The Passover

1. And the LORD spake unto Moses and Aaron in the land of Egypt, saying,
1. L`Éternel dit à Moïse et à Aaron dans le pays d`Égypte:
1. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona teo amin' ny tany Egypta ka nanao hoe:
2. This month shall be unto you the beginning of months: it shall be the first month of the year to you.
2. "Ce mois-ci sera pour vous le premier des mois; il sera pour vous le premier des mois de l`année."
2. "Ity volana ity dia ho voaloham-bolana ho anareo; ka ho voaloham-bolana amin' ny taona ho anareo izy."
3. Speak ye unto all the congregation of Israel, saying, In the tenth day of this month they shall take to them every man a lamb, according to the house of their fathers, a lamb for an house:
3. Parlez à toute l`assemblée d`Israël, et dites: Le dixième jour de ce mois, on prendra un agneau pour chaque famille, un agneau pour chaque maison.
3. "Mitenena ianareo amin' ny fiangonan' ny Isiraely rehetra ka manaova hoe: Amin' ny andro fahafolo amin' ity volana ity dia samy haka zanak' ondry iray avy izy rehetra, araka ny ankohonan' ny rainy, dia zanak' ondry iray ho an' ny isan-trano;"
4. And if the household be too little for the lamb, let him and his neighbour next unto his house take it according to the number of the souls; every man according to his eating shall make your count for the lamb.
4. "Si la maison est trop peu nombreuse pour un agneau, on le prendra avec son plus proche voisin, selon le nombre des personnes; vous compterez pour cet agneau d`après ce que chacun peut manger."
4. "Ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak' ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka izany araka izay isan' ny olona; ny olona rehetra samy araka izay ho laniny avy no hanisanareo ny zanak' ondry."
5. Your lamb shall be without blemish, a male of the first year: ye shall take it out from the sheep, or from the goats:
5. "Ce sera un agneau sans défaut, mâle, âgé d`un an; vous pourrez prendre un agneau ou un chevreau."
5. "Tsy hisy kilema ny zanak' ondrinareo, dia lahy iray taona; halainareo amin' ny ondry na amin' ny osy izany."
6. And ye shall keep it up until the fourteenth day of the same month: and the whole assembly of the congregation of Israel shall kill it in the evening.
6. "Vous le garderez jusqu`au quatorzième jour de ce mois; et toute l`assemblée d`Israël l`immolera entre les deux soirs."
6. Ary hotehirizinareo izy hatramin' ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' io volana io ihany, ary hamono azy amin' ny hariva ny fivorian' ny fiangonan' ny Isiraely rehetra.
7. And they shall take of the blood, and strike it on the two side posts and on the upper door post of the houses, wherein they shall eat it.
7. On prendra de son sang, et on en mettra sur les deux poteaux et sur le linteau de la porte des maisons où on le mangera.
7. Ary hanalany ny ra, ka hatentiny amin' ny tolam-baravarana roa sy amin' ny tataom-baravaran' ny trano izay hihinanany azy.
8. And they shall eat the flesh in that night, roast with fire, and unleavened bread; and with bitter herbs they shall eat it.
8. "Cette même nuit, on en mangera la chair, rôtie au feu; on la mangera avec des pains sans levain et des herbes amères."
8. "Dia hohaniny amin' izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin' ny afo no hihinanany azy mbamin' ny mofo tsy misy lalivay sady ampiarahina amin' ny anana mangidy no hihinanany azy."
9. Eat not of it raw, nor sodden at all with water, but roast with fire; his head with his legs, and with the purtenance thereof.
9. "Vous ne le mangerez point à demi cuit et bouilli dans l`eau; mais il sera rôti au feu, avec la tête, les jambes et l`intérieur."
9. Aza hanina manta na voahandro amin' ny rano akory, fa atsatsiho amin' ny afo mbamin' ny lohany sy ny tongony ary ny fàdiny.
10. And ye shall let nothing of it remain until the morning; and that which remaineth of it until the morning ye shall burn with fire.
10. "Vous n`en laisserez rien jusqu`au matin; et, s`il en reste quelque chose le matin, vous le brûlerez au feu."
10. "Ary aza asianareo ho tra-maraina; fa raha tahiny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin' ny afo."
11. And thus shall ye eat it; with your loins girded, your shoes on your feet, and your staff in your hand; and ye shall eat it in haste: it is the LORD's passover.
