra ao amin’ny lapan’andriana rehetra, sy any amin’ny toeran-kafa rehetra;"
14. And many of the brethren in the Lord, waxing confident by my bonds, are much more bold to speak the word without fear.
14. et la plupart des frères dans le Seigneur, encouragés par mes liens, ont plus d`assurance pour annoncer sans crainte la parole.
14. Ary ny ankabeazan’ny rahalahy ao amin’ny Tompo dia efa matoky noho ny fifatorako ka mihasahy kokoa hitory ny teny tsy amin’ny tahotra.
15. Some indeed preach Christ even of envy and strife; and some also of good will:
15. "Quelques-uns, il est vrai, prêchent Christ par envie et par esprit de dispute; mais d`autres le prêchent avec des dispositions bienveillantes."
15. "Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy; ary ny sasany an-tsitrapo tokoa;"
16. The one preach Christ of contention, not sincerely, supposing to add affliction to my bonds:
16. Ceux-ci agissent par amour, sachant que je suis établi pour la défense de l`Évangile,
16. "Ny sasany mitory an’i Kristy amin’ny fifandirana, fa tsy amin’ny fahatsorana, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako;"
17. But the other of love, knowing that I am set for the defence of the gospel.
17. tandis que ceux-là, animés d`un esprit de dispute, annoncent Christ par des motifs qui ne sont pas purs et avec la pensée de me susciter quelque tribulation dans mes liens.
17. Fa amin’ny fitiavana ny an’ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpiaro ny filazantsara aho.
18. What then? notwithstanding, every way, whether in pretence, or in truth, Christ is preached; and I therein do rejoice, yea, and will rejoice.
18. Qu`importe? De toute manière, que ce soit pour l`apparence, que ce soit sincèrement, Christ n`est pas moins annoncé: je m`en réjouis, et je m`en réjouirai encore.
18. "Ahoana àry no izy? Fa amin’ny atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy, na amin’ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho."
19. For I know that this shall turn to my salvation through your prayer, and the supply of the Spirit of Jesus Christ,
19. Car je sais que cela tournera à mon salut, grâce à vos prières et à l`assistance de l`Esprit de Jésus Christ,
19. Fa fantatro fa ho tonga famonjena ho ahy izany noho ny fivavahanareo sy ny fanomezan’ny Fanahin’i Jesosy Kristy,
20. According to my earnest expectation and my hope, that in nothing I shall be ashamed, but that with all boldness, as always, so now also Christ shall be magnified in my body, whether it be by life, or by death.
20. "selon ma ferme attente et mon espérance que je n`aurai honte de rien, mais que, maintenant comme toujours, Christ sera glorifié dans mon corps avec une pleine assurance, soit par ma vie, soit par ma mort;"
20. Araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny fahasahiana rehetra, toy izay mpiseho mandrakariva, dia ankehitriny koa no hanehoana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana.
21. For to me to live is Christ, and to die is gain.
21. car Christ est ma vie, et la mort m`est un gain.
21. "Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony;"
22. But if I live in the flesh, this is the fruit of my labour: yet what I shall choose I wot not.
22. Mais s`il est utile pour mon oeuvre que je vive dans la chair, je ne saurais dire ce que je dois préférer.
22. "Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;"
23. For I am in a strait betwixt two, having a desire to depart, and to be with Christ; which is far better:
23. "Je suis pressé des deux côtés: j`ai le désir de m`en aller et d`être avec Christ, ce qui de beaucoup est le meilleur;"
23. "Fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;"
24. Nevertheless to abide in the flesh is more needful for you.
24. mais à cause de vous il est plus nécessaire que je demeure dans la chair.
24. Kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25. And having this confidence, I know that I shall abide and continue with you all for your furtherance and joy of faith;
25. Et je suis persuadé, je sais que je demeurerai et que je resterai avec vous tous, pour votre avancement et pour votre joie dans la foi,
25. Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoana,
26. That your rejoicing may be more abundant in Jesus Christ for me by my coming to you again.
26. afin que, par mon retour auprès de vous, vous ayez en moi un abondant sujet de vous glorifier en Jésus Christ.
26. Mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin’i Jesosy Kristy amin’ny hankanesako aty aminareo indray.
27. Only let your conversation be as it becometh the gospel of Christ: that whether I come and see you, or else be absent, I may hear of your affairs, that ye stand fast in one spirit, with one mind striving together for the faith of the gospel;
27. Seulement, conduisez-vous d`une manière digne de l`Évangile de Christ, afin que, soit que je vienne vous voir, soit que je reste absent, j`entende dire de vous que vous demeurez fermes dans un même esprit, combattant d`une même âme pour la foi de l`Évangile,
27. "Fa hany ataoko: aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo, na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, miray saina hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara;"
28. And in nothing terrified by your adversaries: which is to them an evident token of perdition, but to you of salvation, and that of God.
28. "sans vous laisser aucunement effrayer par les adversaires, ce qui est pour eux une preuve de perdition, mais pour vous de salut;"
28. "Ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa sady avy amin’Andriamanitra."
29. For unto you it is given in the behalf of Christ, not only to believe on him, but also to suffer for his sake;
29. et cela de la part de Dieu, car il vous a été fait la grâce, par rapport à Christ, non seulement de croire en lui, mais encore de souffrir pour lui,
29. Fa efa nomena anareo noho ny amin’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiari-pahoriana koa noho ny Aminy.
30. Having the same conflict which ye saw in me, and now hear to be in me.
30. en soutenant le même combat que vous m`avez vu soutenir, et que vous apprenez maintenant que je soutiens.
30. Dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
<
>