11. "Quand vous le mangerez, vous aurez vos reins ceints, vos souliers aux pieds, et votre bâton à la main; et vous le mangerez à la hâte. C`est la Pâque de l`Éternel."
11. "Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin' ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izany, fa Paskan' i Jehovah."
12. For I will pass through the land of Egypt this night, and will smite all the firstborn in the land of Egypt, both man and beast; and against all the gods of Egypt I will execute judgment: I am the LORD.
12. Cette nuit-là, je passerai dans le pays d`Égypte, et je frapperai tous les premiers-nés du pays d`Égypte, depuis les hommes jusqu`aux animaux, et j`exercerai des jugements contre tous les dieux de l`Égypte. Je suis l`Éternel.
12. "Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin' izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin' ny tany Egypta hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby; ary ny andriamanitr' i Egypta rehetra dia hotsaraiko avokoa; Izaho no Jehovah."
13. And the blood shall be to you for a token upon the houses where ye are: and when I see the blood, I will pass over you, and the plague shall not be upon you to destroy you, when I smite the land of Egypt.
13. "Le sang vous servira de signe sur les maisons où vous serez; je verrai le sang, et je passerai par-dessus vous, et il n`y aura point de plaie qui vous détruise, quand je frapperai le pays d`Égypte."
13. "Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin' ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ary ny loza tsy ho aminareo handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho."
14. And this day shall be unto you for a memorial; and ye shall keep it a feast to the LORD throughout your generations; ye shall keep it a feast by an ordinance for ever.
14. "Vous conserverez le souvenir de ce jour, et vous le célébrerez par une fête en l`honneur de l`Éternel; vous le célébrerez comme une loi perpétuelle pour vos descendants."
14. "Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo izany ho andro firavoravoana ho an' i Jehovah amin' ny taranakareo mifandimby; hotandremanareo ho andro firavoravoana ho lalàna mandrakizay izany."
15. Seven days shall ye eat unleavened bread; even the first day ye shall put away leaven out of your houses: for whosoever eateth leavened bread from the first day until the seventh day, that soul shall be cut off from Israel.
15. "Pendant sept jours, vous mangerez des pains sans levain. Dès le premier jour, il n`y aura plus de levain dans vos maisons; car toute personne qui mangera du pain levé, du premier jour au septième jour, sera retranchée d`Israël."
15. "Hafitoana no hihinanareo mofo tsy misy lalivay; amin' ny andro voalohany no hanesoranareo ny lalivay amin' ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy lalivay hatramin' ny andro voalohany ka hatramin' ny andro fahafito dia hofongorana tsy ho amin' ny Isiraely."
16. And in the first day there shall be an holy convocation, and in the seventh day there shall be an holy convocation to you; no manner of work shall be done in them, save that which every man must eat, that only may be done of you.
16. "Le premier jour, vous aurez une sainte convocation; et le septième jour, vous aurez une sainte convocation. On ne fera aucun travail ces jours-là; vous pourrez seulement préparer la nourriture de chaque personne."
16. "Ary amin' ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina, ary amin' ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao raharaha akory ianareo amin' izany andro izany, afa-tsy izay hohanin' ny isan' olona, dia izany ihany no hamboarinareo."
17. And ye shall observe the feast of unleavened bread; for in this selfsame day have I brought your armies out of the land of Egypt: therefore shall ye observe this day in your generations by an ordinance for ever.
17. "Vous observerez la fête des pains sans levain, car c`est en ce jour même que j`aurai fait sortir vos armées du pays d`Égypte; vous observerez ce jour comme une loi perpétuelle pour vos descendants."
17. "Ary hitandrina ny andro firavoravoana momba ny mofo tsy misy lalivay ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; noho izany, hotandremanareo izany andro izany, amin' ny taranakareo ho lalàna mandrakizay."
18. In the first month, on the fourteenth day of the month at even, ye shall eat unleavened bread, until the one and twentieth day of the month at even.
18. Le premier mois, le quatorzième jour du mois, au soir, vous mangerez des pains sans levain jusqu`au soir du vingt et unième jour.
18. Amin' ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy lalivay hatramin' ny harivan' ny andro fahiraika amby roapolo amin' ny volana.
19. Seven days shall there be no leaven found in your houses: for whosoever eateth that which is leavened, even that soul shall be cut off from the congregation of Israel, whether he be a stranger, or born in the land.
19. "Pendant sept jours, il ne se trouvera point de levain dans vos maisons; car toute personne qui mangera du pain levé sera retranchée de l`assemblée d`Israël, que ce soit un étranger ou un indigène."
19. "Hafitoana no tsy hisiana lalivay ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy lalivay dia hofongorana tsy ho amin' ny fiangonan' ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany."
20. Ye shall eat nothing leavened; in all your habitations shall ye eat unleavened bread.
20. "Vous ne mangerez point de pain levé; dans toutes vos demeures, vous mangerez des pains sans levain."
20. "Tsy hihinana na inona na inona izay misy lalivay ianareo; dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianareo ao amin' izay itoeranareo rehetra."
21. Then Moses called for all the elders of Israel, and said unto them, Draw out and take you a lamb according to your families, and kill the passover.
21. Moïse appela tous les anciens d`Israël, et leur dit: Allez prendre du bétail pour vos familles, et immolez la Pâque.
21. Dia nampanalain' i Mosesy ny loholon' ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny ankohonanareo avy, ka vonoy ny Paska.
22. And ye shall take a bunch of hyssop, and dip it in the blood that is in the bason, and strike the lintel and the two side posts with the blood that is in the bason; and none of you shall go out at the door of his house until the morning.
22. Vous prendrez ensuite un bouquet d`hysope, vous le tremperez dans le sang qui sera dans le bassin, et vous toucherez le linteau et les deux poteaux de la porte avec le sang qui sera dans le bassin. Nul de vous ne sortira de sa maison jusqu`au matin.
22. "Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin' ny rà izay ao anatin'ny bakoly, ary ny rà izay ao anatin' ny bakoly dia anenteno amin' ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran' ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain' ny andro."
23. For the LORD will pass through to smite the Egyptians; and when he seeth the blood upon the lintel, and on the two side posts, the LORD will pass over the door, and will not suffer the destroyer to come in unto your houses to smite you.
23. Quand l`Éternel passera pour frapper l`Égypte, et verra le sang sur le linteau et sur les deux poteaux, l`Éternel passera par-dessus la porte, et il ne permettra pas au destructeur d`entrer dans vos maisons pour frapper.
23. Fa handeha hamely ny Egyptiana Jehovah, ary raha mahita ny rà eo amin' ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24. And ye shall observe this thing for an ordinance to thee and to thy sons for ever.
24. Vous observerez cela comme une loi pour vous et pour vos enfants à perpétuité.
24. Ary hitandrina izany zavatra izany ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an' ny zanakareo mandrakizay.
25. And it shall come to pass, when ye be come to the land which the LORD will give you, according as he hath promised, that ye shall keep this service.
25. Quand vous serez entrés dans le pays que l`Éternel vous donnera, selon sa promesse, vous observerez cet usage sacré.
25. Ary izao no hiseho, rehefa tonga any amin' ny tany izay homen' i Jehovah anareo ianareo araka izay nampanantenainy, dia hitandrina izao fanompoana izao ianareo.
26. And it shall come to pass, when your children shall say unto you, What mean ye by this service?
26. Et lorsque vos enfants vous diront: Que signifie pour vous cet usage?
26. Ary izao no hiseho, rehefa hiteny aminareo ny zanakareo hoe: Inona no hevitr' izao fanompoana izao?
27. That ye shall say, It is the sacrifice of the LORD's passover, who passed over the houses of the children of Israel in Egypt, when he smote the Egyptians, and delivered our houses. And the people bowed the head and worshipped.
27. vous répondrez: C`est le sacrifice de Pâque en l`honneur de l`Éternel, qui a passé par-dessus les maisons des enfants d`Israël en Égypte, lorsqu`il frappa l`Égypte et qu`il sauva nos maisons. Le peuple s`inclina et se prosterna.
27. Dia holazainareo fa izao dia famonoana ny Paskan' i Jehovah izay nandalo ny tranon' ny Zanak' Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa nanafaka ny tranontsika. Dia nanondrika ny lohany ny olona ka nivavaka.
28. And the children of Israel went away, and did as the LORD had commanded Moses and Aaron, so did they.
28. "Et les enfants d`Israël s`en allèrent, et firent ce que l`Éternel avait ordonné à Moïse et à Aaron; ils firent ainsi."
28. "Ary dia nandeha ny Zanak' Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy Arona no nataony."
29. And it came to pass, that at midnight the LORD smote all the firstborn in the land of Egypt, from the firstborn of Pharaoh that sat on his throne unto the firstborn of the captive that was in the dungeon; and all the firstborn of cattle.
29. Au milieu de la nuit, l`Éternel frappa tous les premiers-nés dans le pays d`Égypte, depuis le premier-né de Pharaon assis sur son trône, jusqu`au premier-né du captif dans sa prison, et jusqu`à tous les premiers-nés des animaux.
29. Ary izao no niseho, nony namatonalina dia namono ny matoa rehetra tao amin' ny tany Egypta Jehovah hatramin' ny matoan' i Farao izay nipetraka teo amin' ny sezafiandrianany ka hatramin' ny matoan' ny babo izay tao amin' ny tranomaizina mbamin' ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30. And Pharaoh rose up in the night, he, and all his servants, and all the Egyptians; and there was a great cry in Egypt; for there was not a house where there was not one dead.
30. "Pharaon se leva de nuit, lui et tous ses serviteurs, et tous les Égyptiens; et il y eut de grands cris en Égypte, car il n`y avait point de maison où il n`y eût un mort."
30. Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.

The Exodus

31. And he called for Moses and Aaron by night, and said, Rise up, and get you forth from among my people, both ye and the children of Israel; and go, serve the LORD, as ye have said.
31. Dans la nuit même, Pharaon appela Moïse et Aaron, et leur dit: Levez-vous, sortez du milieu de mon peuple, vous et les enfants d`Israël. Allez, servez l`Éternel, comme vous l`avez dit.
31. Dia nampaka an' i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin' ny vahoakako ianareo sy ny Zanak' Isiraely, ary mandehana ka manompoa an' i Jehovah araka ny nolazainareo.
32. Also take your flocks and your herds, as ye have said, and be gone; and bless me also.
32. "Prenez vos brebis et vos boeufs, comme vous l`avez dit; allez, et bénissez-moi."
32. "Ary ny ondry aman' osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo; ka mandehana dia mba tsofy rano koa aho."
33. And the Egyptians were urgent upon the people, that they might send them out of the land in haste; for they said, We be all dead men.
33. Les Égyptiens pressaient le peuple, et avaient hâte de le renvoyer du pays, car ils disaient: Nous périrons tous.
33. "Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala amin' ny tany; satria hoy izy: Maty avokoa izahay."
34. And the people took their dough before it was leavened, their kneadingtroughs being bound up in their clothes upon their shoulders.
34. Le peuple emporta sa pâte avant qu`elle fût levée. Ils enveloppèrent les pétrins dans leurs vêtements, et les mirent sur leurs épaules.
34. Dia nentin' ny olona ny kobany voalena raha tsy mbola voaisy lalivay, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin' ny lambany teny an-tsorony.
35. And the children of Israel did according to the word of Moses; and they borrowed of the Egyptians jewels of silver, and jewels of gold, and raiment:
35. Les enfants d`Israël firent ce que Moïse avait dit, et ils demandèrent aux Égyptiens des vases d`argent, des vases d`or et des vêtements.
35. Ary nanao araka ny tenin' i Mosesy ny Zanak' Isiraely ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin' ny Egyptiana.
36. And the LORD gave the people favour in the sight of the Egyptians, so that they lent unto them such things as they required. And they spoiled the Egyptians.
36. L`Éternel fit trouver grâce au peuple aux yeux des Égyptiens, qui se rendirent à leur demande. Et ils dépouillèrent les Égyptiens.
36. Ary nataon' i Jehovah nahita fitia teo imason' ny Egyptiana ny olona, ka nomen' ireo azy izay notakiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
37. And the children of Israel journeyed from Rameses to Succoth, about six hundred thousand on foot that were men, beside children.
37. Les enfants d`Israël partirent de Ramsès pour Succoth au nombre d`environ six cent mille hommes de pied, sans les enfants.
37. Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak' Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny ankizy.
38. And a mixed multitude went up also with them; and flocks, and herds, even very much cattle.
38. "Une multitude de gens de toute espèce montèrent avec eux; ils avaient aussi des troupeaux considérables de brebis et de boeufs."
38. Ary nisy olona maro samy hafa koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman' osy sy omby, dia biby fiompy be indrindra.
39. And they baked unleavened cakes of the dough which they brought forth out of Egypt, for it was not leavened; because they were thrust out of Egypt, and could not tarry, neither had they prepared for themselves any victual.
39. "Ils firent des gâteaux cuits sans levain avec la pâte qu`ils avaient emportée d`Égypte, et qui n`était pas levée; car ils avaient été chassés d`Égypte, sans pouvoir tarder, et sans prendre des provisions avec eux."
39. "Dia nanendy mofo tsy misy lalivay tamin' ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy; fa tsy mbola nisy lalivay izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona, na nahafehy vatsy ho azy."
40. Now the sojourning of the children of Israel, who dwelt in Egypt, was four hundred and thirty years.
40. Le séjour des enfants d`Israël en Égypte fut de quatre cent trente ans.
40. Ary ny andro nitoeran' ny Zanak' Isiraely tany Egypta dia telopolo amby efajato taona.
41. And it came to pass at the end of the four hundred and thirty years, even the selfsame day it came to pass, that all the hosts of the LORD went out from the land of Egypt.
41. Et au bout de quatre cent trente ans, le jour même, toutes les armées de l`Éternel sortirent du pays d`Égypte.
41. Ary izao no niseho rehefa tapitra ny telopolo amby efajato taona, fa tamin' izany andro izany indrindra dia izao no niseho: nivoaka ny tany Egypta ny antokon' i Jehovah rehetra.
42. It is a night to be much observed unto the LORD for bringing them out from the land of Egypt: this is that night of the LORD to be observed of all the children of Israel in their generations.
42. "Cette nuit sera célébrée en l`honneur de l`Éternel, parce qu`il les fit sortir du pays d`Égypte; cette nuit sera célébrée en l`honneur de l`Éternel par tous les enfants d`Israël et par leurs descendants."
42. "Alina hotandremana fatratra ho an' i Jehovah izany noho ny nitondrany azy nivoaka ny tany Egypta; izany no alina an' i Jehovah izay hotandreman' ny Zanak' Isiraely rehetra amin' ny taranany rehetra."

Passover Restrictions

43. And the LORD said unto Moses and Aaron, This is the ordinance of the passover: There shall no stranger eat thereof:
43. L`Éternel dit à Moïse et à Aaron: Voici une ordonnance au sujet de la Pâque: Aucun étranger n`en mangera.
43. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Izao no lalàna ny amin' ny Paska: tsy hisy vahiny hihinana azy.
44. But every man's servant that is bought for money, when thou hast circumcised him, then shall he eat thereof.
44. "Tu circonciras tout esclave acquis à prix d`argent; alors il en mangera."
44. Fa ny mpanompon' ny olona rehetra izay novidim-bola, rehefa noforanao izy vao hihinana.
45. A foreigner and an hired servant shall not eat thereof.
45. L`habitant et le mercenaire n`en mangeront point.
45. Ny hafa firenena sy ny mpikarama tsy hihinana azy.
46. In one house shall it be eaten; thou shalt not carry forth ought of the flesh abroad out of the house; neither shall ye break a bone thereof.
46. "On ne la mangera que dans la maison; vous n`emporterez point de chair hors de la maison, et vous ne briserez aucun os."
46. "Ao an-trano iray no hihinananao azy; tsy hamoahanao eny ivelan' ny trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolana na dia iray akory aza."
47. All the congregation of Israel shall keep it.
47. Toute l`assemblée d`Israël fera la Pâque.
47. Ny fiangonan' ny Isiraely rehetra dia hitandrina izany.
48. And when a stranger shall sojourn with thee, and will keep the passover to the LORD, let all his males be circumcised, and then let him come near and keep it; and he shall be as one that is born in the land: for no uncircumcised person shall eat thereof.
48. "Si un étranger en séjour chez toi veut faire la Pâque de l`Éternel, tout mâle de sa maison devra être circoncis; alors il s`approchera pour la faire, et il sera comme l`indigène; mais aucun incirconcis n`en mangera."
48. "Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paska ho an' i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa tsy misy olona tsy voafora hihinana izany."
49. One law shall be to him that is homeborn, and unto the stranger that sojourneth among you.
49. La même loi existera pour l`indigène comme pour l`étranger en séjour au milieu de vous.
49. Lalàna iray no ho amin' ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50. Thus did all the children of Israel; as the LORD commanded Moses and Aaron, so did they.
50. "Tous les enfants d`Israël firent ce que l`Éternel avait ordonné à Moïse et à Aaron; ils firent ainsi."
50. Dia nataon' ny Zanak' Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy Arona no nataony.
51. And it came to pass the selfsame day, that the LORD did bring the children of Israel out of the land of Egypt by their armies.
51. Et ce même jour l`Éternel fit sortir du pays d`Égypte les enfants d`Israël, selon leurs armées.
51. Ary izao no niseho, tamin' izany andro izany indrindra no nitondran' i Jehovah ny Zanak' Isiraely nivoaka ny tany Egypta araka ny antokony.
<
>